RAKOTOARIVONY JEAN PIERRE : FILAM-BOATSIARY NO ATAON’NY FAT

Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nanao valinkafatra ho an’ny mpitondra fat, ny ankolafy Ravalomanana teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany, mikasika ny filazan-dRajoelina fa tokoy hosoloina ireo ministra tsy manao ny asany avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nambaran’Andriamatoa Rakotoarivony Jean Pierre, ambasadaoron’i Madagasikara tany Etiopia teo aloha ary efa enimbola no nahatongavany teto an-tanana. Ny interime izany hoy izy, dia fisoloantena vonjimaika. Mihevitra ny olona ho ketrina ry zareo.Olona tsy eto an-toerana, hoy izy no soloana toerana fa ny antsika ireo dia mbola eto ary miasa. Filambaniny, sy fialamboatsiary ary tsy fitiavana hamaha ny krizy no ataon’izy ireo. Aoka tsy asiana fihatsaram-belatsihy hoy Jean Pierre, ity fitantanana ity raha vonona hiaraka hitantana. Ny tena izy dia tokony hampiharina ny tondrozotra, anisan’izany ny andininy faha 17,19,20, kanefa tsy nisy an’izany teo. Nametra-panontaniana ity ambasadaoro teo aloha ity ny hoe maninona no tsy hampiharina ireo. Aleo hisy ny dinika hoy izy, hamahana ny olana. Ny zavatra mitranga anefa dia manao bibilava Rajoelina amin’ny fihaonana. Nanafatra ny vahoaka ihany koa ny tenany mba tsy ho voarebirebin’ny sasany amin’ny fivoahana ao an-kianja. Aoka isika hoy izy hanaraka ny toromariky ny mpitarika.

5 pensées sur “RAKOTOARIVONY JEAN PIERRE : FILAM-BOATSIARY NO ATAON’NY FAT”

  1. be dia be zany olona zany an!i tgv no mitondra izao!rehefa eo ndray isika dia izay tiatsika atao ataotsika!izay lay izy

  2. ho any FOZA babanidaody mitovy aminy zaza sary fotsininy no jerena fa ra miaino ambiance MAGRO io vendrana io dia mahafantatra inona no nitranga
    ka aleo hijanona eo fa manahirana miresaka aminy VENDRANAmianakavy

  3. Nisy nitranga angaha?? mba hilazao vao2 moa ry zareo a!!
    mangingiana be tato ho ato, mba omeo vao2 tsara moa e!!

  4. ny nahavitsy ny olona dia niakabehazany nandeha nitsidika ny mponina manodidina antananarivo manana internet ranavalona ka ra te hahazo vaovao marina dia ambiance magro ao tim mada henoy

  5. Misaotra Rabekoto a! Aza miasa loha na be io nakely fa rehefa @’ny hilana azy ireo tonga eo ihany.
    Matokisa fa mahalala ny hataony daholo ny olona eo @’io kianjan’ny finoana io fa tsy nataotao foana
    ilay anarana.Homba atsika Atra e!tsy maintsy mandresy ny tolona.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *