MANAMBINTANA NY FILOHA RAVALOMANANA

IMG_5580

Manambitana ny filoha Ravalomanana, hoy Rakotonirina Manandafy, teny amin’ny Magro Behoririka androany, satria ny filoha’ny Afrika Atsimo Zuma no hitarika ny fihaonana any Seychelle.Tsy misahirana amin’ny zavatra ohatr’izany hoy izy iny rangahy iny, raha tsy heveriny ho zavadehibe. Tamin’ny Kadhafi nodarohan’ny OTAN no nanafahany nyvahoak tahaka izao. Nisahirana izy hoy Manandafy hadamina ny zavatra manahirana antsika aty Madagasikara. Mahazo mahatoky isika hoy ity olomboantendry ity, fa manan-kavana avy any dilambato. hitantsika tamin’ity herinandro ity, fa ramatoa Zuma no lany ho lehiben’ny firaisam-be Afrikana ihany koa, izany hoe sady antsika ny firaisam-be Afrikana no antsika ihany koa ny Sadc. Ny faniriantsika hoy Manandafy dia hody haingana ny filoha Ravalomanana. Izao angamba hoy izy dia ho afaka amin’izay ny sakantsakana samihafa , fa raha tsy avelan-dryzalahy mandeha raopilanina izy taloha ary izao izy afaka mandeha raopilaniana ary raha ohatra ilaina izany dia handeha sambo koa izy ho tonga eto. Tsy mila izany hoy izy fa tsy maintsy ho tonga izy. Matoky anareo izahay ary misaotra anareo sahy nijoro ohatra an’izao. Nyfoza izao hoy Manandafy no mitsanga menatra fa isika kosa afaka mihoby, kanefa isika tsy hanangana ady aminy. Namafisiny fa hitsena ny filoha Ravalomanana isika, raha tamin’ny teo iray tapitrisa, fa amin’ity kosa hoy izy dia ho roa tapitrisa.

32 pensées sur “MANAMBINTANA NY FILOHA RAVALOMANANA”

  1. Je me rappelle avoir entendu le représentant de la SADC qui avait pris l’avion de Jobourgh pour Tana dire que si on vous volait votre voiture alors il faudrait parvenir à monter dans le véhicule en question afin de pouvoir négocier avec le voleur.Je pense surtout que la meilleure solution consiste à arrêter le voleur et c’est le rôle de la SADC car le voleur a enfreint la loi.La SADC doit intervenir et agir en tant que gendarme et non un simple observateur.C’est mon avis personnel.J’espère que le président Jacob Zuma est là pour ça.

  2. Lu ici et là !
    « L’or saisi à Moroni reste bloqué là-bas. Il y avait déjà l’envoi d’émissaires malagasy pour négocier avec l’Etat comorien le rapatriement de ces objets valeureux. Une mission qui n’a pas pour autant porté ses fruits. Actuellement, c’est notre Consul à Moroni qui s’assure de la continuité de cette action de négociation » dixit la Ministre de Mines Daniella Randriafeno.
    ………
    « Quant au comptoir, nous n’avons jusqu’à maintenant que le comptoir de l’or. Comme l’exportation de cet objet valeureux est encore interdite, le comptoir n’est pas actuellement opérationnel, a expliqué la Ministre ».

  3. Ary ity vola be 250000 Dollars nataon-dRaosy virement antsokosoko, tany Sud Af 2 andro alohan’ny nametrahany fialana sy nandosiranytao a @ banky foibe, navoakan’ny gazety mpiseho isan’andro, mba ahoana ry KM. Aminareo iny mpamono olona sy mpangalatra iny fotsy toy ny la neige foana.
    Efa fantatray sahady ny valin’ny fihaonan’ny roa tonta ry KM, de tsy hanaiky Andry, fa tsy maintsy manefa ny saziny raha vao mitonona any Dago ny tongotr’osy. De misara-maina avy eo, Raosy miverina any an-tsesitany, Andry mody any @ tanindrazany malalany. Asehony eo imason’ny GENA, fa izy no mandidy fa tsy Raosy mioraka aloha nefa mbola tsy tafavoaka ny ala, fa woe lany vadin’i Zuma, antsika Zuma, de mody moramora aho. Io woa no mahavendrana an’itony Ikotopôka itony, efa antitra efa hody, de miteniteny foana. Mba inona zay tsy nolazaina fa ho tanteraka izay, tao @ magroreraka izay elabe, fa e!e!e! de amen, amen marina Raverb, FA NY ANAREO NY TSY HO TANTERAKA VELIVELY NO ATAO AMEN HO TANERAKA!!! tena V daholo e! ny tena marina Rakotopôrozy de ANY AMIN’I ANDRY NY LAKILE NY FODIAN-DRAINAREO A!

  4. Ka anga moa tsy asina foan izao « commission » izao foana mba hanampenana ny resaka dia tody @ tanjony ihany ny halatra volamena, toy ny bois de rose izao sy émeraude fony deba nitondra firenena… »Circuit » efa vita rafitra ela, nampiasainy françafrique fa ny anarany « maillons » no miova kely arakaraky ny mpitondra frantsay an-toerana.
    Raha miaraka tokoa ny ao SADC dia efa ela no nanakana ny jiolahy dj fa misy fepetra momba izany ve ny fikambanana io? Ny UA tsinona mbola fisainana frantsay no ho vantanin’i Rtoa Zuma!Ary tsy hipetra-potsiny ingahy L.Fabius fa hikaroka paika ratsy samihafa indray mba tsy ho ny « anglophones » no handidy be ny fikambanana sangan’asa frantsay!
    Dia voatery anelanelany « zanglisy » sy « frantsay » isika, ary potseriny arabo sy karana dia tatazany sinoa ary inona sisa satria efa mafy ny sangondimpanina ?
    Dia manahy ihany aho sao afa ny ambadik’izao an!

  5. Ramatoa Zuma anie mety manana ny ekipany rehefa avy eo e.Matoa ny dj miezaka mafy ny mijanona eo dia satria misy harena be i Dago kanefa an’ny vahoaka Malagasy izay an’i Dago ohatran’ny any amin’ny firenena tsirairay tompon’ny harena ao aminy ny vahoaka.

  6. Antenaina hatanjaka ny ekipan’i Rtoa ZUMA izay efa tilin’i L.Fabius toa ny nitiliny rapohy sarko an’ingahy J.Zuma koa noraisina France rehefa avy nomena « publicité/tv frantsay » ny SADC!!!! T@ izany fotoan koa no nanamafisana ny COI… Anga misy vitavita @ izao fotsiny e!Isika no taraika lava izao fa dontony « francophonie »
    Ny vahoaka tompony harena hoy ianao, an’eriteritra io sisa fa efa nanomboka ny « colonisation » anie ny fandrefesany « colons » ny taniny malagasy e!
    Ary toy izany ny tany Afrikana, Amerika atsimo, manankarena fa tsy maintsy terena ahantra mba ahafahany « grandes puissances » mangalatra mora foana!
    Tilio kely ny resak’ilay tompon’andraikitry ny COI sy domelina, momba Madgascar ao http://www.témognages.re…dia tohizana @ fitsofoany COI (tohin’ ny nolazaiko etsy ambony)@ didy jadona manery ny filohantsika ho any Seychelles fa mody sarotsaromana @ fanatrehan’ingahy J.Zuma mba haseho ny C.I sy U.E hoe « international » ny « fibedesana » ireo malagasy roa, tondroina ho tompon’andraikitry ny miseho @ firenena
    Eo mazava be ilay « hypocrisie » ny frantsay, manadio tena sy miafina ho mpanampy anefa ry zareo no fototry ny loza mianjady amintsika noho ny fividianany io jiolahy domelina io.
    Mba tsy laitra loatra ny fanasoketan ny filohantsika toa izao an!
    Soa fa ny bekintan vao nanamafy indray, vao 2 sa 3 andro zao, ny tsy fankatoavany io domelina io…hafatra ho any frantsay fa tsy hipetra-potsiny intsony ny firenena afa sa???.

  7. Izaho aloha tsy dia manome tsiny an’i Zuma loatra satria matoa i Dada mbola ao afrika atsimo dia noho izy.Tsaroako koa fa notenen’ny prezida Zuma mafy i Rajoelina raha saika ampiseho ny sary tamin’ireny 7 février 2009 ireny satria fantatr’i Zuma fa i Domelina no tao ambadik’ireny.

  8. hoy aho hoe: tsy vintana angamba an!

    Fa iza moa no nanampo hoe ity Union Africaine
    1 – manam-pikasana création & implémentation tribunal UA (karazana CPI ho azy manokana) efa am-pamolavolàna
    2 – rehefa niova TSY ho khadaffi ny filohany,
    ==> ka lasa Jean-Ping (metisy ve zany ê) , nitady HAMINGANA NY LEGALISTE (adala kou verezin’ny olon @ teny Firantay an),
    ==> et Ping favorisait sans ambage le pouvoir PUTSHISTES à Madagascar??
    3 – le cas CHISSANO m’a complètement ouvert les yeux concernant le POUVOIR VOLA – VODY pour faire en sorte que le tia-VONINAHITRA MAL ACQUIS puissent triompher,
    à ma grande déception

    Dada MANANDAFY ô: « LA FIN JUSTIFIE LES MOYENS »: De grands états (unis) travaillent dur à prévaloir la démocratie!

    sans oublier qu’il y a intérêt partout,
    cependant avec respect des droits fondamentaux,

    Et quand ça contribue à mon épanouissement, à mon bien-être, …
    ==> obscurité totale voire PERDITION tant qu’Andry Rajoelina et clic restent au pouvoir!!!!

  9. Tsara mihintsy aloha tazomin’ny kaomôriana any izany volamena « valeureux » izany ! Raha vao tafaverina ao Dago izany, tonga dia tafapotsaka lasa any Dobay na Koatara !
    Efa natsangan’ny frantsay ny izany hoe Commission pour la moralisation de la vie politique, ary olona propestà no filohany fa tsy katôlika ; mino aho fa azo hitokisana io rangaha io, ary afaka manara-maso an’izay mety ho ataon’i Lôlô !
    Isika malagasy koa tsy manaiky fa tsy maintsy hazavaina amin’ny vahoaka frantsay ny zava-nisy sy misy ao madagasikara, fa mbola 99% an-dry zareo tsy mahafantatra na vokisana lainga fotsiny hatr’izay !
    randry,
    Raha ny ekipan’i Hollande na Ségolène no teo amin’ny fitondràna tamin’ireny 2008-2009 ireny, na inona fitandrovany anjara zoro-trano tany amin-tsika, tsy nanao an’ireny fomban-dry Sarko ireny ry zareo !
    Marina fa menatra ry zareo, satria misy olom-boafidy sôsialista nitsabaka tamin’izao mahazo an’ny vahoaka malagasy izao, namahan-dalitra ! Somary sarotra ho an’ireo mpitarika amin’izao fotoana ny hanenjika eo imasom-bahoaka ireo namany !
    Ny olana dia mbola misy ireo tsy maintsy resen-dahatra !
    HoAiza,
    Sady omena ve ny dibera matavy sy mandina, no mbola ampiana vola koa izany dibera izany, koa aiza no tsy hitsonika indrindra raha mafana ny raharaha ê !!
    Ny fantatra fotsiny, dia indray andro any mbola hitsingevana sy hipoitra ny marina !

  10. Antso vao azo vao izao !
    Misy mifampitifitra ny miaramila eny amin’ny BANI ! Mba alefaso eto izay mahazo vaovao ianareo !
    Mitsangàna ry vahoaka, havoty ny firenena !

  11. Mihidy ny aéroport-n’Ivato ; nandefa fampitandremana ny ambasadin’ny frantsay tsy hivoaboaka ny terataniny !
    Inona marina no tadiavin’ny mpanongana ? Ny tsy handehanan’ilay mpanongana HIFANATRI-TAVA AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA, SA NY TSY HIVERENAN’ITY FARANY AO MADAGASIKARA REHEFA VITA NY FIHAONANA ??

  12. Izao koa hono : Raha saika andray rôplanina hivoaka an’i Madagasikara toy ny fanaony isaky ny faran’ny erinandro hono i domelina (asa mamoaka argent rouge -de sang- angamba), dia nosakanan’ny miaramila ; nitsaoka niverina avy eo. Namonjy ny ambasady frantsay indray ?
    Tsy vita ny fihaonana dia efa manao ny ataony ireo tsy tia tanindrazana mba tsy hisian’ilay fihaonana, sa dia tena fahatsiarovan-tena avy amin’ny miaramila sasany ? Tonga saina fa mitohy foana ny tetika ratsy mba tsy hilamina ny tany sy ny fanjakàna ?

  13. Misaotra indrindra an’i Tahiry mitondra porofo tokony tanantsika tsirairay avy tsara mihintsy ary mailo ianao fa tsy kely lalana ny rasty an!
    Nisy fanamarinana tokoa ve ry Kintan io vaovao nomenao momba Ivato io.
    Samy tony daholo isika e!

  14. Marina dia marina io Ivato io ê ! Ny ambasady frantsay mbola « ankamatatra », na eritreritro na fanontaniako manokana !

  15. Mafotaka ny raharaha any an-tanindrazana, kanefa toa manao lasiesta daholo izato izy ?
    Tsy dia manaitra angaha izato vaovao ? Tapaka lalan-drà, na safotra sy tsotsofina daholo ny foza « rehetra » ?
    Mino sy manantena aho, fa manaraka ny vaovao daholo ianareo, kanefa izao no tena fotoana hifanomezana ny hevitry ny tsirairay !

  16. ny nanaovako LOL mikasika an’i dubaï tatsy aloha ry km, dia:
    – rehefa manam-bola ny komorianina, miantsena any dubaï hono no fanaony
    – ny oniversite ndry zareo zany eto Dago
    – ankoatr’izany: vahoaka fainéants, miandry masoandro miletika, ny sasany mifoka …
    toa fady miompy alika?!!
    __

    de mora mitsonika tokoa rehef mafana ny raharaha an
    __

    Ndeha hanara-baovao indray.
    No-encercler-ndry zareo beret mena en position de tir ny fidirana ao @ RFI: nisy nitolo-batana (sa nitsoaka?)

  17. base RFI:
    8 hono no isan’ny noyau dur ny mpikomy
    30 zazaVAO mi-saute mandositra mivoaka @ tamboho
    __

    irony mpitifitra ety ivelany ‘zany sous ordre du ministre des Forces Armées an’i Andry Rajoelina&Ratsirahonana

  18. Milaza ny foza fa milamina ny raharaha ! Kanefa, raha araky ny vaovao azo, toa tarik’i risara BP ny avy aty ivelany, ary manan-kevitra ny hanasazy mafy an’ireo Tonga saina !
    Vaovao farany ! Misy tifitra mivariraraka sy rôkety hoe, dia misy miaramila mandositra !
    Mpanohana an’iza ireo miaramila ireo mandositra, an’i risara BP, sa an’ireo MIARAMILA TONGA SAINA ?
    Ireo BL avy any Arivonimamo nantsoina hanampy an’i risara BP, fa toa tsy nanaiky !

    Maromaroa ny MIARAMILA TONGA SAINA, fa rehefa tsy tonga saina amin’izao intsony dia efa naman’ny Fahavalom-bahoaka ! Tandremo ny miafina ao ambadikin’ny Fivavahana, ka hilaza fa hoe, miaramila mpivavaka tsy tokony handatsa-drà !

    Rehefa tsy hanampy an’ireo rahalahy Tia Tanindrazana sy hiaro ny Firenena, dia esory ny fanamiana, dia mandehàna mamboly mangahazo sy miompy, na manao an’izay hampivaotra ny Tanindrazana toy ny Prezidà Ravalomanana !

  19. Sao de mba EXAGERE ihany ranadahy an:
    – matoa anie tafajanona eo @ anaran’ny miaramila, dia efa sans état d’âme rehef tonga ny antso eo @ mission ê (na légaliste io, fa indrindra moa milice putshiste)

  20. Mazava !
    Fady ny miompy alika ? Hi hi hi ! Tsy vaovao ! Sady « mangalatra ny asany » (izany ny resaka nandeha taloha), no « mbola vokisana » indray ve ?
    Dia mbola izany foana ve amin’izao taon-jato izao ?
    Miandry an’ireo Miaramila Tonga Saina ê ! Ny Prezidà dia miandry any Seychelles rahampitso, dia ho hita eo ny tohin’ny raharaha fa dia mba ampitao vaovao fa ny sasany « mbola matory » ! Misaotra mialoha !
    Mafana ny raharaha ? Misy ho diso fanantenàna ; no more comments ! MDR !!

  21. Voeux pieux ny ahy ê ! Miala ny sehatra, rehefa tsy hihira na hanao tsianjery hoy ranavalona izay ! ranavalona moa ity, mbola manao bikini eny amin’ny plazy, sy mandinika trondro any anaty rano !

  22. any Comores: misy belle-soeur (ny vadiny mpiasan’ny Asecna affecté any)

    FADY andry zareo ny MIOMPY ALIKA

    Amin’izao (asa na occasionnel fotsin), mizara roa ny fiangonan’ireo mpivavaka isany: ireo katolika manana ny azy, etsy andaniny toa miaraka ny ankoatr’izay REHETRA
    (katolika mantsy ny vavy, ary FJKM Andravoahangy Fivavahana ra-lehilahy vadiny)
    ???!!!!

  23. Mpiasan’ny ASECNA izany, tokony mahafantatra tsara ny raharaha ACM & SIPROMAD – SRDI – AirMad !
    Nisy maromaro ihany ny mpiasan’ny Asecna sy Adema fantatro, na tao Dago na Dakar !

  24. Fady amin-dry zareo ny miompy alika ?? Angamba, fa io lazaiko io ambony io no nataon’ny olona resaka taloha, satria ry zareo tamin’izany andro izany dia saiky « mpiambin-tranom-bazaha » daholo no anton’asany (tao Antaninarivo) !

  25. Mitapody antsaiko ny nolazainy tompon’andraikitra ao CEDS-Paris hoe raha hisy korontana any m/scar dia mety i tgv ihany no hampanao izany mba « ampisehoany fa izy ihany no mitantana ny firenena » ???
    –  » Coincidence sa « devoir de vacances » efa nalaminy frantsay mba ho ataon’i domelina ???
    – Ary izany mpitsara hanampy ity bitro domelina hono vao avy nanao « séjour-France » mba hanamafy ny « anglais » ilainy ampiasaina ao Seychelles; tsy maintsy nampanaovina « révision » ny didy nomeny i L.Fabius izao ary ho havadika teny anglisy!
    -Izany hoe efa voalaminy COI izay tadiaviny frantsay e! »Comme d’hab »!!!!!!
    Sa afaka hanantena vaovao afa ?

  26. Ka ho any Seychelles ihany izany i Domelina matoa izany mpitsara izany nianatra teny anglisy.I Dada moa efa manana mpiaro miteny anglisy avy ao afrika atsimo.Lany vola koa izany i domelina nandefa an’izany mpiaro handala teny anglisy aty ivelany nefa afaka nalefa tamin’ny mailaka ny hafatra dia nakao Maurice nianatra niteny Anglisy avy eo.

  27. Ka ny frantsay anie no tena mila izao sinema izao dia mibararaka ny vola e!
    Mody atao hoe hanamafy teny anglisy…raha tsy frantsay tsy ahita paika toa izany!!!mba hamahahan-dalitra ny « gasy mbola mihesona foana »!

  28. Hay ve mpiambin-tranom-bazaha no nampalaza an-dry zareo Komorianina teto ê?
    Amin’izao angamba maty koa ny bizn, fa tany aloha dia mijorojoro, tonga de samy mifankahalala ery anoloan’ny arcade ny population comorienne masculine eto Antananarivo!

    Tankina hono t@ examen bepc tany teo, fa au dernier moment dia nivoaka ny didy hoe: la langue arabe OBLIGATOIRE!!
    ___

    Ary taiza moa no nihavian’ilay hoe: SAMBOS + HENAM-BOALAVO?
    Tsy ry zareo avy any monina tao Mahajanga tao ve?

    (miala tsiny ho an’izay mora tohina): Fa dia voretra koa ny fitenin’ny olona hahatsiarovako ny mampalaza azy ireo … (t)eto dago

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *