Telo Toana mahery izao

Taratasy voary tany amin’i Rédac MyDago

Telo taona mahery, araky ny fisehoan-javatra izao, no idiavan’ny Firenena lalan-tsarotra. Tsy nisy nanampo ny toy izao na ny mpitondra teo aloha nifanesy hatramin’izay na indrindra ireo izay eo amin’ny fitondrana ankehitriny. Nifandimby nitondra an’ity Firenena ity na ny olona nahita fianarana ambony dia ambony, na ny sadasada fahaizana, na ny tsy nanampo ho tonga teo amin’ny faratampon’ny fitantanam-pirenena.
Fotoana andinihana ny tokony hoentina manarina ity Tanindrazana ity izao. Raha ny fihetsika isan-karazany asehon’ireo mihevitra azy ho manana fahaizana amam-pahalalana hanarina ny tsy nety hatramin’izay no dinihana akaiky dia tonga amin’ilay fitenenana hoe « Mbola ho ela, hoy ilay voafatotra… »
-Voafatotra satria eo ny filàna kely amin’izay toerana anendrena ireo nomena toerana ; tsy afa-manoatra intsony fa latsaka andava-bary ka ho sarotra ny hamadika ireo izay nanome toerana.
-Voafatotra noho ny toe-tsaina tsy matotra hitondra Firenena fa ny fizahozahoana no betsaka.
-Voafatotra andavam-biby masiaka ka tsy afa-mihetsika noho ny tahotra.
-Voafatotra amin’ny teny natao tsy voahevitra satria nanantena ny hahazo tombotsoa tamin’ny olona notohanana ara-fehin-kevitra politika, kanjo nony tonga amin’ny toeranany ny olona noderaina sy nohajahajaina dia tsy nahita rirany na ravin-kazo kely aza.
Azo tohizana ao anatin’ny pejy maromaro io « FATOTRA » io fa anjaran’ny tsirairay, indrindra ireo teo tamin’ny fitondrana sy ny eo amin’ny fananam-pahefana amin’izao fotoana, no mandini-tena.
Mahasorena ny mijery  ireo miseho azy ho malala-tanana amin’izatsy sy izaroa, satria hono, eo ampelatanany ny fanalahidin’ny FAHAFAHANA.
Manorisory ny mihaino ny kabary sy teny avoaka etsy sy eroa raha sendra misy fitokanana zava-bita, na vitan’ny hafa nefa ny tena no mitondra ny satro-boninahitra amin’izany, indrindra moa raha resaka fikasana hanorina izao sy izao. Tsy ny ambany maso ve aloha no mahamaika noho izay tsy ho hay ny hiafarany na ho Ikoto na Ikala ?
Leo be ny Malagasy fa isan’andro vaky izao dia tsy maintsy haino ilay teny hoe « KRIZY » ! tsy misy izay tsy mampiasa an’io manomboka amin’ny ankizy madinika ka hatrany amin’ny beantitra. Hany ka raha vao manontany na dia fahasalamana fotsiny aza dia voavaly hoe  » IZAO VOAN’NY KRIZY IZAO E ».
Very hevitra ny Vahoaka raha mahita ny fireharehana amin’ny hoenti-manan’ny olona ambony ; mitsiriritra sisa no ataon’ny « Madinika » fa ho aiza moa !
Lany andro amin’ny lanonana samihafa hoenti-mamalifaly ireo « Mitrongy vao homana » ny mpitondra. Mitotorebika daholo izao sisim-bohitra rehetra izao satria izany hono no FAHAFAHANA…mandritr’izany fotoana izany dia mikararana ny zava-pisotro mahamamo, ny zava-maha domelina, ny loka madinika eny amin’ny sisin-dalana. Aseho ho hitan’ny vahiny mandalo sy mitoby eny amin’ny trano fandraisam-bahiny isan-karazany fa faly sy milamina  Ra-MALAGASY. Vavolombelona ireny vahiny sendra mandalo ireny fa : tsy misy ny ady an-trano, tsy marina ny hoe tsy manan-ko hanina ny Vahoaka, tsy mitombina ny feo mandeha fa tsy misy asa ao Madagasikara ; porofoin’ny filaharana mividy hani-masaka, fitafiana tonta, akanjo mora…sy ny sisa rehetra izany. Tsy misy afaka hitsikera fa tsy misy filaminana ny tany sy ny fanjakana satria feno mpiambina mitam-basy sy misy ireo fiara goavana tsy mataho-dalana mitsinjo ny fandriampahalemana.
Ny fanantenana hatramin’izay nahazahoana ity hoe « Fahaleovantena politika » ity izay dia ny mba nananan’ny zanaka malagasy fahaizana amam-pahalalana hoenti-misedra ny fiainana ; hananan’ny taranaka fara mandimby asa aman-draharaha hamelomana ny tena, ny vady aman-janaka, ny mpiara-monina, ny tontolo iainana. Lavitra anefa izany izao satria ny asa tsy misy, ny fianarana tsy mandeha amin’izay laoniny, ny sakafo tsy zarizary, ny trano ialofana tsy misy, tsy milamin-tsaina andro aman’alina ny sarababem-bahoaka, tsy mifampahatoky intsony ny mpifanolo-bodirindrina, ny mpianakavy tsy mahay miray hevitra intsony noho ny politika satria rangahy momba ny andaniny, i ramatoa manindrahindra ny ankilany, misy aza tsy mifampiditra an-trano intsony noho io politika, politika io ihany.
Raha nanovo fianarana ara-dalàna hatramin’izay anefa ny tsirairay dia inoana tanteraka fa tsy hiseo ny toe-javatra toy izao satria samy ho nandia fianarana ny mpianakavy ka mahalala ny soa hiaraha-miaina. Izany no tokony ho laharam-pahamehana alohan’ny hampiderana ny basy poleta sy ny forongony.
Dradradradraina eran’ny Nosy ny hoe « FIFAMPIHAVANANA , FIFAMELANA , FIFANDEFERANA » Tsy ho tanteraka na oviana na oviana anefa izany raha mbola samy manao kibay an-kelika ny tsy maty voalavo an-kibo. Ny very hasina teo aloha tsy hanaiky ny handrangitan’ny ankehitriny ny saim-patany hoe izao no nataonareo, tsy mendrika ny hiseho Vahoaka intsony ianareo. Io ilay fitenenana hoe « tsy ny trondro lasan’ny saka no tsy tantiko fa ny fidingin’ny rambony ». Ny sasany efa mame-petra fa raha hisy izany « FIFAMPIHAVANANA, FAMELANA, FIFANDEFERANA » izany, dia ho ekena aloha fa hoavy ny fotoana izay « hikarakarainay azy ». Efa resaka an-dalam-be izany lelalelaina ho ren-tany, ren-danitra.
Sarotra ny fandidina, hoy i dokotera !
Koa raha hifaly sy hitotorebika àry isika mianakavy noho ny fitsingerenan’ny 26 jiona 1960 dia rariny sy hitsiny izany saingy tsy tsara ny mibitaka sy mandihy tsy afa-tavony.
-Omeo asa  hananany fahefa-mividy ny Vahoaka hoentiny miaina amin’ny rariny sy ny hitsiny.
-Omeo trano ihonenany amin’ny fomba manara-penitra ny sarababem-bahoaka fa fiainana tsy an-tsapaka toy ny kidia kely ery amin’ny sisin-tosy akory . Ny amin’izao fotoana dia mbola manara-tatatra no betsaka. Mbola ho ela izany manara-penitra izany raha tsy misy ny hoenti-manana amin’ny fomba tonga lafatra.
Raha ireo fotsiny aloha no tanteraka ao anatin’ny fotoana fohy dia inoana fa hisy kokoa ny hanaja ny fetim-pirenena. Matoa ny olona mifaly avanja mandritry ny herinandro latsaka eran’ny faritra rehetra dia satria manala àzy izy fa tsy vokatry ny fony akory. Lanonana tsy andoavam-bola ka ho aiza indray ? Hikoha-maina aza hatao, maika fa misy sery ?
Enga anie tsy hisy ny fihetsiketsehana manafin-diky an-tsalaka toy izao fa mahamenatra sy manala-baraka ny toe-tsaina malagasy.

Izay no firariana ahely ny manan-tsaina amin’izao fetim-pirenena izao. Samia tahian’Andriamanitra ho tratry ny taona maron’ny fahaleovan-tenam-pirenena, tompoko.

3 pensées sur “Telo Toana mahery izao”

  1. Amin’izao ora itenenantsika izao aza lasa tsinjery itony voabolana nafafin’i Andry Rajoelina sy ny forongony itony: fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena ==> retour à l’indépendance????!!!!

    ohatra hafa ihany koa:
    – Afa-BARAK ny gasy mipetraka any @ tanin’i Obama, f’itony no vokatry ny search ataon’ny olom-pirenena any lavitra be any te hahafantatra bebe kokoa (entre autres) an’i Madagascar: YOUTUBE ==> http://www.youtube.com/watch?v=w_oCHkCjueQ

    __

    Main priority: TO WIPE OUT H.A.T.’s fingerprints. –

  2. Big sipa, they like to move it ; no make-up, just natural !! Forest gun !!! Lol !!!!
    Sorry my sister !

  3. KM (ou qq’un autre) svp voudriez-vous commenter afin de dégager THE « MAINS IDEAS » of the said actor-writer-ANIMATOR of name Tom McGrath thru his other films:
    → 2012: « Madagascar 3: Europe’s Most Wanted »
    → 2009–present: « The Penguins of Madagascar »
    → 2009: « Merry Madagascar »

    __

    Ho an’ny mpanoratra: tsy misy fety, ny omaly nanomboka 2009 tsy miova, KRIZY LEHIBE ny anay mpianakavy miandry ny fitondràna ara-dalàna tsy afa-manohy ny famindrana tany-lova eny @ domaine (corruption sy halatra), sao de mankeny @ podium Anosin’ny HAT fa … tsatok’antsy mahafaty eo no ho eo no miandry an, ho hita eo ny hafitsok’i ROSSY manoloana ny RUGBY-MEN, 4X4 isan-karazany misongadina be fa mitombo isa an’ireo mpi-BIZN @ izao pouvoir illégal izao, mitombo ny mpandeha an-tongotra nohon’ny embouteillage ateraky ny lalana devenu littéralement ROUTES SECONDAIRES par ci et là,

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *