FIOMBONAM-BEN’NY MPIASAMPANJAKANA : MITOHY NY TOLONA

IMG_4798

Nirodorodo teny Anosy ireo mpiasam-panjakana mivondrona ao amin’ny fiombonam-ben’ny mpiasam-panjakana androany. Ny maraina dia efa vory lanona eto anoloan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena izy ireo, niaraka tamin’ny sorabaventy mirakitra ny fitakiana ho an’ireo sendika tsirairay avy. Nisy ny fanentanana maro samy hafa nataon’ireo solontena avy any amin’ny faritra mikasika ny antsonjay mahazo azy ireo. Ankoatra izay araka ny fandaminana dia niaraka nanotrona ny fitsarana ny filohan’ny sendikan’ny Paramed Rakotonandrasana Valérien izy ireo teo amin’ny fitsarana Anosy efitra faha 6. Tokony ho tamin’ny 1ora teo ho eo no nanomboka ny fitsarana. Efa tazana tao anaty efitrano fitsarana ireo olona izay nanakorontana ny hetsiky ny dokotera sy ny Paramed teny amin’ny HJRA ny Alatsinainy teo. Naharitra minitra maromaro ny fizotry ny fitsarana. Araka ny nambaran’ny mpisolovava ny voampanga ny Me Razafinjatovo Willy na Olala dia tsy nanao heloka ny olona arovany, ary tsy nisy ihany koa ny mpitory. Nisaotra ireo olona nanohana azy kosa i Val. Nisy hoy izy Profesora lasa mpiandry vavahady teny amin’ny HJRA androany nefa tsy tokony ho asany izany. Tsy voavidy vola ny tenako hoy izy na dia ireny aza no nahazo fa hijoro hatramin’ny farany. Mitohy ny tolona mandram-pahazontsika ny fandresena. Raha tsiahivina dia ny 05 jolay no nosamborin’ny Emmo securité tao anatin’ny hopitaly ny tenany, ary notazonina teny amin’ny zandary mpanao famotorana. Nahazo fahafahana vonjimaika indray ny Alatsinainy teo ary izao niakatra fitsarana izao. Volaza fa ny tsy fandraisana andraikitra amin’ny olona naratra izay tonga tao amin’ny hopitaly, nandritra io fotoana io no vesatra hiampangana azy.  Andrasana izany ny datin’ny 16 jona hamoahan’ny fitsarana ny didy mahakasika an’ity raharaha ity.

3 pensées sur “FIOMBONAM-BEN’NY MPIASAMPANJAKANA : MITOHY NY TOLONA”

  1. Mijoroa hatr@ farany fa aza misy kivy @ FINGAMPINGANA
    maro isan-karazany, ny ratsy tsy kely lalana fa tsy atao MAHAKETRAKA
    izany , lasa izao TSA MIPOLY KOA!!!izay be no basy! dia jereo tsara ny lalana haleha fa tokana ny tanjona
    dia ny HANAFAKA an’i GASIKARA ary enga anie mba ho tena fitiavan-tanindrazana tokoa.Homba antsika Atra e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *