FANJAKANA VERY SAINA NO MISY ETO

IMG_5369

Aza gaga isika hoy Leriva Manahirana androany teny amin’ny Magro Behoririka raha maheno fa misy fitsarana ary satria Automobile efa ho faty io. Tsy ampy ny fat intsony hoy izy ny ody gasy eto Antananarivo fa any amin’ny faritra izy no mitady ody hitazonana an-dRajoelina. Tsy mandrimandry isika hoy hatrany izy, satria mahery ilay Andriamanitra hivavahantsika ary na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hisy ny fihaonana eo amin’izy roalahy. Dikan’izany hoy ity mpanao politika ity dia mila hamafisina ny vavaka ataontsika satria raha miasa 24 ora Andriamanitra dia miasa 24ora ihany koa i Satana. Aza adinoina hoy izy fa ny mino tsy maintsy mandresy. Aza mieritreritra ny ho kivy isika fa ampaherezo ny namana fa i dada efa nilaza fa ataovy any ivelany ny fitsarana ka io izy. Noho izany hoy Leriva no hanambaranay anareo fitsarana fa tsy mahavita azy ny fitsarana malagasy koa mieritrereta ianareo. Anisan’ny vaovao nalaza omaly hoy kosa Raveloson Constant, ny fitsarana, fampiatoana, fihaonana, fa ny fihaonana no zavadehibe. Rehefa miteny isika hoy izy hoe tany  misy fanjakana ve eto ? tsia avy hatrany no valiny. Izao no zavamisy eto hoy Constant, rahonana ny mpiasam-panjakana rehefa tsy miasa kanefa izao indray ny mpiasam-panjakana no mandrahona hoe miala daholo ianareo. Izao no tadidio hoy izy, ny mpitondra mandalo fa ny mpiasam-panjakana mipetraka eo foana.Misy dingana roa etony fanjakana dia ny fanjakana marefo ary ny fanjakana very saina tsy mahita aleha. Ny amin’izao hoy ity olomboantendry ity, dia fanjakana very saina tsy mahita aleha, ary azo antoka fa efa voadiniky ny sehatra iraisam-pirenena. Ny ahiana hoy izy dia rehefa kelikely eo dia isika no asaina miala fa hoe tsy mety ho entina. Tsy meto hoantsika anefa izay fa izy ireo no miala eto. Mikasika ny fitsarana ny filoha Ravalomanana kosa dia nambarany tamin’ny ohabolana hoe  » vao maika maty aho hoy ilay tsikovoka ». Tsy misy dikany intsony izany ilay taratasy izay nitakosenan’izy ireo, fa ny fitsarana any Afrika Atsimo no atokisany. Voa mafy izany Rachristine hoy Constant, satria ny AV7 milaza fa tsy mahavoa ny fitsarana malagasy. Fifaliana ho antsika hoy izy izao ka ho hita eo  izay nandoro tanana tamin’ny 26 janoary. Izahay ihany koa mba alao ao amin’ny CT sy CST hoy izy satria efa tsy misy movansy Zafy sy Ratsiraka ao ka ho rava ho azy io governemnta io, ka amin’izay dia avereno pasohana ny governemanta. Ny mampalaehlo hoy izy dia  misy manolotsaina mandainga Rajoelina hoe ataovy an’izao ireo.

6 pensées sur “FANJAKANA VERY SAINA NO MISY ETO”

  1. Fanjakana adala ho sitranina fa tsy adala sitrana no misy eto.
    Iza moa ity mpanolo-tsaina fôpl eo fa tsy i tsikirity sy ilay mpandainga
    ohatra ny mpitondra azy ihany?

  2. Mihady lavaka handevenana ny tenany reto ny foza lé!!! dia ahoana indray zany Toutou Krisy ao @ fitsaràna toa ny foza ihany no efa tsy natoky azy ndray???

  3. Tatasika fa tsy toutou ry sė a!!fa misy inona ???zanakisoa koa ve dia mba azo
    antsoina ho Toto.
    Ka ilay fitsarana mihintsy anie no tsy misy fa fandrebirebena ilay izy e!!i dada aza mbola tsy naharay taratasy
    ny momba izany akory fa FANDEMENA VAHOAKA io haniliana ny maimbony @ ilay OLOn’Andriamanitra,
    efa MIVIKA ity AV 7.

  4. Miainga ny tribunal sud Af, manaraka koa ny any Dago raha vao mitontona any ny tongotr’Osy. Lany lainga ve Racosta a! De miverena ndray mitabataba ao @ magro aloha fa tao foana no nahazoana seza raha ho very ndray ny seza rahampitso. Telo taona mahery nareo ry Leriva Mnahira sy Racosta ary Rana nitabataba tao, fa inona ny résultat a? Ny SEZA ndray ty no mihozongozona. Tena henjana Pierrot Zandrinay a! tena Boton’ny Zaza marina nareo le! an!an!an! Botoin’ilay Jeune kely akarapony atsy sy aroa, @ zay tiany hatao e! zany woa ny olona rehefa mi-réagir fa tsy taim-bava otran’ny anareo, kanefa tsy mahavita na inona na na inona! Botosagnagna otran-dry Boton’ny Zaza e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *