NY FIVERENAN’NY FILOHA RAVALOMANANA NO HAMAHA NY KRIZY

IMG_6028

Misy ny fikatsaham-bahaolana eto amin’ny firenena hoy Ravelonanosy Mamitiana androany teny amin’ny Magro Behoririka androany. Samy manana ny hoeritreretiny ny tsirairay hoy izy, fa ny tanjona dia ny fivahan’ny krizy. Ao anatin’ny dinika dia  misy ny vaovao samihafa hoy izy fa ny tena vaovao marina dia izay avy amin’io dinika io. Ny antsika hoy Mamitiana dia tsotra fa rehefa misy ny vaovao ampitain’ny filoha Ravalomanana dia eto an-kianja no ampitana izany vaovao marina izany. Mazava ny antsika hoy ity olom-boatendry ity, dia tsotra ary izay ihany no famahana ny krizy dia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazany. N’iza n’iza olompirenena mahafeno ny fepetra hofidiana dia alefaso ny fifidianana. Izay ihany hoy izy ny fivoahana amin’ny krizy fa ny ankoatra izay dia fitiavantena sy adalana politika. Noho izany dia aoka hiara hiombom-peo amin’ireo isika. Andriamatoa Leriva Manahirana kosa nanambara fa mitaitaina mafy be isika amin’ny vokatry ny dinika tany Seychelle. Ny zavatra tenenina amintsika hoy izy dia ny hoe rehefa mandeha ny dinika dia ny mpanao politika no marary sy taitaitra. Aoka hoy izy ny zanak’idada tsy harary kibo amin’izany fa hanana fanantenana amin’ny dinika. Raha nanaraka ny voalazan-dRajoelina ny maraina teo isika hoy Leriva dia hitanareo fa mailo amin’ny fanontaniana tsy ohatry ny taloha ny tenany. Ny ofisialy amintsika hoy izy dia izay hambaran’ny Sadc sy ny filoha Ravalomanana. Na izany na tsy izany dia te hampahery antsika ny tenako hoy izy fa na mbola misy aza ny fivoriana faharoa dia  mahazo mverina sy milatsaka ny filoha Ravalomanana. Ny  fanantenako ato anatiko hoy Leriva, dia tany Maputo no nanombohana ny dinika dia tsy maintsy faranana any Maputo izany. Roa andro hoy izy ny fivoriana tany fa tsy iray andro. Midika izany fa tena nisy ny dinika, fa tsy mandehandeha ho azy izany.

21 pensées sur “NY FIVERENAN’NY FILOHA RAVALOMANANA NO HAMAHA NY KRIZY”

  1. Dia mahaiza mionona daholo ary fa MIANDRY INDRAY e!!!
    Tokony kosa angamba mba hisy fanambarana ny momba io fa
    tsy ho arirarira toy izao indray ny olona.Nefa akoho tsy naneno toy izay ????lasan’i kary.
    matoa efa misy manamboamboatra resaka toy izao dia ataoko fa izay izany!!!INDRISY!!!

  2. ny vaovao farany avy aty aminay frantsay dia kivikivy be ihany izahay zanak’i dada satria nangina tampoka izy;ny olona ve mandeha jet privé ,ny tena avion commercial;ny iray aty dago fa ny tena any antaninolona;dia samia ho tsindrian,ny sadeka e!

  3. miray hevitra amin’ilay hoe aza misy mihaino an’i dj mpandainga, tsy nanao afaty izay io hatramin’ny 2009, dia inona no vitany teo ? KRIZYYYYYYYYYYYYY BEEEEEEEEEEEEE.
    Tsy mety kosa ilay miandry manantena. Tokony mba hiala amin’ny nono amin’izay ny zanak’i DADA fa efa samy lehibe.
    Ny olona mantsy rehefa endry be loatra dia tsy misy miraharaha satria bonaika, dia voahitsaka antampon-doha satria tsy atahorana hitraotra. Jereo tsara ny ankizy voadaroky ny ray amandreniny tsy mahay mitaiza, mitomany fotsiny dia mangina rehefa reraka, ka ho aiza moa ?
    Saigy tsy zaza ny zanak’i Dada fa aoka hitady lakile hafa amohana ny varavarana.
    Averina ihany fa rajoely no fosotra ka izy no tokony amboarina na i Ra8 no tena malagasy ka izy no tokony ampiana hiverina antanindrazana.

  4. Olona vendrana sy voretra, no manome ny silipiny feno tay sasan’ny olon-kafa !
    Amen et bonapéti !!

  5. tena maha romotra tokoa izy izany, ahoana tsara ny nataon’ireny olona toy i mandela ireny mba nahafahany ny mainty hoditra ? I aimé Césaire niady amin’ny fanadevozana.
    Efa miteny aho fa tsy misy izany gasy mafana fo izany. Ny miditra an-kibo ihany dia ampy izay. Hoy ilay fitenenana tena mahamenatra be hoe : vivre pour manger ( kitapo-kanina ka na tay aza hatelina) et non manger pour vivre ( ho salama saina sy vatana hanasoavana ny fiaraha-monina)…
    Mahazotoa daholo homa-t a y haroson’i dj

  6. hoan ny mamitiana sy r i Mamy sy R i Hanitra ,

    raha tia hanavotra an i Madigasikara ianareo dia midina eny andalambe miaraka  » vahoaka .

    I RAJOELIMA DIA TSY HO HAVOTRA INTSONY .

  7. ka inona no andrasany ravelonarivo midina eny fa avelao ny sasany anao ny tiany atao tsy ilaina ny manery olona samy manana ny fijeriny
    resaka diplomatie ny mitranga eto madagasikara nalainy sarko io vendrana io ary tadidio
    fa voavidy daholo chissano simao ary na fransman aza ka na haemotra indray aza ny dinika vao maika tsara satria na tiana na tsy tiana mody ravalo milatsaka hofidiana ravalo
    ny olana lehibe ho any frantay dia ravalo miverina ary io no hataorany mafy

  8. Ilay fidinana an-dalambe alou, aleo stratégie comptacte tsara
    toatoa ny hoe: aleo commando « blindé » no volavolaina hahatontosa izany rehetra izany hatrany @ farany: toute image est permissible…

    (tena fotaka daholo ireo Forces Armées sy Zandary ireo: kanosa lahy.

    ==> nahoana tsy i REMENABILA no hamohahana « WANTED »,
    ==> f’ilay miaramila kely tafaporitsaka, efa verezin-jo eo imason’ny vahoaka, no mbola tsindrio fa lavo?

    Rehefa atao analyse kely io ambony io,
    dia misongadina fa tsy tafa any @ izany niveau international izany
    mihintsy ity tanindrazantsika ity raha mbola eo ireo TARE tsy misy saina fa AMBANY FOATRA ihany hatrany no traik’hefa ilofosan’ê

    ____

    Ankoatr’izany, dia marina dahol ny voalazanareo eo ambony ireo:
    Isika ankolafy Ra8 dia tokony hitsinjara samy hanana ny spécialité-ny avokoa,
    1°) mieritreritra aho hoe ingahy Constant Raveloson zao afaka mi-recruter tanora manao spy an’itony voalazan’i francophonika (=km) ery ambony!

    2°) Hoy ravelonarivo hoe : « mamitiana sy r i Mamy sy R i Hanitra »,

    dia hamafisiko eto ==>

    3°) MIOMBO-KEVITRA @ elas « aoka hitady lakile hafa amohana ny varavarana. »

    ____

    (ho avy tsy ho ela i rabe bogor tanora
    i risara baomba koa hanomana condamnation mifanaraka @ taronintsika eto)

  9. hody aho oa!hilatsaka an-kady aho oah!ny nitomany ihany no tsy natao!farany notapahana ny fivoriana fa bekoretaka loatra!sahirana i zoma mahafinaritra amin,izao fa eo zareo frankofonika!mangina be eto zany an!tsy nety angaha ny tantana?Ary hiverina hiasa ve ry bozy sy kala @herinandro?aza miasa any @ministera zany fa mbola tsy tonga dada;mitadiava lakile hafa fa very ny an,i dada;sady tokony hiala nono fa efa matsatso ilay ronono

  10. ny ahy de zao fotsiny kalma alou aleo hivovo ny alika fa ny votiry mandeha foana….aleo izy alou hody hita eo izany tsy mahazo hilatsaka izany….f’angah an’ny foza ny Madagascar.
    tadidio fa ny hendry mody voky fa ny adala misesika ihany na de hita aza fa ….ho hita ny tohiny,ny MORA KIVY de ialao e …tsy toetrantsika Kristianiona io….

  11. Rahviana vao hiverina ny filaminana, ny ara-dalàna sy ny fiandranam-pirenena ?
    Andraso eo i Paoli…sy ! Hi hi hi !

    Miomana ny hipikinika, dia navoaka daholo ny lamba atao lafika satria tsy mba manana « tsihy » ( Mba andefaso kely aho ry HoAiza â) !
    Variana sy nalahelo ny tena raha nahita ny zavatra voasotra eo amin’ilay « lambaoany » !

    10 aogositra 1983 – 10 aogositra 1993 Folo taona nioronan’ny Gazety Midi Madagasikara

    Ny à la Une dia hoe : Nouvelle Charte pour la presse malgache

    Dia lasa ny fanontaniana ! Inona ny voasoratra tao amin’io artikla io tamin’izany andro izany ? 2013, 12 volana dia ho 30 taona !
    Toa mbola nimportekoi ihany no toa ataon-dramalagasy, sa mbola belelo sy be tain-delo kely i pitiboul tamin’izany andro izany ? Hi hi hi !!!

  12. Ny soratra @’ lambaoaniko indray hoe:  » misy miihainoooooo? »
    Dia rahoviana ialahy no hanainga ho any @ tanana ry dà??
    Mba hitondray voan-dalana e!!!aza hadino i Magro lesy a!!dia ataovy mahmay ireo mpitarika
    ireo fa tsy mamely.

  13. Tonga ao Paris i Andriamatoa Mamy Rakotoarivelo.Mety hihaona amin’i Patricia Lehman angamba izy na koa ho any Bruxelles.Asa fa ho hitantsika eo.Na ho ataony daholo izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *