Fitondrana MATAHO-BEHIVAVY !

IMG_6072

Tonga tamin’ny roa ora sy folo minitra teto a n-tanindrazana, tamin’ny sidina avy atsy Afrika Atsimo,  ny vadin’ny filoha Ravalomanana sy ny vinanto vavy. « amin’izao fialan-tsasatra izao dia tonga eto aho hamangy ny zanako sy ny fianakaviako , hijery ny Malagasy toa ahy » hoy izy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Tonga nitsena azy teny Ivato ireo mpiara-dia aminy, hafaliana tsy omby tratra no hita teny amin’ny endriky ny rehetra.Rehefa nandeha ny ora maromaro dia noroahan’ireo mpiasan’ny Air Mad tsy hanotrona azy ireo ny  mpanaradia fa dia izy efa-mianaka ihany no najanon’izy ireo tao. 15 taorian’izay dia fampiasan-kery no natao tamin’ ireto vehivavy tonga hijery ny fianakaviany.Taorian’io dia nilaza ny tompon’andraikitra fa nalefa any Bankok izy mianaka.Fitondrana mataho-behivavy ny FAT.

Melohinay tanteraka izao zavatra mitranga izao hoy Me Hanitra, tsy fanajana tsotra izao ny zo fototra ny ataon’ny mpitondra hoy izy.I Tojo Ravalomanana kosa dia nilaza fa tsy manana  na dia « visa » sy ny  vola ho enti-manana amin’izay fandehanana makany Bangkok izay izy mianakana,  nampiasana hery ny havanay ary dia naratra hoy izy nanazava.”Namaly ankolaka ny tenin-d Rajoelina izy teto : «  Tsy fotoan’ny fampisehoan-kery intsony izao fa fotoan’ny fampiasan-kery » hoy ny tenany.

49 pensées sur “Fitondrana MATAHO-BEHIVAVY !”

  1. Mody tonga manao bonzour, dia hamonjy birao any amin’ny ministera daholo amin’ny alatsinainy izany ?

  2. VAOVAO FARANY

    Araka ny vaovao voaray amin’izao fotoana izao dia mety hatao alohan’ny 06 Aogositra izao ny fihaonan’ny Filoha RAVALOMANANA sy i Rajoelina.

    Aorian’io daty io mantsy dia hihazo an’i Jamaika ny Filoha Afrikana Tatsimo Jacob Zuma izay mitarika ny fanelanelanan amin’izao fifampiresahana izao ka tsy ho tafaverina mialoha ny fivorian’ireo Filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny SADC.

    Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny COI anefa dia efa tokony entina manoloana ireo Filoha hivory any Maputo amin’ny 17 sy 18 Aogositra io ny tatitra mikasika ny fihaonan’ny roa tonta.

  3. Vadin’iza ary iza no namotika an’ny Magro sy ny hetsika any Antsirabe ?

    Ny zavatra goavana andrasan’ny rehetra izao dien’izao !!

    DEMISSION COLLECTIVE DE TOUTES LES INSTITUTIONS ! RAHA TSY HITANAY IZANY RAHAMPITSO DIA MAZAVA FA MPISOLELAKA NO BETSAKA ( NA DIA EFA HITAM-POKO ARY HITAM-PIRENENA AZA IZANY) !
    BAIKO HOE MIALA NOLAZAINA FA HOE MISINTAKA !!! HIALA SA MBOLA HISINTAKA ??
    FITORIANA AMIN’NY FOMBA ÔFISIALY ANY AMIN’NY CPI !!! FITORIANA AN’NY AIR MAD LASA ANDEVO SY MPANOHANA NY MPANONGAM-PANJAKÀNA !!!

  4. Tnn :

    Lalao Ravalomanana et sa belle-fille ont été conduits par les forces de l’ordre dans un avion soi-disant pour une enquête. L’avion en question est en réalité celui qui les ramènera hors du territoire, sans le moindre papier légal.
    – L’expulsion a été faite SANS MOTIF ET SANS LA MOINDRE PROCEDURE.
    – « Le policier qui les escorte n’a même pas de passeport », a précisé Tojo Ravalomanana.

    Le fait est que dans leur infinie incapacité, les forces de l’ordre ont juste eu besoin de se débarrasser des deux personnalités dont le sort devra être confié à leur lieu de destination, Bangkok.

    Et où est le droit de chaque citoyen de POUVOIR CIRCULER LIBREMENT DANS SON PAYS ???
    Encore une fois :
    MADAGASCAR EST EN OTAGE PERMANENT !

  5. Aza dia loza raha hiantehatra amin’ny hafa, amin’i sadc,dia nody Lalao Ra8 dia maninona ? hatao alohan’ny 6 aogositra ny fihaonana dia akory ?
    mahantra loatra ireto gasy dia nanamboarana roman handanina andro. Efa ho 4 taona ny tantara mitohy mbola tsy vita ihany.
    malahelo aho milaza aminareo fa dj no tena filoha mendrika ny gasy. filoha be cinema ho jerena, filoha mampihinana maloto sy maharatsy taiza.
    gasy zaza minono tsy afa-manaotra tsy ampy hery, matahotra ka mandefitra be oui oui, attends attends, àa ira mieux demain, dieu vous êtes grand

  6. Tsapa ihany ny fahakivianao ry Elas, fa tsy mety kosa raha tsy mitolona aloha e!
    Izay azo atao dia atao . Mampalahelo marina anefa dia izany ialy malagasy kely poretin’ny Frantsay e !

    Tsy fantatsika izay mety hivoaka aorian’izany fandeferana lava izany. Ka izany no politika tsinona kooo !

    Tsy ianao irery no miady ka mahereza e !
    Aza avela hiady irery ny namana fa mbola lavitra hezaka e !

  7. tena hita kosa fa mihena andalana ny mpiady, mba miandry ihany ny tena hanatombo laharana fa ny mody miady no betsaka. dia izay izany no handrohitana ity krizy ity ho lava reny.
    Tsy izy aho eo fa na miady dia vita fa tsy manao lava resaka.
    Miala tsiny fa vidiana lafo ny fotoana.

  8. citation :
    ► Njara dit :

    27 juillet 2012 à 17 h 59 min

    Justine Tsiranana ??? mmmmmh !??? méfiance r’izareo a !!!

    ———
    Justine TSIRANANA dia efa hatramin’ny ela no niaraka tamin’i Dada,ary notendrehan’i Dada ho Sénatrice
    Aza afangaro amin’i Pierre TSIRANANA

  9. efa nanome omaly fa ny mpananpim-bava no betsaka.
    ny gasy koa moa efa nateraka ho mazan-doha sy be kirina izay, io dia lova soa tamin’ny frantsay. Mizirizy izay tsy izy.

  10. Méfiance zareo an ! quand on se méfie trop et de tout, on patine.
    Mihisatra, mailo izany tsy mila tenenina fa tokony andeha ho azy saingy tsy misy action ilay miaraka aminy.
    sssssssssssss

  11. Manome soso-kevitra izahay miosy milaza fa mamindra resaka, ka dia ahoana ihany ?

    Ireto indray ary, ankaotr’ilay hoe hetsika manoloana ny ambasadin’i Thaïland na Roumanie koa !!

    Plaintes officielles na fampandrenesa (arakaraka ) any amin’ny :

    Ambassadeur-n’ny Roumanie – France : Une ressortissante roumaine battue et molestée par les forces de l’ordre malgache, car elle a le bonheur ou le malheur d’être la belle-fille du président Ravalomanana ! Quel délit peut-on lui reprocher ?

    Plainte any amin’ny OACI : Air Mad est devenue une compagnie hors-la-loi, depuis l’arrivée de ses nouveaux dirigeants. L’achat des deux airbus est en violation de la Feuille de route, mais voici qu’elle devient un outil de répression !

    Ambassades et gouvernement thaïlandais : La Thaïland serait-elle devenue complice des putschistes, en acceptant l’atterissage d’un vol aérien illégal ?

    Plaintes any amin’ny organisations rehetra (ONU, UA, UE surtout qu’une ressortissante de l’Union européenne a été victime des agissements des putschistes, SADC, etc…

    La Roumanie étant francophone, envoyer des messages dans tous les blogs roumains !

    ………………..

    Tohizo azafady raha mbola misy mahita hevitra !

  12. Maba maiolo amin’ny gasy :
    – foza sa tsia ?
    -misy holazaina sa tsia ?
    – kamo be tenda sa tsia ?
    – mahazo resaka sa tsia ?
    – tia kely sa tsia ?
    – mihaingo amony tsikoko sa tsia ?
    – misy finiavana sa tsia ?

  13. tsara ilay hevitra , saingy ohatra ny manao récupération, évènement du moment. Ny tiako ho lazaina dia mety hatomboka ireo fa tohizana ihany koa ny efa natomboka taloha
    Inona tsara moa izany ?
    Ny fangatahana fa mody an’tanindrazany i Ra8 Malagasy, i dj mpanongam-panjakana fa tsy fantatra hoe haninona eo amin’ny fitondrana, mijaly ny vahoaka malagasy.
    Ilay lobbying au nineau international moa efa tena tsara fa ny malagasy eo an-toerana tokony HIHETSIKA BE KOA fa ny filaminana tsy handresen-dahatra na misy aza ny lobbying.
    farany izay tsy hita mihitsy dia ny sensibilisation ny citoyens dans tous les pays, informer, informer, informer no stop.
    Farany dia misy manana fitaovana hitsikilovana ny ataon’ireo pitondra ireo sy ny manididina azy satria ny porofo mivaingana mahamora ny fiadina, na vavolombelona. tena tian’ny mpanao gazety io sady vidin-dafo.
    Mba hevitro ireo, ny air’mag sns moa dia miray tsikomba mazanva be.

  14. Ok ! dia atao hoe tsy manan-kolazaina ary !

    Ny mety angamba dia mamaky izay soso-kevitra soratanareo ! 🙂
    Iza indray ity manapim-bava ity ?! sssss

  15. Mbola nitazona ny maha « citoyenne roumaine » azy ve ilay vinanto e?
    efa tokony ampy izay 3 taono sady tsy nisy fiasa « offensive » na « défensive » avy @ mpanolo-tsaina sy mpitsara momba ny filohantsika ary koa avy amintsika mpanohana…
    Ka fomba fiasa vaovao ary re no ndao dinihana e!
    Manif indray dia avy eo….??? Fotoam-pivavahna indray dia avy eo…??? tsy ampy intsony mihintsy ny tandrametaka ity foana.
    Isika vahoaka gasy irery akory tsy ahavita n’inoninona ka aiza ny paika????

  16. Tsy maintsy miantehitra @reny aloh ehh, raha isika samy isika eto anie,de efa fantatra fa basy sy « Klimôzêne » no miandry. Noho izany aloha dia tsy maintsy ara- diplomatique aloha no itondrana azy, ary izay no maha ela nefa mampandeha miadana ny tolona

  17. Tsy misy zavatra azo antenaina intsony ao rahatoa ka mbola eo i domelina, ary koa tsy voasazy ny mpanongana REHETRA !!
    Resak’adala io Fifampihavanana io, ary resako hatry ny ela izany ! Any Espagne mbola mizaka ny vokatry ny guerre civile tamin’ny années 30 ry zareo, satria namboarimboarina ny raharaha, ary tsy nosaziana ireo nanao ratsy !
    Ny portugais tonga dia nogadraina izay nanao potsa sy nandika lalàna rehetra ! Milamindamina kokoa ny any amin’izao satria tena efa manomboka mitoetra izany hoe democratie izany !
    Grêce ? Mitondra takaitra atramin’izao ny grika, ary zakain’ny mponina ao amin’ny vondrona eraopeana amin’izao fotoana ny kitoatoa nataon-dry zareo !
    Tsy mandoa hetra ny miliaridera satria manao santazy amin’izay mpitondra rehetra !
    Ny vahoaka kely, no manome sakafo an’ireto mpanefoefo !

    Tsotra ny fehiny ! Dehors ilay potsista ary tokony higadra any flerimerozisy !

    Izao ny france3 (amin’izaho manoratra izao), manao pub an’Antsiranana amin’ny alalan’ilay fandaharana Thalassa !
    Milay Madagasikara, ka tongava ianareo hanandevo anay, fa mba omeo santime izahay dia faly !

  18. Le putschiste a démontré depuis, et d’un son incapacité à diriger ce pays, et de deux, qu’il n’est qu’une marionnette télécommandée A DISTANCE !
    De plus, la frousse l’empêche de prendre toutes décisions logiques, et en guise de compensation, et pour rassurer sa dame qui paraît-il commence à perdre ses pédales ( sans aucun jeu de mots ), il se sert au max, s’enrichit et profite de la naïveté des malagasy !

    Ny évènement grave tahak’izao ry elas, tsy tokony hidiran’ny resaka intsony hoe récupération sa tsia !

    Quand il faut dénoncer quelque chose, il faut le faire sans état d’âme aucun ! Il faut faire feu de tous bois ! Les foza n’ont même pas hésité un seul instant à massacrer leurs compatriotes, pour salir le président élu des malgaches !
    La belle-fille du président est roumaine, je ne vois pas comment elle aurait pu perdre sa nationalité ? Drôle de question, puisque domelina d’après ce qui se dit par-ci par-là est bel et bien franco-malgache !!

    http://www.bonjour-roumanie.com/sites-et-blogs-sur-la-roumanie/

  19. ny tanjona aloha mitovy fa ny entina hakana azy no samy hafa. Nahoana no ny azy foana no tonga aloha ? mba jereo eto fa tsy mila sokirina dia mivaoka ho azy :
    http://twitpic.com/acertg
    teo foana ny lesoka avy aty amin’ny olona mitady ny ara-dalàna, tsy misy mahafantatra raha salama izy na tsia satria na miova izay lazainy na tsy hazon’ny mpihaino.
    Raha be pijery ny baolina, dia tokony samy mahay miady ny mpilalao.
    Farany, ilay pété dia manana point faible be , halaina baraka dia ao izany no fitaovana fiady rehefa matahotra lacrymogène.

  20. Fialan-tsiny azafady ! Misy diso ny voasoratro !
    Hay moa ny vinantovavin’ny Filoha toa hoe bilgary fa tsy romaniana !

    Tsy olana, fa anisan’ny mazan-doha ireo bilgary ireo !

    Io navoakany io ihany no porofo, entina hamelezan’azy !

  21. Raha mbola eo i Zuma sy chissano tsy misy mediations vaonan eo fa fanodikodinana resaka no betsaka, efa nahazo vola be t@ frantsay ireny roa alahy ireny, ary ny frantsay miafina dia ireny no mitondra ny baolina, ny tanjona dia ny itazomana an´io tetezamitatra ho lava ary éliminé-na i DADA . Vao nanomboka ny Krizy dia nasain´i sarkozy izy roalahy ireo momba ny resaka Madagasikara.

    I DAda koa tena nampiesoniny dia matoky SADEC, ny amerikana sisa antenaintsika fa zareo tsy manaiky io fitondrana jiolahimboto mpanongam-pajakana io. Fa ny sisa dia efa voaborosin´ny frantsay daholo.

  22. i DADA ihany ehhhh,ts’ita aloha izay ambara izao fa handinika kely, fa henjana ihany iny teny Ivato iny. Fa na inona na inona « DADA » ihany, na hiodinkodina eo « DADA » ihany ny anay, na hitsangana sy hitsongolika eo « DADA » ihany ny anay, . . . . . . .

  23. Tsy mila COI manatrika fa ohatr mivoana resaka langue ve ty zavatr ity
    (aza hadino fa ampingan-dRatsiraka manoloana ny radio RFI t@ 2002 izany nanaovana tsinotsina an’i dada an Tadidiko tsara)
    __

    Tena SansQualité be ilay fitondran’i Joelahimboto baolina an: provocation, de tenté isika misaina tsy mahavita inona mi-argumenter amin’ny kaka entiny avy etsy sy eroa!
    ___

    Dehors les PUTSHISTES !!

    (Que fait-on de ces pourritures de junte militaire basy mirangaranga en permanence?)

  24. de io zao misy Communiqué (lien atolotr’i elas)

    ==> sao indray ho lany énérgie mi-argumenter ligne par ligne mamaly an’io :
    « CHIEN ABOIT QUAND CARAVANE PASSE » no sahaza ireo

    f’IZAY ACTION TOKONY RAISINA
    tonga dia ALEFA ANY AMBOVONANA

    (mila miasa anaty fahanginana
    ianareo mpitarika ao @ Magro sns
    bourrez-vous de vitamine
    Cha ne peu pas
    né doigt pas

  25. «CHIENS ABOIENT QUAND CARAVANE PASSE»

    putain de chienne de vie,
    que cette HAT nous soummet

    Cha ne peu pas
    nez doigt pas
    durer longtemps

    Tsy mila PUTSHISTES !

  26. F’ninona ary ity ray olona a!!dia navela any ve ilay olona dia
    avy eo daholo vao mody manetsik’eloka daholo mody bala!bla???
    mba teneno mafy kosa ny havanao Njara fa tsy mamely kah!!fa nahoana no navelany ho viravirain’i
    foza toy izany i Neny Malala???????sao dia mba tsy rariny intsony kosa izao ry M.Hanitra?????
    koa izany ve tsy ho faty ho azy toy ny valala samborim-boka eo i dada raha vao MIALA ANY??????
    Aza MAHATOKY OLONA INTSONY FA ZANAHARY IHANY SISA AHATOKISANA RY DADA a!!!! izao
    efa MIBARIBARY ny TANDRAMETAKA REHETRA.Dia ity Air Mada efa HIDARABOKA. RAHAMPITSO
    ity koa dia mbola miseho ho milay ihany , na dia voavidy azy ve dia ahasahy hanao izany @’i NENY??

  27. Dia tsy hitako intsony izay hijanonana ao @’io fitondran’alika dy io an!!
    ampy kosa angamba izao an!!dia teo daholo kay ry zareo hatr@ Ralitera
    dia nahoana kosa no tsy mba nisy niaro azy mianaka ???nefa ireo mbola ao @’io fitondrana io daholo
    na dia NISINTAKA AZA????tsara ihany anefa n fisehon-javatra toy izao mba HANOME LESONA an’i
    DADA @ FAHATONGAVANY KA AZY SISA NO MANDINIKA sy MANAMAFY ny @ fiarovany ny tenany
    fa efa MIARIARY IZAO FA MIADY IRERY IZY.Mpiatsara ivelatsia daholo an!!MAHEREZA ry RENY MALALA!!!
    MANDRAISA IANAO FANAPAHAN-KEVITRA HENTITRA RY DADA FA TSY IZY INTSONY ITY a!!!!ka na ny
    sakafonao miaraka @’ireo olona miaraka aminao aza mety ahiana ihany, TANDREMO DADA fa ny aina lahi-
    tokana a!!HITANAO TSARA IZAO ny FANDEANY.

  28. Mampieritreritra mihintsy ho’ aho ny fihetsik’ireto olona niditra système amin’ny anaran’ny Mouvance Ravalomanana ireto. R’izareo mihintsy no mahatonga ny tolona tsy misy vokatra azo tsapai-tananA (araka ny fijeriko). Ravalo irery no mihetsika mitady izay fomba hanavotana an’i Madagasikara. R’izareo migoka ny tsiron’izany hoe « nahazo fahefana ».Ny vahoaka moa sondriana satria tsy misy ilay hoe leader charismatique. Raha ny lojika no arahina dia miala amin’io fiaraha-mitantana io amin’izay ry zareo nefa ho hita eo. Ny fijanona ao anatin’ny système dia mampiseho fa mi-cautionner an’io fitodrana sy ny zavatra rehetra ataon’io fitondrana io ry zareo. Dia hahazo reconnaissance tsikelikely ny fitondrana FAT. Tany aloha aho dia nanambara hoe io ohatran’ny jeu d’echecs. Manao action ny ankilany dia mihetsika ny andaniny. Côté fitondra FAT: miasa daholo na ny miaramila na ny minisitra rehetra miara-dia aminy na ny mpanao politika mahazo tombotsoa manokana rehetra.Côté mouvance RAVALO: mihetsika ihany fa mitsitapitapy, zara raha mihetsika e! Na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana dia tokony hanao actions, tsy voatery mampiasa hery na mamporisika hamono olona. Ho antsika mahay jeu d’echecs dia mahalala fa ny pion izao io mitady hivadika ho dame io ary kely sisa dia echec et mat ka nampikoropaka ny ao amin’ny fitondrana. Fantany io stratégie io. Avy aiza io hevitra io. Ianao no aoka hamaly. Mino aho fa tsy avy amin’ireo niditra système. Ireo niditra système anefa tokony hihetsika avy hatrany manampy tosika. Isika vahoaka ihany koa mila mihetsika mba tsy handeha ila ny fandehan-javatra rehetra. Misy ilay « cohérence d’actions ». Nefa tsy izay no ataon’ireto mpitarika ireto fa mangina. Tokony hanao fanambarana tambabe izao ry zareo mahakasika izao nahazo an’i Lalao RAVALOMANANA izao.Wait and see! Tsy manakina be fahatany aho fa anjarantsika no mieritreritra, rehefa tsy mety moa ny hevitro dia avereno amiko ihany.

  29. Ohatra iray, vao niseho iny omaly iny dia nivoaka ny fanambarana avy ao amin’ny fitondrana, tsy niandry ela. Aiza ny an’ireo ao amin’ny fitondrana manohana an’i Dada. Mbola miandry angamba. Ny an’ny GTT indray no tonga aloha. Ny GTT nefa any ivelan-driaka. Mila olona i Madagasikara, olona manan-tsaina, tsy mana-tahotra,olona hendry, manam-panahy. Enga anie mba ho tonga saina ireo olona niditra système ireo mba ho izay olona izay! Olona tsy mitady ny tombotsoan’ny tenany alohan’ny tombotsoan’ny firenena. Gasikara anie manankarena e! Rehefa mandroso ny firenentsika dia miha-manan-karena ianao ry mpanao politika, miha-manankarena ihany koa izahay vahoaka. Mieritrereta e!

  30. Nanao fanambaràna tao amin’ny RFI hoe ny Filoha hajaina ! Efa henonareo ?
    Izaho io handeha ihaino !

  31. Marina mihintsy ny lazain’i Hery satria na « Fanorona » na « Echec » na ny « GO », dia misy « stratégies » daholo fa angamba re tsy dia tia milalalo ireo ny malagasy sa???
    Nisy mpitsabo gasy izay namaly ahy t@ 2009 hoe tsy misy resaka « échec » izany ny tolona hatrehantsika???!!!!!
    Anefa ny gasy sy philippines no hitako mpilalao Fanorona tokoa.
    Ndao atao hoe milalao fa lalao ary ny fampiharana izany andavan’andro no tsy nataon’ny mpitolona hatrizao, satria na Fanorona-telo aza dia misy « stratégies » na paika na fika na fomba fiasa na fomba fiady e!
    Ary ny loza dia tsy hisy akory « Roque » rehefa « échec et mat » satria ny « tandrametaky » ny mpitolona hatr@2009 ka hatr@ izao nitranga omaly izao dia….mahonena.
    Tsy hisy ho faly raha maninomaninona ny filoha M.Ravalomanana ny vadiny sy fiankaviany ary vao maika isika porina tanteraka ka ndao hikaroka fomba fijery sy fiasa vaovao aingana re ô!

  32. Ce qui est grave dans cette affaire, ce n’est pas le fait d’être caché derrière un nom de jeune fille, mais de parvenir à faire en sorte que ce nom ne soit pas inscrit dans la liste des noms des voyageurs en partance de Johannesburg pour Madagascar qui doivent être communiqués au préalable aux autorités aéroportuaires malgaches. C’est donc bien un acte réfléchi et prémédité, de venir en cachette à Madagascar, au moment où le président de Transition était en dehors du territoire et qu’une mutinerie visant le renverser a eu lieu. Moi je ne crois pas du tout aux coïncidences, le moins qu’on puisse dire tout cela est bien trop louche pour une visite à une mère malade./

  33. Rehefa olona mahay manoratra tahak’izao na dia misy diso aza, dia tokony mba mahay mieritreritra ! Miongotra ve ny volombodin-drenin’ialahy rehefa mifitr’izy, na voan’ny sida tany amin’izay nalehany tany i domelina, dia ny Prezidà no homena tsiny ?
    Mba fisainana inona koa izany ?

  34. Mampiteniteny foana tokoa ity foza ,heveriny fa an-dray sy reniny angaha
    i Gasikara???dia mihevitra mihintsy ity izy fa masi-mandidy an!!ary tsy henony angaha
    ny kabarin’i dada @ fanazavana sa efa zatra mamahan-dalitra???MISY FARANY NY ZAVATRA REHETRA HOY DADA!!
    hita mihintsy hoe: lohan’ireto karana alika ireto io e!!heveriny fa efa azy mihintsy Dago, ireo amboarina aloha fa FANETRY BE
    sady tsy haninona fa hambotry firenena fotsiny.

  35. Efa fantatra mazava ve hoe aiza izao i Rtoa L.Ravalomanana sy ilay vinanto e?
    tsy mazava ity « coincidences » lazain’i HAJAN.
    Ary ny tsy mazava koa dia tena tsy mahita fomba afa mihintsy ve ireo « nahay niditra hiara-hiasa @ hat » mba ho fomba fiady e?
    Any ka dia ny filoha M.Ravalomanana foan no viravirainy fahavalo, impiry izao..miampy ny omaly dia …aleo kosa angamba hampitandremana mazava ny filohantsika tsy hatokitoky foan intsony fa tena misy afahafa izany an!
    Marina ny lazain’i Misajaona…saingy mbola tena miherotra anaty revy frantsy ny gasy ka asa re raha ovian vao ho taitra mba hanimpy fijery any @ bekintana e!
    Ho aroso miadana io sosokevitra bekintana io dia toa tsy misy manohy ary tononina mazava indray mety hampatahotra ny gasy satria zava-baovao kanefa mbola tsy tapaka ny tadi-potra @ renin-dozatra.
    Misy dia misy ny fomba fiasa manambatra ny miaramila sy politika izany hoe « diplomatika », talentan’ny sinoa io ary nandaitra anjatotaona maro ka ankehitrio satria rah hiandry ny « diplomatia » tokana dia hiandry any paoly an!
    Tsy nisy nianatr apolitika manokan angamba isika mpitolona fa afka kosa mikarokaroka sy mandray lesona araky ny niseho sy natao ka tsy nahomby.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *