Pr Raymond RANJEVA : « La rencontre de quatre Chefs d’Etat à Antananarivo « 

 

L’impasse politique actuelle ne fait que confirmer la position déjà véhiculée depuis près de trois ans par le professeur Raymond RANJEVA. La récente déclaration des Coprésidents de l’Assemblée parlementaire paritaire de l’ACP-UE est sans ambiguïté.

 

Raymond RANJEVA a envisagé depuis plus de deux ans un sommet des quatre personnalités ayant joué un rôle majeur dans la crise politique actuelle, à savoir Albert Zafy, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana et Andry Rajoelina. Sa proposition lui a même valu d’être inquiété sur le plan pénal.

 

Le professeur Raymond RANJEVA réitère que la situation empire actuellement. Et que le sommet à quatre est plus que jamais opportun. Les quatre leaders qui vont discuter autour d’une table ne devraient toutefois pas agir en tant que Chefs de file, mais en tant que Chefs d’Etat. La rencontre devra se tenir à Antananarivo, dans le strict respect de l’esprit d’une recherche de solution entre Malagasy.


22 pensées sur “Pr Raymond RANJEVA : « La rencontre de quatre Chefs d’Etat à Antananarivo « ”

  1. RENCONTRE INUTILE !!! Qui ne menara à……….RIEN !

    La vie du PRM RAVALOMANANA aussi sera en danger !!!

    ET pourquoi d’ailleurs à ANTANANARIVO ??? Pourquoi pas DEVANT LA SADC ET EN AFRIQUE !?

  2. Tsy ilaina intsony izany sommet des 4 izany ê ! Tamin’ny roa taona lasa izany fa tsy izao intsony !

    Ny zavatra tena mba nandrasana taminao r’Ingahy Ranjeva, dia ny fiantsoana ary fanazavàna tamin’ireo mpiara-miasa taminao taloha, ny tena zava-miseho ao Madagasikara !
    Raha tena nisy koa izany, tena efa MBA HENON’NY REHETRA ! SA TSY AMPY TOSIKA ?

    Tena diso paika ianao, fa rahatoa ka izay no tena tokony nilofosanao atramin’izay, tena mba tokony nanana vintana ianao, raha teo amin’ny lafin’ny fankasitrahin’ny vahoaka !

    Hetsika taty ivelany no tena tokony nimasoanao, ary tena narahin’ny be sy ny maro ianao rahatoa ka ny famerenanana ny ara-dalàna no tena natao loha-laharana !

    Efa mazava ny toe-draharaha, koa aza dia ankasarotina intsony !! Tsy misy tokony hidiran’i Ratsiraka sy Zafy intsony ny raharaha. Avy eo indray, dia tsy hanaiky ireto foza rehetra, fa hoe tsy maintsy ampidirina ao anatin’izany !

    Ny Filoha Ravalomanana sy ilay olona nangalatra fahefàna no tokony miresaka, dia ho hita eo ! Tsy mila an’iza na iza !

    Raha tena tia tanindrazana i Ratsiraka, maninona no tsy nanao sonia, ary rehefa tsy nanao sonia NANINONA NO TSY MILAZA MAZAVA NY ANTONY ?

    Faly nanao sinemà teny amin’ny tarmac-n’Ivato fotsiny ?

    Maninona i Zafy Albert tsy sahy nilaza mazava tamin’ny vahoaka hoe i Beriziky ange ka avy ao amin’ny Leader Fanilo ary tao anatin’ny kabine-n’i Ny Hasina tamin’io farany io Ministry-n’ny Raharaham-bahiny (Governemanta foza voalohany) ?
    Fandikàna goavana an’ilay FDR anefa izany !

    I domelina efa fantatra hatry ny ela fa tsy ho tafavoaka eo ! Ny UE rehefa milaza fa diso io, tsy hivadi-dela toy ny fanaon’idomelina !

    Tsy hanome rekônesansy izany ny CI na 20 taona aza !

    Nijaly nandritry ny 4 taona amin’napa ny vahoaka, ary ny mpangalatra REHETRA, nanao an’izay namenoana paosy fotsiny !

    Fivoriana ao Antananarivo, dia midika amin’ny vahoaka fa tena misy fivoarana marina ny fandehan-javatra !

    Raha manana ahiahy lava foana eo, tsy ho tafaverina mandrak’izay ny Filoha Ravalomanana ; satria ho voizin’ireto olon-dratsy foana ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, mba tsy tokony hiverenan’ny Filoha !

  3. @ KM,

    Toa tsy mitovy foana ny hevitsika izany e ???
    Tena tsy ilaina ve ny Mouvance ZAFY na i ZAFY ???

    Ny olana taloha moa avelao any e! Ny FITADIAVANA vaha-olana no aoka mba himasoantsika !
    Sa ????

  4. Misy zavatra tena mampalahelo ny momba an’ingahy Ranjeva ity an!!
    hatahoran’i foza mafy,nefa tsy tafa @ zanak’i dada indray koa,dia mievaeva eo izy,tokony
    handinin-tena mafy izy ary hanova FAMINDRA fa lasa sanatria  » tsy ambony tsy ambany » ataoko fa manana anjara toerana lehibe
    izy @’ny fanavotana an’i Mada fa asa izay tsy ahafahany manao izany???inona no sakana???anisan’ny manakana an’i dada ve
    izy ka izay no tsy handraisany ilay anjara-tandrify @’ilay fahalalana hananany???amiko dia misy zavatra tsy mazava loatra ny aminy
    sy ny paik’adiny.

  5. Hita oah ry dà! avelao dadabe Zafy an!!efa nanao izay ho afany izy ary nahavita!
    masiaka ratsy !!ialahy Kintana a!!
    Njara a! tonga dia poana kely izy fa hihomehezany fotsiny eo ialahy!!Io no maha Kintana an’i Kintana fa aza gaga.
    Izy mahitsy , ( vazivazy an!) hevitra no ampiadiana fa tsy ny olona an! izay izany no fijeriny azy dia izay fa Njara koa
    ity toa lalina koh!!!tsy voatery hitovy daholo izay hevitra hatsipy eto e! fa eny am-pandrasana no mahita ny atiny .

  6. Mariako kely koa Njara fa aleoko lavitra aza izy 4 no mihaona toy izay i Dada sy domelina,
    ny antony???ataoko ahoana no hankasitraka an’i dada hilahatra @ domelina? amiko dia
    tokony tsy ampiarahana mihintsy ny zanak-ondry sy ny ambohodia olona roa samihafa tsy tokony hiaraka
    ary tsy azo atao anaty iray harona akory na inona na inona antony. Amiko aloha an!!domelina MIALA MIGADRA
    fa efa be loatra ny fahotana mafaty vitany no izy fa tsy hiray latabatra @ dada izany e!!Brrrrrrrrr

  7. Raha ny hevitro manokana dia raha ny fihaonana sahala amin’io no hamaha ny olana dia aleo aroso satria ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta no tsy mampandeha ny tondro zotra.Sanatria tsy mampitovy ny tantely sy ny fangaraka fa toy ny sehatra politika rehetra dia tokony hisy ny fifanazavana mba ahitana ny marina.
    Misy soso-kevitra avy amin’ny sasany koa hoe maninona raha soloin’ ny SADC avy hatrany i Domelina.Asa ry zareo raha afaka manao izany? ny nanaovana sonia an’io tondro zotra io no mahatafajanona an’i TGV eo fa ny tsy ny fanarahana an’io koa no hahavoa azy.

    Ny marina mitavozavoza hono tsy maharesy ny lainga tsara lahatra fa kosa ny vavolombelona marobe(mpijery TV) manohana ny marina tsy laitran’ny marivo salosana Izahay dia efa nanoratra any amin-dry zareo vondrona eropeana ny hanohy ny ezaka rehetra hampanjakana ny fahamarinana ao Gasikara fa ny zavatra marina koa dia mitady olona azo atokisana i Dada izao fa tsy dia olona mahay politika loatra.Asa raha tetika tsara izany fa manasa an’i Manandafy izahay hanoro hevitra an’i Dada alohan’izy miseho TV.

  8. IZAY MAHASOA RE NO AOKA HO TANTERAKA – IZAY BE FITSIKERANA, MANINONA NO TSY MIDITRA E – AVELAO AN’ANDRIAMANITRA NY TENY FARANY ARY TSY MAINTSY IZAY NO IAFARANA.
    MBOLA ANDRIAMANITRA NO MANDIDY ETO ARY MBOLA MIANDRY NY MALAGASY TSY HIFANENJIKA IZY VAO HO TANTERAHANY NY ATAONY; minoa ahy ianareo

  9. Njara ary i ranavalona,

    Ny fanirian-tsika rehetra anie mitovy daholo ê ! Ny tena tiako aza dia ny hoe saziana mafy ny mpanongana, mba ho lesona hita maso, ho an’ireo izay mbola manana saina ratsy ! Asa izay hevitry ny vahoaka ?

    Fa raha amin’izao fotoana, ny ahy ry zareo dia ny fahataperan’io krizy io faran’izay haingana mihintsy no mba tadiaviko aloha, fa dia mijaly laotra ny vahoaka â !

    Ingahy Zafy efa nanao an’izay vitany, i Deba moa dia efa fantatra fa tsy an-tany tsy amparafara (tsy nety nandray andraikitra mazava), ka dia avela izy hitsingevana eo !
    matoa aho milaza hoe, avelao ny Prezidà sy ilay mpanongana hifampiresaka, izy ireo no niandohan’ny krizy, ka anjaran-dry zareo no mifampidinika ; mety miaraka amin’ny SADC io tsy olana, fa ny tsy dia mety amiko, ny hisitrian’ny andian’olona hafa !!

    Ratsimilaho angamba no mitovy hevitr’amiko !

    Raha mihizingizina moa ny CI sy ny SADC fa tsy maintsy Sommet des 4, dia aoka ho Sommet des 4, fa tsy 5 na 8 na 12 !

    Ary tsara ny vahoaka mba « manara-maso akaiky » an’izany Fihaonana izany, mba tsy hisian’ny dika-vilana indray !

    Tsy masiaka mihintsy aho re ranavalona â !

    Marina koa ny an’i Ratsimilaho ny hoe, tsy nitsahatra nandika an’ilay tondrozotra i domelina, koa inona no tena antony tsy maintsy mbola hametrahan’azy hitantana an’ilay tondrozotra, na izay rafitra vaovao tokony anoloana an’ilay tsy najainy sy notanterahiny ?

    Fanontaniana kely : Inona marina moa no tadiavin’ny SADC na ny CI, amin’io hoe Fihaonana io ? Hidinika momban’inona ary inona no tena tanjona ?

  10. ranavalona ! Poana ahoana indray ê ? Ny ahy mahitsy, fa tsy toy ny bikanareo miolakolaka ! MDR !!

  11. Tsy misy tsiny mihintsy lesy Kintana fa ilaina ny olona be mokony fa tsy tsara amiko ny manara-
    drenirano fotsiny a! halako ity mandamindamina resaka lava ity nefa ny rano efa eny an-tendakely,
    efa manafotra mihintsy aza.Fanatsaran-javatra daholo izany fa tsy inona akory ka aoka mba samy handray HO @ lafiny tsara
    daholo fa tsy handray an-tendrony foana rehefa misy ny tsikera, tokony ho diniana am-pahendrena izay tsikera misy dia mandray
    lesona angamba no tsara2 kokoa ariana ny ratsy dia hatsaraina ny tsara.

  12. Izaho koa manaiky ilay fihaonana EFATRA fa tsy 12 na 18 dia TGV ny ATSASA-MANILA
    na ireo mpisolelaka mpitati- rakena.
    Izay hevitra rehetra haroso hanalana an’i domelina dia tsara fa asakasak’izay hiady ny tombotsoa ho an’ny tenany @ izao
    efa fahavoazana be mihoapapana mahazo ny firenena izao.Tokony izay hiarenana aloha no tadiavina MIARAKA dia avy eo
    manao ny kajikajy politika fa raha vao ilay fitiavan-tena no tonga aloha dia  » eto isika no ho raisina! ».

  13. Misaotra @ fanazavanao Ratsimilaho ary hankasitrahako ilay hoe:
    « ….olona tsy mpanao politika ……… » ireto mpanao politika mantsy efa
    lasa BIZINA sisa fa tsy politika intsony, ka rehefa vola dia na maintsy aza dia lasa FOTSY.

  14. Tsy maintsy tokony atao ny fihaonan’izy 4 mirahakahy mianaka satria ireo no nitondra firenena lanim-bahoaka mbola velona, afa-tsy Rajoelina. Tsy miady amin’ni Rajoelina akory no atao fa hifamela ary hitatra ny firesahana avy eo amin’ny ankolafy rehetra na olom-politika io na fiaraha-monim-pirenena, ny syndicat-ny mpiasa rehetra, ny olon-tsotra ; izay no atao hoe : Conciliation – miresaka ary mandamina no atao dia manapaka daholo amin’ny farany ;

    Isaky ny misy ny fampihaonana, dia asiana P.V.na taratasy izay tokony atao voahisy sonia avokoa ary izay rehetra ao dia manisy sonia daholo ;

    Raha misy indray ny tsy hakato izay vita sonia, dia miharihary foana ny ataony. Ka ny tondrozotra aza tsy arahin’i Rajoelina, nefa kosa amin’ity indray mitoraka ity, hihitatra amin’ny hery hafa ny fifanatonana – Izay no tena izy amiko –

    Fa raha tsy izany dia tsy misy mande amin’izay izy ny eto –

    Ny fifidianana moa dia tsy ataoatao foana ka tany mikorontana ve hanaovana fifidianana ?
    Gaga ihany aho hoe : fifidianana – hanao unilatérale indray ?
    Tsy afaka manaiky an’izany foto-pisainana izany na oviana na oviana ny Communauté internationale ka hanome vola anaovana fifidianana.

    Raha ohatra fotsiny aza, ka tena mampihatra ny tondrozotra ara-bakiteny amin’ny rehetra ny TGV (fa izy moa no hitako tsy mampihatra) dia hafa koa izay satria hivoaka avokoa ny gadra politika rehetra, miverina ny radio nakatona, mody ny sesitany dia hita fa manara-dalàna – dia afaka hatao koa ny fifidianana

  15. Vao teo ilay izy no hitako ry Njara sy ranavalona, ka mba tsidio kely anie ny gazety « Gazetiko » androany (asa na omaly izy io, fa tsy dia nijery aho) !
    Tsy mbola nahita an’ilay izy aho, raha nanoratra an’izay voalaza ery ambony ery !

  16. Izay ahay Raozy fa mihamazava! mankasitraka e!!mazava mihintsy ny voalazanao eto.

    Aiza no ahitako io Gazety io Kintana??Mba alefaso eto raha misy mahita azafady ry « Pėsialista  » isany a!!

  17. Io voalaza io koa ilay satanika ry Kintana!misaotra aloha @’ilay vao2!
    Idiran-doza ity ny ferenena marina!Sendra izay hiraky ny devoly.

  18. Tena mba nahagaga ny maro mihitsy ity ingahy Ranjeva ity an! Tena olona manampahaizana ny lehilahy ka nahalasa azy ho mpitsara iraisam-pirenena. Rehefa tafaverina teto an-tanindrazana nefa ny lehilahy dia tsy araka izay fahaizana lehibe nananany izay ny hevitra napoitrany satria tena hevitra mirefarefa ami’ny tany no nasehony. Ry Satrobory no nitovy hevitra taminy! Ny mpitery ronono no notohanany ara-kevitra. Dia nanontany tena ny maro hoe fa nahoana. Tsotra ny valiny: asa raha tadidinareo ilay rahalahiny izay nangalatra vola tsy toko tsy forohana tao ami’ny banky lehibe tao Manakara fony i Valo no mpitondra ny firenena. Rehefa fantatra ary fa io rahalahin-dRanjeva io no mpangalatra dia nanao izay mety i Valo ka nampandositra io rahalahin’i Njeva io. Ankehitriny dia voatery i Njeva hiaro hatramin’ny farany an’i Valo, satria io no afaka hiaro ilay rahalahiny nangalatra. Samy mpangalatra tokoa ve moa tsy hifampiaro. Very tery ilay hasin’ity lehilahy nanana ny mahaizy azy fahiny ity. Izy sy ry Satrobory ankehitriny no mitovy grady!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *