NAIKA ELIANA : KANDIDA TOKANA NY ANTSIKA DIA RAVALOMANANA

IMG_5945

Mbola mandeha foana ny lobbying hoy Naika Eliana androany teny amin’ny Magro Behoririka, ny amin’ny hoe  » ni Ravalomanana, ni Rajoelina  » ary misy miasa mafy any. Tao anatin’ny telo taona isika hoy izy dia nitolona amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana, ny fanokafana ny radio. Dia androany ve isika dia hanaiky fa tsy miverina izy.Raha nanaiky izany ve isika hoy izy, tsy tamin’ny taona 2009, satria ny sasany migadra. Tsy manana kandida hafa isika hoy Naika Eliana, afa tsy ny filoha Ravalomanana, tokana ihany izany. Hangatahantsika ny fikambanana iraisam-pirenena fa ny vahoaka no mangataka ny filatsahany. Aoka ihazava amin’izay manao lobbying, Lanto Rakotomavo, izay milaza fa tsy milamina eto raha tonga ny filoha Ravalomanana. Tsy marina izany hoy Naika fa mifanohitra amin’zany. Vonona isika ary mivavaka mba ho tonga ny filoha Ravalomanana.

14 pensées sur “NAIKA ELIANA : KANDIDA TOKANA NY ANTSIKA DIA RAVALOMANANA”

  1. Hisaorana aloha ny MyDago namoaka an’ilay fandraisan-tenin’i Madame Naika, izay hisaorana ihany koa tsy misorona, milaza ny marina sy ny zava-misy !

    Tsy maninona na dia tsy voasoratr’Ingahy Solo Razafy aza ny resaka fanagana-tànana, hitsapàna ny hevim-bahoaka, na dia tsy azo lazaina hoe detailina kely aza izany !

    Fa dia tsara ho dinihin’ny rehetra koa angamba ny filazàna nataon’ireo ministra izay hoe HIVERINA HANATONTOSA NY ASANY ! Ry zareo CT sy CST moa toa hoe tsy mbola hiverina izany rahatoa ka mbola tsy mazava ny resaka momban’ny Filoha Ravalomanana, sy raha tsy efa tafaverina ny Filoha !

    Mila fanazavàna avy any amin’Ingahy Rakotoarivelo angamba ny vahoaka raha itony no hita any amin’ny gazety mivoaka !

    « Marc Ravalomanana a toujours fait part de son intention de rentrer à Madagascar pour se présenter. Mais il a été condamné aux travaux forcés à pérpétuité par contumace, APRES LA MORT DE PLUSIEURS DIZAINES DE MANIFESTANTS ABATTUS PAR SA GARDE PRESIDENTIELLE EN 2009, DES CRIMES EXCLUS D’UNE LOI D’AMNISTIE RECEMMENT VOTEE.

    LES ‘AUTORITES MALGACHES’ ONT AVERTI QU’IL SERAIT ARRÊTE A SON ARRIVEE S’IL RENTRAIT AU PAYS ».

    Nosoniavin’iza io Lalàna io, ary iza avy no ao anatin’ny governemanta namoaka an’io Lalàna io, sy hoe HISAMBOTRA NY FILOHA RAVALOMANANA ?

  2. Fa mba gazety inona koa anefa io??? tsy ry tranon-dainga mianakavy
    mandrovi-tsiny isany???miakapokapoka !mivika iray trano! fitsarana mahaefa angaha
    no nanao ity fitsaram-poza hono???sa tany tan-dalana???dia iza no mandidy ny vahoaka 20 tapitrisa
    sa ireto foza mpisolelaka miaraka @’ireto vahiny mpanjanaka???domelina aloha no samborina haterina any @ 18,
    dia milamina ny tany sy ny fanjakana.

  3. Mazava tsara angamba ny tenin’i Naika io ka asa raha
    henon’ireo izay mitady hiana-kendry ao @’ireo mpitarika ireo,
    tsy hanonona anarana aho fa aoka izy ahatsapa tena NA IZA IZY NA IZA, mankasitraka Naika a!!
    Maromaroa ny toa anao izao!!

  4. Ny vaovao mivoaka any @ firenena afa (mba tsara jerena koa e)dia mamerina daholo io fanasoketana ny filoha M.Ravalomanana io.Jereo ny filazan’ny « The National Prosecuting Authority of South Africa » miantehatra a@ « Rome Statute of the International Criminal Court ». Ny antony izao dia satria:
    – matanjaka ny « lobbying » ny frantsay manerana masovohim-pirenena sy ONU, CI sy ny sisa, mba hampanekeny ny rehetra ny heviny hoe « ilaina « éliminer » ny citoyen M.Ravalomanana ».
    – Efa fifanarahan-dry zareo « grandes puissances » anie izany hoy aho, efa ela izay e:
    *** Raha tena midongy be loatra i frantsa hangeza any M/scar dia mifandamina ry zareo hoe momba ny resaka afa kosa dia tsy maintsy milefitra frantsa.Dia mifamadibadika eo toa izany ny tantara raha toa ka tsy matanjaka masahy mitraka ny vahoaka tompon-tany.
    .Ohatra ny Philipines an-taonjatony maro notanan’ny espagnol fa nitsofoka ny bekintana rehefa hitany fa matotra tia hivoatra ny tompontany.
    Midika koa izany fa tsy hisy izany fahaleovantena tanteraka izany e!Miala Ankatso..Ambohidepona, hoy ny fiteniny gasy. Fa ny vahoaka malagasy mbola tsy anatiny dingana ahatsapa izay tena ilainy hatrizao na efa tena mafy aza ny zakaina.
    Ny filoha M.Ravalomanana irery ihany no tokana nanana izany fijery izany ka tsy ampy mpanaraka izy dia mora navadiky ny « francophones congénitaux » sy ny frantsay niasa mafy hatr@ 2002.
    Toa hisy resaka momba « 10 ans de crise à M/scar, 2002-2012 » ao tv gasy, mbola handetehana bebe kokoa ny firenena sy hanaovana tsinotsinona ny hezaka goavana nataony filoha M.Ravalomanana.
    Efa iznay no miseho anefa dia mbola manif sy fotoaom-pivavahana fotsiny ihany no miseho ankoatry ny hevitra afakely niditra hiara-hiasa @ hat!!!! Afakely mihintsy hoy aho ra-Malagasy an!
    Marina fa tsy nisy nianatra « stratégies militaires » isika mpitolona fa efa mba misy re ny internet hikarokarohana sy hanampy fahalalana izay hitondra vokany @ fomba fijery sy fiasa…fa dia eh! eh! e!
    Matanjan-tsaina sy tena tia ny fireneny tokoa ny filoha M.Ravalomanana mbola manantena ireto olona miherotra be anatiny revy frantsay!!!

  5. Ka izao ary e! Efa nanontany ny hevintsika i Kintana amin’ny mba azo atao, ka arosoy aza ny hevitra e sa aoka aloha hiandry ny vokatry ny fihaonana i Dada sy DJ?

  6. Tsy hoe « fifanarahan-dry zareo grandes puissances » fa ny karana sy ireto mpivarotra Tanindrazana no mamoky sy manosom-potaka ny Filoha Ravalomanana amin’ny frantsay !

    Le peuple d’un pays est souverain où que ce soit, seulement les malgaches connaissent-ils leurs droits fondamentaux ? Les évènements nous démontrent que non, et l’ineptie semble être le seul domaine d’excellence de ce peuple, hormis la musique et la dance ! Ce n’est pas étonnant que certains extrémistes ont volontairement choisi un Dj pour soi-disant diriger le pays ! Un Dj qui avait grandi dans les ruelles d’Avaradoha !
    Il vient de démontrer encore hier devant la Communauté internationale, son manque total d’éducation !

    Tananews : »L’aviation civile seychelloise maintient sa version en déclarant que le PT avait bel et bien essayé de rejoindre Tana vers 13H00 GMT. Aurait-il fait demi-tour en plein vol ?  »

    Demi-tour en plein vol ou pas, il est évident qu’il avait encore quitté la réunion avant que celle-ci se soit terminée !!
    Aurait-il osé claquer la porte comme à son accoutumée aux représentants de la SADC, ou était-ce un moyen fallacieux et détourné, pour demander de l’aide et autre secours à l’autre affreux ?
    Qu’importe, il a sûrement montré une fois de plus que ce n’est qu’un mal élevé, un vantard, un mégalo, une marionnette, un bouffon !

    Que peut-on attendre d’un tel personnage ?

  7. Misaotra ry Andriandahifotsy, fa tsara angamba miandry izay tapaka avy any, na dia hita taratra aza fa tena mety ho kenda mihintsy i lery any, matoa mampiseho ny maha jiolahim-boto ny tenany toa izao !
    Eny ê, mila miomana ihany ! Fa ny zavatra azo atao dien’izao, dia ny manenjika an’ireo gazety manao désinformations ireo ! TSY MILAZA NY TENA MARINA ATRAMIN’IZAO, TSY MANADIADY ALOHAN’NY HAMOAHANA VAOVAO !
    Ny fomban’ny gazety gasy efa fantatra, satria tany tsy misy Lalàna intsony, fa ny aty ivelany tsara omena an’izay sahaza azy !

  8. Adino. Arakarak’izay hivoaka eo koa, fa hahazo ny anjarany koa ny frantsay rahatoa ka tsy mifanaraka amin’izay hetahetan’ny vahoaka malagasy izay ho lazaina fa vaha-olana eo !
    Hitanay hoe aiza ny varavarana !

  9. Raha sanatria tsy misy vahaolana azo amin’izao fihaonana izao dia miangavy an’i Naika Eliane izay za-draharaha amin’ny fifandraisana amin’i Union Européenne ka nahavita tatitra maro nanamporofo fa i Dada ihany no mbola mamim-bahoaka ary no mbola filoha takian’ny malagasy ka nahatonga an’ireny Louis Michel sy ny Europe Écologie hiandany amin’i Dada ary mitondra ny feon’i Madagasikara ao amin’ny parlemanta eropeana any strasbourg ihany koa.

  10. Ny karan sy gasy voavidy dia mbola fitaovana fotsiny ihany koa ampiasainy « grandes puissances » e!
    Tsy M/scar irery ihany anie no tany misy karana sy mpivarotra tanindrazana e!
    Antany afa dia mety sinoa na arabo ny olona afa azo ampiasaina ho fitaovana hitan’ny be sy ny maro fa tsy ny tena ao ambadiky ny miseho.
    Tantara iraisam-pirenena hatrizay ka hatrizao dia io drafitra io no hiaingany olana rehetra ka rehefa mamadibadika ny misy etsy sy eroa dia hita mora ihany io ny « schéma directeur » re Tompoko e!
    Ry zareo samy « grandes puissances » tsy miady mifanandrina mivantana intsony tao aorina ny WWII anefa mila miaro ny « colonies » fangalana ny harentany tsy hananandry zareo, dia manao izay hitohizany famarotana fitaovam-piadina ho entiny vahoaka nodomboina saina sy nampahantrana ka hiady antrano:
    – « double profits », sady vola miditra fa nahalafo basy sy afa koa no mangalatra mora foana izay hilaina na uranium na volamena na izay rehetra azo fongarina e!
    Tsy dia ilaina « sciencess pô » na « CEDS » à la franco-française fa dia mikarokaroka sy mianatra izay hita antany afa hianjadiany fahasahiranana koa satria faorina novolena ho any osa rehetra izao misy erantany izao.
    Ny tena manorisory dia izao fanasoketana ny filoha M.Ravalomanana izao toy ny tsy misy mpiaro izy ka havilavilany ratsy saina…dia hiandry izay hiseho indray vao hamoaka hetsika tandrametaka.. »manif » na « filazana ofisialy » na…fotoam-pivavahana.

  11. Fanitsiana kely fotsiny,
    Tsy hoe « candidat tokana » fa « Filoha tokana » satria efa FILOHA anie DADA eh, tsy nisy fifidianana teto, fanamafisana fotsiny ny fifidianana hatao @ 2013 io: ho porofoina @ Foza sy izao tontolo izao hoe Ra8 no « rôle » eto Dago, mitovy @ VanDam mody resy sy voadaroka amin’ny voalohany film ireny eh, fa rehefa avy eo « victoire triomphale » de mi-zesta….: efa tsy andriko intsony io fotoana io: aza lalaovina ela Dada Ra8 ô!
    …VITA TOMPOKO!

  12. Izaho koa dia mbola miandrandra mafy io fotoana io, ilay andro 1
    no tsy ho laitra fa ny 99 aloha efa an’i foza e!!ary MINO IZANY AHO .

  13. OMG!!!! apenas me enrete Paseando por internet entre unas cosas y otras di con tu pagina Hacia siglos que no sabia de ti.Te busque pero no daba contigo, queria platicar te extraf1o mucho amigui T___TDesde el nekotsuki waaahhh.Espero podamos hablar te dejo mi msn. Te extraf1o hermosaaaaa tu nena esta divinaaaa me la robooo >.<ubendiciones para tu hermosa muf1equita y tu familia.Besos y abrazos de parte de la familia Dinamarca.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *