MAGRO BEHORIRIKA : HANATONTOSA FOTOAMPIVAVAHANA LEHIBE

IMG_5822

Hanatanteraka fotoam-pivavahana lehibe eny amin’ny Fjkm Ambatoroka rahampitso amin’ny 11ora atoandro ny Ankolafy Ravalomanana. Araka ny nambaran’i Pasitera Ravelonanosy Mamitiana teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany dia fitondrana am-bavaka ny fihaonana eo amin’ny filoha Ravalomanana sy zandry kely atsy Seychelle izay manomboka androany, no antony hanaovana io hetsika io.Noho izany dia nanentana ny rehetra ho tonga maro ny tenany. Hatramin’ny nisian’ny tolona ka hatramin’izao dia vavaka hatrany no nanombohan’ny zanak’idada ny hetsika. Rehefa avy eny Ambatoroka dia hihazo ny kianjan’ny Magro Behoririka ny rehetra hanohy ny hetsika toy ny mahazatra. Anisan’ny nandray fitenenana teny an-kianja androany andriamatoa Jeanson. Nambarany fa ny zavatra niseho teny Ivato ireny dia tafiditra ao anatin’ny teboka faha 7 nataon’ny frantsay hisakanana ny dinika.Kanefa hoy izy niteny ilay iraika lahy, fa n’inona n’inona lazaina dia handeha aho. Aoka isika hahay hamela heloka hoy izy tamin’ireo vahoaka teny an-toerana. Tsy misy andraso andraso intsony ary tsy misy nofinofy izany eto fa ady amin’izay. Isika rehetra, izaho , ianao no hitondra am-bavaka ny fihaonana. Tahaka ny baolina io fihaonana io hoy Jeanso ka tsy maintsy misy ny vokatra sy valiny ary izay tapaka eto dia tapaka ho antsika rehetra. Isika hoy izy manana ireo raiamandreny ireo, noho izany dia tohanantsika ny tenin’ny filoha Ravalomanana izay miara-dalana amin’ny Sadc.Nanafatra ny vahoaka ny tenany mba tsy handray ny fanambaran’ny zandrikely fa hiahino fotsiny izany , fa aoka hoy izy anjaranay mpanao politika ny mandinika izany.

44 pensées sur “MAGRO BEHORIRIKA : HANATONTOSA FOTOAMPIVAVAHANA LEHIBE”

  1. tena mahasosotra be fa lasa any amin’io fihaonana io daholo indray ny resaka.
    Inona moa no andrasana fa tsy hoe MODY AN-TANINDRAZANA RA8 ?
    Agorodano any daholo ahitana fa tsy mahavoa ny mpanongam-panjakana.
    Nalaina an-keriny ny fahefana kanefa na ny masony aza efa hifitra miha-bongo andro aman’alina, tsy zakany ny fahefana nalainy.
    Izao no tokony ampisehona fa iny dj dia mampandihy no tokony ho asany.
    Aza varimbariana amin’izay fihaonana ry vahoaka fa alaivo ny daba sy ny siny dia tairo ny angaredonaaaaaaa!!!!!!!!!!!!

  2. nareo kosa ry elas de mba ratsy toetra !! mbola mivavaka ny olona fa apetrao any izany daba sy siny izany moa e !! efa kely sisa ange e!

  3. tsy ny fivavahana no omeko tsiny teto fa ny toerana nanoratako no diso.
    Dia nivaona tamin’ity resaka ity ny zavatra nolazaiko teto. ny tena tiako hamafisina dia MODY an-tanindrazana Atoa Ra8? Izay fihaonana any sy ny sisa tsy tsy tokony handrebireby ny saina.

  4. NY RATSY TSY MAHALEO NY FANAHY !

    Cette rencontre n’est que le début de la fin des hostilités entre rajoelina le pion de ceux qui convoitent les richesses de Madagascar et le Président RAVALOMANANA MARC ,élu deu fois de suite Président de la République .
    Dans ce rôle d’homme de paille ,rajoelina s’est comporté en soldat borné , discipliné mais conscient des occasions d’actions illicites que cette positio lui offre . Et il en a usé et en a abusé !
    Mais tout a une fin et pour rajoelna cette fin est là , incontournable et irreversible !.
    rajoelina ,à travers sa déclaration à Ivato ,a fait des efforts pour paraître conciliant , pour faire passer au public qu’il a des bons sentiments en confiant « qu’il s’est préparé moralement , physiquement et spirituellement « et qu’il demande à Tous de prier pour que les discussions apportent quelque chose de bin pour le Pays !

    Cela ressemble à s’y méprendre à une confession de ses mauvaises conduites ,à une sorte de repentance ,car cette attitude de reniement par rapport à ses déclarations agressives , à son comportement de conquérant , du fier auteur du coup d’état dont il s’enorgueillit , qu’il considère comme une victoire sur le Président RAVALOMANANA MARC , qu’il ne cesse s de dénigrer , d’ignorer……

    Et ses changements de ton , cette brusque composition d’attitude de circonstance , ne trahissent-ils pas une profonde panique à l’idée d’être seul face au Président RAVALOMANANA MARC que lui et ses employeurs ,commanditaires du coup d’état ont voulu anéantir sur le plan financier et de neutraliser sur le devenir politique !

    Et voilà qu’il est obligé de rencontrer cet homme énigmatique , insaisissable pour lui et ses compagnons d’arnaque , d’escrouerie ,de fausses factures et de mensonges .. !

    Il est contraint , malgré les appuis de la françafrique , des karana aux abois et de ces malgaches ayant misé sur la flatterie de sa vanité pour mieux exploiter sa naïveté pour réussir leurs petites filouteries ,oui il est contraint de baisser culotte , de surmonter cette défaite de se mettre tout nu devant tout le monde !
    Car quoiqu’en disent rajoelina et ses bons mis , après tant de véhémence , tant de stupiités ,tant de fat-uité , de fanfaronnade , de frivolerie ,tant de mépris pour les Malgaches rencontrer le Président RAVALOMANANA MAC , deux fois élu par les Malgaches omme Président de la République constitue certainement pour rajoelina et ses commanditaires ne défaite , une grande défaite face à la la force de l’esprit,
    Mais surtout à la politique de l’esquive , comme dans les arts martiaux : le Président RAVALOMANANA MARC voit les attaques venir ,il les esquive et les assaillants,emportés pr eur fougue ratent le Président et tombent à terre..Ratsiraka en 2002 a subi la même correction et s’et enfui par les Seychelles avant de rejoindre Paris !

    NY RATSY TSY MAHALEO NY FANAHY…

  5. Fa inona indray ity HFTV ity e ???
    Efa lazaina fa mahaiza MIRAY HINA koa vao maika koa mamorona io atsanga tsy aman’orana rehetra io !
    Hatramin’izay tsy hita izay atao ka eo no miseho ho milay eo .
    Raha tena hanao manatona ny Mouvance Ravalomanana ary raiso ny Daba sy ny siny dia mandehana mamelon Magro !
    Tssssss !
    Tsy aleo koa asiana hoe HF Radio ??? dia HF katsaka sy tsaramaso ary voanjobory ???

    Izany olona hoe tena manao Politika izany dia mbola tsy misy firy e !!! Ny mitady seza sy vody dia betsaka.

    Randry !
    Tsy izao ve no fotoana tokony hanaovana sitting ery amin’ny Maso Ivohon’ny Vozongo ???
    Izany anie tokony ho atao daholo e !!!

  6. Ny tsy hanaocvana remaniement ry Beriziky dia milaza fa miombo-kevitra manohana an’i TGV nareo a ! Mba azonareo an-tsaina ve izany e!

    Na tsy hisy aza ny remaniement :TOKONY MANAO DEMISSION IANAO RY BE RIZIKY fa tena tsy alehany. Mody manao fialan-tsiny amin’ny Namonoana ny miaramila fotsiny : tsy vanona !

  7. Inona indray ity Rasamy a???ny « V »no hatao be dia be rehefa tsy mamely ilay hira an!

    HFTV indray hono no malaza e! vao2 vao nisokatra ,aleo aho tsy hiteny betsaka fa manome
    litika fotsiny.

    Misy mihaiinooooo ve ilay hoe atambaro ny hery????efa voahozona ve isika malagasy e??mbola tsy ampy ve izao
    mahazo izao ??izao loza efa mitatao isam-baravarana izao ray olona a???aza dia mati-kely re !!INDRISY RY TANIKO!!

  8. Beriziky tsy vitan’izay tsy haninona fa sady mbola mampiady angely koa.
    Toa vao maika nanampy trotraka ilay fahavoazana ity izy, mba manajà
    tena fa olon-dehibe moa ry Beriziky a!!!mametrà fialana fa tsy mamely e!!

  9. En voyant cette image ci-dessus, je me demande qui contrôle qui car si l’être humain tire, il aura exécuté le dessein de la machine.Et il ne sera plus maître de la situation car la roquette fera des dégâts irréparables.En revanche, s’il dépose les armes et creuse sa tête pour avoir des idées, alors il sera maître de la situation car une idée peut en cacher une autre surtout si la première ne lui satisfait pas.Avec les idées, on a une chance de construire des projets tandis que les armes ne font que démolir et si elles ne sont pas utilisées, elles seront obsolètes et ce sera de l’argent perdu.En résumé, on aura tout à gagner avec les idées.

  10. Misy tokony alaina tahaka, ary eny amin’ny avenue no anaovan’azy, mba ho hitan’idomelina sy izao tontolo izao ! Mijaly, ka mitady famonjena ny vahoaka malagasy !

  11. Esory ny akanjo fotsy dia tairo ê ! Tokony ho hitan’ny rehetra fa tena mpivavaka ny malagasy !

  12. Fanga tsy fohy ny fisainana ry Pasitera Mamitiana natositosik’ilay Jeneraly be teny Ivato, de mba nizesta nareo woe, za ane pasitera, de namaly le jeneraly woe, tsy misy hiraharahiako ny maha pasitera anla, fa tsy ety ny andraikitrela fa any ampiangonana. De izay woa le izy, politika no mahafaty ny pasitera FJKM, fa ny ondriny avelany hihahaka. De ireto ry lavaraoby mianakavy, mbola manantena an’ilay  » andriamanitra olombelona » hitodi-doha an-tanindrazana, de ilay ANDRIAMANITRA MASINA, no anentanana indray eto hatao fitaovana. De jereo eto, fa resaka fivavahana no resahana eto, kanefa resaka DIVO no hanombohana azy, de tena mahatsikaiky e! sa ahoana Rana? Zany ane no tsy mampivaly le vavakareo araka zay tadiavinareo e! ny anareo mantsy, le « andriamanitra » hafa kely, fa ny anay le Andriamanitra, de ilay mahalala ny miafina, manafay ny mpandatsak’aina, ny tia tena sy mpangalatra. De jereo ndray ry KM fa hidona @ plafond io fivavahana sadasada afangaronareo politika io. Tena tsy nahita olona sagnagna otran’ny mpomba an-dRaosy ireto aho!

  13. FILAZANA HO AN’IZAY MAHATSIARO TENA HO LEGALISTA :

    MISY COLLECTE ATAO ANDROANY 25.07.2012 / HO AN’IREO NAMANA AO AMIN’NY MAGRO
    manomboka
    amin’ny 15 h ao amin’ny JARDIN ATLANTIQUE – Gare Montparnase.

    Ary Fiarahana MITSANGANTSAGANA ho an’ny LEGALISTE REHETRA TSY MISY HAVAKA,

    ao amin’ny Parc de Sceaux – Ligne B RER
    – amin’ny ALAHADY IZAO : 29 JUILLET 2012.

    Ho avy tsy ho ela ny Filazana OFISIALY 😉
    Eto ihany sy ao amin’ny lafy8.

    Tongava maro o !

  14. Hisaorana mialoha i Tahiry nampita ny hafatra sy fiantsoana !

    Efa milona, « maséré » tsara izany ny maskita sy ny tonotono isan-karazany ? Dia aiza ny fotoana sy ny toerana ?
    Eo amin’ny devan’ny satô raha manatrika ary a gôsy, misy toerana mba malalaka sy mba misy maloka ihany, ary indrindra indrindra, tsy dia lavitry ny toalety ho an’ireto andriam-bavy !!! Mdr !!
    Ho avy i rabe hitsikilo sady tsy dia lavitra avy eo Banie ny toerana !

    Fanampiny :
    Atramin’ny 19h30 hono ny mpiandraikitra no miandry an’ireo rehetra izay mbola miasa, ao Montparnasse !
    Ho an’izay tsy afaka, KANEFA FALY HANDRAY ANJARA, dia tsara ny mahafantatra fa misy kaonty nosokafana ao amin’ny Caisse d’Epargne hazahoana manao virement kely an’izay fohy !
    Fitia tsy mba hetra io ê ! Mandeha manao bal sy mividy Sôvaly telo sy Sivas aza atao !

    Caisse d’Epargne IDF

    17515 90000 08001060457 93

    Hisaorana mialoha daholo !!!

  15. Ho lany andro ianareo ry rabe-gamara, raha hitantara valamaty sy hanosom-potaka ny mpiaro ny ara-dalàna eto â !

    Tsara ho fantatrareo, fa misy foza tia-tena sy kentrina daholo ao anatin’ny fianakaviana malagasy !
    Ny ao aminay moa izao dia tsy sahy mipoitra, misitrika any anaty lavaka ary tsy sahy mihaona amin’ny olona intsony !!
    Zemanfou !
    Tiako lavitra ny mihavana amin’ireto mitovy fisainana amiko ato, ary mitady an’izay mahasoa ny Firenena malagasy !

  16. Ka io ane ry KM le fihavanan’ny perdants e! miorakora-pandresena kanefa le « andriamanitra » tompoina aza mbola tsy tafody ary manesi-tany ny tenany. Fanga io Raosy sampinareo be vola io woa, tsy mba mahafoy na de 1000 ariary fotsiny aza. Jereo fa 12 Millions ariary no lanin-dRaosy sy Monja Roindefo nanakaramana miaramila vatatay tamin’ilay attentat farany tsy mamokatra lava teo iny. Tsy raharahan-drainareo zany woa io MAGRORERAKA io, aleony ny azy afafiny eny am-baravarankely ny vola, toy izay omena ireo 4MI ireo. Jereo an-tsary tsara ane reto izy e! mampalahelo kely marina. Eny e! alefaso ihany ny tsipaipaika, mba tsy handany ny androny. Aiza kosa, telo taona mahery izay, zao vao mba hisy hipitika kely. Raha ho tonga any koa! asivo fanarahamaso hono ry KM, fa be be koa hono nareo aty dilambato mpomba an-dRAOSY aty no sans paps sy chômeurs, sy mpiasa black, ka sao tonga any an-tanan’ny mpirangorango.

  17. MDR be irery ndray alou ny aty
    __

    Mila miasa mafy ny archiviste ao an: ALEFASO DAHOL fa ny alina mitondra fisainana ho jeritodika ho fanamafisana ny FAITS an-tsain-dra Marius

    (Mety ataon’i Annick mivadik’ondana amin’ny revirevy an-tariby eo indray mantsy i Fransman cette nuit)

  18. Ndry !!! Faly ery ny foza amin’izato fahorian’ny mpiray tanindrazan’aminy !

    Iza moa nampitsaoka an’ireto malagasy ireto fa tsy ny namanareo ihany, efa ampolon-taonany izao ê ! Dia izao mbola tohizana, ary asainareo mihinana ny tsy fihinany ny ao an-toerana, ary indrindra ireto adala miosanosana satria mbola feno ilay izy ; toa vao maika aza betsaka kokoa noho ny tamin’ny andron’ny Prezidà hajaina Ravalomanana !
    Ary hay va re ka tena nankafihizinareo ilay saosisy maimbo, any ka nimenomenona be hoe « tsy nisy intsony hoanina tamin’ny androny », satria nadio ny tanàna !! Tezitra mafy dia iny nanongam-panjakàna !!

    Tsy akamanay mihintsy i ndefo na dia saika nataonareo sorona ihany koa aza tamin’ny 7 febroary ! Fotsy ratsy toy ny faty hono i domelina raha vao nahit’azy, noheverina fa matoto !! Avy eo dia nitsaoka tany amin’ny efi-trano fandriany tany nandritry ny adiny iray, sady toran-kovitra satria tratrin’ilay ndefo ny fika môly ! Mbola ho avy ny reglement de compte avy any amin’i lery !
    Raha ho faty aho, matesa rahavana hoy i lery !
    Jereo ao amin’ny Tananews ! Jeneraly fotsy volo be malaza sy mpanao pôlitika avy any Toliary izany hono, no nitady korontana tamin’ny weed-end teo !

    Azon’ny rehetra an-tsaina daholo angamba hoe : Iza izy ireo ?
    Klona hoy aho ianareo, fa tsy tain ê ! Be fika môly kanefa tsy mankaiza ! Ny vahoaka no ampijaliana, mba hifikirana an’ity toerana tsy mendrika akory ity !
    Anaovan’ny olona tondro molotra fotsiny ‘lay bekakapuce !!! Asa raha mandimandina nioso-menaka io maraina io na tsia ilay resahinao ry HoAiza, fa tsy misy vaovao aloha atramin’izao ê ! 3615 Ninitél ve ?? Mbola misy angaha hono izany ninitél izany amin’izao andron’ny internet izao ??? Hi hi hi !
    Ao ve ry HoAiza â ? Salama tsara daholo ve ny ankizy ê ?

  19. Ny an’ny miaramila TGVIstay anie aleony mofo dipaina sy akondro APETRAKA amin’ny tany dia efa hamonoana olona e !
    Gidro eny tsamibazaza aza mbola mihinanana akondro MIPETRAKA amin’ny latabatra.

  20. Izaho dia tsy membran’ antoko politika satria tsy dia te-hanao politika fa saingy mahantra ny havako mpiray tanindrazako amiko dia mitady hevitra aho hanaisorana izany fahantrana ara-batana izany izay mitarika fahantrana ara-panahy ihany koa.Tsy fantatro raha tokony hiaraka ny politika sy ny fivavahana fa raha misy mivavaka ho an’ny tanindrazany izay mahantra dia ataoko fa efa tsara izay noho ny tsy fanaovana n’inona n’inona.Ary fantatro fa i Dada no nahavita be ary mbola hahavita manarina io firenena io. Ataoko koa angamba fa politika ihany ny tsy fanaovana politika.
    Ary farany ilay samaritana dia nanao asa famonjena ary asa ohatran’izay angamba no tsara alain-tahaka.

  21. Toa an’i Misié Zourdan io hoy aho ! Manao pôlitika daholo fa tsy mahafantatra ! Ianao manoratra eto dia efa manao pôlitika na tsy misoratra anarana na tsy mpikambana amin’antoko iray aza !
    Eo ny pîlitika tsara, ary eo ny pôlitika ratsy toy ny an-dry rabefoza !

    Misy an’ireny foko na andian’olona izay mbola azo lazaina hoe « société semi-primitive » ireny, mbola tsy nahita an’izany fianarana na fivavahana « kristiana » izany, toa milamina na mahay mifandamina kokoa, no ny sasany izay lazaina fa mandroso na an-dalàm-pandrosoana !
    Marina fa Andriamanitra, Zanahary na Manitoo,sns..samy manana ny azy daholo rehefa olombelona ! Ny an-dry zareo ejipsiana aza taloha masoandro anisan’ny nivavahana !
    Rehefa mandeha ny tantana dia adino ny mivavaka, fa rehefa tonga ny loza dia eo vao miantsoantso ny anaran’Andriamanitra !

    Cherchez l’erreur ??

    Ireo nianatra sy milaza mahay Lalàna, tsy mitsahatra mandika izany ny sasany amin’izao fotoana ! Fa maninona no tsy misy midrinkina ?
    Angaha indray tsy hoe « La Loi est faite pour tout le monde, et NUL N’EST CENSE IGNORER LA LOI  » ?

    Tena very ê !

  22. Natao ho an’ny rehetra mihintsy ny Lalàna indrindra moa rehefa nanao sonia ny « déclaration des droits de l’Homme » tamin’ny taona 1948 ny firenena ka tsy misy olona ambon’ny ny lalàna mihintsy.
    Marina ny anao ry Kintana fa misy tokoa ireo manan-katao sy manan-tsaina no manadino ary manao an’Andriamanitra ho tsy misy mihintsy aza.Ny olona miaina ao anatin’ny « société semi primitive » lazainao anie mety tsy nisy missionera nitondra fivavahana tany aminy fa mety mahalala an’Andriamanitra izy ao am-pony.Tsy misy mahalala izay ao am-pony isika aty ivelany.
    Etsy andaniny izany, miray hevitra aminao aho fa anisan’ny fiandohana tsara(un bon début) ny fankatoavana ny lalàna misy eo amin’ny fiaraha_monina mandala ny fihavanana, ny fitoviana ary ny fahafahana.

  23. Ireo lazainao farany ireo, miampy fanarahan-dalàna sy ny fitsipika rehetra izay NIFANARAHANA EO ANIVON’NY MPIARA-MONINA, dia hilamina sy handroso ny Tanindrazan-tsika !

    Na dia efa nandre ny ambangovangony aza izahay, tsara ry MyDago raha mba alefanareo eto ny resaka nataon’i Madama NAIKA toa amin’ny Magro androany â ! Sao mantsy dia dika vilana no nalefan’ilay olona ! Tsy hita be ihany mantsy izy ity !

    Farany !
    Raha tsy nisy zavatra tapaka momban’ilay fihaonana androany, INONA NO HO ATAONAREO NA HO ATAON-TSIKA NY MARIMARINA KOKOA ?

  24. Vao mafana, azon’ny Nouvel Obs tamin’ireo solotenan’ny AFP izay « miasa mafy » koa !

    http:/tempsreel.nouvelobs.com/topnews/20120725.AFP3908/crise-malgache-face-a-face-crucial-rajoelina-ravalomanana.html

  25. NY VAHOAKA IHANY NO TOMPOMY MY FAHEFANA HANENDRY IZAY HO FILOHANY.

    TSY MISY OLONA NA VOAFIDY IO ,NA VOATENDRY ,NA MPITONGY TOERANA HAKA NY TOERAN NY VAHOAKA MALAGASY @ TIANY HITONDRANA AN I MADAGASIKARA.

  26. Asa aloha izay eritreritrareo fa teren’ny SADC hahita vahaolana ange ry zareo e!
    Faharoa, io fifanatrehan-tava io izay tsy ahitana mpanolontsaina eo akaiky dia manosika ny mpihaona hambosaka ny heviny ary hanambara ny ao am_pony.
    Raha sanatria (sanatriaviko) ka tsy misy vahaolana dia miara-mody izy roa tonta any an-tanindrazana na hiray fiaramanidina aza.Dia miomana ny olona handray an’i Dada indrindra ny miaramila legalista izay nisahy nijoro niaro an’i Manandafy teny Ivato.
    Fahaefatra, mba hiangaviana koa ireo mpanao gazety malagasy na vahiny miaraka amin’ireo solontenan’ny SADC hiaraka amin’izy ireo hatrany Tana.

  27. Ho tohiny ny voasoratra etsy ambony dia marihina hatrany fa tsy manan_kery ny didim-pitsarana nanamelohana an’i Dada no tsy misy accord de coopération juridique hiraisan’i Mada sy Afrika atsimo dia afaka mody i Dada.
    Ankoatran’izany araky ny lalàna « article 13 alinéa 2 » ao amin’ny déclaration universelle des droits de l’Homme de 1948 dia afaka mody soa amantsara i Dada ary madiodio noho ny lalàna manan-kery eran-tany.

  28. Mihevitra aho fa ho maro ny »Conditions » hivoaka eo !
    1) Manaiky ho tsaraina….any Madagasikara…. i Dada
    2) Ny miaramila dia hijanona eo ambanin’ny Fiton,dran’i Domelina, mba hamelezana an’i Dada avy eo
    3) Tsy misy milatsaka ho fidiana izy roa tonta, mba ho antitra kokoa i Dada
    4) Ho soloina sa tsy ho solina ny HCC ?……ratsirahonana io 🙁
    5) Tsy mahazo miditra manao politika i Dada raha te-hody any Dago !
    6) Tsy maintsy atao ny Elections legislatives mba HANOHANA an’i Domelina haingana.
    7) Tsy mahazo manokatra ny Orinasa Tiko i Dada raha tsy mandoa onitra amin’ny HAT
    …..
    …..
    …..
    etc……

  29. Mihevitra ihany koa aho fa :

    Diso dia diso ny Malagasy raha mihevitra fa i Domelina no olana. Ny tena marina dia ny Frantsay nametraka Conditions tamin’i Domelina NO TENA OLANA.
    iZANY HOE : nY FRANTSAY NO OLANA satria hitazona ny vokatra Petrole no tanjony !

  30. Aoka isika tsy ho kivy amboalohany!Azafady raha manipy ireto hevitra ireto aho.
    1./ Ilay fitsarana nitsara an’i Dada dia tsy manana fahefana ny hitsara azy.Azo porofoina izany.
    2./ Efa nisinisy ihany izay fikomiana tao amin’ny miaramila ary tsara ho tadidiana fa nisy ny maty ka efa misy ny miaramila tsy manaiky ho didin’i Domelina.
    3 ./ Lalàna iraisan’ny tany rehetra anie fa n’iza n’iza tsy meloka ary ampy taona dia afaka milatsaka ho fidina izy raha eo an-toerana ary raha takian’ny vahoaka izy hilatsaka ,afaka mandrara azy ve?
    4 ./ Misy olona afaka manolo an’i Ratsirahonana ao:Ranjeva ohatra na dia somary menemenatra aza izy.Ratsirahonana efa manomboka lazony.Misy ihany koa ilay nanoratra boky momba ny coup d’Etat iny izay mpampianatra ao Tamatave fa tsy tadidiko ny anarany.
    5./ Dia hametram- panontaniana i Dada hoe: aiza ny lalàna mametraka an’izany.Tadidio fa eo ny prezida Zuma izay efa filoham-pirenena.
    6./ Tsy i Dada mihintsy no manampan-kevitra na Rajoelina hoe rahoviana ny fifidianana fa efa napetrakin’ny firenena mikambana ny daty anaovana an’izany na ny législatives aza .
    7./ Ary ahoana ny orinasa nodorana sy ny olona may tao anatiny (26 janoary 2009? Iza no hanonitra an’ireny? Mila mandini-tena i Domelina satria izy no nangalatra eto.

    Izay aloha ny mba hevitro.

  31. Ekeko ny fanazavanao rehetra, fa zavatra iray ihany no mba asiako tsiny kely : 😉

    Tsy METY intsony izany miandry an’i Domelina HANDININ-TENA izany fa tsy mba fombany izany ! hi hi hi !!! Fomba jiolahim-boto no hain’ireny !!!
    Tsy manan-tsaina amin’izany izy fa izay baiko omen’ny frantsay azy no tanterahiny !

  32. Marina ny anao fa nagalatra izy fa rehefa niasa nanao mera izany dia tokony hahafantatra ny mba handinin-tena ihany.Sa ahoana hoy ianao?

  33. Efa betsaka ihany izay androany izay, fa miverina kely ato indray fa toa somary misy tara kely, na tara be ny akama ato izany !

    Tsy dia misy hidiran’i tsikirity firy « intsony » ny HCC amin’izao fotoana ! Ny Filohan’ny HCC amin’izao fotoana dia tsy iza fa ilay hoe Rajaonarivony Jean-Michel, ilay nanao sonia sy nankatoa an’io fanonganam-panjakàna io !
    Raha tena dinihina dia teny i lery no fositra tamin’ity raharaha ity ! Nohoana hoy ianareo ?
    Raha norahonan’ny miaramila sy ireo mpanongana izy tamin’ny 2009 ireny, afaka « ni-revenir » tamin’ny décision-ny rehefa nilaza daholo ny Communauté internationale fa coup d’Etat mazava be ny zavatra nitranga tao ! Naninona no tsy nataon’izany ?
    Efa fantany fa coup d’Etat, ary nampiarina ny Accord de Cotonou izay nanasazy ny vahoaka sy ny governemanta fôpla, ary fantany tsara fa tsy tokony nekena io Constitution fôpla dradradradrain’i domelina io ary tsy manan-kery, mba niteny ve izy nany « A » aza ? I lery indray no mbola be resaka mampiesona ny vahoaka !

    Mampalahelo !

    Tsy ho lazaina eto ny zavatra tena mba tiany, ankaotry ny volley (dimam-polo taona lasa)!

    http://ampitapitao.blogpost.fr/2011/01/mitohy-ny-ampamoakany-president-hcc.html

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *