BOTOZAZA PIERROT : ALEO HIROTSAKA RAVALO SY ANDRY RAJOELINA HOTSARAIN’NY VAHOAKA

Niteraka resabe teo anivon’ny antoko politika isan-karazany ny fandanian’ny CT ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana filoham-pirenena sy ny parlemantera. Ho an’Andriamatoa Praimnistra lefitra misahana ny toekarena sy Indostria avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana Botozaza Pierrot dia nambarany fa tsy tokony hahamaika ny manapaka izany toy ireny. Raha ohatra hoy izy ka tena  ho tanteraka amin’ity taona ity ny fifidianana, dia mety ho fanamarinana izany fijery zavatra izany. Amiko hoy Botozaza dia amin’ny taona ho avy vao misy ny fifidianana kanefa midika izany fa tsy maintsy jerena ny fombafomba rehetra mba hisian’ny fifidianana madio, mangarahara mba ahafahan’ny be syny maro milatsaka. Misy ny filazana hoy izy fa ranona tsy mahazo milatsaka. Mazava anefa ny lalam-panorenantsika fa afaka milatsaka daholo ary anjaran’ny vahoaka no mifidy izay olona apetrany hitondra ny firenena.Aleo hirotsaka ho fidiana ny  filoha Ravalomanana sy Rajoelina  dia ny vahoaka Malagasy 21  tapitsisa no misafidy izay tiany.Mikasika ny zavamisy any Toamasina dia nilaza ny praiministra lefitra fa omaly no nidina tany an-toerana ny tenany. Amin’ny maha raiamandreny ny tenako satria ny tenako hoy izy dia efa depiote tany Toamasina teo aloha no nahatongavako tany hitondra fandaminana. Ny zavatra tianay resahina fotsiny hoy izy tany dia hoe ianareo mponina Toamasina dia tsymisakana ny fampandrosoana ny tanana. Ny zavatra angatahan’ny mponina dia mba atao tafdiitra ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana. Raha toa ka manao zavatra miafina hoy izy dia miteraka zavatra hafa, fa tokony atao mangaraharaha. Ny zavatra olana any Toamasina hoy Botozaza dia ny Palmier sy gazon. Manana ny tantarany ireo ary tsy azo fafana amin’ny fakana tetikasa hanimba ny tanana fa io mahaToamasina an’i Toamasina.

37 pensées sur “BOTOZAZA PIERROT : ALEO HIROTSAKA RAVALO SY ANDRY RAJOELINA HOTSARAIN’NY VAHOAKA”

  1. Marina zany é! io ihany ny vahaolana miara-milatsaka ho tsarain’ny vahoaka fa ny sasany matahotra fa efa fantany fa 0,5% no ho vato azony dia tsy misy afa-tsy ny fisakanana tsy ho azo fidiana no mba hevitra hitany ary hireharehany zany satria oe tohanan’ny Miaramila biby sy ny Frantsay Mpajanaka.

  2. ……ary ny mpanao baolina lavalava, izay BĖ sandry sy BĖ basy ary BĖ mokony
    izao no lelafina sy tohanana fa ny sisa ajedaka raha vao mihetsika, ny mpitsabo
    avy ary no tsy avela hanao ny asany ka tokony ho FASANA MANARAPENITRA no ataon’i foza fa tsy hopitaly
    intsony ny vola misy rahateo @ FANDROBANA MALALAKA sy MORA.

  3. Araben’ny fahaleovantena aza notapahin’ny rajoelina hanaovany tralala jets d’eau hanampenana ny mason’ny bado.
    Koa aiza ny sasany tsy hanao koa. Dia tsy misy saina anie izany olona mitady hanapka ny palmiers ao Toamisina ao io. Tsyy mahalala zavatra tsara. Mihevitra fa ny vita vazaha ihany no tsara. Efa tsy rariny aza ny nanapahana ireo hazo vaventy sasany.
    tsy tokony hanaiky mihitsy. Misy mahazo vola kely ao raha soloina ciments io.

  4. l’espoir fait vivre les zaza…mbetsil;pour ki il se croit le monsieur qui a vendu le port de toamasina et ttes les infrastructures à r8?

  5. Ohatra ny fanapahany ny bois de rose ihany io , tsy misy bedy!!
    Ampahafirin’ny hasin’i bois de rise anefa izay palmiers @’izay foza e???
    Madagasikara aza HOSENY sy anjakazakany toy ny fananan-dray sy reniny.

    Matoa domelina hilatsaka dia efa tsy maintsy HANGALA-BATO sy hanao HERI-PAMORETANA miaraka @
    bombe ka iza no tena hitondrafaisana ny @’izany???tsy maintsy ireo vahoaka madinika indrindra ny any a
    AMBANIVOLO any.raha ny tena izy dia io dinik io efa ampy HIALANY ary 4 na+ fa tsy 2 izany, tsy maintsy tokony
    hatao angaredona io ho fantatry ny lohakeliny fa 00000000 manatody tsy misy hilavana azy ity ADALA marary saina.

  6. Sao dia manana olana @ resaka foko ianao ry Lazalazao??
    Ataoko fa tsy fotoanan’izany angamba izao aloha sa????

  7. Pr Ranjeva : Pour l’arbitrage des urnes entre Ravalomanana et Rajoelina !
    Efa mitapy daholo hoy aho !

    Fa nahoana NO TSY MAINTSY EKENA NY FIROTSAHIN’ILAY MPANONGAM-PANJAKÀNA, INDRINDRA REHEFA NANOME TOKY TAMIN’NY COMMUNAUTE INTERNATIONALE IZY FA TSY HIROTSAKA ???

    Ahoana ity fanohanana an-kolaka an’ity mpanongam-panjakàna ity indray ? Sa mbola mitohy ny fanaovana chantage any ambadika any ??

    VENDRAM-PAISO DAHOLO IRETO MISEHO AZY HO MPAHAY LALÀNA HOY AHO !!! IZY REHETRA IREO NO TENA MAMOTIKA NY FIRENENA !!!
    DIA TENA HITA FA FITIAVAN-TENA SY FITIAVAN-TSEZA DAHOLO !!!!

  8. tena diso hevitra ny havako ranavalona!ny marina ihany!iza no nanao tsikombakomba t@ r8 tao amin,ny port?ianao ? izaho ?Aza mba miala bala e!ny marina ihany ;ianareo manohana azy no blem!tohizo e;amidiny anareo

  9. Azafady fa fanontaniana fotsiny ny ahy fa nivoaka ilay anarana FOKO mantsy.
    Tsy izaho mihintsy no hanakana izay filazana ny marina SANATRI fa aoka fotsiny tsy hivoana
    ilay resaka raha azo hatao e!!

  10. tanora denise bogor rabe : fou(s) à lier (par Mydago)?!!

    maintenant on ne trouve plus quoi faire pour attirer les yeux (ouïes) que d’usurper le pseudo de lazalazao?

    hihihi: de inona mou zany no voavidin’i Botozaza @ity taroninao…

  11. Izao mihintsy ilay mampiteniteny foana ry Kintana a!!
    tsy misy azo HIANTEHERANA intsony oah!!tsy miady fa kobay an-kelika.
    Ny filatsahan’i domelina ho fidiana dia midika AINA firy indray no hafoy hanaovany sorona sy
    habibiana???tsy ampy an’ingahy Ranjeva angamba ny nahazo azy mianakavy, tokony izy koa
    milatsaka dia vita fa tsy mampiady angely eo fotsiny.

  12. Mijaly, ary dia toy ny andro aty ny mason’ny vahoaka : Manoran-dava !
    Any ka tsy mety ry ranavalona, fa dia mivonto kely ny FOKO mahita ny ataon’ireto tsy hay ireto !!
    Tena tsssssssss !!

  13. Mbola tsy nisy resaka nipitika aloha hatr@’izao ry Hoaiza sa izaho no tara???

    Hatr’aty io manorana io Kintana a!!manorana dôldôly e!!tsy maintsy hisava io fa
    mahareta lesy a!!!ny hisavorivorian-kilatoana, ialahy koa nie mora maka « L » e!!!taty aminay aza narahana
    avandra be NIREFODREFOTRA mihintsy, ilay anana vao nafindrako tena potika , nalahelo kely ery aho.

  14. Mamboly anan’an

    Ny ahy ny tokontany kely tsy omby afatsy voninkazo

    Nikaraka ny famindràna tany, na @ faritra nahavalivotaka na ny aty ambanivohitr’iarivo (mbola @ mpiray tampo @ dadanay): saingy aleo no-suspendre kely aloha fa tsy maizina be ny zava-miseho ao @ domaine ao

    Izaho anefa efa ela no manangona voan- KATSAKA KABARO (fa indrindra) VOANJOBORY (tsy fahita any ivelany); sy zana-boankazo isan-karazany

  15. Afa-baraka ry Delphin sy Séraphin, fa toa rehefa miafara ny IN IN ny prénom-ny olona, indrindra fa raha somary hafahafa izay, dia toa olona tsy mazava, toa clown !

    Virapin et Tintin pensent qu’ils sont les plus malins !! Hi hi hi !
    Mba tadidinareo ve moa ity hoe GATITA izay hoe association tsy mpanao pôlitika hono, fa atramin’ny nananganan’azy dia tsy nitsahatra nanenjika an’ny Prezidà Ravalomanana ?
    Dia tonga koa ity ny hoe Pro-Tanindrazana tsy mpanao pôlitika !
    Quels bouffons ! Kapiteny na ny amiraly Andaoka (sambo), praofesora sy r’ilay kambana sisa no tsy eo ; i kalatafiôro efa diska gaoka no averimberina lava eo ! Toa manao playbaka fotsiny !
    Au moins aloha ilay Tintin mba mody nanangana zavatra hafa, fa tsy toy ilay Vivato kotomaditra ! Efa namadika mbola mifikotra amin’ny antokon’ny Prezidà ihany !
    Ny endriny mampiomehy (moa ve tsy toy ireny kisoa kely vietnamiana ireny), ny anarany moa dia tsy lazaina intsony ! Mba diniho ihany ry izy mirahavavy ny anarana izay omenareo an-janakareo na zafikelinareo â !

  16. Tsara dia tsara ny mamboly fa tsy mihinana fotsiny ! Amboleo ny voanjobory fa tena milay, na ritina na alaina ro-ny ê ! Mba andefaso kely izahay, na andraso kely fa ho avy aho amin’ny volana ambony ! MDR !!

  17. Izay ahay Kintana!!tena latsaka aho marina!!

    Manana sahy kely 45 mn miala ato an-trano aho ry Hoaiza ary tena hafaliana no nazahoako azy io.
    vao tsy ela an!!Izaho tsy miady villa be tongalafatra fa « zaridaina  » izany no faniriako, tsy te hierika izany
    taratasy tany izany aho ry Hoaiza ary tsy manakivy.

    Io ary fa MBOLA MIZIRIZIRY ny be kintana fa tsy MANKATOA an’i DOMELINA ary isika mba ahoana??
    tokony ho MENATRA sy HANONGO TENA ireo izay rehetra nanao sonia ka mbola nanaiky fa ho filohan’
    ny tetezamita i domelina, tokony ho mENATRA IREO VAHINY ! IZAO TONTOLO IZAO indrindra ho MENATRA
    ireto GASY IRAY RA AMIN’NY TENA.

  18. Izay ahay ahoana ê ? Fa nisy inona ?
    Inona koa ity hoe « no-suspendre kely fa tsy MAIZINA be ny zava-miseho ao @ domaine ao » ?
    Mitady maizina ahoana izy izany ? Hi hi hi !! Sao dia mba diso ?

  19. Ohatry ny nisavoana be dà androany, saika tsy fantatro .
    Mihaino vao2 aho io ny momba ilay fanondranana omby,ny nenina hono
    tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana handatsa tsy tokony efa mba noeritreretina dia ny mialoha ve fa tsy maintsy
    hisy SOLOKY io ary TSY MAINTSY HANOME VAHANA NY @ FANGALARANA omby( ireo dahalo) io resaka fanondranana
    omby io???t@ tany tan-dalana aza tsy nanaiky io fanondranana io , tena NIJABAKA mihintsy aloha i M.Hanta nanaiky io e!
    izao izy indray no hifoteran’ny rambony.

  20. maizina be ny bureaux ao @ domaine: misy boky misy ny sarin-tany tsy mbola ao hono laou, de isan-jato miverina fa e e e, ny olona rahateo miovaova arak’izany, ny eny @ tribunal manginy fotsiny, …

    Dia miandry ny fanjakana légal

  21. HoAiza,
    Azoko dia azoko tsara, fa ilay « tsy » maizina no nahatonga an’ilay fanontaniana !
    Mba miandry vokatra izahay izany « indray andro » any ê, « vokatra » toy ny any ampiangonana ry ranavalona ! Sa tsy misy an’izany ny any aminareo ?

  22. Ilay vokatra efa ao fa ialahy no tsy mahita ,
    ohatra ilay volantsika efa vonona ao @ NU io, nefa tsy ny rehetra oah
    no voatery ahita izany sa ahoana RAOZY????aza miady vintana @ akoho oah fa izy
    rehefa hiantsena dia loloavina.Ny vokatra efa mibaribary toy ny vay an-kandrina fa kosa
    Andriamanitra tsy afka ny hiditra @ tsirairay fa anjaranao no MIKAROKA izay tiany hambara
    sy hampitaina, fa rehefa miesona ianao dia EO IANAO NO RAISINA.

  23. Eeeehhhh!! mahatsiaro izany vokatra taloha tany ambanivohitra aho ry Kintana!!
    izao tsy misy izany intsony fa avy dia vola, tena diso fanantenana be aho, efa
    matėm-bola daholo ity ka tsy miteny raha tsy vola, mankaleo be fa efa ao izy.

  24. raha vao misy lohahevitra kely ohatra ny loha-paingotra dia mirona any daholo ry ikala alika.
    tsy ahoako izany, tanjona iray ihany duia miverina an-tanindrazana ny malagsasy 100% hoe Marc RAVALOMANANA.
    dia normal ve hoe ireo bi nationaux ireo minaonaona kanefa lay olona tena teratany malagasy sakanana ?
    aoka izay ny mamadi-dresaka sy manodona saim-bahoaka, ny tanjona dia MODY Ra_8.
    Tsy raharahan’ny t a y nay izany articlem-bazaha, feuille de déroute, fifidianana, tsy asiana sira fa zavatra tsotra dia tsotra samia mitaky :mody amin’izay amin’ny taniny ny malagasy rà, ray sy reny. teboka be, aza be kabary fa tsitsio ny rora ndrao tsy manana rano sotrona amin’ny fahantrana

  25. Hampielezina fatratra @zao fotoana izao ity « Ninisme » ity, ary dia voafandrika daholo isika @ zany. Amiko tsy misy rarahiko ny firotsahany Rajoelina na tsia @ fifidianana. Ny fantatro ny mody sy milatsaka Ravalomanana, ary izay no tokony ho izy. Rajoelina ange fantany fa tsy ho lany raha milatsaka, ka tsy misy tombotsoa ho azy intsony ny milatsaka. Ka mazava be izany io tetidratsy io.
    Mailo isika.

  26. Efa fantatra izany fa tsy maintsy hindrain draina ny JIOLAHY mba hanaraka koa ny hafa.
    Ny tena loza sady mampalahelo dia olona AMBONY manana ny mahaizy azy eto @ tany
    sy ny fanjakana no mANDRANGARANGA io hevitra , amiko FANAOVANA ts’inona ireo rehetra voa mafy t@ nataon’io olona
    mbola LELAFINA io izao famporisiana azy mbola hilatsaka nefa efa hita fa FAKO, izao tontolo izao aza mandà azy fa ilay
    GASY VE VOAHOZONA E!!!tsy efa ampy ve izao HAGEGENA MIOHAPAMPANA efa…………….MANKALEO!!!!!!

  27. isika eto dia mitovy heritreritra satria mnatao ho antsika ve MyDago ? dia misy firy isika eto ? Efa tena leo, tofok

  28. isika eto dia mitovy heritreritra satria mnatao ho antsika ve MyDago ? dia misy firy isika eto ? Efa tena leo, tofoka boboka.
    Mahate andoro tanàana fa efa sady malotop daholo ihany.
    Dia inona marina indray no andrasana hono ?

  29. Mahazaka ny hatao hoe DÉMOCRATIE ny Malagasy ary aleo hirotsaka izay te hirotsaka rehetra.

    Fa maninona no hatao hoe mahazaka ny DÉMOCRATIE ny Malagasy? Tsotra ny valiny; Any Ambanivolo farany izay tanàna kely indridra any dia efa nifidy Filohan’ny Fokotany ny vahoaka, ary hendriky ny démocratie izany! misy ny fivoriampokotany hanaganana tanana sy handraisana fanampahankevitra lehibe noho ny fiainan’ny tanàna sy ny vahoaka ao aminy, tsy fomba fiteny tsy takatry ny saina akory izany DEMOCRATIE izany ,fa hiainana andavan’andro eny eo fokotany izay misy ahy sy ianao. Rehefa misy hevitra tiana hampandroso ny tanàna dia eo amin’ny fivoriampokotany no hapetraka ny fanakianana sy ny sosokevitra. Raha tsy tiambahoaka intsony ny Filohampokotany dia amin’ny fifidianana manaraka dia tsy misy mifidy intsony, samy miaina sy niaina izany fomba demokratika izany isika rehetra ,fa aza hambaniana ny MALAGASY ka lazaina fa « tsy mahazaka ny DEMOCRATIE »

    Sao lahy ka ny mpanogampajakana izay mitondra amin’izao fotoana izao nandritra ny telo taona ka tonga teo tamin’ny FANONGANAMPANJAKANA no TSY MAHAZAKA ny DEMOCRATIE!

    HALEO HIROTSAKA IZAY TE HIROTSAKA rehetra dia hohita eo izay lany amin’ny fomba DEMOCRATIQUE sy FIFIDIANANA MANGARAHARA!

    TSY I MADAGASIKARA akory na ireo mpanongampajakana ireo akory no hamorona lalàna ka hametra fa i anona na ianona no milatsaka azo fidina na tsia.

    Ny DÉMOCRATIE dia tsy teny (mot) na fonjakevitra (idéologie) na fobafiasa(méthode) nipotra tamin’ity taonjato izay hiainantsika ity XXI siècle fa efa tamin’ny andron’ny GRIKA sy ny ROMANINA césar izay ny vahoaka tamin’izany no nifidy ny SANATEURS (solombavambahoaka) hisolotena azireo eo anatrehan’ny Empereur,ary nohenona ny hevitr’ireo izany no RÉPUBLIQUE voalohany.

    Raha nanomboka nihetsiketsika ny mpanomana ny RÉVOLUTION Française tamin’ny 1789 dia ireo Philosophes frantsay tahakan’i Voltaire, JJ Rouseau,sns dia naka io fonjakevitra lehibe DEMOCRATIE tamin’ny andron’ny Grika sy ny Romanina io ho hevidehibe hiangana hanorenana ny REUBLIQUE ary nitsangana ny République na dia tao anatin’ny rà mandrika sy ny olana ara fonjakevitra sns… nisedra fitsapana izany DEMOCRATIE izany ary ny mpanogapanjakana rehetra dia tsy nandala izany ary tsy tonga teo amin’ny fitondrana amin’ny fomba DEMOCRATIQUE!!!

    Ny firenena rehetra eto ambon’ny tany 99 isanjato dia mandala ny DEMOCRATIE na dia misy aza tsy nahateraka izany tao anatin’ny mangarahara! Ny ambiny kosa dia ny 1isanjatony dia miaina anatin’ny DICTATURE (FANGEJANA) ohatra i Corée du Nord, CUBA, BIRMANIE , ary i MADAGASIKARA amin’izao fotoana izao, rariny sy hitsiny eo himason’izao tontolo izao raha mbola voasazy ireo sasany ao amin’ny HAT sy tsy mbola mahazo fanampianaavy amin’ny BM FMI isika tsy mbola misy fankatoavana iraisampirenena…

    ZAKAN’NY VAHOAKA MALAGASY IZANY DEMOCRATIE IZANY fa ny mpanongampajakana no TSY mahazaka izany! Ka haleo hilatsaka izay te hilatsaka fa VOX POPULIS VOX DEI!!!

  30. Vohizina ny hoe NI Rajoelina NI Ravalomanana amin’ny fomba inona? à quel droit international? avec quel moyen juridique? ou avec quelle idéologie qu’on pourrais interdire un tel ou un tel d’être candidat à la présidentielle? je pose la questions aux juristes aux spécialistes des droits internationaux et constitutionnels?

    Fantatra ireo olona tena mivohy io fomba fijery vendrana io dia ny LEADER FANILO!sy ny manodidina azy…te hitondra amin’ny fomba sadasada indray ,ary hitarika CRISE POLITIQUE atsy aoriana atsy raha tanteraka izany ,satria hofoanana tsotra izao izany ireo vahoaka mpomba an’i andry rajohelina sy ireo mpomban’i Marc Ravalomanana??? tsy hifidy sa ahoana??? haveriko ny fanontaniana ka tiako hapetraka amin’ireo miseho azy manantsaina!!!

    Eto aho dia milaza fa tsy hiisy velively izany fa HOLD- UP POLITIQUE izany ary hotezitra ny vahoaka!

  31. Tsy dia fantatra laotra izay tena hevitra tianao voizina ry Masyteny, fa amiko dia izao, raha niala tsiny ( FA TSY NIFONA IZANY AKORY )tamin’ny vahoaka malagasy ny Filoha Ravalomanana dia mety nisy fahadisoana tsapany teo amin’ny fijerena an’izay FOMBA ENTINA HAMPANDROSOANA AN’I MADAGASIKARA. TSY NISY HELOKA BE VAVA NATAONY, ARY IZAY TSY MANAO NA INONA NA INONA HOY NY FITENENANA NO TSY MBA DISO MIHINTSY.

    Noho izany, tsy azo ampitahina mihintsy i domelina sy ny prezidà Ravalomanana, amin’ilay resaka hoe AVELAO HIROTSAKA IZAY TE HIROTSAKA.

    Rajoelina mpanongam-panjakàna dia tsy mahazo milatsaka ho fidiana, dia point barre ê !
    Condition anisan’ny napetraky ny Communauté internationale, io tsy fahazahoany mirotsaka io, ary efa nanaiky izany tamin-dry zareo i domelina mpanongana !

    Vahoaka inona no lazaina fa mpanohana an’i domelina ? Ireny nentiny nanongam-panjakàna, ary ireo mpanohan’azy ara-bola sy mpandika Lalàna isan’andro vaky izao ve ?
    Sa matoa mbola eo amin’io fitondràna nangalarina io izy, DIA TIA AZY DAHOLO NY VAHOAKA MALAGASY ?
    Rehefa ny Lalàna velona sy ny Lalàm-panorenana no voahitsakitsaka, dia tsy misy intsony izany demôkrasia izany !

    Ireo rehetra izay tsy tia ny Prezidà Ravalomanana no mivoy an’io hoe « ninisme » io, ary lohalaharana amin’izany ny frantsay, izay menatra amin’izay nataon’i Sarkozy voalohany indrindra, ary matahotra an’izay lazainy fa mety ho valifaty ataon’ny Prezidà Ravalomanana satria fantany tsara fa mbola ny prezidà Ravalomanana no mamim-bahoaka tena vahoaka !
    Ankaotry ny frantsay, dia ireo mpanongana rehetra ary anisan’izany ireo miaramila, no matahotra ny fiverenan’Ingahy Ravalomanana. Tsy mitsahatra manontany izireo hoe : Marina ve fa tsy hamaly faty i Ravalomanana raha tafaverina eo amin’ny fitondràna !
    Efa nilaza ny valiny ombieny ombieny ny Filoha Ravalomanana, fa ny mpanao ratsy rehetra no mahana sy enjehin’ny heritreriny !

    Misy hetsika ho atao izao amin’ny asabotsy izao, eny Ambohijatovo !

    Misy resaka momba izany ve ? Ary efa fantatra daholo ireo izay tsy mankasitraka izany ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana ary mandrara ny mpitolona mihintsy aza tsy hiaraka amin’ny vahoaka, hanao an’izany hetsika izany. Aiza ilay hoe HATAMBARO NY HERY ???

    MITOHY NY HOE ZARAZARAO HANJAKÀNA !!!!!

    Ny marina dia izao : TSY HISY RAHARAHA VANONA MIHINTSY EO, RAHATOA KA TSY AVELA HIROTSAKA NY FILOHA RAVALOMNANA !

    Tsara ho fantatry ny rehetra izany !

  32. Tsy vitan’izay nanongana fa sady NAMOTIKA! NANDROBA, NANOTAFADY sns RATSY
    rehetra, sady tsy FAHAIZANA NO TSY FAHENDRENA TSY MISY FAHALALANA kely akory
    aza fa LAINGA izay no mba hainy sy MANALA-BARAKA @ izay HATAONY SY HALEHANY rehetra, koa ahoana no
    mbola misy MAHASAHY MIDRADRADRADRA fa tokony hilatsaka izy????ataoko fa olona hendry ary ao anatin’ ny
    fahalalany anefa no MANIZINGIZINA izany an??aamiko efa tsy resaka demokrasia intsony ilay izy fa fanindraindrana ny
    jiolahy toa an’i domelina, fa hafa raha izy no te hilatsaka manana ny zoany izy satria efa NISY nanaiky azy ho FILOHA
    rahateo fa ity FANINDRAINDRANA lava » domelina « filoha , domelina milatsaka …… » ataoko fa TSY MENDRIKA ITY
    OLONA FAKO AKORY??, koa mba matsintsiana re tompoko fa efa ampy angamba izao ZAVA-BITANY IZAO an?????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *