HO AVY ARY HODY AMIN’IZAY NY FILOHA RAVALOMANANA hoy RAKOTONIRINA MANANDAFY

IMG_5034

Raha nandalo teto aminareo farany ny tenako, hoy Rakotonirina Manandafy teny amin’ny Magro Behoririka androany dia nilaza ny loza nateraky ny tetiky ny iraka frantsay teto, nanonganana an-dRavalomanana. Tonga tany aminareo ireny taratasy ireny hoy izy, ary fantatro fa nanaparitaka tany amin’ny fiarahamonina.Isaorana izay nanao izany hoy izy. Ireny no manaporofo fa tsy manaiky isika ny hanjakazakan’izy ireo eto. Izany ihany koa no manaporofo fa mbola misy Malagasy vonona hijoro hiaro ny ho avin’ny taranaka faramandimby ary tsy azony hanjakazakana intsony isika. Tamin’ity herinandro ity, hoy Manandafy, dia 14 Jolay androany ary nandefa fanasana be dia be ny frantsay, ho an’olona maro, ka anisan’ny nahazo izany ny tenako. Niresaka izahay sy ny Filoha Ravalomanana, hoy izy, ahoana no atao. Nilaza Ravalomanana hoy Manandafy fa efa niova ny mpitondra frantsay, niova ny ambasadaoro frantsay. Isika tsy manangan’ady mialoha, fa aleo mankany androany ka ianao no misolo tena ny ankolafy Ravalomanana.Tany aho hoy Manandafy fa sao heverinareo  nandeha antsokosoko, efa nifampidinihanay izany. Ho avy ary hody amin’izay hoy ity olomboantendry ity  ny Filoha Ravalomanana. Vaky bantsilana ny tetindratsy nanonganana azy nataon’ny mpitondra mpandimby toerana amin’izao fotoana izao. Tsy mampiseho ady amin’ireo isika hoy izy, fa manamora ny fidiran’ny filoha Ravalomanana. Vonona hiara hampandroso ny tanindrazantsika isika, na amin’ny Amerikana tonga teto isika,tsy nakany amin-dRajoelina, na ny frantsay izay milaza fa hampihavana antsika.

11 pensées sur “HO AVY ARY HODY AMIN’IZAY NY FILOHA RAVALOMANANA hoy RAKOTONIRINA MANANDAFY”

  1. Eny ary!!!hampiahavana @ fomba ahoana ???
    toa mbola lalana lavitra be izany an!!!dia hiaraha-mahita eo
    fa mbola vao filazana aloha ity. Izay ve ilay fanambarana sa mbola misy fa toa
    somary maivana be ilay izy ???

  2. Avelao oah mba i dada ihany no hilaza izay fotoana hiaviany TOMPOKO O!!
    efa tsy nahaomby izay rehetra fe-potoana nolazaina teo dia aleo izy ihany no
    milaza azy fa manjary tsy mety e!!mba miangavy re Tompoko o!aleo mab ho matotra @’izay ilay tolona e!!

  3. Amin’ny alatsinainy izy no tonga ! Rehefa tsy alatsinainy dia talata ! Rehefa tsy talata dia alarobia ! Rehefa tsy alarobia dia alakamisy ! Rehefa tsy alakamisy dia zoma ! Rehefa tsy zoma dia asabotsy ! Rehefa tsy asabotsy dia alahady !
    Samia fotsiny manome daty izay tiany !
    Ny ahy izao dia 25 desambra 2020 ! Mety aminareo ve izany ????
    Tsy hilamina ny Firenena raha tsy miverin’izy ; kanefa toa tsy misy maika amin’izay hiverenany !
    Fehiny : Vahoaka nifindran’ny aretim-poza daholo ! Faly mihaina ao anaty fahoriana sy zaoridira daholo !

  4. Bonne leçon instruite par le nouveau Ambassadeur français:
    « … la démocratie. Celui qui ne gagne pas les élections accepte le résultat. On ne dit pas qu’il a perdu. On n’utilise pas ces mots. »

    « Hypocrisie » est (mot) bien français!!
    (inutilisé dans le language courant USA)

    L’on voit,
    le nouveau venu is very TACTFULL

    Nous voulons notre président AVANT toute éléction

    THIS IS NOT COMPLICATED:
    – un climat d’apaisement consiste à l’application des articles 20, 16 et 17

    Sinon, rien que de vains mots blabla

    Efa teo foana foana foana

  5. « Des réunions secrètes entre militaires et politiciens se tiendraient régulièrement pour préparer à un éventuel échec entre la rencontre du Pdt Ravalomanana et Rajoelina. De son côté, la manoeuvre de Rajoelina de changer tous les Chefs de corps irait dans le sens de l’instauration d’une Directoire militaire si il y a échec de la rencontre. »
    …..

  6. Hiova ny rivotra hiainan’ny vahoaka afrikana sy malagasy, ary hanao antso amin’ny télephone ny Filoha Ravalomanana noho izany vaovao lehibe izany !
    Voadaka ilay ni ping apinga lava, nanaiky nataon’ny frantsay boto faniraka !
    I Ramatoa Dlamini-Zuma no lany ho Filoha vaovaon’ny Kaomisioanin’ny Vondrom-be afrikana !
    Hiova ny tantana sy ny fandehan’ny raharaha paolitika, ary hanana anjara lehibe eo amin’ny lafin’ny paolitika ny SADC, indrindra raha ny resaka momban’i Madagasikara no jerena !
    Ry zareo frantsay koa moa efa tototry ny trosa, ary tsy dia afaka intsony hiseho ho zandary any Afrika !
    Misy farany ny zava-drehetra, ary i Hitler aza tamin’izany androny, niseho ho mpanjakan’ny lanitra sy ny tany, namono tena no niafaràny !
    Tamin’ny faran’ny erinandro, nipararetra ny foza ary saika hametraka direktoara fa tsy nanaraka ny miaramila tan-dalàna !
    Hisaorana ny miaramila legalista noho izany fihetsika izany, ary tokony hitohy izany, eo amin’ny lafin’ny fiarovana ny vahoaka malagasy !

  7. Tamin’ny asabotsy 14 jolay teo, dia nihaona tamin’ny solotenan’ny mpanao gazety moa izany ny Filoha frantsay, ary raha nandeha ilay resaka Trosa be sy ny fampiarana an’ilay hoe regladaoro, dia hoy izy tamin’ireo mpanao gazety : « …, chacun doit faire preuve d’audace et d’imagination, pour faire des économies.. » !

    Dia ho lazain-tsika aminy fa tokony antsoiny, ary asainy mody any an-tranony avy any daholo ireo miaramila frantsay ao Madagasikara ireo ; tsy mila laniana amin’ny foza potsista intsony ny volan’ny vahoaka frantsay !

    Tohizo raha manana hevitra hafa ianareo, fa dia ho ampitaina any aminy !

  8. Hay ve nisy izany vao2 tsara izany e!!
    Mba nijidika maraindraina aho raha nampoiziko,
    lanaky ny lalana koa no tena marina dia tsy nahafo maraina,misaotra ry Kintana!

    Ny azoko hanampiana io ry Kintana dia tsotra sady mazava be hoe:
    Angalaro izay angalarinareo fa aza ZIMBAZIMBAINA ny HASINA maha MANANKASINA anay,
    izany hoe: aza osiosena ny ZO mahaolona anay fa tsy ambany razana noho ianareo FRANTSAY izahay MALAGASY.
    Tsy tė hanopa aho fa efa zaza hendry, sady bedy! tena mitalao raha azo hatao ataovy tonga any ampoto-tsofin’ireo
    frantsay io resaka io.

  9. Tsy hoe télépathie,
    f’iray vatsy iray aina: niara-nitolona andro aman’alina TETO
    de ‘tony kou no tonga dia nisongadina tato an-tsaiko

    (Tadidiko tsara ilay nanipiazan’i Ping hoditr’akondro an’i Fetison: jeu-de-mot dia nisolifatra nankany @ précipitation)

    « Voadaka ilay ni ping apinga lava, nanaiky nataon’ny frantsay boto faniraka ! »
    « tokony antsoiny, ary asainy mody any an-tranony avy any daholo ireo miaramila frantsay ao Madagasikara »

  10. Tonga re dia terena hody any aminy ny miaramila frantsay e!
    « Manu militari » moa ilay filaza azy sa?
    Mba « chacun son tour » e!!!
    Vita izany vao azo asaina mody ny filohantsika satria ratsy saina sy mapanao paikan-jiolahy loatra anie ireto politisiana frantsay ireto e!
    Mailo foana isika!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *