MAGRO BEHORIRIKA :  » NY ANTSIKA DADA IHANY »

MyDago.com-Magro 17 Jul 12 (32)

Mbola tsy tatra ny tanjona hotratrarina dia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana ho an’ireo mpomba azy. Noho izany dia mbola mitohy hatrany etsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny hetsika androany. Anisan’ny nandray fitenenana teny an-toerana ny CT Ignance avy any Moramanga. Nampatsiahy zavatra hoy izy ny fetim-pirenena 14 Jolay teo, raha nanontanian’ny mpanao gazety  ilay manamboninahitra frantsay iray sy manampahaizana. Nanontany ilay mpanao gazety hoy izy hoe inona no antony hanaovan’ny miaramila matso rehefa fetim-pirenena toy izao. Tsotra ny navalin’ilay manamboninahitra hoe ny tafika no manome voninahitra ny firenena, fa tsy ny firenena no manome voninahitra ny tafika.Nanontany indray ilay mpanao gazety hoy Ignance hoe inona no antony hampiondrehana ny sainam-pirenena manoloana ilay filohan’ny repoblika. Dia namaly ilay manamboninahitra hoe ny miaramila dia tsy maintsy mnaiky ny baikon’ny mpitondra sivily, fa mpitondra sivily voafidim-bahoaka. Izay hoy ity olomboantendry ity no nanaitra ny tenako. Ny zavamisy eto amintsika  anefa hoy izy dia lasa ny miaramila no omena voninahitra  fa tsy ny firenena. Ilay olona nampiondrehana ny sainam-pirenena tsy voafidim-bahoaka kanefa ny instructeur ny tafika malagasy dia manampahaizana frantsay.Tsy azoko hoy Ignance raha nampianarin’ny tafika frantsay ny tafika malagasy ny nolazain’ilay manamboninahitra teo. Tamin’ity herinandro ity, hoy izy dia anisan’ny tafaresaka tamiko mpandraharaha vahiny matanjaka nilaza fa potika ny firenena malagasy noho ity krizy ity. Noho izany dia mandraisa andraikitra ianareo mpanao politika malagasy. Mararirary ny fonao hoy izy mandre izany amin’ny mahamalagasy anao.Anjarantsika malagasy no mandinika fa ny vahiny aza mahatsapa izany. Ny CST Randrianjatovo Henri kosa dia nilaza fa efa anaty fahazavana izao satria mazava ny lalantsika. Misy ireo naman-dRajoelina hoy  izy manaratsy , anisan’izany  Raholidina izay manala-baraka ny soatoavina Efa miteniteny foana ireo ary tsy fantany hoe aiza ny toerana misy ny mpanongam-panjakana. Izy indray no mametraka  ny lalàna tsy ahafahan’ny filoha Ravalomanana hilatsaka. Namafisiny tamin’ny vahoaka fa ny antsika dia i dada ihany.

8 pensées sur “MAGRO BEHORIRIKA :  » NY ANTSIKA DADA IHANY »”

  1. il n’y a que chez nous à tikoland que les prisonniers ,sanguinaires et les condamnés peuvent se presenter aux elections!qu’il est beau mon tikoland

  2. ho any tikoland FOZA tsotra valiteny omeko anielahy io
    taminy 1966 izaho no niala tao MADA miverina isaky ny dimy taona fa tsy mbola nahita loza tahaka ity manjo ny vahoaka MALAGASY amy fanjakana FOZA
    tonga tamy sabotsy teo ny vadiko nijanona iray volana tao TANA izy
    naka sary ny fianakaviana dia tsotra tsy misy fantako ny olona tao amy sary rehefa nanotany iza io dia gaga satria tao anaty telo taona fotsiny dia niova ary lasa antitra tsy fidiny ny vahoaka MALAGASY
    TSY TANTARA izao fa zava marina ka ho any TIKOLAND foza io resaka io

  3. mpandainga ianao rabetoko !ianareo aty no mijaly fa tsy izahay gasy kely aty mihitsy!asa zara fa asa manko no mba azonareo!tsy mahamenatra izany fa ianareo no te hisavitsaranga any ka manambany anay aty!milay ny aty fa mba tongava matetika mamangy zany havanao mifarirotra izany;

  4. sambatra ihany ry andriamatoa Betoko mipetraka any andafy e;manana fakantsary ny vadiny!izaho aloha tsy mbola tany andafy fa ny zandriko no tany e!misy lanitra ve any ary inona no lokony?

  5. Tokam-po ohatry ny siny isika ka tsy mahalala hafa afa tsy ny rano.
    Dia tsy iza io fa i Dada ihany mazava ho azy.

  6. Aza mifamaly @ adala Rabekoto a!!
    efa andevoziny hatrany @ tsinaimaintiny ireny ary efa voahozona
    hatr@ taranaka faramandimbiny, asa na tena maty na mamono heritreritra fotsiny izao tsy ahita ny
    ZAVAMISY marina hiainan’i Gasy , olona iray ihay ireo fa mody manova2 anarana mba hilazana fa
    maro hono e! ÔDÔYĖ! mapmė be!

  7. Marina ny voalazanao Rabekoto, fa sady lasa mahia kely ny malagasy no lasa antitra ary betsaka aza ny marary lava . Sous alimentation, depression sy ny karaza aretina sy fijalinatsaina …. ny mahazo ny ankamaroany.

    Io foza tikoland io anie, ilay tanora rabe, Bogor ,Cl massoud , fa mahagaga tatoato fa tsy sahy mampiasa ireo anarana ireo intsony fa maty ompa angaha na efa tera-kovitra fa akaiky ny farany. tsy entin´i radomelina anaty Airbus akory raha raikitra ny fandosirana fa ataon´i mialy fifirana aza.

Les commentaires sont fermés.