FITOKONAN’NY MPITSABO : « Hopitaly tsy hisy dokotera anio sy rahampitso »

Araka ny fantatra dia hanao fitokonana mahery vaika ny dokotera manomboka anio.Tsy hisy na ny « service minimum » aza.Io no fanampaha-kevitra noraisin’izy ireo taorian’ny tsy famalian’ny FAT ny fangatahan’izy ireo.Nanampy trotraka ny firehetan’ny fahatezeran’izy ireo ny fanaovana ramatahora amin’ny alalan’ny fisamborana  nataon’ny mpitandro filaminana ny naman’izy ireo omaly.Nahoana no tsy nosamborina toy izao ny CAPSAT tamin’ny nitaky ny tombotsoany ? hoy izy ireo.

14 pensées sur “FITOKONAN’NY MPITSABO : « Hopitaly tsy hisy dokotera anio sy rahampitso »”

  1. Tsy misy valerany ho an’izay domelina ianareo +8 na +12 ê !
    Ry zareo -10 sy -4 ihany no mahay miaraka ! Ny pôlisy sy ny milisy ary ireo mpanongana izao be karama noho ihanareo !!
    Fahaizana mitsabo dia any aminareo, fa mba jereo koa ny fitsaboina an’io Firenena marary hovana io ê !
    Tsy dia sarotra anie ê ! Mba spesialista amin’izany fanaovana diaginaostika izany ihany ianareo !
    Tsy ny fitakiana ny tombon-tsoan’ny tsirairay no fanafody, fa ny fitambaran’ny rehetra mba hanaisorana ny fototrin’ny aretina !
    Ny tsy fisian’ny « service minimum » izany dia tsy miady koa ! Ny vahoaka efa mijaly fadiranovana noho ny asaratsin’ny mpanongana, dia iny koa ianareo tonga hanao « chantage » amin’iza ? Amin’ny mpanongana ve ?
    Vahoaka tsy manan-tsiny ve no ampijaliana indray, noho ny fitadiavana tombon-tsoa ?
    Raha izany no ataonareo, dia mitovy fisainana amin’ny mpanongana ihany koa ianareo !
    Maty aho Fireneko sy Tanindrazako malala !
    Ataovy ny grevy ary tsy iray na roa andro fotsiny, ary mba asio « service minimum » !
    Rehefa tsy izany dia naman’ireo mpanararaotra koa ianareo ! Fitiavan-tena lava izao !!
    Mbola tsy adinonay ireny tamin’ny andron’i Ratsiraka ireny !
    Raha hitsabo ianareo, dia tsy maintsy entin’ny marary ny alkaola sy vovo, merikirakraoma, ny fanafody sy ny sisa, DIA MBOLA TSY MAINTSY OMENA BAOJY KOA IANAREO ANKAOTRY NY KARAMANAREO, RAHA TSY IZANY DIA TSY MANAIKY HITSABO SY HANDIDY !!
    Lasa ny heritreritra hoe, toa tena tianareo koa izany fiainana baordela izany !

  2. Ny olona indray dia efa vonona hiatrika izay grevy dradradradrain’ny forongon’i Valo. Efa impiry moa no nisy ny grevy fa nandamoaka daholo ireny satria voavahan’ilay Filoha mahery fo foana izay olana mitranga. Raha misy ireo dokotera na Para med. no migrevy dia tsy mankaiza satria tsy iza akory ireo dokotera ireo fa dokotera nividy diplaoma sy nanao risoriso. Ireo dokotera tsara sitrapo sy manana déontologie dia hiasa hatrany. Tsy azo adino koa fa misy ireo dispensaire an-dry masera, gratuit ireny ary miasa foana ireny, misy dokotera mahay tsara ny asany amin’ireny, ary afaka midodododo any ny olona raha tojo fahasahiranana. Noho izany dia tsy ho lasa lavitra izao grevy konokononon’ireo dokotera nividy diplaoma ireo!

  3. Tsy ny hoe fijalian’ny vahoaka ve moa, no tena antony nikotrehana sy nanaovanareo foza an’io fanongànana io ???
    Tokony mba ho gratuit toan’ny an-dry masera izany, ny dispanseran-dry vatomanga sy zafimahaleo (samy nandray andraikitra tamin’ny fanongànana ireo)!!
    Hi hi hi !!!

  4. Nous nous souvenons que TGV avait envoyé un lettre au Secretaire Général de l’ONU, pour exprimer savolonté d’organiser les Elections au plus vite.
    Et malgré l’intervention d’Abdou Diuof, President de l’OIF, la réponse est….NEGATVIE .
    S’ensuivent 2 autres refus à cette volonté Hatienne :
    1. Celui de l’UE
    2. Celui de………..L’UA
    Ces trois instances ont fait savoir que l’organisation des elections presidentielles ne pourra se faire avant Mai ou Juin 2013.

    Ce qui permet un petit repit au PRM Ravalomanana, qui à notre avis devrait commencer d’ores et déjà une
    REORGANISATION du Parti TIM, pour que les 2 GTT avec le VOT (Vondron’olon-tsotra) et le VAMI (Vahoaka Miray) et d’autres formations soutenant son retour et ses actions

    S’UNISSENT POUR DE BON, ET FORMER ainsi UNE FORCE POLITIQUE considerable.

    Il faudrait qu’ils prennent conscience que cette eventuelle rencontre NE SERA JAMAIS une fin en soi .
    Et même pas une eventuelle REELECTION DU PRM RAVALOMANANA.

    Comme qui dirait : up ! up ! up !
    Lafy8
    http://lafy8.forumactif.ca/t206-ny-hazo-tokana-tsy-mba-ala

  5. J’ai identifié rabe le voleur, le violeur de bakart !
    Un Rainitay qui a travaillé comme fonctionnaire et parachuté un peu partout, même chez TGV;
    MAIS….. hI HI HI tgv N’EN A PAS VOULU !!!!
    Veritable Rainitay rejeté par l’ancien PRM.

  6. Arabaina ny akama! elaela?? taiza foana???aza dia manao fangalam-piery moa e!!!

    hay ve mpitati-reraka e!!!Tsy mahagaga !!!raha tsy izayn ve hanao goatenda lava eto fa  » misy mihainooooo??? »

  7. O ry Zareo a!!fa iza moa no ho voa @’ity Hopitaly tsy hisy dokotera ity???
    Ny foza anie ka any ivelany foana no mandeha raha vao misy maharary azy e!!
    toy ilay fampianarana ihany io, na zanaky ny mafy ady ihany no tapaka ny fianarany fa ny manan-katao mianatra foana.
    Io ary fa mivoaka ilay resaka fitokonan’ny miaramila, ireo miaramila sady tsy nisy voasambotra no mbola nahazo MILIARA2
    ka izay izany no andrasan’ireo hanemorany lava ny daty io koa inona moa???

  8. Ny malagasy ry nao tsy mila mitsabo tena sy mianatra izany intsony â ! Efa hita izao ny vokany !
    Samy mifamely, sy manao hafetsena sy mifangalatra dia vita ny ady !
    Rehefa marary dia mandeha mijery an’i nenylava sy izany dadarabe izany hono, na mivavaka mafy any amin-dry mayonezy sy ayôli, izay lasa mayôli !!!

  9. mino aho fa tsy hiraharaha anio greve io ny HAT satria tsy hafaka hiaro ny sezany ireo dokotera sns ireo…

    izay vahoaka hofaty tsy hisy mpitsabo izany tsy maha taitra azy..hamono aza ataony sy handroba ny kely ananana sy izay rehetra mety hamotika ny hoavin ny malagasy

    izay manana basy ihany no namany sahalan i remenabila nifanaraka t@

  10. fa angaha misy marary lava eto?tohizo ny anareo fa tsy haongana velively ny tgv;miandry ny rariny ny vahoaka fa tandremo ny mivoaka ny toerana misy anareo;mihidy any aloha ny tsy mahay ny asany izay;izay ilay indice 1200 fa hita ihany;tsy mendrika e

  11. Ity resaka Ramenabila dia toa resaka maloto toa ilay nahazo an’i dada,
    araka ny lovatsofina dia tsy dahalo izany io olona io fa olona manakarem-be
    ka tadiavin’i foza ahorona ny harenany dia olon’i foza no manao io asaratsy io izay fantatra fa i Hajo no manarama
    azy ireo dia ahilika @’io olona io araka ny efa fiadin’i foza , tsy misy mahazo manakaiky MAKA VAOVAO MARINA
    MIHINTSY ny @ momba io RAMENADILA IO fa hatr@’izao dia mbola honohono daholo, FIALONANA MIARO FANDROBANA
    io raha ny fantatra aloha, miaro resaka fandrebirebena ny Gasy koa hanadino ny fahoriana sy ny asaratsin’i foza.

  12. Tananews !
    Le GFFM réaffirme : Le pasteur Mailhol sera président en 2013 !
    Hi hi hi !! La mayonnaise commence à prendre (goût) !!!!

    Encore Tananews !
    Un enfant de 10 « en » viole un autre..de 3 ans !!!

    Quand voler et tuer, violer la Constitution ou perpétrer des coups d’Etat deviennent des actes non condamnables, il n’y a pas de quoi s’étonner !

    Mivavàha ihany hoy aho, fa tsy ela dia ho avotra ity Firenena ity !!!

  13. Mbola misy fa andraso aloha!!! 2012 ny FAR’ANDRO dia 2013 Mayhol prėsident.
    Tsy fantatrao marina ny tena hilana sy hampiasaina ilay fivavahana angamba??
    Ialahy anie tsy maka afa tsy ny lafiratsiny ka io no tsy mahatafavoaka anao e!!!misy lafy tsarany dia tsara izay
    tsy tsapan’ny rehetra na dia mbola manjavozavo ihany aza ao, io kosa tsy ny rehetra no AHITA izany sa ahoana RAOZY??
    mamelà ny elony fa tsy fanatany izay hataony( vazivazy an!!)
    Ny zavatra fanatro sy hinoako dia manam-petra ny asan’ i SATANA , ary fisaka ny marina ka saro-tadiavina, efa hay ary fantatra
    fa voa mafy isika, nefa tokony tsy ho kivy be fahatany fa hanaraka akaiky sy HIJERY IZAY ADY HATAO @’IZAO fahavoazana
    mianjady izao, KOA eto no hilana ny FANAHY MASINA HANORO Sy HANAZAVA ny lalana tokony ho aleha ahatongavana any @
    ilay fahafahana MANDRAKIZAY.tsy midika izany fa mivavaka ianao dia MIANDRY MAHAZO EO, VAVAKA TSY ARAHANA ASA
    TSY MANDEHA ary ZANAHARY tsy MIAHY IZAY TSY MIAHY NY TENANY. Ny Gasy koa efa nino ilay ZANAHARY hatrany am-
    boalohany koa io tsy azontsika ariana INDRINDRA FA DEVOLY NO MIFANEHITRA SY MAMOTIKA ANTSIKA TOY IZAO.

  14. FAMPIARANA NY LALÀNA IHANY HOY AHO NO TENA ILAINA !!!
    Izahay tsy mahita an’izay fitsaràn’ Andriamanitra any an-danitra any ! Ny FITSARÀNA ety an-tany izao no tena mahamaika anay ! Rehefa maty sy ripaka daholo ny zanak’olombelona, izay vao tapitra ny asan’i satàna !
    Mila mpitsara TSY KANOSA, mahay sy tsy voavindim-bola, ary atokisan’ny vahoaka izahay !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *