MAGRO BEHORIRIKA : MILA ATAMBATRA NY HERY

IMG_4391

Tonga tenyamin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany ny Ankolafy Zafy notarihin’andriamatoa  Mektoub sy Andriamatoa Rajaonarivelo Paul mpandrindra ny diniky ny samy Malagasy. Nisy ny fivoriana teo amin’ny Pr Zafy Albert sy ny lohandohan’ny mpisorona avyamin’ny Ankolafy Ravalomanana, ka nandraisana izay fepetra izay. Ny Ankolafy Zafy dia efa ela ela tsy tazana teny an-kianja, ka izao niverina izao indray taorian’ny fandaminana. Anisan’ny nandray fitenenana Andriamatoa Mektoub Omar El Camille. Nambarany fa ny Pr Zafy mihitsy no nandefa azy ireo eny an-kianja, ary manomboka androany izy ireo dia mankeny an-toerana foana. Tokony havondrona hoy izy ny hery hanalana an-dRajoelina satria tetezamita tsy misy Rajoelina no tetezamita ho avy eo. Rehefa tena mpihavana sy mpifankatia dia tsy mila fanazavana isika. Tsy misy ifanomezantsiny izany hoy izy, satria samy manana ny heviny. Manomboka amin’ity androany ity, hoy Mektoub dia atambatra ny hery fa tsy misy intsony ny afaka manasaratsaraka ny Ankolafy Ravalomanana sy ny Ankolafy Zafy Albert. Na dia ny Ankolafy Ratsiraka aza, ary ny diniky ny samy Malagasy dia ilaina atambatra ny hery. Mikasika ny zavamisy any Atsimo dia nambarany fa tsy Malaso intsony no zavamitranga any fa tena fikomiam-bahoaka. Efa tsy manaiky ity tetezamiitatra ity, hoy izy ny any amin’ny faritra fa ireo no mpangalatr’omby. Ny tena loza  izay mila mitandrina isika hoy Mektoub dia sao misy foko hanangana fitondrana eto amintsika. Ny tena nipoiran’io raharaha io hoy ny fanazavana, dia ny fanoheran’ny fitondrana ny Dina izay natsangan’ny fokonolona any amin’ireny faritra ireny.  Ny mpandrindra ny diniky ny samy Malagasy kosa dia  nilaza fa mendrim-piderana ny vahoaka eto amin’ny Magro satria nandresy ny hafanana, ny hatsiaka, ny orana, ny tahotra. Raha tsy ianareo hoy izy dia tena nivarina tany an-kady ny firenena.Raha ny soatoavin’ity firenena ity, dia nampiaiky izao tontolo izao, ohatra amin’izany ny hoe « tain’omby mivadika aza tsynisy naka ». Tsy mbola nahita fahoriana toy izao ny firenena, hoy Rajaonarivelo Paul, noho izany tsy maintsy atao izay hanalana io fitondrana io. Mino isika hoy izy fa azo atao ny manangana firenena hanjakan’ny fahamarinana, demokrasia, tan-dalàna sy miaro ny tantely afadrakotra ny firenentsika. Araka izany hoy ny fanazavana, dia tsy ny hery eto ihany no havondrona fa ireo sendika mitokona etsy sy eroa. Nambaran’i Paul fa raha jerena ny raki-kevitra nataon’ny sendika dia alefa any amin’ny fitondrana, kanefa ilay fitondrana mihitsy no tsy mety, noho izany dia ny fanalana azy no atao.Momba ny raharaha Remenabila dia nilaza izy fa tsy tany Atsimo ihany na halatr’omby fa any anaty ministera dia misy Remenabila.Omby firy hoy izy no voavidin-dry Remenabila any amin’ireny ministera ireny. Tsy ekentsika izany. Hanangana firenena tan-dalàna  isika hoy Paul satria fararano olona eto amintsika nefa mahantra olomarina indrindra amin’izao fat izao. Ny antsika dia tsotra ihany hoy kosa ny Cst Henri Randrianjatovo avy any Faratsiho, fa tsy maintsy tanterahana ny fihaonana eo amin’ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina. Izay no lojikan-javatra hoy izy ka aoka isika tsy ho taitaitra etsysy eroa, fa na inon’inona dia ny antsika dia Dada mody.

 

10 pensées sur “MAGRO BEHORIRIKA : MILA ATAMBATRA NY HERY”

  1. Ho ela velona Mektoub!!!atokisako io!!!Mankasitraka Tompoko o!!!
    novalin’Antra ny vavako !!Alefaaaa lasa izao TSA MIPOLY KOA!!!!OOOOEEEEEE!!!!!!

  2. Eo mba alefaso Solo Razafy ilay VIDEO azafady rė Tompoko o!!!
    izany moa ry mydago a!!!mba miangavy rė raha azo hatao eeeeee……
    Ilay mba kabarin’i Mektoub a!!lelafin’i piso ny molotrareo eeeeeee…….

  3. atambaro amin’izay fa efa an tampon’by samy reraka.
    fanontaniana : fa maninona foana ny malagsy no milanto,anto rehefa manao zavatra ?
    mandalotra lava fa tsy mety miroso ? mihodina ka mihodina fa tsy mety miditra ny sehatra.

  4. Misy aloha izay ny fandrosoana, fa mbola fandrosoana kely dia kely eo @ fifanantonan’ny Anti-Rajoelina sy ny Pro-Ravalomanana. Mbola samy tokony hihezaka ny rehegtra fa mbola tsy ampy fa efa samy nanao dingana kely na izany aza. Ny zanak’i Dada etsy andanininy tsy tokony ho be vavaka sy hanaiky fa samy manana lesoka avokoa na isika na ireo « namana » vaovao ka tsy tokony hikiry biby intsony @ ny hoe miverina i Dada dia tsy misy hafa intsony fa tokony hoe miverina i Dada ary miala i Rajoelina . Izany hoe lasa roa izao no tanojna fa tsy iray intsony. Ezaka izany fa maro @ ao @ Magro no mbola tsy mahazo azy tsara. Ry zareo Anti-Rajoelina kosa dia tokony hajanony @ izany ny fanakianana lavareny ny filoha Ravalomanana. Ny FreeFM ohatra tokony tsy hanao tahak’ireny teny Ambohojitavo ireny intsony. Ny Zanak’i Dada no betsaka nanamafy azy nefa ny fanakianana an’i Dada no nataony.
    Ry Saraha Goerget rabeharisoa no mitetika izany hoe sady tsy Ravalo no tsy Rajoelina, nefa anie ka fikambanana tsy mahazaka vahoaka akory. Zara raha misy mpikambana 50.

  5. Miala any ndray ry mpijapy train. Rehefa misy hetsika kely @na fifampidinihana eo ambany fiadidian’ny CI, na ny SADEC, de mipoitra indray ny moov Ravilambava, na rapanamamsa, dadabean-dry zalahy io an! De miorakoraka ery hono ry Rana sagnagna woe, izy irery hono no nivavaka woe, Tompo ô! ataovy miverina ao @ magroreka ndray ny moov Zafy, de nivaly hono le vavaka, woe ho tanteraka ane ny sitraponao Ranavalona. Satria izaho Andriamanitra, de mamaly vavaka resaka politika, mifono lainga, crimes(dada), fitaka, fingapingana, ka izany foana no hilazako woe, ny ANDRIAMANITRAY, tsy andriamanitrareo ry zanakosy sady mivavaka no midara a!
    Zafy aloha de tsy tia Rajoelina satria Merina, tahaka ny tsy hitiavany an-dRaosy, ary jereo raha mamoaka teny na de iray aza momba an-dRaosy ity MIKOBAKA, tsy haiko, MITOBAKA, MEKTOUB hafahafa anarana tsy tena anarana gasy ity. De faly ery eto ny vendrana rehetra, ry Rana zany moa de e!e!e! aoka fotsiny. Tsy hain-dry ve Rana, fa nareo moov Raosy ireo, nampiasain-dRy Zafy hahafantarana azy teo @ sehatra iraisam-pirenena aloha, de nahazoany seza be de be, de io ndray fa tsy faly satria tsy tao anaty lisitry ny negôsy, de io mody avy eo @nareo io ndray. Tena tsy nahita sagnagna otran’ireto magro ireto aho, ataon’olona fitaovana fotsiny. Tsy vao omaly ane le woe, miala Rajoelina, fa efa telo taona lasa izay, de jereo fotsiny, fa mbola intact ny popularité-ny, de jereo ireny 26 Jona ireny.
    Fantatray fa tsy hampiova n’inona2 ry Zafy ny fiverenanareo ao, tahaka ny tsy fisian’ny résultat hatrizay ianareo tao, de ampiasao ndray aloha ny tetika, sy ny tohatra hiakarana fa sagnagna ireo, ampiasan’ny free FM, ry Zafy…sns hahafantaram-bahoaka azy fotsiny, de avy eo hahazoany seza. De averiko foana e! aza mba sagnagna ihany woa, fa tsara valim-bavaka otran-dRanavalona. Hi!hi!hi! ha!ha!ha!. Tena mapme be, aleo foana woa domina vao mieritreritra fa tena taranak’Ambohidonto!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *