AO AMBOHITSOROHITRA I REMENABILA HOY CONSTANT RAVELOSON

MyDago.com-sam 14 jul 12 (42)

Tsaroantsika hoy Raveloson Constant, teny amin’ny Magro Behorirka androany, fa tamin’y 28 Aprily dia nampiasaina hanaovana milisy ny mpitandro filaminana. Isika hoy izy tsy mahalala izay miseho any Atsimo, fa manjary raharahan’ny mpitandro filaminana ny mamono vehivavy sy mandoro tanana. Ambarako hoy Constant, fa Remenabila niditra voalohany teto dia tamin’ny 2009 ary ao Ambohitsorohitra izy amin’izao fotoana izao. Anjaran’ny mpitandro filaminana no mieritreritra ny mitandro ny voninahiny. Amin’izao isika miteny izao hoy Constant dia nilazaon’ny Rajoelina nitsangantsangana tany Rio, ilaozany manao sefosefo amin’ny 26 jona. Nanohitra izy rehefa nisintaka tao amin’ny CT sy CST isika dia Rajoelina manao kilalao ny  parlemantera. Misy ihany koa ity olomboatendry ity, ny kilalao adala izay asainy soloina ny ministra tsy mamonjy filankevitry ny ministra. Ambara aminao hoy izy fa tsy matahotra io ataonao io izahay. Io misintaka tsy mivory io no asanay amin’izao fotoana izao. Tapaho hoy izy fa izahay tsy hoe vao teraka dia CT sy CST. Izahay dia velona foana ka izay iray sahirana eto. Tonga dia mibaribary hoy Constant ilay manao hoe izay tsy te hanao tondrozotra sy tetezamiitatra

24 pensées sur “AO AMBOHITSOROHITRA I REMENABILA HOY CONSTANT RAVELOSON”

  1. aza dia eritreretina ho tsisy saina (azafady tompoko) ireto olona mihaino anareo zanaka natsangana mfm fa tena mapalahelo!raha tsy mahita ho resahina dia mba aza manachien ireto zanak’olona re azaffady ry kosta fa toa vavan,ny andevo sy mpamosavy e

  2. Eto zao dia tsara mihintsy ny fisiana vidéo. miaritra manometsiny nefa raha ny 2009 nanafihana niakaram-bohitra dia tena asan-dahalo mihintsy nangalaram-pahefana nitazomana fitaovana mahery vaika. Jereo sary vidéos nalefan’i Tahiry
    Fa efa nisy lettre de mise en demeure ve Solo Razafy no tsy andefasanao ny vidéo e ?
    Iangaviana re mba asio vidéos ireny fa mahaliana ny fanarahana ny tena marin’ e
    Ataovy toy ny teo aloha e

  3. Aoka tsy hohamaivanina ity resaka  » halatra aomby  » any Atsimo ity !
    Fantantsika fa tia miompy aomby Rizareo ao Atsimo ao : io no harena fihariny ,io no harena arovany mafy §
    Marina tokoa fa tsy mihinana hena aomby ny Ambaniandro ohatra raha tsy « tafa vohaka am-bala ny aomby  » satria tsy mivarotra na aomby iray aza ny tompony , ka ireto ataontsika hoe dahaloireto dia  » agents économiques  » ampiasain’ny mpanam-bola
     » hangalatra na hamoaka ny aomby « !Entin’izy ireo any amin’ny tseanan’aomby ireo aomby nangalarina ireo (Ikalamavony , Ambalvao , Tsiroanomandidy , Antsirabe , Antananarivo, Morondava ..).
    Mpikarama ireo dahalo ireo ary mivarotra ny ainy tokoa .
    Ny Filoha RAVALOMANANA MARC dia nandroso ny hevitra ary nanao mihintsy aza ny  » fefy  » mba hanatsarana io varotra maizina io ,ka nampanambotra « ranch  » lehibe izy tao IHOSY !
    Io ranch io dia ny tompon’aomby no mitondra ny aombiny mipetraka ao :ho fantarina ny aomby , hasiana marika ary homena anarana ary ho karakaraina ara-pahasalaana !

    Misy fefy ary eo ihany ny varotra no hataon’ny tompon’aomby

    Tsy nanaiky hono ny tompon’aomby !

    Ireo mifina ao ambadiky REMENABILA ireo tsy nanaiky ireo ary izy ireo ireo nanodina ny halatra dia ny mpitandro ny filaminana no miaro ny asa ratsy ataon’izy ireo !
    Ary ireto miaramila dia manao an-jambana fa tsy mandinika tsara : nefa anie ka maro ny miaramila misotro ronono no tompon’aomby any Atsimo any é !

  4. Misaotra tahiry tena tsarabe ilay Video, mety tsara ka aparitao izay afaka manaparitaka, ary maromaroa ny tahaka izao .

    efa mangovitra mipararetra ny Foza miaritra eto vao nahita ny video mbola ho aiza ny ahazo anareo foa fa efa akakiky ny farany i PD Andry rajoelina aza efa fanina mipararetra tsy te ihaona amin´i DADA.
    aiza re izany, te hilalao ny lohany nefa matahotra ny masony, Ha! ha! ha!

  5. Fa vahoakan’iza hono ireo ry toanaka e???marary fo @’iazny eo ity foza,
    ary toa mipararetra marina!!
    Marina izayn io midongy tsy mety miala ao AMBOHITSIROATRA io i Ramenabila fa tsy iza fsy akory,
    tetika handripahana ny Gasy fotsiny ity resaka Ramenabila fa io izy io MIARIARY HITAN’NY eran’izao
    tontolo izao io ny asan-dahalo MANDRIPAKA ny GASY sy ny harenany nandritra izay 3 taona mahery
    izay ka hatr@’izao ary mbola MANDRA-PA………..

  6. Ho ela velona Tahiry a!sady @ teny anglisy ! tena TONGA LAFATRA
    izao no atao hoe: manara-penitra.Mankasitraka dà a! haiko anie iano io e!
    Hoy ny hiranay Katholika hoe:
    Raha tsy MIARITRA!!!!Sao dia ilay video kosa no nampipararetra fa tsy Raveloson ?????
    Raha tsy miaritra ny sakrifisy nataon’i domelina amintsika isika dia tsy niditra ny fanjakan’i
    Iavoloha izy, tena mety be ilay paik’ adin’i domelina a! « matesà daholo ry Gasy hazahoako
    ny sezan’i dadanareo, » sa hoe « avia daholo ho hataoko sorona, hatao tohatra hiakarana? »

  7. Misaotra Tahiry, Tena tsara !

    Samy hanaparitaka isika!

    Ny Foza miditra eto aleho hakapony amin’ny vato ny lohany raha tsy faly izy

    Mankasitraka an’i Constant amin’ireo hevitra tsara rehetra mivoaka.
    Vao miteny ianao ra Const dia mipararetra ny FOZA

  8. N’inona2 fomba entinareo manao photomontage eto ry Tsiry, de ny marina aloha hatramin’izao, de mbola nanesitany ny tenany, noho ny tahotra ny valifatin’ireo fianakavian’ireo olona naripany ta@ 7 Fév ny Raosy dadanareo, nandositra ihany koa ny justice malagasy, satria helohin’ny lalàna migadra mandra-pahafatiny zay mpamono olona na de iray aza, maika moa fa ireo olona aman-jatony nalavon-dRaosy.
    Ka na inona na inona, fanakaherezanareo io fahavalom-pirenena mpamono olona io, de tsy maintsy miandry azy Tsiafaha raha vao mitontona eo ny tongony.
    Izay foana ny an’ireto, ailika amin’ny olona foana ny ratsy atao, jereo ireto fatin’olona maty teo Ambohitsorohitra najedaky ny mersenera Sud Af sy Israélien nokaramain-dRaosy tamin’ny volam-bahoaka izay iny ihany no namonoanay azy. Ireo sarin’olona maty sasany, de ireo mpangalatra maty noho ny haintrano nanararaotra t@ lundi noir, ary ireo fatin’olona marobe, de ireo maty t@ diabean’ny fahafahana t@ 10 Août, de aseho ho hita eto fa woe Rajoelina no nanao ireny, kanefa, firifiry moa izay provocation nataonareo izay hampisy rà mandriaka, fa hain’i Andry foana ny nanakana izany, de ny olona lian-drà otran-dRa8 indray eto, no mody sasana atao madio de madio.
    Aza manantena, fa tsy hiverina, jamais plus jamais intsony, amin’ny fitondrana ny mpamono olona toa iny, ary tsy hisy intsony izany EMPIRE TIKO, zay maty ankaranany, saika hambotry sy hividy an’i Madagasikara ambongadiny izany.
    Nosoratako ity mba ho anao RAVALOMANANA, fa raha mbola velona ny ain’i Andry, mba mandinika tsara, ary matahora lava toy io ataonao mandositra tsy mahasahy miatrika ny fitsaram-bahoaka io, de tsisy afatsy ireto zanakao ireto sisa mamapahery anao eto, fa na de ianao aza tsy miraharaha azy.
    Itony Racosta itony moa, efa mahazatra, fa na ny fiteniny, na ny fiantsiany, de Ravalomanana kapoka iray, de ny mitovy ihany no miaraka, ny vava no betsaka, fa ao @ magro aho ihany no afaka mitabataba, fa taiza ianao Racosta no mba nahasahy nivoaka ny magro, de mahasahy miteny toa io a! tondroin’ny olona molotra fotsiny woe, io ndray Racosta sy ny vovon’alikany, tsy hery fa tahotra an-dRajoelina no betsaka, fa omeko torohevitra rangahy, mitondra mégaphone eo alohan’ny vavahadin’Ambohojatovo fotsiny, fa tsy woe, eny Ambohotsorohitra, na eo Ambavahadin’ny biraon’i R-bombe eny Fiadanana, de @izay aho tena miaiky, fa henjana rangahy, fa ny sisan’izay de fitadiavana tehaka sy horakoraka fotsiny ao @ magro, de miesona daholo koa ny sagnagna @izay. De mbola ataovy tsaratsara kokoa noho io Tsiry, fa tsy hampiova n’inona2 izany a! migadra sy sesitany any foana mandra-pahafatiny rainareo, ary tsy sahy hody satria mihosin-drà ny tanana. Raha tena lehilahy woa, tonga de mody, raha mahatsiaro tena tsy nanao ratsy. Fa sarotahotra de mitady hamahatra atsy sy aroa sao mba misy miaro. Antsoy Bekintana e! mafy be ane ireny e! maninona no mbola milela-paladihy an’ Zandry @ alalan’ny SG SADEC mitady fihaonana aminy.
    Henjana Zandry iny. Manana force tranquille tsy laitranareo mihitsy. Tsy mamaly provocation, fa andrasany hanatona azy akaiky, hany ka rehefa darofany, mihivingivina mihinana grenady otran-dRamamy be hatoka, fa moramora ihany Racosta a! Ndafy patron-drangahy aza ane nampisotroin-dry zalahy ny amaniny e!
    Raosy saika tsy voahorina hatramin’ny entan-kely, nandositra, Ramamy nenjera t@ tany nihinana lacri, de iza no nanisy sira sy dikany.
    Ireto be vava kanefa ny hery any am-body. De mihoroho ahoana e! telo taona izay, iza no nihorohoro taminareo, toa nareo ity, no lany fika tanteraka. Inona zay taratasy sy fitarainana nalefa tatsy sy taroa zay, nifiran’olona fotsiny, inona izay fidongiana otran’ny zazakely, grevy…sns, famatsiam-bola asan-jiolahy an-drenivohitra sy asan-dahalo any amabanivohitra, ka e!e!e!e! tsisy tainy e! de mifampahery @tony sarisary itony fotsiny sisa, ny Alemana sy ny Anglisy ity namerina ny Ambassade-ny, ny minisitra Raosy mpidongy ireto, hosoloana ato ho ato. tsy manan-kery intsony e! handihizanay sisa. De ahoana ndray ny manaraka Racosta sy Ratsiry ary Rana a! Tsy de atao mahataitra fa adve maivana, ny eo ihany ny eo, ny omaly tsy miova, ry taranakosy avy any AMBOHITSAGNAGNA. Odoie e!

  9. Misaotra an’i Tahiry.
    Tsara tokoa ny mampatsiahy matetitetika ny niandohan’ity krizy eto amintsika ity,indrindra arahina « vidéo » toy izao.
    Mitarazoka be mantsy ilay izy ka be ny tsy mahatsiaro intsony satria efa sepotra @ fahoriana mahazo,ao koa anefa ireo mahafantatra TSARA ny fiandohany,dia ny fanonganam-panjakana izany,saingy minia manodin-dresaka amin-javatra hafa handrebirebena ny tolona.

  10. Manao teny tsy valiana hono naman’ny tezitra, fa dia raisina an-tanadroa ny fisaorana ataonareo. Tolona hikambanana io e !
    Izao no mba hezaka ataonay ao amin’ny http://lafy8.forumactif.ca ry Antenaina a ! ka tongava e !
    Mazotoa daholo !

  11. Ho an’i Tahiry,
    Raha toa kilasianareo ho toa an-dRemenabila Rajoelina, de aminay Ravalomanana, de Hitler gasy.
    Ny zavatra tena hainareo Zanakosy ireto, de mamadika ny lainga ho lasa avantage n’ny dadadanareo. Raha ho commenter-na kely fotsiny le sary, de te hampiseho nareo eto, fa Rajoelina, no namono ireo olona t@ lundi noir nanararaotra nangalatra, ka maty tao amin’ilay grande surface nirehitra, rehefa nikatona automatique ireo varavarana fivoahana, ka may tao ireo mpanararaotra. Ny mampalahelo anefa, ny olona nangalatra, nanararaotra fahefana, saika hanao empire ny Tiko nanerana an’i Mada, nitondra ny 22 millions d’euros n’ny banque centrale nalefa @ compte-ny offshore atsy Afrika Atsimo migalabona mihinana izany vola izany hatramin’ny taranaka faramandimbiny.
    Tsy vitan’izany, fa ireo sary faty olona t@ 7 Fév, naripak’ireo mercenaires Sud Af sy Israéliens izay nokaramain-dRaosy t@ volam-bahoaka, zany woe, ny azy ihany no namonoanay azy, de sahinareo ny mampiseho izany eto, ary ny tena ridicule be aza, de aseho eto hatramin’ny olona naripak’i Ratsiraka t@ 10 Août, de faly ery ireto mifampisaotra, de kevoka ery Tsiry, fa woe favy be, de manao anay ho kentrina.
    Tsy vitan’izany, fa arahanareo sary mihitsy eto ny fihatsian-dRakosta ny mpitondra, kanefa ny tena zava-misy marina ary tsy azon’iza na iza disoina, eny fa na de hanamarin-tena hatrany @ CPI aza Raosy, izay tsy nihaino na oviana na oviana azy, de na hiodin-kavia na havanana aza rangahy io, de tsy ho azony fafana na oviana na oviana ny ran’ny mpiray tanindrazana aminy nalatsany, fa ireny mpitolona nitondra tanampolo ireny ry Tsiry tsy nitondra basy na tafondro, ary ny tahirintsary manamarina ireny, tsy azo atao photomontage toa ny anareo izao. De tsarovy, na inona na inona fomba entinareo mamadika ny marina hanadiovana an-dRaosy mpamono olona, de tsy ho tonga @ tanjonareo na oviana2 ianareo, satria mananjiny ny ran’ny maritiora NALATSAKY NY DADANAREO sy io tananindrazantsika masina io.
    Tsy azo lavina fa mandalo krizy mafy Madagasika, mazava fa ny tolon-dRajoelina, de tsy ny tolona @ ady fahantrana, fa ny tolona hahazoany mamerina ny fitokisan’ny mpamatsy vola mahazatra, ary io no tena anton’izao fahantrana izao, fa hatreto aloha, de mbola mihaiky hatrany izahay, fa tena mahay mitantana zay kely ananany ny mpitondra, de ampitahao t@ andron’i Zafy rehefa nandray ny fitondrana, avy nanongana an-dRatsiraka, de tratry ny flottement satria tsisy nihidy ny famatsiam-bola, de jereo fa tsy nahajanona ela teo Zafy.
    Ho an-dRACOSTA;
    Fantatray tsara rangahy amin’izato sary feno arrogance mihidy vazana mampiseho fahatezerana, te hamaly faty lava, fa be vava sy lasan-ko vavany fotsiny, ka ao @ magro mihidy vavahady ao no sahy mampiaka-peo, fa mba toroanay hevitra mandehana mitondra mégaphone ery anoloan’ny vavahadin’Ambohijatovo fotsiny fa tsy woe, ery anoloan’ny vavahadin’Ambohitsorohitra, na ihany koa, eny anoloan’ny biraon’ny R-bombe ery Fiadanana, de tena mihaiky aho woe mafibe rangahy, raha mahasahy, kanefa tsy ho sahy na oviana na oviana otran-dRazily mitana saina.
    De jereo ny nahazo an-dRaosy, raha tena nadio saina tsy nanao ratsy woa iny, mahana @ natao, tsy nadositra otran’ny mpangalatra, satria lazain-dry Zo fa ny foza no mihorohoro amin-dRakosta sy Raosy, kanefa tsy misy solution afa-tsy ny fandosirana otran’ny ankoholahy fataka, fa ny foza, na ny basy marovavan’ny mercenaires n-dRaosy aza, mbola notohizany ny tolona teny @ 13 May, de Raosy no nangorohoro nandositra, ka na de ny entan-kely aza saika tsy voahorina, de inona no vitanareo, toa mbola io mijoro io foana Rajoelina efa hahavita mandat iray, ary vao maika mihamafy ny heriny, nanotrona azy ny Ambassadeurs rehetra t@ 26 Juin afatsy ny Bekintana sy ny Zanakosy ridicule be nanao boycotte ny fetim-pierenena, de taorian’ny fisokafan’ny ambassade Alemana indray, de io niverina io koa ny an’ny Anglisy, de woe dadanay ndray woe no nibaiko an’ireny niverina » chic!!!ptssss!!! ».
    Tsy misy miseho azy ho be sandry sy mafana ary be vava otran’i Manandrafinareo Rakotopôaka iny fa rehefa notairin-dry zalahy, de nampisotroiny ny amaniny mihitsy,noho io tsy mifidy vava avoaka sy mipentsopentsona io, kanefa lehibeanareo ane ireny Rakosta e!
    Jereo ny nahazo an-dRamamy, tsy arakaraky ny vava ao @ magro, fa rehefa tsy nahay niaina teny Ambohijatovo, de tsy noraharahian-dry zalahy hatramin’ny casquette-n’ny maha filohan’ny CST azy, fa tonga de nampinaniny grenady lacri, de izao nidongy tsy niasa izao hatramin’izao, de nitomany tatsy sy teroa, fa tsy nisy CI niraharaha, de mitovy an-dRaosy ihany, io tsy mahasahy mody @ concsience tranquille raha tsy nanao ratsy na inona na inona hitrnaga eo, fa mitady fiarovana atsy sy aroa, ary mahafantatra fa any @ Zandry ny lakilen’ny fodiana, de io nanao an-dranomaso nanoratra tany @ SG n’ny SADEC io, mba nilela-paladihy @ Zandry hihaona aminy, ary tsy Rajoelina velively, no nitady io fihaonana io, fa olon-kendry izy, de nanaiky noho ny kolontsaina maha malagasy.
    De zay no izy ry Tsiry fa Rakosta fa tsy ho tonga @ tanjonareo na oviana na oviana ianareo, satria henjana sy maharary ary mampatahotra ny fiketoky ny foza, sady tena tsy zakan’ny tsenanareo ilay Filoha jeune kely, henjana be noho ny maha sagnagna mianakavy anareo, indrindra moa magro maimbokely lava mihena an-toerana otran’ny fehin’antitra. De ny taigna no menatra raha za no t@ toeran’io magro io.

  12. Hi hi hi !!!!!!! Mba misy……. mpamaky ve léfoza ??

    Le kk du dj devian de plizanpli likida !! Lézan, maime sé kopin naime pli sa mizike !

    What is your problems ?? Domelina are the problem, said Zazah R. !! MDR !!

  13. Hita mintsy oe na mpivarodronono na dj, de samy olona tsy natao hitondra fanjakana, samy mahabe problèma ny vahoaka nefa samy tsy mahay mandefitra, aleo iany dadabe ratsiraka, reny no tena homme d’etat, fa tsy asiana anle zanany fotsn.
    Takizay tsy nahongana iny olona iny, fa hay gidro daholo ny ankoatra azy e!!!!!

  14. Si la HAT rajoelina s’entete, le Général MANANKAY Augustin EST en possession de preuves materielles de l’existence de personnalités HAUTEMENT PLACEES de la HAT derriere l’AFFAIRE REMENABILA;
    car…. C’EST DEVENUE une AFFAIRE. Il n’est plus question de….. »HORDE » de dahalo.

    Un conflit Inter-ethnique serait à craindre ! Bravo la HAT-TGV !!!

    http://www.newsmada.com/raharaha-remenabila-mampanahy-ny-adim-poko-raha-mihenahena-ny-fanjakana/

  15. Misaotra t@’ ilay vao2 Tahiry! tena afa-po!
    Nefa tokony mba tandrovana ihany ny ain’ireo olona
    fa tsy dia haderadera toy ireny ny sariny. Fa tsy azoko hoe : vazaha inona ?iza no matin’ireo Dahalo??

  16. Mankasitraka ny asan’i Tahiry izay tena mitolona tokoa ho any tanindrazana.Malina ihany koa anefa fa mitsofotsofoka etsy sy eroa ny voakaramany frantsay miady mafy hanohitra ny firenena afa tia hamerina ny filohantsika M.Ravalomanana
    Raha maka andraikitra ny pasitora hampita hafatra « pragmatiques » ho any olona toy itony vidéos nataon’i Tahiry itony dia tena hitondra soa ho any rehetra mihintsy tokoa anie e! Indrindra ny fanzavan momba françafrique
    Ny omby ahondran any Comores dia fanampiny fanodikodinana ny fampidirana fiadina hanapotehana ny firenena izay efa homaniny frantsay @ ady antrano
    Efa paika ady fampiasany colons izany ka antsika re no tsy mitaveraka toa fahiny intsony e!

  17. Iza moa izato ianao Remenabila?
    mampitady ery sy mampifilafila
    Avy aiza moa ianao ka ho aiza?
    izato izy toa malaza ratsy taiza
    Kanefa hono ianao toa Malagasy
    Ka maninona ianao no malaza ratsy
    tsy hitanao angaha fa efa mangidy
    ny fiainanan’ny vahoaka voahidy
    noho ny herisetra atanao mandrakariva
    mahatonga ny fari-piainany iva dia iva
    Mba jereo ihany anefa an-tampon’ny loha
    fa sao vaosazin’ilay avo vao hifoha
    ny neniny tsy ary aloha fa ao afara
    ajanony ny ratsy fa tohizo ny tsara
    Olombelona ianao ka manana anjara
    Kendreo ny mahasoa dia ho tsara fiafara

  18. Inona moa no mahatonga an’izao asan-jiolahy izao hirongatra fa tsy mari-paka ny fanajariana ny tany.Toa tsy misy ny fandriampahalemana ka manararaotra ry jio isany.Maninona moa raha misy singan-kery avy ao amin’ny tafika,zandary ary polisy ka antsoina hoe: jeriambina mba manara-maso ny any ambanivolo any ary miambina ny mponina.Izany hoe: miofana mihintsy ireo lehilahy voafidy ary dia hanamboarana fonenana mihintsy na hatsaraina izay misy eo no omena fitaovana somary sarotra ampiasaina mba tsy ho ain’ny dahalo ny hampiasa azy fa mora entina.Ireo mpikambana amin’io jeriambina io dia olona aratra (araky ny fitenenana:mahay miaro-tena fa tsy tia ady), varatra koa amin’ny ara-tsaina(kinga saina,afaka maka hevitra kintana) ary fitaratra amin’ny maha-olona (matotra ka mahalala ny tokony atao).Izany hoe:raha fintinina dia efa niofana ara-piarovantena,manana saina nozarina amin’ny fahakingana ary manana eritreritra voavola tao amin’ny fahamarinana.Ataoko fa misy dia misy izany lehilahy izany satria namokatra tsara ihany io tany io amin’ireo lafin-piainana anankitelo ireo miampy fitaovana ary fomba sy lehibe maka andraikitra.
    Izaho mantsy mino mihintsy fa raha mahalala ny fisian’ireo lehilahy jeriambina ireo ka mahatanteraka ireo fepetra dimy ireo ny dahalo dia tsy sahy miditra ao amin’ilay tanàna mihintsy.
    Ny mpanofana dia malagasy miaraka amin’ny vahiny zatra ady amin’ny tany karakaina(be kintana miaraka amin’ny tany arabo).Ataoko koa fa ny meksikana zatran’izay ihany koa azony karakaina ihany koa ny faritra sasany any.
    Ny fitaovana moa izay somary atao sarotra ihany no mora entina ihany koa mba tsy ho hainy ny jiolahy ny ampiasa azy raha sendra eo am-pelatanany.
    Ataoko fa raha azo resahina an’ireo ny filankevitra iraisan-pirenena momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana dia ho azo atao tsara izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *