TSY AZO EKENA NY FANJANAHANA ATAON’NY FRANTSAY

Magro 28 Jona 12 (13)

Mitady hanao « accord de cooperation » vaovao ny frantsay hoy Ravelonanosy Mamitiana androany teny amin’ny Magro Behoririka, hanilihana ireo misakana ny tombontsoany.Efa hitantsika amin’ny gazety ireny fa misy milaza fa tsy mankasitraka ny fihaonana eo amin’ny Ravalomanana sy Rajoelina. Ny antony hoy izy dia te hiverina amin’ny fanjanahana an’i Madagasikara ny frantsay. Tsy azo ekena ny tahaka izany. Izahay mino hoy Mamitiana fa tsy ny frantsay manontolo no manao izany fa ireo taranak’i Gallieni. Tsy hoe fanilikilihana ny filoha Ravalomanana tsy hofidiana, fa Rajoelina efa tsy ho lany dia mitady olona hafa izy ireo. Noho izany dia efa manomboka mametraka politika hafahafa aty Afrika ny frantsay. Nambaran’i Mamitiana fa ny ambasadaoro frantsay vaovao tonga eto dia tokony harahamaso, satria efa nanaraka hatrany ny fifanarahana rehetra nisy ary manindrahindra an-dRajoelina. Mikasika ny miaramila frantsay tonga eto dia nambarany fa mba menatra ihany ny Malagasy. Frantsay no alaina hanazatra ny miaramila Malagasy. Vao mainka hoy Mamitiana fahafabaraka hoy an’ny Malagasy satria resy ve ny miaramila gasy.Nodradradradraina tamin’ny andron’ny Filoha Ravalomanana fa hoe misy mersenera. Manaova isika hoy izy fanadihadiana fa firifiry ny vazaha eto, ary inona no ao amabdiky ny miaramila frantsay. Hatramin’izay nitondran-dRajoelina izay dia nahazo vahana ny frantsay,ny Rosiana. Ireo no manjanaka ny harena, vatosoa alefa any ivelany. Izay ve no hambom-mpompirenena hoy Mamitiana ? Mba mandiniha tena, ary aoka mba handinin-tena ny Malagasy fa rehefa fifidianana dia izany ve no olona hitondra firenena. Hatramin’ny taona 2009 hoy Mamitiana dia tafiditra lalina amin’ny resaka politika ny miaramila. Raha tiana ny hampanjary ny fifanarahana dia tsy avela hanao politika ny miaramila fa hampihatra lalàna. Noho izany hoy izy dia angatahana ny Sadc mba hanaramaso tsara izay fifanarahana soniavina fa olona tsy matahotra hivadika no hifanaraka aminareo. Mivory ny GIC eto Madagasikara hoy Mamitiana, handinika ny fihaonana, ka noho izany tsy ianareo GIC no hisakana ny olona roa natelo tsy hilatsaka.

20 pensées sur “TSY AZO EKENA NY FANJANAHANA ATAON’NY FRANTSAY”

  1. Tena marina mihitsy io kabarin’i CT Mamitiana io, ary ampiako aza: ny tena anton-dian’ireo miaramila frantay ireo anie ka mety ny hamono ny Filoha RAVALOMANANA mihitsy e!.. Tsy azo atao ambanin-javatra izany, satria mety ho « pretexte » fotsiny ilay hoe mitady an-dRamenabila, mba ho « credible » ny hidirany eto!
    Ary maninona koa moa raha alefa any i Risara Baomba fa vetivety anie dia hitany ny vozo misy an’i Ramenabila e?

  2. Tsy maintsy mikabary fotsiny angamba ry Mamitiana itony satria nokaramaina hiteny fa raha ny zavatra ambarany dia tena poakaty.
    miaramila Frantsay izany dia tsy hibaiko ny miaramila gasy velively fa hiara-hiasa sy hampiofana am insecurite eto an-tanana, i ra8 izany dia tsy ny miaramila mihintsy no hamono azy raha hisy hamono fa ny vahoaka malagasy.

  3. Anjaran’ny tsirairay no milaza an’izay tiany momban’ireo nangalatra fahefàna, ka mampijaly sy mampahory ny vahoaka malagasy telo taona mahery izao, fa dia misy fetrany kosa angamba ny momban’ny Filoha voafidim-bahoaka ary mbola takiany !

    Malalaka ny fanehoan-kevitra ry MyDago, fa mbola mamerina ihany aho hoe : Dia tena tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra lazain’ny sasany ato amin’ity bolongana ity va ianareo ?
    Raha ny zavatra voasoratr’ilay hoe Tanora io amiko dia na :
    – Famporisiana ny vahoaka malagasy hiady an-trano
    – « Avelanareo hisy olona tahak’izao hanoratra », mba hisian’ny mpisera bebe kokoa hamaly sy « hanoratra » eto.
    Toa ianareo indray no lasa mivoy ny hoe « TSY MAINTSY VONOINA NY PREZIDÀ RAVALOMANANA » !

  4. Ziry, ny hiverina ao Antseranana no tena tiliany ! Mila base ankaotr’i Djibouti ry zareo amin’iny faritra avaratra iny, satria mihevitra marina ry zareo fa mbola zanany isika, na dia efa nahaleo tena aza !
    Ny « fiarovana » ny mpanongana no setriny !

  5. marina ny anao ry KM

    Sivano ny olona manoratra eto ry MyDago azafady.

    ireto tanora, bongor, denise , RABe…ireto, efa olona miraviravy amin´ny tany ny fomba fisainany sy fanehoana-kevitra , izy ireo no mivoy rivotra ratsy eto amin´ny bolongana.

  6. Ny olona mamo na mamofona toaka (tsy manaja tena @ ny aloaky ny vava) aza ROHASIN’NY TAXI BE MIVOAKA (fa indrindra @ izao fotoana)

    koa manipy teny @ MYDAGO manamafy ny voalazan’i gasynijaly sy km mikasika ny mpanao maloto eto @ity site ity!!

  7. Fanga tsy mahatanty demokrasia ry Gasinijaly a! raha lehilahy nareo, valio, na anaovy démenti zay lazinay eto. Tianareo afenipenina ny hadalana sy ny vono olona nataon-dRainareo, ka raha misy olona milaza ny marina , de lazaina fa mirefarefa @ tany ny heviny, na koa woe tsy menatra mitanjaka. De izao sary avoakanareo eto izao, no tokony hahamenatra anareo. Olona CT be otran-dry Mamitiana mahasahy mampandry adrisa an’ireto vahoaka kely mafy ady farahidiny, jereo ireto seza na bancs fipetrahana petatoko, ery lavitra ery vato no alahadahatra, raha za mihitsy aza nareo tsy aseho, fa tena manala baraka anareo, de tsy haiko woe, tena mba manana professionnalisme manao ahaoana loatra ry Solo Razafy itony. De manara-drenirano, sy manopa na manozonozona olona izay tsy handaitra na oviana na oviana, tsy mitovy firehana aminareo sisa azo atao, ary mbola isaorana foana ny rédaction mydago, fa mamapahery anay hatrany hiady hevitra, hanamafy ny demokrasia, ary manasa anay manokana mihitsy aza handray anajara @ billet retour Ravalomanana,izay ialana tsiny @ mydago, fa tsy afaka hanome tanteraka ny mombamomba anay anareo izahay, tsy woe tsy ianareo ny tsy hitokisana, fa ny faha8 tsy kely lalana, ka ialana tsiny, fa tsy mety @nay ny condition n’io jeux io.
    Mieritrereta tsara, fa tonga de fanafintohinana ny andraisanareo ny teninay eto, tsy mahagaga koa moa fa ny marina mandratra foana, kanefa raha misaina sy tsy sagnagna toa an-dry KM, ry HoAiza, Raverb, Rana, itony ry gasinijaly moa de ireny le olona manao woe vANDRO, au lieu de woe voaNJO, ka aleo tsy valiana, fa ireny no tena mirefarefa @ tany ny heviny, ary tena misy karazany ireto zanak’i dada ireto, fa ny itovitovizany hatramin’ny mpitarika ka hatraty ambany de mpanaonao foana otran’ny tsy ampy solaitra izany.
    Ny hamporisian’ny mydago anay hiditra eto ry donto, de miainga @ireny fitsikerana ireny, no hanaganan’olona stratégie vaovao, fa ny wawawa nareo lava efa telo taona izay, tsy hanome endrika na oviana na oviana ity tranonkala ity. De mba misaina, fa zay tsy mahazaka, de tsara manipy gants otran’ny sasantsasany aminareo eto, zay tsy tononiko anarana, fa kivy sady leo tanteraka! resy e! milavo lefona! koa atao ahoana ary! miketoka be ny pince ny foza de aleo miala fa tsy zaka!!!!

  8. RAHA IZAHO ALOHA REY OLONA DIA TSY MANAN-DRAHARAHA IZAY TE-HANARATSY AHO ! ALEO MBA MISY NY MPANARATSY DIA AMIN’IZAY DIA HO HITANY EO NY VOKANY AMIN’NY FARANY.

    REHEFA MAHERY MIVAVAKA ISIKA dia tsarovy tsara fa ny tsara tsy maintsy mandresy.
    AOKA TSY HADINO MANDRAKIZAY FA ITY TANY ITY ANIE AN’ANDRIAMANITRA – ARY IZY IRERY IHANY NO TOMPONY KA INONA NO HATAHORANA E – IREO RATSY NO MATAHOTRA DIA MITENITENY FOANA FA NY MAHATOKY KOSA MIVAVAKA ANDRO AMAN’ALINA ARY MANANTENA HATRAMIN’NY FARANY.

  9. Tananews

    INPF : retour à la grève des employés – Publié le Vendredi 29 juin 2012 à 11h01
    « Les employés de l’INPF Ivato sont de nouveau entrés en grève. Ils revendiquent le règlement de 7 MOIS DE SALAIRES IMPAYES, AINSI QUE LE PAIEMENT DE LEURS COTISATIONS A LA CNaPS » !

    raozy, mba anaovy vavaka kely miaraka amin’i ranavalona ireo olona ireo fa dia mijaly (izaho tsy dia mahay laotra) ; mba angataho amin’ilay Ray tsy toa, mba ho vokisany isan’andro ry zareo ! Fantatrao fa ny asan-devoly toa izay niseho teny Mahamasina no masaka ao an-dohan’ny mpitondra Firenena amin’izao fotoana izao, ka mila olona toa anareo mafy ry zareo !
    Mba lazao kely koa ry zareo tsy anao grevy izany, fa eo Andriamanitra hitahy an-dry zareo sy hizara vola atsy ho atsy !

  10. De marina tsisy ady hevitra ny an’i Raozy! ny tsara defa nadresy ratsy ary mbola handresy ratsy hatrany!!! tsy haiko woe, apetrakareo @ cas inona izao efa nahazo anareo sy ny dadanareo izao. Toa vao maika tsisy mangirana ery alohaloha ery, ny @ fandresenareo. De zay foana ry KM a! Andriamanitra tsy azo ampiasainareo sy ry Raozy ary Rana, amin’izay tianareo atao, indrindra ny hamerenanareo @ sezany ny dadanareo.
    Tsaroako rehefa fantany fa tsisy paika intsony, fa tsy maintsy nilaozany ny sezany, ary tsy maintsy hametra-pialana izy, de mba nanao fomba fibebahana voay nanao woe! « tena tsy nety ny nataoko », zany woe niaky fa nanao ratsy, ary tsy nandositra sy nametra-pialana velively raha olona nadio saina sy nanao ny tsara. De taty aoriana indray de mikiakiaka, rehefa lavitra ny fitsaran’ny tany, fa za tsy nanao ratsy t@ tanindazako, de aiza re zay tena marina e! ka izay ry KM no ilazako woe! ny tena Andriamanitra velona , tsy andriamanitrareo, fa ny anareo hafa kely le andriamanitra.
    De azoko antoka tsara fa manana zanaharibe nareo, de Raosy izany, izay tsy hihavanan-dRanavalona mihitsy @ fianakaviany akaiky azy raha vao miteniteny io Zanaharibenareo io. Ny valim-bavakareo koa, defa fantatrareo efa ela, faza mody fanina, de ny tsy fiverenan-dRaosy intsony eo @ pouvoir, hamono olona indray.

  11. Fantatro ve ry KM ny zavatra asehon’ireny grevy ireny? Matoa misy grevy, de misy ny demokrasia. De omeko analyse kely tsotsotra nareo. Ny indemnité n’ny mapampianatra mpikaroka t@ andron-dRaosy sy ny mpitondra talohany tany, de nampiakarin’i Zandry 300% taorian’ny grevy, de nahazo nigrevy ve ny mpampianatra mpikaroka t@ dadanareo? Toy izany koa, Zandry zao no afaka nampiakatra ny volan-jaza 90 Ar, zay tsy noraharahian-dRainareo, zany woe, Zandry zany afaka tena nanome lanja ny hasin’ny mpiasam-panjakana, eny fa na deny karaman’ny mpiasa rehetra aza Zandry no sahy nampiakatra izany? De maninona izy no afaka manao izany, na de tsisy famatsiam-ola aza? Tsy azon-dRaosy natao tsAra ve zany fony izy nanam-bola be, nalalaka tsara ny famatsiam-bola?
    Ny tena marina de matahotra mafy ianareo taraky Raosy sy Raosy rainy ireo, raha tena mitondra an-kalalahana tsisy blocage sy krizy Zandry io, fa be ny hahazo lesona eo, de aleonareo, ny miziriziry sy manapotika foana no hevrinareo ho solution, kanefa ny olona mahita amin’izay, fa hofaranana izao krizy izao. Zay woa tsy ho resinareo na oviana na oviana izany ary tsy maintsy mandresy hatr@ farany, de isaoranay lay Andriamanitra velona sy mahery, nanala ny ratsy teo @io tanidrazana masina sy mananjiny io.

  12. Ataovy ao andoha-kelinareo foza fa tsy misy vendrana eto !
    Tsy misy izay tsy mahafantatra ao madagasikara fa efa mifezaka tsy misy toa izany ianareo foza, ary entin’ny tahotra dia io basy io no arangaranga amin’ny vahoaka na amin’ny miaramila « namana » aza !
    Ny fanontaniana haino ombieny ombieny dia ny hoe : Mino marina ve ianareo fa tsy hamaly faty i Ravalomanana rehefa tafaverina eo amin’ny fitondràna ?
    Dia diniho amin’izany, fa raha izay mpiasa vidiana vola isaky ny mihetsika no anaovana zesta, tsy lasa lavitra ny fisainanareo foza !
    Milisim-poza izay cepe angamba no diplôma, vidiana lafo ary mahazo vola foloheny noho ny olona manana doctorat ! Rehefa tsy mahazo ny namany dia ny manafika tokantranon’olona sy mamono olona eny an-dalana no atao !
    Izany ny fomban’ny foza vendrana ! Tena vendram-poza araky ny fitenin-dry zalahy izato fisainana, ary dia mirefarefa any anaty lava-piringa !!
    Ataovy ao an-doha fa tsy i Ravalomanana no hamaly faty, fa ny vahoaka izay nohitsakitsahina ny zo-ny no handray andraikitra !

  13. aza miraharaha foza fa efa fantatra fa madi-doha kanefa tsy misy afitsoka, mivarotena sy mivaro_ tanindrazana mba hisehoana, rahafa tsy misy afitsoka kanefa ni snob dia mangalatra sy mangalatahaka, ny foza dia mirediredy tsy mitsahatra satria tsy ampy saina sy fahaizana mba hieritreretana izay ho tenenina.
    Aza mamaky foza, aleo hibakabaka eo fa isika mandroso ihany.
    Ho tratra foana ny miada-pamindra sy ny tsy mahay miasa vao homana.
    Dingabo ny foza fa aza mandany andro aminy, na mandany lera, mitasmbikina fotsiny raha vao matita foza ary tena ahazahona fahafinaretana

  14. Efa inona moa ry KM ny valifaty tsy nataon-dRaianareo izay, hatramin’ny fanapoahana baomba etsy sy eroa, ary saika victime t@zany mihitsy Andry, fa zay le woe, Andriamanitra miaro azy, de io mbola mijoro io foana izy. Ry Mamy Rakotobetakolaka matavihatoka ane, ny mampalahelo, rehefa tratra lay olona nirahany hanao ny fikasan-dratsiny, ka milaza ny mpaniraka azy, de ialany mora fotsiny woe, tsy mahalala io olona io aho e! de iny olona zara raha mahazo, 1 million ariary, no mibaby ny hadalany migadra mandra-pahafatiny any e! fa Raosy sy Ramamy mitohy foana ny asa ratsiny.
    De aiza le vahoaka mitroatra e! raha mitroatra ny vahoaka, feno hipoka isan’andro magro. Ary mba taiza no nisy Mouv Raosy nahazaka vahoaka! aza mandrevirevy woa! kôzy e!

  15. HoAiza, izaho mafantatra an’ireo izay nanao recrutement, mba ho atao « mpanolon-tsaina » an’ilay domelina hono ! Any anaty Midi « niseho » androany any, ny anaran-dry zalahy

    Mila avoaka eto daholo ve ny anaran’ireo miaramila nametraka an’izany fanontaniana izany ê ? Ankaotr’ireo sivily ireo no tena mifezaka ao !
    Manino no tsy tonga dia natao jeneraly daholo ireto domelina iray trano miisa 126 ? Izao HIADY AN-TRANO FA MISY TSY FALAY SATRIA TSY NAHAZO !
    Izao koa ilay Dolan avy no mitonatonana miantso FFKM, kanefa teo tsy menatra manafika Lapam-panjakàna ! Asa haninona ?
    Titra tao amin’ny Midi koa : Dur, dur de redorer le blason des fonctionnaires !
    Ny vono-olona moa tsy lazaina intsony na ny isany, na ny habibiana ataon’ireto nahavanin-doza ! Devoly no eo amin’ny fitondràna, ka dia tsy atao mahagaga ê !

  16. Adino : Anontanio ilay Dolan r’ilay foza, fa i lery aza toran’ny hehy tamin’ilay baomba fôpla nentinareo hanasoketàna ny mpitolona â !

  17. Ilay Dolan ko tena hita hoe maivana toan’ny volomborina
    sa tay entin-driaka (moa no filaza azy)

    Ra-Lylisson?: tueur de sang froid – permanently au sang chaud!!

    Raha tafapetraka ireo, « IZAY VOASORATRA DIA VOASORATRA » mangataka ny hitsarana ireo rehetra voatonona tao anaty Midi ireo, na koa miala tsotr’izao amin’ny toerany

    De manontany ten’aho fa: contexte inona izany no ametrahana ilay concept ny … réconciliation

  18. Ry zareo nanongam-panjakàna indray ange no be vava ê ! Dia ireto mpahay lalàna faly omeny vola fotsiny, dia tsy misy miteny ! Mody hoe izahay anie ka rahonana amin’ny basy ê !
    Na miaramila aza dia sahy miteny an’izany ! Vatatay aza moa mibaiko kôlônely !
    Asa miandry inona daholo ? Sa dia izay be vola sy mitam-basy no raitra sy mahazo mibaiko ?

  19. Misaotra an’i Ziry O, mampatsiahy fa tokony ho mailo isika @ fiarovana ny filoha M.Ravalomanana.Efa ho roa taona aho no manimpy teny momba io koa.
    Paika ratsy fampiasan’ny frantsay hatrizay nampiharany ny fanjanahana io fampisavorivoriana io mba hisiany ady antrano ary hitsofohan’ny « tireurs d’élites » na « experts  » na afa, mba hanjedaka ny « homme à abattre ».
    Fiteny ny hoe  » alika fa tsy mivovoha »…ary ireto vahiny mpanjanaka dia sady alika no be vovoha….satria isika malagasy mbola donton’ny fanjanahana sy miafina foana ambadiky ny hoe fihavanana sy fivavahana , izay « excuse » azo havoaka rehetra e!
    Zareo samy zareo aza anie mifamingana mazava ary mifamono ankoloka rehefa masahy manohitra loatra ny olona andaniny ka mandoto rano ny ankilany e!
    Dia izay isika gasy ve no hasiany fendrofendro e?
    Avy eo tsy ahamenantra andry zareo ny hitatatata erantany, fa tsy rariny ny « réglement de compte malgacho-malgache » ka tonga ry zareo hananatra sy hampandry ny tany ary hitondra ONG anjatony, handredrika bebe kokoa ny vahoaka vonton’alahelo!
    Efa 2012 izao ary dingana alavitra be noho ny resabe-ntsika no misy ny toe-draharaha ka …anjarantsika ny mikaoroka izay tena ilainy firenena.
    Tsy hoe niova ny mpitondra frantsay dia hiova koa ny miseho any dago:ka firenena gorobaka i dago ary feno harena ve dia tsy ararotiny e ???? Mangony fotsiny ChinAfrique,mandoto rano ny frantsay sy firenena tavaratra afa @ alàlany BRICS, CIVETS sy paika afa. Dia ..lasa GIDRO i ragalasamy..tsy nasahy nisokatra saina fa voadombon’ny « francophonie » hatrizay ka hatrizao…Dia mitovy hevitra @ Ratsimilaho aho e!Ankoatry ny « andafy France » dia manahirana sa sarotra sa mamizana hono e ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *