TIKO Andranomanelatra : tonga maro ny zanak’i Dada

Antsirabe 11 jona 12 (19)

Araky ny  fanentanana nataon’ireo mpitarika Magro Antsirabe sy ny avy ao amin’ny Mpandrindra nasionaly ny Ankolafy Ravalomanana ny sabotsy lasa teo dia vahoaka maro be no nihazo an’Andranomanelatra hiaro ny fananan’i filoha Ravalomanana .Araka ny nambaran’ny CT Didier Radert dia efa lasa raharaha politika ny raharaha TIKO fa tsy teknika intsony satria dia tsy rariny hoy ihany izy ny antsojay atao amin’ny Orinasa TIKO .Tsy  afaka misaraka ny TIKO sy ny Ankolafy Ravalomanana ary ny Tiako i madagasikara sy ny zanak’i dada ka na iza na iza mitady hamotika sy handrava ity Orinasa izay hany sisa tavela tamin’ny Orinasan’ny Filoha Ravalomanana ity dia tsy ho avelanay hanao izany intsony ; ampy izay ny nandeferana tamin’ny FAT hoy izy ireo.

Ny vahoaka moa dia nilaza fa na inon-kidona na inon-kihatra dia vonona izy ireo hiaro ny fananan’i dada na ho anio na ho rahampitso na ho amin’ny iray volana dia tsy hiala teo mihitsy ry zareo raha tsy ny teti-dratsy ny FAT no mitsahatra.

 

17 pensées sur “TIKO Andranomanelatra : tonga maro ny zanak’i Dada”

  1. Mahereza daholo e. Homba antsika anie Andriamanitra amin’izao tolona ho an’ny Tanindrazana izao (tena ho an’ny Tanindrazana fa tsy ilay saritsariny tahaka ny an’ny sasany)

  2. izay miady tsy mba resy, misaotra ny mpitolona rehetra manome voninahatra ny tanindrazana, ny vahoaka malagasy ary ny fahafahana amin’ny teti-dratsy tsy mendrika.

  3. Misaotra Tompoko fa zava-dehibe izao fanontronanareo ny mpitolona any Antsirabe izao
    mba manome hery azy ireo @’izao zavatra sy rariny mianjady azy ireo izao.

    Faly aho fa novonoin’ny olona hono ireo mpanakorontana t@ hetsika t@ asabotsy.

    Dia nisy vao2 TANDREVAKA be mifono zavatra hafahafa fa misy manamboninahitra hono any ivelany any
    izay naka VISA lava2 hoe hiara-hody @ dada fa tsy avelan’izy ireo hitondra mpiambina VAHINY i dada??????
    HAFAHAFA an!!!TSY MAHATOKY AHO?????MISY TSY MAZAVA!!!!ka na ny ain’i dada ao Afrika atsimo aza efa
    tsy azo antoka intsony @ ‘izy ireo, AMIKO adaladala ity aloha an!!!!hiraka ireo amiko ary hiraka hanakanana ny
    mpiambina an’i dada mba ahafahan’izy ireo manatanteraka ny asa ratsiny.Ny vahaolana @’izy ireo mantsy dia ny
    FIFOFOANA NY AIN’i dada,ka na ny Sudaf ireo aza efa hitako fa efa kenda @ teritery samihafa.

  4. Ny fahitako azy indray dia izao :
    1- Ny any Antsirabe aloha dia efa elaela no fantatra fa ho any an-toerana ny olona avy eto Tanà. Ny fotoana no tsy nofaritana tamin’izay fa arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha.
    2- Mikasika ny mpiambina dia manahirana, satria na ny pro-Ravalomanana eto Tanà aza dia sahirana rehefa misy vahiny miambina azy. Ny stratégie arahana dia efa tsy itovizana loatra. Sady ny miaramila eto efa mizarazara foana. Raha tonga eo Ravalo, dia tsy hanaiky ny miaramila mpomba azy raha misy mikasikasika azy eo. Ny coordination entre miaramila gasy sy ny mpiambina vahiny no mila atao tsara mba tsy hisian’ny olana.

  5. Brandon misaotra anao @’ilay fanazavana .
    Ka ahoana no hamerenana i dray ilay FAHATOKISANA fa eto mantsy izao no olana ??
    efa be loatra ilay mpamadika????fa kosa raha misy GASY azo ahatokisana moa tsy izay ve no
    tadiavina, misy ohatra izany indray???dia tsara ho fantatra koa hoe: Iza no miantoka ny fijanonan’ireo manamboninahitra
    sy ny nahatongavany any ivelany any ( ataoko fa zava-dehibe io). tsy hita fa manahirana e!! iry mahaory ireto izy.Ilay izy
    moa vao2 nitselika fa tsy dia ampy fanazavana loatra fa tsy matikilolo ilay izy an!!!

  6. Ny tsara atao mazava dia ny hoe : Iza avy no mpitarika mba tonga tany Andranomanelatra, mba tena nanotrona an’ireo zanak’i dada ireo ? Araky ny vaovao nalefan-dry zareo avy ao Antsirabe, dia toa tsy mifandrindra ny resaka !
    Hisaorana betsaka aloha Ingahy Manoela, izay nanana fandavan-tena ary nahafoy andro sy vola, nandeha tany !
    Tsara raha mba alefa eto ny kabary nataony !

    Resaka TIKO.
    Ahoana moa no hilazàna fa resaka teknika io raharaha io ? Dia mba mamahan-dalitra ny vahoaka izay nivoy an’izany, satria na olona tsy nahita fianarana aza dia tsy hino an’izany mihintsy !
    Fantatra hatry ny ela fa fomba nentina hamotehana an’ny Prezidà Ravalomanana io, ka inona no resaka teknika amin’izany ? Fantatra daholo hoe, iza avy ireo be fialonana nanaiky hamotika ny zavatra mba natsangan’ny tera-tany malagasy !
    Tsy vitan’ny hoe ny entana na ny fitaovam-pamokarana ihany no norobaina, fa na ny antonta-taratasy ihany koa, mba tsy ahafahin’ny Prezidà hanome porofo !
    Santionan’izany fotsiny ilay resaka raoplanina !
    Nendrikendrehana ny Prezidà, kanefa mazava tsara fa resaka PPP io ! Ny PPP dia ny Banque mondiale sy ny FMI no namporisika ny fampiasàna an’io, rehefa mazava ny fifanarahana !

  7. Ny vaovao fantatra hatreto aloha dia ho any Antsirabe daholo ny mpitarika ato amin’ny Magro miampy an’i Avocats sy ry Mamy Rakotoarivelo.
    Ilay resaka fahatokisana dia tena marina tokoa ny ahiahy. Henjana io. Ny mpamadika tsy kely lalana. Fa i Président dia manana ny miaramila atokisany tokoa ary tsy lazainy ny anaran’izy ireo, sao dia …….
    Vohizina tokoa ilay resaka teknika. Ny foza no tena mpiteny an’io. Fa izao, manana ny doubles de documents Ravalo. Faharoa, matahotra anie ny foza izao amin’io resaka io e ! Ilay vary nogiazana tany Tamatave izao dia tsy mbola an’i Magro anie e, fa mbola an’ny Banque BOA. 34 milliards d’Ariary ny vola nogiazan’ny foza amin’io. Efa nahazo rariny ny BOA ary ho averina ato ho ato ny volany. Manaraka izay dia efa lanin’ny foza ny production rehetra tany amin’ny MANA Toamasina ( farine io). Nilaza ny foza fa hanilihana ny arriérés d’impôts no nanaovany an’izany. Voarobany daholo ny zavatra nefa ny impôts lasa nitombo tampoka teo.
    Koa raha lazainy fa resaka teknika io, dia tsy misy atahorana ny amin’izany. Ho voa amin’ny heviny aza ry zareo foza. Fa fanapotehana politika no tiana atao, mba tsy ahazoan-dRavalo vahana satria matahotra mafy ny ekipan-dRadomelina.
    Ary io fifanoheran’ny resaka teknika amin’ny resaka politika io no tsy laitran’ny FAT.

  8. Tsara ksa izany fikan’i dada izany !!enga anie ka mbola hisy olona hatokisany
    indrindra fa miaramila, tena mba faly aho maheno zany.

    Iza indray no nanondrana izany resaka teknika izany???dia efa mihevitra olona tena paiso ny filazana izany amiko,
    aleo tsy miteny rehefa tsy mazava tsara fa mandreraka manome « L » fotsiny .efa mitarazoka loatra ve ilay kirizy ka efa
    mivaralila daholo ireto olona e!!!sa fanainiana hatao hanaovana tsindrio fa lavo ilay vahoaka efa MANDADY???

  9. Misy seho-javatra manome fanantenana satria mitory fa mizotra tasara ny tetika naroson’ny Filoha RAVALOMANANA MARC , dia ny fangatahana tamin’ny SADC fihaonana amin-drajoelina :
    1/…ny rfi dia nanatona ny bureau local-n’ ny SADC ao Antananarivo
    ary nametra-panontaniana mikasika ny fihaonana
    .aiza ho aiza ilay fihaonana ?
    .valiny :ao ,mandeha tsara ..Ao anatin’ny négociations izy ireo

    ..rahoviana no ho vita ny négociations ?
    ..valiny : raha vao vita , dia lo lazainay ny vokatr’izany .

    2/…nisy fanontaniana napetrakin’ny mpitarika ao amin’ny ankolafy tamin’ny Filoha androany maraina manao hoe :
    .rahoviana no mody ianao ?
    .valiny :tsy ho ela.Aoka kely aloha fa mbola misy zavatra karakaraiko !

    3/…iaraha-mahalala fa niverina eny Tsimbazaza ny Filohan’ny CI
    RAKOTOARIVELO MAMY.
    .porofo izany fa mandroso tsara ny resaka mikasika ny tondrozotra
    izay hahazoana mametraka ny tetezamita vaovao..Raha izany ,aiza ilay fihaonana ? Inona no dinihina amin’izany ? Sa sonia mamarana ny asa sisa no hatao ?

    Ny fandinihina ireo seho-javatra telo loha ireo dia mahavelom-bola !
    Miampy azy ireo fivoriana any Andranomanelatra , izay hetsika ho fitandroana ny zon’ny tompon’ny TIKO ary fanehoana ny tsy fanekena ny didi-pitsarana mikasika io orin’asa io !
    Tsapa tao anatin’ny efatra andro izay fa  » nifitsaka  » ireo heri-pamoretana..!

  10. AZA HADINO RE FA NY MARINA TSY MBA MATY – ARY MITONDRA AN’IZAO TOLONA ATAONAREO IZAO IZAHAY EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA – TADIDIO FA NY RATSY TSY MAINTSY RESY REHEFA MIFANANDRINA AMIN’NY TSARA – SATRIA NY TSARA TSY MANAN-KEVITRA HAMOTIKA.

    NY FAMOTEHINA DIA AVY AMIN’ILAY RATSY KA HALAVIRO – TSY MISY MAHAZAKA NY DIDIN’ANDRIAMANITRA REHEFA HO AVY IZY. ALEO MANAO NY TSARA FOANA SATRIA NY TODY TSY MISY FA NY ATAO NO MIVERINA RE E !

  11. Teneno dadanareo hoe Aloavy ny hatsembohan’ny Malagasy 172 milliard, dia azonareo indray io orin’asa io. Tsotra be, na zaza kely ve tsy ahazo izany?

  12. Fa iza aloha ilay Malagasy lazain’i Tanora e ? Ny mpomba ny foza ve ? Fa firy tokoa moa ianareo e ?
    Alaharo ho fidiana miaraka amin-dRavalomanana i Domelina raha sahy ianareo. Vonona ianareo sa Vendrana ?

  13. Teneno ny DJ nareo ry Tanora fa efa kika ny disc andihizan’elà isany ary sotroy ny ranomason’ny taranak’ireo nataonareo sorona teny Ambohotsirohotra tamin’ny 2009 a !!!!!

  14. Tatsimo, nitsoaka ao Afrika atsimo ao ilay rangahy nitifitra ny Malagasy sans regret,
    Efa misotro ny ranomason’ireo izy ao zao. fa mbola tsy nananefa sazy a, efa mandadilady am zandry izy zao aloha, fa ny vahoaka novonoiny kosa dia tsy hanaiky mandrakizay.

  15. Fa angaha izy tokoa moa ry Tanora no nitifitra teo Ambohitsorohitra ? Ny olanareo mantsy dia tsy sahy mifanatrika amin’ny marina, dia aleonareo miteniteny foana. Amin’izay ianareo no mino voalohany ny teniteny foana ataonareo. Sady manao auto-suggestion ianareo no manao auto-persuasion. Ny olona anie tsy Gasy Vendrana toa anareo daholo e.
    Ny vahoaka malagasy mahafantatra tsara fa natao sorona ny namanareo ( adalan’izay nanaiky an’izany aloha e ). Ny miaramila namanareo aza ( Lé Dolin ohatra ) dia efa nilaza mazava koa tao amin’ny TV Plus fa naleo niala teo Ambohitsorohitra fa hitifitra ny miaramila. Kanjo hay ny lonareo no nitifitra ny sorona tao. Loza ny nataonareo e !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *