FITAKIAN’NY PARAMED SY DOKOTERA : NORAVAN’NY ANDIAN’OLONA VOAKARAMA

greve paramed

Nisy andian’olona vitsivitsy niditra an-keriny teny amin’ny HJRA androany maraina, nandrava ny hetsiky ny Paramed sy ny dokotera. Nitondra fanazavana mikasika izany tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana, ireo filoha mpitarika ny fitakiana izay niarahan’ireo Paramed sy dokotera mitambatra. Nisy hoy izy ireo, ny andian’ olona vitsivitsy nokaramaina nitondra banderole milaza fa manana havana marary, niditra teto amin’ny kianajn’ny 1200, ka nandravarava ny sorambaventy nataonay. Fiara 4×4 nitondra ny mpanao gazetin’ny Viva, hoy izy ireo no nitondra ilay Ramatoa vadin’ny tale ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana nibaiko sy nizara vola  ireo olona ireo. Misy ifandraisany amin’ny renin’ny mpitondra io vehivavy io , hoy ny fanazavana. Zavatra efa nomanina ireny, satria  ny mpanao gazety nalefa haka sary mialoha.Tsy mahagaga anay hoy izy ireo ny fisian’ny olona manakorontana satria misy olom-panjakana nitelefona an’i Valerien nilaza fa teneno ireo namanao ireo fa raha tsy izay dia hanakaramay olona eny Andavamamba sy Isotry ianareo.Niantso mivantana ny tenako io Ramatoa io, hoy Aimée ary nilaza fa rehefa tsy azo ifandaminana ianareo dia tsy maintsy matinay.Manomboka androany hoy izy ireo dia raha misy maninona ny Paramed dia tsy miala amin’ireo izahay ary hametraka fitoriana.  Manao tombo sy ala ny fanjakana hoy ny fanazavana, fa misy ny tsy mangataka nefa mahazo nefa samy mpiasam-panjakana.Nanamafy ireto mpitokona ireto fa tsy hijanona ny hetsika raha tsy mahazo valiny ary miandry ny filankevitry ny ministra na governemanta rahampitso na rahafakampitso. Hiakatra ambonimbony kokoa ny hetsika hoy ny fanazavana.  Mikasika ny fiarahana amin’ny mpiasam-panjakana ny 11 jolay izao dia nanambara izy ireo  fa ho hita eo izany fa ny laharam-pahamehana aloha dia ny fiatrehana ny fitsarana an’i Valerien ny Alarobia. Efa fahaizana manokana ho an’ny fat ity mamono afo sy mizarazara ny sendika, fikambanana samihafa, ity tato anatin’ny telo taona nitondrany. Nanomboka tamin’ny fanalana ny filoha Ravalomanana dia nozarina notambazana vola ny vahoaka hankahala ny mpiray firenena amin’ny tena.

 

7 pensées sur “FITAKIAN’NY PARAMED SY DOKOTERA : NORAVAN’NY ANDIAN’OLONA VOAKARAMA”

  1. iza koa zany mangaro-dahalo andavaka zany?Ka tsy tokony avoaka daholo ve ny marary ao?Amin,izay dia mirodana ny fitondrana;mba mandinia ihany fa ny olona anie mandinika na mamy ny vola azo avy @dada,sy ny vidin,omby azo avy @akaman,i menabil ministra e;atao zao rehetra zao mba tsy hampiverina haingana an,i dadanay;ary toa mihavitsy hoa ry mariusi ao @smm e!fa ngah tsy matoky tena ntsony fa vakivakin,ny avant,ny makis de dago ny ligne de defansy?

  2. lany ho any be sandry sy ny rugby ny vola kely sisa tavela dia tsy afaka mampanao fanadinana ny ankizy.
    Tay be izay rajoely izany an ! tsy fosotra foza akory fa tena lasa niofo voalavo hitondra haretina. Alaviro io ry malagasy a!!!!!!!!!!!
    asaina mitondra poizim-boalavo taonina maro i Ra8 rehefa mody

  3. eFA FANTATRA IZANY IREO OLONA MANAO IZANY – VOALAZAN’NY VAOVAO ALINA FA VADIN’NY DOKOTERA AO AMIN’NY SANTE – MATAHORA AN’ANDRIAMANITRA IANAO SAO RE KA MIFOTOTRA AMINAO NY ATAONAO. NY TODY TSY MISY FA NY ATAO NO MIVERINA TOMPOKO.

  4. KA VOLA KAH!!!!efa zatra ! tanana efa zatra mivelatra io ka tsy voakombona intsony.
    Dia tena loza tokoa ray olona!!!nanongo tena mihintsy aho t@’ilay fanazavana tao @
    Gtt.org ny momba io resaka omaly tena @ HJRA io, fa dia tsy tahotra tsy henatra, fa dia manjakazaka IMASO IMASO eo!!!
    dia teo ihany ilay voakarama no nitaky ilay vol dia mbola teo koa ilay MPIZARA ity vola no nizara ???maty aho tanindrazako!

  5. Tsy hita ry zareo a. Mba fantatrareo moa ny vaovao androany ? Nomen’i Domelina 60 millions Ariary ( na 21 600 euros eo ho eo ) ny mpanao rugby satria hoe Champions d’Afrique. 14 Millions no nolazaina omaly.
    Ny tena antony ? Ny mpanao rugby no gros bras an-dRadomelina. Dia zaraina vola toy ny miaramila amin’izao fotoana izao. LOZA e !

  6. Ka vola tsy nanasatra koh!!azo maimaim-poana dia zaraina maimaim-poana,
    mila hery koa izy no tena marina, zara aza nisy ilay hoe : NAHARESY koh!!
    zarako aza naratra!!ranom-potaka aza manonja koa maika fa ranomasina???hilelaka an’ireo aza ho hataony.
    Maty aho ry mpiasam- panjakana kely sy mpianatra! inay anie aho mba « gros bras ».

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *