DOKOTERA vs EMMO-REG : « Tsy ato Remenabila »

IMG_4461

Nitohy teny amin’ny kianjan’ny 1200 ariary teny amin’ny HJRA androany ny fitokonana nataon’ireo sendikan’ny Paramed sy ny dokotera. Tsy nisy niasa izy ireo ary tsy nanao ny antsoina hoe service minimum ihany koa. Nikatona tanteraka ny hopitaly androany. Araka ny efa fandaharam-potoanan’izy ireo dia roa andro nanomboka androny ny fitokonana faobe tanterahan’izy ireo. Tokony ho tamin’ny 12ora atoandro dia saika nivoaka ivelan’ny hopitaly hamonjy ny fitsarana ireo mpitokona ireto. Nisy mantsy ny feo fa ho entina eny amin’ny fampanoavana ny filohan’ny Paramed Valerie izay voasambotry ny Emmoreg omaly. Tsy lavitra anefa izy ireo dia efa notsenain’ny fiara tsy mataho-dalana efatra feno miaramila mirongo fitaovam-piadiana. Horakoraka sy antso antso no setrin’ny fisakanana nataon’ny bebaonty azy ireo ka tsy sahy nandefa baomba mandatsan-dranomaso ireto herim-pamoretana ireto. Avoahy izao dia izao Valerie, io no hika sy sorambaventy nentin’ireto mpitokona ireto. Araka ny nambaran’ny solontenan’ny mpitsabo dia nilaza ny kolonely iray fa aterin’izy ireo eo amin’ny hopitaly Valerie. Taorian’izay dia nanaiky ny niverina tany anatin’ny hopitaly ny mpitokona, ary niandry ny ora iray izay voalazan’ny miaramila. Tsy nisy anefa izay fanaterana an’i Valerie izay , ka nametraka paikady ireo mpiasa mpitsabo mitambatra nanao fivoriana.  Nambaran’Andriamatoa SG SIS FM Rakotondravoavy Lanto fa ireny hitanareo omaly ireny ny valiny nomen’ny fanjakana ny fitakianay.fa tonga dia herisetra aty amin’ny hopitaly. Ny jeneraly Ravalomanana, hoy izy no niaraka amin’ny miaramla di ansiava ny hopitaly, ary nisambotra an’i Valerie. Daroka sy vono  no nahazo azy teo amin’ny tratrany. Amin’izao fotoana izao dia marary sy sempotra ny tenany hoy ny fanazavana. Tsy misy ny fanajana ny mahaolona nataon’ny jeneraly tamin’izany. Tsy misy dokotera hisava ny tobinareo fa aoak hifanaja.  Tsy hihemotra amin’ny Emmonat izahay na firy na firy hoy izy ireo fa mitohy hatrany ny fitokonana. Manoloana izany hoy Lanto dia hametraka fitoriana sy fitarainana izahay. Namafisin’ny mpitokona fa tsy tao amin’ny urgence no voasambotra tamin’ny fomba feno habibiana i Valerie fa teo anoloan’ny hopitaly, fa lainga ireny nambara ireny. Ireo solontenan’ny Paramed sy mpitsabo avy amin’ny faritra dia manameloka tanteraka ny fisamborana ary mitaky ny hamoahana azy haingana, ary eo ihany koa ny handoavana ny 1200 Paramed. Marihina fa nanotrona ny fitokonana teny an-toerana ireo delegasiona avy amin’ny SEMPAMA, Ny Cellule de crise ny mpiasam-panjakana.

 

7 pensées sur “DOKOTERA vs EMMO-REG : « Tsy ato Remenabila »”

  1. tohizo ny grevy!avy naka vola tao @olga ministra i besolomaso sempama androany fa aza avela;i mme ralitera moa mbola miandry ny vola avy any @ remenabila!be ny sosy sy ny ..osy ka samia mihetsika;vola very ihany anefa ireny

  2. Salamalava. tsy dia mazava ny tianao lazaina. Ny hetsiky ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy dia efa hatry ny ela no tsinotsinoavan’ny FAT. Izao ry zareo fa tena vonona hanohitra angamba. Ny olana hatreto @ izy ireo dia mino sy manaiky foana izay fifanarahana sy sonao ary fampanantenana nataon’ny FAT. Mino kosa aho fa ho tapitra hatreo izany Tokony ho tanteraka soa aman-tsara ireto zavatra efatra ireto vao mijanona 1) miala ny minisitry ny fahasalamana 2) mivoaka i Valerien 3) Voasazy nyu Jeneraly Ravalomanana 4) Tanerahina 100% sady tsy miandy ny fangatahana ireo mari-karama

  3. Raha ny marina no lazaina dia tsy misy krizy zany eto Gasikara. Mandeha ny fiainam-pirenena, efa misy ny Président mahay, misy Gouvernement, misy Parlemanent, misy Senat. Mitohy araka ny mahazatra ny fiainam-bahoaka. Mbola tsy nahare aho nandritra ity tetezamita ity hoe matin’ny hanohanana hono ranona. Fony Valo nitondra aza no betsaka ny matin’ny hanohanana tany atsimo, toy izany koa ny tamin’ny andron’ilay jamba. Fa amin’izao kosa dia mandeha ny zavatra rehetra, manana Portable ny ankabeazan’ny vahoaka, manana TV ny isan-tokatrano, hatrami’ny any ambanivohitra be, manana adiresy mail na koa Facebook ny maro an’isa amin’ny tanora. Mitombo andro aman’alina ny isan’ny firakodia eto Gasikara, ny trano koa moa tsy lazaina intsony, manao fety ny atsy, manao fety ny aroa, mihamaro ny olona mankany an-dafy hatramin’ny fianakaviana tsotsotra aza. Betsaka ny projets fanatsarana ny tanàna etsy sy eroa, raha tsy hiteny afatsy ny eto andrenivohitra, sns tsy voatanisa. Noho izany dia resaka fornina ity krizy krizy ity. Ny zanak’i Valo no mamorona io, fa raha ny zava-misy dia mizotra normal ny fiainam-bahoaka.

  4. Fa ry zareo TGV mianakavy ireto vé tena mafy bé mihitsy ary mihevitra fa eo foana mandrakizay.Sao dia tsy mety intsony izao zavatra ataonareo izao ry RISARA BAOMBA an, tandremo anie fa zavatra kely fotsiny dia mety hahafaty anareo mianakavy ireo é.Izaho manoratra ity aloha dia miala tsiny fa raha izaho no mahatratra anareo ireo dia ataoko mihinana ny anamaminareo nareo mianakavy miala tsiny tsiny indrindra izaho ny aminy fitenenana.Aiza vé dia hianareo mangarom-biby andavaka indray no miseho anazy manana ny fahamarinana.Maninona raha tsy Remenabila no atao izay hisamborana azy.Na hianareo ,ireo koa aza anie dia mbola ratsy lavitra noho i Remenbabila ny zavatra ataonareo é, ary nareo ireo no tena NDALO ambony latabatra, ary hianareo miaramila miaraka aminy TGV ireo dia ataovy anatiny sainareo fa ny basinareo ireo ihany no hiverina any aminareo ato ho ato.Ry TGV moa dia hita mihitsy ny fahatahorany an’i PREZIDA RAVALOMANANA voafidy ara-dalàna satria tsy haresy anazy mihitsy na haniry nify aza ny AKOHA.Ka ny teniko ho anareo MIARAMILA mpilanja BASY ireo dia tandremo fa tsy ho ela intsony hianareo dia hinana ny anamaminareo..Tsy hilanja basy intsony hianareo fa hilanja ny HELOKA nataonareo taminy mpiray tanindrazana aminareo.Aleo alan’ANDRIANA toy izay ALAM-BAHOAKA, manarakizany koa mitandrema fa NIVOAKA tao aminy VEHIVAVY hianareo ireo fa tsy tany aminy…

  5. Raha ireo Ekipan’i TGV ireo aloha ka raha toa ka misy marary dia eo ry zareo nào raisina.
    Sa kasa alefa any LA REUNION na any LAFRANTSAy. Ry zalahy ireto kosa angamba mahay ODY marary.

  6. Zay marina ilay woe:HIADY aminy ADALA DENISE vé.Izaho kosa aloha na adala aza i DENISE dia tsy maintsy miaro ny tenako izaho na inona ny filazàna woe adala i DENISE.Tsoriko aminareo fa ADALA fetsy i DENISE, nefa koa azo lazaina woe:ADALA tena ADALA fa milaza zavatra tsy marina, tsy lazaina intsony ireo teniny rehetra manao woe: SAMBATRA NY MALAGASY ».Hita mihitsy fa fombany ry zareo mihitsy io milaza LAINGA io », eny na TAY AZA LAZAINY fa MANITRA.Ka ny tekino an’i DENISE
    Velona taminy Krizy
    Jerevo tsara ny zava-marina
    Fa alaviro kosa ny zavatra namboarina
    Tsarovy tsara ny teny soratanao
    Fa aminy farany io hivadika any aminao
    Marina mihitsy aloha fa samy manana ny tiany
    Ny ahy manokana aloha dia RAVALOMANANA foana
    Ny anao tsy azo afenina intsony fa TGV mandeha goana
    Ka ny teniko aminao ry ADALA DENISE
    Aoka izay ny resaka tsy marina tsy izy

  7. Ka i Denise ngeh vehivavy mpivaro-pika dia mora aminy ny mivelona @ zao krizy zao zao no tsy hitovizana! vola mora ,mivelatra mora ny azy!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *