TIM Antananarivo : nidina tao Andranomanelatra ANTSIRABE

SONY DSC

Tao aorian’ny fidinan’ireo CT sy CST maro avy amin’ny Faritra tamin’ny fiambenana ny TIKO tamin’ny barofo nataon’ny FAT dia nidina ihany koa ireo avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara avy amin’ny boriborintany maro ao Antananarivo . Vonona izy ireo hiaro ity Orinasan’ny Filoha Marc Ravalomanana  ity satria tsy rariny ny ataon’izao fitondrana misy izao. Raha tsy mangalatra ny fananan’I Dada dia mamotika sy mandoro, nahoana raha soloina aloha izay nangalarina sy norobaina ary nodorana vao miresaka e! hoy izy ireo.

Nandray ireto vahiny ireto moa ny mpandrindra ny tolona eto Vakinankaratra Atoa RABEMIZANA Solo sy ny Loholona RABENTOANDRO Lanto

Tsy mba menatra ve ireto ekipan-dRajoelina ireto amin’ireny vadintany tsy mahefa ireny sa may amin’ilay isan-jaton’izay azo eo dia minia sao mba tafa ihany?

Raha araka ny vaovao azo dia ny zanak’I Dada manerana ny nosy dia tsy manaiky ity antsojay atao amin’ny orinasa TIKO ity satria raha ilaina hoy izy ireo ny fidinana mankaty Andranomanelatra dia ho avy izahay .

Anio sabotsy dia ho avy etsy amin’ny Magro Avaratsena ireto Delegasiona avy amin’ny Tiako I Madagasikara Antananarivo ireto mba hanamafy ny tolona eto Antsirabe.

16 pensées sur “TIM Antananarivo : nidina tao Andranomanelatra ANTSIRABE”

  1. Tena mijery marina ry zareo, ary faly dia faly mamahan-dalitra, sy mahita an’ireto mponin’Antaninarivo mijaly !! Ny any amin’ny faritra tsy dia hamakiany loha loatra noho ny antony maro, fa ireto mponina ao Antaninarivo ireto no tena venà ka ataony mihinana ny apangony mihintsy ! Badrahodra araky ny filazan’i elas !

  2. Antonona ny eto Tanà zao fahoriana notadiaviny zao angamba kàh!!! te hilingilingy hifidy an’io Domelina io ho Maire ka!!! fa ny tsy manan-tsiny manerana no Nosy no Mampalahelo!

  3. Marina dia marina izany ry verbeeck ! Ireo tsy manan-tsiny any ambanivohitra sy any anaty ala any no mampalahelo satria, miasa mafy ny dahalo any !
    Fa ireto miseho nahita fianarana ao amin’ny faritr’Antaninarivo, indrindra fa ireo nilingilingy nifidy an’ity domelina tsy haninon-tsy haninona ity ?
    Tsy nahafatatra ny maimbo ve ka nisaron-doha niaraka tamin’ny foza, any ka nahita loza fa nanao ny ataon’ireto foza !!

  4. aloavy ny vola dia vita io;mpangalatra sy mpisoloky anie ny tsy mandoa hetra;aloavy io vola io fa aza variana mitatatata mandrebireby ato amin’ny magro fotsiny;de maninona izao raha mba amboarinareo olomboatendry io toerana io fa tsy i dada irery no tsetsafinareo rehetra;mody be resaka raha te hangatabola

  5. Ny dikan’io Raozy dia izao a!!ilay toe-tsaina hoe:
    Misy vola dia ho GAMAINA ,sady io hetra takian’i foza
    @ dada io anie ka fomba ho entina hanaronana ireo alatra rehetra sy fandrobana nataony
    T@ dada dia mody ny azy no ATAONY TONGA ALOHA e!!!mievitra mantsy izy ireo fa olona dia efa tena
    badraodra noho izy ireo ny zanak’i dada ka tsy ahatakatra ilay toe-tsaina lomorona efa andevozin’ny vola?

  6. Mila vola Mr Duval ? Tsy mahagaga !
    Bercy : 1,5 milliard de dépenses prévues par le gouvernement Fillon, non financées !
    Dépenses militaires sa « aide au développement de …. » ???
    Vaky loha ny sôsialista !
    Betsaka ny fôksiônera frantsay no ho voadaka, vita teo ny rendrarendra satria tsy misy intsony ny vola ! Tokony mbola ampiana ve anefa ny mpanongam-panjakàna ??

  7. Nanao fanambaràna Ingahy Mamy Rakotoarivelo fa hoe tokony hiverina hiasa daholo ny CT sy CST, satria efa manomana mafy ny fifidianana sy ny CENIT izy sy Andriamihanta !
    Baiko avy any amin’i Dada ve izany ?
    Dia ohoana koa ity hoe TOKONY HILATSAKA HO FIDIANA I DOMELINA, HIFANINDRANA MIARAKA AMIN’I DADA ??
    I Domelina efa nilàza tamin’ny Communauté internationale fa tsy hirotsaka, ary ny Accord de Cotonou sy ny Constitution malagasy efa mazava fa tsy afaka milatsaka izany izy, dia Ingahy Mamy indray ve no mivoy an’izany ?
    Sao dia tsy mety ry zalahy â ! Sa avy any amin’i dada ihany koa izany ??

  8. Io indray i Mamy an!!!mbola tsy ampy azy ihany izao an??
    iza no nidradradradra fa tsy MAINTSY i Domelina ihany no ho filohan’i tetezamita aaa????
    dia mbola izao indray hoe ahoana???sao dia ilay io mihintsy no tokony ho SOLOINA sy HIALA alohan’i DOMELINA??
    io mihintsy no vato misakana @ tsy ahatongavan’i dada fa efa miariary izao ny hataony, FONGORY FA EFA AMPY KOSA
    ANGAMBA IZAY Kah??????Taiza ndray aloha io vao2 io ry Kintana fa toa tsy mampino ity izy???? fa fifidianana inona @
    izao savorooro izao???@ fomba ahoana ??ny fahalalahana maneo hevitra aza tsy misy????sao dia mba tsy mety e!!!sao
    dia izay miteny fifidianana @’izao toe-draharaha izao no FOZA NOHO NY FOZA fa tsy ZANAKy dadavelively????????

  9. Midi Madagascar
    Rubrique « Politique » : Mamy Rakotoarivelo pour les candidatures de Ravalomanana et de Rajoelina !
    Mbola ao amin’ny pejin’io gazety io, androany !
    Fanontaniana ny ahy, satria tsy fantatra intsony izay antony hitolomana, sy paika tokony ho atao !
    Raha izaho mantsy no mba teo amin’ny toerany, dia ny mba hanaovana an’ilay fihaonana ao Antaninarivo, miaraka amin’ny malagasy rehetra no tokony nangatahana maika dia maika, mba tsy hisian’ny faniliana sy ny hoe tsy manaiky an’io izahay satria tsy mba navela hanome ny hevitray !
    Mitarazoka ny raharaha, ary mijaly ny vahoaka !! Fifidianana no mahamaika ny sasany kanefa ny Prezidà mamim-bahoaka sy andrasany aza tsy eo akory !

  10. Izay no hilazako fa efa sy izy intsony mihintsy i Mamy. R fa efa miha-mianjaka ihany
    ny zavatra HAFENINY sy KOBONINY izay ela izay.
    Marina mihintsy fa tokony ilay fihaonana no takiany ho ao MADA ary MAIKA NOHO I DOMELINA angamba an??
    Io ny anareo e!!!tsy azo ahatokisana intsony io f efa ela nilalaovana ka tsy maintsy mipoitra ihany ity ny MARINA.
    Tsy mamely ianao Mamy ,R a!!MISY TSY MAZAVA e!!!TSORY ny MARINA fa mijaly ny ambany lanitra e!!aiza marina
    ianao???Ataoko fa efa mazava ny resaka an!!

  11. Efa nandevozin’i domelina tsy maintsy hilelaka azy angamba Rangahy iny ???
    Mody be vava fa ny ao am-po taralila an!!
    Dia ahoana koa no hiverenana sahady f’angaha efa TANTERAKA ireo zavatra NOTAKIANA dia ilay
    FR laharana 16 ka hatr@ 20??? sao dia efa MIVIKA i MAMY .R ?? TSY MIDIKA HO FANOPANA OLONA ve izany??
    Mba jereo akaiky ihany dada ny raharaha fa aza dia matoky saka fa trondro ny laoka a!!!!ny ahaleo ny olona aminao no
    tetika @’izao fa aza miditra @’izany ianao ry dada malala.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *