RAVALOMANANA MARC : MANANA ZO HIVERINA AN-TANINDRAZANA NY VADIKO

sakoroka

Taorian’ireny zava-nitranga teny Ivato ireny dia niditra mivantana teny amin’ny Magro Behoririka tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny filoha Ravalomanana. Zava-dehibe hoy izy ny ahafahako milaza ny zava-misy sy ny marina aminareo. Ny marina izay tsy azo afeninana noho izany dia mijoro  amin’izany isika. Raha nandeha ny resaka tany Seychelle tamin’ny mpikarakara fa tsy asiana mpanao gazety. Nanaja izany an-tsakany sy an-davany hatramin’izao ny tenako hoy izy. Izay no nahatonga izany fa sao gaga ianareo mpanao gazety, ary tsy nilaza na tamin’iza na tamin’iza ny tenako. Tsy nampoiziko ary nalahelo ny tenako noho iny omaly iny. Ny nahatongavana tany hoy Ravalomanana dia ny hitady fampandrosoana sy hametraka ny hambom-po.Nilaza ny Sadc hoy izy hoe samy manana fahavonana ve ianareo, ary dia atsy amin’ny efitrano iray atsy no mihaona. Nisy ny tsirim-panantenana tato amiko hoy Ravalomanana. Raha niteny tamiko Rajoelina hoy izy dia nolazaiko taminy fa tsy rariny ireny nataonao tany amin’ny seranam-piaramanidina ireny. Nilaza izy fa ho fiarovana ny aina no nanaovana ireny ary miaro ny fanananao aty Madagasikara ny tenako fa mba manan-janaka tahaka anao ihany koa. Ny teniko hoy Ravalomanana dia hoe misaotra betsaka anao. Raha nanontany ahy ny vadiko hoy izy dia nilaza fa efa ela be no tsy nahita ny zanako ka te ahita azy. Nilaza ny tenako hoy izy fa efa niteny Rajoelina fa tsy iantsoana vahoaka sy mpanao gazety. Nanontany tany amin’ny seranam-piaramanidina ry zareo hoy Ravalomanana, ary ary fantany fa miaraka amin’ny mpandeha tao ny vadiko. Tsy nahazo nandeha tao raha tsy nahazo alalàna taminy.Mizaka ny zom-pirenena Malagasy izy noho izany dia manana zo hiverina any. Zava-dehibe hoy Ravalomanana ny fitadiavana vahaolana eto Madagasikara, noho izany dia tsy hanao tandrevaka amin’izany resaka izany ary tsy ho atakaloko vola mihitsy. Amparitaka etsy sy eroa ny hevitra fa avela ny vahoaka hifidy amin’ny fifidianana. Tsy izaho hoy izy no niteny hoe hilatsaka fa ny vahoaka Malagasy no miteny izany.Nanamafy ny Amerika hoy izy fa fa izay safidim-ponareo malagasy ihany no izy. Aza matahotra ianareo fa hilaza amin’ny Sadc ny tenako fa izy no tokony hanao ny fanarena hoe ity no tokony hotanterahina. Ny ahy hoy Ravalomanana dia ataoko antsoratra hoe ekentsika ve ny tondrozotra ary ny fifidianana, fa ankoatra izay dia tsy ilain’ny vahoaka. Tsy hanaiky mora foana an’io ny firenen-drehetra hoy izy indrindra fa efa niova ny filohan’ny kaomisiona Afrika, ary tsy ho ela aho dia hihaona aminy hilaza hoe ampiharo ny zon’ny Sadc.Misy milaza fa isika no sakana eto amin’ny firenena. Diso izany hoy Ravalomanana fa isika dia milaza ny marina. Isika ihany koa hoy izy dia manaiky ny Sadc hitondra ny fandaminana, sy manaiky ny fifidianana, ary manaja ny tondrozotra. Aoka isika hoy izy mba tsy hovoarebirebin’ny communiqué etsy sy eroa.Matokia isika hoy Ravalomanana fa Andriamanitra tsy mamela irery antsika. Tsy maintsy ho tonga i dada hoy izy raha naheno ny antsoantson’ireo vahoaka marobe milaza fa mody amin’izay ry dada.

Inty ny taratasy avy amin’ny mpitsabo avy any Ivelany manaporofo fa naratra ny vinatovavin’ny filoha tamin’izy teo Ivato. :

 

27 pensées sur “RAVALOMANANA MARC : MANANA ZO HIVERINA AN-TANINDRAZANA NY VADIKO”

  1. Ahita ny tsy fahitany ny FAT, tena ilaina io certificat medical io, hita fa kely sy fohy saina ny Foza ,miseho azy ho dadany fa ifototra aminy io ataony io.

    tena tsy vanona

  2. Fanontaniana:
    Betsaka izay « opportunités » nazahoana nanao zavatra izay:
    -fitsenana an’ président RAVALOMANANA tamin’ny Janvier (vahoaka tsy misy ohatr’izany )
    -fitsenana an’i ramatoa RAVALOMANANA tamin’ny debut fevrier anga izy izay(olona marobe koa t@ io )
    -ity « bavure » ngozabe tato ato ity
    Toa vitavita oazy foana fa tsy mba nisy azo ni-exploiter-na ?

    Miandry sy manantena ny « baiko » alefa amin’ny SMS izany.

  3. Ny tompon’andraiktra ao Airmad sy ASECNA Ivato dia tokony ho torina satria nanampatra fahefana tsy ara-dalàna ka sao mety efa azontsika ato izany hetsika izany fa tsy hiandry indray ô!
    Mba aleo re asiana « stratégies » fa mampikatso raharaha ny fomba fiasa hatrizay e!

  4. Tsy efa ny SMS n’i foza indray no efa tonga aloha any na ny an’i MĖMĖ????
    bė safara fotsiny fa tsy hita hoe: mankaiza!! eo ary Neny tsy misy manaraka olona
    maratra no niala tao Dago dia soa fa nisy ireo mpitsabo tany ivelany tany manamarina io raha tsy izay
    dia naradratra fahatany teo ilay olona.Tsy haiy be ihany izy ity e!!!

  5. Tsy mpitsara aho kanefa dia tsy arako mihintsy hatrizao ny fomba fiasan’i Me Hanitra R.
    Tena manohina ny nahare ny filoha niresaka momba ny nahazo ny vadiny tao Ivato kanefa dia manantena foana ihany izy an!
    Tena ny ahafaty azy no kendreny frantsay sy ry domelina satria hatrizao dia izy irery ihany no filoha nofidiany vahoaka malagasy ary tsy foiny malagasy. Mikaroka izao saindratsy handravana ny filohantsika na an-tanindrazana na ivelany izao foana ry « putschistes » ratsy izay miharomotra arakaraky ny fanehoany maro ny fireketam-po @ M.Ravalomanana.
    Ka ahoana ihany hono e?

  6. le stylo bleu etait epuisé ou defectueux sur le certificat medical delivré par le medecin navigant d’air mad en anglais

  7. aux dernières nouvelles,la sadc condamne l’expulsion de mme lalao ravalomanana et sa bru;voir le site MOOV du 29 juillet 2012 à 11h30; on attendait ça;on aaaaaa gagnééé
    11:34 – 29/07/12
    La SADC condamne la tentative de retour de Lalao Ravalomanana et déclare que ce retour n’est pas en tandem avec l’esprit des négociations en cours

  8. randry ô tsy misy andraikitry ny ASECNA mintsy io kôzy io sao diso adva tsika fa ny adva iombonana no aleo hitsofana siflet é!

  9. tena makandoa be ilay dj sy ny tariny sy ny fandehan-javatra malagasy.
    Tsy leo leo leo intsony fa te hiaoka misalebolebo ?
    raha tsy manaraka anio intsony aho dia mety tena salama tsara satria tsy ampy amidin »ilay jiolahy badolahy ny olona manan-tsaina indrindra indrindra.
    Pouahhhhhh!

  10. Ny plainte na inona na inona ny antony aloha rehefa manao, dia TSY MAINTSY CONTRE X FOANA, NA DIA FANTATRA DAHOLO AZA NY TOMPON’ANDRAIKITRA !

    Nanao an’izany ve, IZAY nametrahana andraikitra, sa tsy tao anaty ny « contrat izany » ?

    Samy « ecoeuré » fa tsy misy kivy ê ! Tohizo ny tolona ry elas fa mbola ho ela vao ho antitra, ary tsy maintsy hijery fitaratra foana isan-maraina !
    Aza ny foza maty eritreritra sy faly amin’izay ratsy natao no jerena !

    NY SOA ATAO LEVENAM-BOLA, ARY NY RATSY ATAO LOZA MIANTONA !!! TSY FANTATRAREO ANGAHA IZANY ???

  11. Ny Alahelo aloha nisy de nisy, saingy faly ihany koa noho ny fisian’iny, tsy hoe ny tsy nahatafiditra an’iNeny fa ny nampisehoandry Foza isany @zao tontolo izao ny toetra ratsiny ndray, efa fitaovam-piadiana goavana be ho antsika iny, ka mandrisika izay manana andraikitra rehetra, na @ fifandraisana eto an-toerana izany na iraisam-pirenena, na fitaovan-tserasera rehetra, hanao totoafo ny fanamelohana sy ny fitakiana tokony hanaraka iny zava-nitranga iny. Ary ny fanerena ny CI indrindra ny SADC araka ny tenin’i Dada izay tokony ho tohanana mafy avy aty @tsika zanany manohana azy mba havesa-danja kokoa @ireo vahiny ireo izany fanerena ataon’i Dada izany; ary indrindra de ny mba hanafainganany ny raharaha. Samia mihetsika @zay manandrify azy avy ehhhh

  12. ireto CI sy sadc ireto koa no tena mankandoa.
    Firifiry ny bavures nataon’i domelina sy ny forongony tsy andrenesam-peo na A aza,,,
    Izao indray ka mbola ny manan-drariny no omen-tsiny.
    Ireo vahiny ireo no tena fositra

  13. Ilay greve generale sy blocage administratif tsy mba mety vanna fa lasa loham-bola daholo ny ankamaroana´ny olona ka lasa fitaovana fitakiana vola ny manao Bla bla bla sy menace de greve.

    Nefa raha tanteraka ireo , tena possibe ny mapipitika ny Foza teo.

  14. Atao ary hoe tsy adva direct ny ASECNA fa ny olona rehetra teo Ivato nampiantra ny didy avy @ lehibeny dia tokony arahina akaiky sy torina e!
    Efa ela ihany aho no nanimpy resaka momba ny SADC sy ny mpitsikilo frantsay!
    TOTAL anie ka nikofokofoka mba ahavoafidy an’ingahy J.Zuma e!
    Raha tena hitokisana io SADC dia tsy nisy kosa angamba io fihaonana any @ faritra COI izay efa « pièce maîtresse » afa eo @ « échiquier » frantsay…
    Ny honitra hangatahiny ireto milaza fa voa noho ny famonoana nisy t@ 2009, dia lazainy tribunal SudAF ho mitombona hono.
    Dia ny filoha M.Ravalomanana, niaran’ny tsy rariny indray izao no toa « bedesina foana » ary toa misy famadiana izany na avia na havanana ka dia mizaka tokoa ny filohantsika indrindra isika mpanohana azy tena badabada fiasa mihintsy.Soa fa matanja-tsaina izy!
    Ka antsika re tompoko ny miasa @ fomba vaovao na voahitsy fa tsy toa taloha e!

  15. Misy fihetsika tsotra azo atao nefa tsy ataontsika.Fihetsika tsy hisy maratra na mila fangatahana autorisation na amin’iza na amin’iza:
    – Mifanome daty mazava, ora roa na telo ao anatin’ny andro iray
    – Amin’io daty mazava io, io ora nifanomazana io dia tsy misy mivoaky ny trano ny malagasy rehetra mbola tia tanindrazana ka tsy mankasitraka izao fanitsakitsahana ny malagasy izao.
    – Alohan’izany rehetra izany dia tsy maintsy hazavaina amin’ny fomba rehetra ny anton’izany fijanonana any antrano izany: radio, télévision, gazety, internet,…
    Ireto manaraka ireto no tsy maintsy antitranterina amin’ny fanazavana:
    a. I Andry Rajoelina dia saribakolin’ny tandrefana mpanankarena, tsy ny fimasohana hiverenan’ny président Marc Ravalomanana irery ihany no mety hampiongana azy teo satria ny vola omena an’i Rajoelina sy ny mpanaraka azy dia tsy ho ritra mihitsy. Aoka hazava amin’ny sain’ny rehetra izay.
    b. I Andry Rajoelina dia halain’ny frantsay hody any aminy rehefa tonga ny fotoana tiany hanaovana izany fa ny malagasy rehetra manaraka azy ka tsy manana « nationalité française » dia hifampitana amin’ny alika ny ny fatiny.
    c. Tsy misy dikany raha jerena eo amin’ny fiainana izay 3 na 4 andro hikomiana tsy mivoaky ny trano (alatsinainy, talata, alarobia ohatra). Satria ny fiverenana amin’ny ara-dalana izay tsy maintsy ho tonga vokatr’izay hetsika hatao izay dia manome « perspective » ahazoana mihoatry ny zato eny ny mety ho very herin’andro.
    Eto dia mahina fa tsy afaka ny mandeha manery ny olona handeha hiasa ny mpampiasa rehetra na inona hitranga.
    Ny antony tsy maintsy hanaovana io hetsika io dia izao:
    3 na 4 andro mijanona tsy miasa ao anatin’ny 3 na efatra ora ohatra ny station d’essance Total iray dia manidy varavarana. Rahefa manidy varavarana io dia tsy misy intsony ny vola homena an’i Rajoelina sy ny tariny, ny miaramila tsy afaka mitaingina 4×4 handeha hanenjehana ny mpitolona afaka 4 andro dia afaka avoaka mora foana ao Ambohitsorohitra tsy mila mitana basy akory i Andry Rajoelina sy ny tariny raha tsy hoe angaha efa any @ ambassade frantsay indray izy.
    Ohatra hafa 3 na 4 andro mijanona tsy miasa ny mpiasan’ny Hotel Ibis dia masiso tankeraka io toerana io, ireo lohandohan’ny mpisorona mamatsy vola io fitondrana fotaka io dia tsy maintsy hody any aminy daholo satria tsy mahatanty masisosiso izany ireo…
    Betsaka ny ohatra azo lazaina.
    Fehiny: mila firaisankina ireo rehetra ireo, mila fifampitokisana ireo rehetra voalaza ireo. Azo atoa ireo rehetra ireo. Ireo rehetra matahotra ho very asa dia azo lazaina fa rehefa miverina ny ara-dalàna dia tsy maintsy miverina amin’ny asany daholo ny rehetra ary mahazo indemnité hanonerana ny lany. Herin’andro fotsiny io hetsika io no atao dia tafavoaka an’izao krizy izao isika mianakavy. Inona rey olona izany manoloana ny tombontsoa hohazontsika amin’ny harena eto amin’ity tanintsika ity izay kendren’ireo mpanohana an’i Rajoelina halaina maimaimpoana ? Raha isika mianakavy no mitantana an’io dia handroso ity firenena ity. Hihavitsy dia vitsy ny mahantra. Efa nanomboka izany 4 taona lasa izay.
    Mitohy ny tolona!

  16. – Somary sarotra ry LAZALAZAO ny hametra avy hatrany ny eny Magro tsy hanao fotoampivavahana satria lasa tandra-vadinkoditra ilay hetsika io izay mety hisy ny mahatsara fa tsy narahana « action » noho ny hevidiso nampiariny « colons sy missionaires » nampiditra ny kristianisma(ary tena tsy fantany « damompra sy ingahy Rapasy ».
    – Ny sosokevitra avy @ IZY dia mahavelompanantenana raha mahita:
    * olona sahy hitraka any antoerana mba hanazava io sy hitarika ny hetsika
    ** « KA INONA NO HOHANINAY? » io no voalohany ho renesina avy @ ankapobeany olona izao satria « ra-vola foana ihany » ankoatry ny vavaka no maha mendy ny olona.
    Ary fantatry ny frantsay tsara izany satria rafitra efa napetrany hatr@ nidirany « colonialisme » dia izao hanapotehany ny malgasy izao ….sy ny afrikana koa e!
    *** Isika anefa tsy misy iray manambola na dia fanampiana 1 andro ireo izay manao io hetsika io.
    **** Dia eo no hidirany fikarohana fanampiana avy ivelany ka lasa « cercle vicieux »…satria « hiala Ankatso(frantsay dia hiditra Ambohidepona( vahiny afa)…
    Ary ilaina mailo isika mba tsy ho ny foza ny hampiasa ny hevintsika an!

  17. Hevitra tsara sady mahaomby ka hisaorana anao fa saingy indro kely!!!
    Efa nitarazoka be loatra ilay fanjakazakana sy fandrobana dia sarotra be
    na ny fanentanana ny olona aza ,ny vola mikararana @ famonoana afo raha vao mitady hisy hetsika
    efa azy ny tanana e! ny ramatahora moa efa manginy fotsiny, ny olona efa reraka dia reraka ka vidina
    mora2 , ilay TOETSAINA EFA EZAHANY POTEHINA TANTERAKA @’ilay fitiavan-kely,vitsy dia vitsy ny
    olona mifantoka @’ilay fahafahana fa ny ANIO ALOHA, izay sisa ao an-doha,  » aiza indray no ahita ho
    harapaka anio? ») ilay fanentanana koa no tsy ampy , fa samy may @’izay mahamay azy daholo ny rehetra,
    hany ka rafotsibe very laona ka miandry izay higadonany sisa.

  18. Rehefa samy ho alika hanaikitra ihany ve tsy aleo mba mitady izay mba
    Matanjaka tsy dia RATSY LOHA TOY IRETO FRANTSAY????efa nolazaiko
    teto fa izay fangalarana any tsy dia ahoako fa ilay TETIKA FANANDEVOZANA, FANAPOTEHINA indrindra
    ilay FANIMBASIMBANA satria fantany tsara ny HASIN’IZANY GASY izany( noho ny fialonana) izao ampianariny
    ny gasy maivan-doha izao sns no tena HANKAHALAKO ny frantsay , dia avy eo manao tsindrio fa lavo mora2
    tsy tahotra tsy henatra @ famafazana vao2 tsy marina, izy no mamely antsika dia izy indray no mody manetsikeloka
    manampy trotraka , TSIVALAHARA!

  19. GREVY JENERALY HOAN’NY REHETRA ( fonctionnaires, secteurs privés, banques,…)mandra-paha tonga ny FILOHA RAVALOMANANA sy fametrahana ny fifidianana mangarahara dia vita ny fat sy izao mahazo ny Malagasy izao! HETSIKA DEMOKRATIKA izany!VOX POPULUS VOX DEI! fa inona no handrasana? Mananà fasahiana ry Malagasy fa ny MITA BE TSY LANINY FOZA!!!

    GREVY JENERALY TSY MISY SAKOROKA FA MILAMINA ny tanjona dia mijanona daholo ny machines administratives sy ny économies rehetra satria io no tena mamelona ireo mpangalatra sy dahalo ao amin’ny fat ireo!

    INONA NO MBOLA HANDRASANA? sa handady amin’ny tany sy halevina daholo ny Malagasy rehetra vao hihetsika? efa tara loatra amin’izay!

    Rehefa tsy hanao ianareo dia mba hataovy hoan’ny taranaka fa handova tany mena sy tany karakaina ny zanaka sy ny taranaka, ary ho dondrona tahaka io tsy manana diploma io eo fitondrana io koa ny taranaka rehetra satria io aloha izao no modelin’ny tanoratsika DJ dia mpanogapanjakana dia mpanao didy jadona sady mpangalatra.

    TAIRO NDAO DIA MINOA FOTSINY IHANY!!!

  20. rehefa tsy hanao grevy général ary dia aoka hatao an-doha fa olana samy malagasy io, tsy hitako izay andrasana sadc, ci, ue, oa, wc amin’izany,io dj io no fosotra ka izay rehetra vonona dia tongava mandray anjara amin’ny lalao :
    hatombobaka ny traque, kidnapping ho anireo manodidina io fosotr’olona io ny voalohany, hafindrafindratsika tanana sy toerana, hatao passe-passe.
    hatao mihidy v o d y ilay zana’alika

  21. Hevitra io ry Elas fa aleo mihintsy  » isika samy isika mifampahatoky » no mifehy ny fandrindrana ilaina e!
    Izany hoe tokony ahita fomba aingana isika hifanakalozantsika, tsy eto fa lavamaso sy besofina ny foza ka jereo izay mety e!

  22. Ho an’i Izy

    Tena tsara ilay hevitra . Mila serasera be anefa.

    Mitovitovy amin’ilay « Mitomania ry taniko » samy manao akanjo fisaonana hoy izy ireo mandritra ny andro iray. Tena nisy ny nanaraka nefa betsaka ihany koa no tsy nahafantatra hoe nisy hetsika natao. tsy ampy mantsy ny serasera.

    Averiko izany fa trara ilay hevitra aroson’i Izy
    Mila fanentanana be anefa. Ka iza no handray izay andraikitra izay.

  23. ho an’Izy, tsy hoe hifaninana akory izy ity fa efa ela be aho no nanome io hevitra io. Jereo any ho any, 2010, 2011. saingy angaha misy nivaky loha, fa ohatra minaonaona fotsiny eto.
    Ny tena manazendana mantsy dia tsy misy faly kanefa tsy misy firaisankina koa.
    Manontany tena foana izahay hoe DONDRONA VE ny malagasy e ?
    sa ahoana ny filazana an’izany @ teny mazava ?
    izao mantsy, rehefa nofa be (filazanay taloha) dia hoaizan’ny jiolahy foana, tanarahany eny dia sotasotainy. tsy tsapanareo ve izany tany an-tsekoly ? eny amoron-dalana, anelakela-trano ? Raha vao mamokona totohondry kanefa dia manao tongotra an-katoka ny jiolahy.
    Mba tony anisy fiheverana daholo fa raha izao no mitohy dia ny alika no hibaiko ny malagasy.

  24. RALOELINA N’EST NI FIABLE NI DIGNE DE CONFIANCE…

    Ne Nous amusons pas à deviner , à imaginer , à supposer la position ,la réponse de la SADCva décider sur le refouiement – l’expulsion
    de Madame RAVALOMANANA LALAO ET DE SES ENFANTS qui ont été effectués contre les usages des reglementations pratiquées aux frontières internationales .:une fois la vérification des visas effectuée et le contrôle des douanes sans problème , le voageur ne peut plus être refoullé ni expulsé et cette fois -ci
    Madame RAVALOMANANA LALAO et SES ENFANTS sont donc rentrés sur le sol malgache et ddès lors ils ne sont plus ni refoulables ni expulsables car ils sont citoyens malgaches jouissant de leurs droits civiques !

    La SADC , son Comité interministérile ,14 ème du genre ,se réunit le 30-31 juillet pour discuter des problèmes politiques , economiques et régionaux et aussi des effrts de médiation à Madagascar.

    Le Sommet ordinaire de la SADC se tiendra à Prétoria.
    Il me semble qu’à la déclaration de la SADC à l’issuie de la rencontre de Seychelles ,les deux belligérants Malgaches doivent présenter devant ce Somment la conclusion.. de leur accord ou de leur désaccord..

    Alors , soyons patients et demeurons disponibles quoiqu’il advienne !Nous ne sommes plus éloignés de la fin de cette crise..car ,d’après la fourberie de rajoelina ,, du tsy fahazai-miaina dont il a fait montre et du non respect du fiaraha-monina , du vivre ensemble entre Malgache ,rajoelina ,ne tenant pas ,ne faisant pas ce qu’il dit ,nest ni fiable ni digne d’aucune confiance !
    Il a donné la preuve de son incompétence à résoudre des problèmes nés des situations provoquées par les difficultés engendréees par ce coup d’état : oui il a allumé le feu ,mais en voulant l’éteindre il verse de l’huile sur les foyers d’incendie §
    Il a osé même confié au Président RAVALOMANANA MARC a

    , lors de leutr tête aux SEYCHELLES que tout ce qu’il a commis jusqu’ici a servi à Vous protéger ainsi que votre famille !
    La destruction , les incendies des usines et des magasins TIKO ,MAGRO dans tout MADAGASCAR et surtout le coup d’état du 17 mars 2009ont été effectués pour protéger la vie des RAVALOMANANA MARC !

    Voilà le nouveau rajoelina qui affabule ,ment pour amadouer… pour carresser dans le sens du poil celui qui a voulu neutraliser dans tous les sens du terme !

    rajoelina Nous prend vraiemment pour des insensés ,lui est le seul avoir la t^te … qui roule danns les égouts et qui ne pense qu’à produire de la merde dans ce Pays !!

    FINISSONS – EN AVEC CE SAC A MERDE !

  25. Maro ireo hetsika azo atao. Sady tsy voatery hiatrana ambava-basy. Ny tsy fanantanterahana ireo fikarakarana rehetra ataon’ny FAT, ny fitokonana faobe tena atao fa tsy resahina fotsiny, ny fametrahana petadridrina isan-karazany hilazana fa tsy ekena intsony ny FAT, ny fanaovana fihaonana na ttasy any @ ireo sehatra vahiny miasa eto amintsika, ny fanaovain’ny tsirairay izay tandrify aza ka mety hanakana ny FAT na @ lafiny inona na @ lafiny inona….
    Ny vavaka akory tsy ratsy mankaiza fa ilay filaza hoe : izao no sitrapon’A/tra, mamela’ ny helony fa tsy fantany izay ataony, mivavaha mafy tena mivavaka hanala ny krizy.. ireny no tsy mety. Satria mamahan-dalitra be ny ihany.
    Farany, tsy hisy vahiny ho faty na hatao sorona @ toeran’ny Malagasy mihitsy, rehefa tsy sahy ny vahoaka fa matahotra ny emmore-reg dia hijoro mandrakizay eo ny mpanogam-panjakana sy ny lomorona voleny. Dia mbola hitohy hivarilavo isika.

    Ny firaisakin’any Anti-Rajoelina sy ny Pro-Ra8 ohatra tsy mety lasa mihitsy. nefa anie ka azo atao izany mandrapaha fotsiny e, fa misy ireo mpitarika be hevitra sy manakana. i Lalatiana Ravololomanana ohatra dia tsy tia Ra8 mihitsy nefa manohitra an’i Rajoelina…

  26. LA FORCE DE L’ESPRIT…

    Chaque jour Nous apporte des points de réflexion sur Notre futur…, qui n’est plus unze virtualité mais se cantonne dans le monde des possibles !
    J’ose même dire que Notre Avenir dépend de Nous , demure le défi que Nous devons gagner envers et contre tout !
    Nous devons être convaincus de cette réalité !
    Toutes les tentatives qui ont été effectuées par ceux qui ont refusé ,qui refusent que les Malgaches vivent libres , indépendants , souverains , ceux qui ont mis des batons dans les roues de notre développement du Pays et de notre édification d’humains !

    Ces tentatives ont échoué et malgré les bla-bla de certains , les désinformations des uns et des autres et les médiamensonges des journaux qui relaient l’opinion des tenants de la françafrique !
    Pour illustrer mon propos , je Vous invite derevoir ensemble le parcours du combattant qu’a suivi le Président de la République RAVALOMANANA MARC et les coups bas ,les croque-en jambe qu’il a su éviter et déjouer depuis et même avant le 17 mars 2009 …Oui avant cette date de nombreux moyens de déstabilisation ont été utilisés
    Oui , maintenant , en ce moment ,Nous avons du travail à abattre pour réaliser notr Avenir et des « sakana ,des tentatives de blocage à déjouer .
    Ceux qui ont conconcté , ont conçu ,ont organisé ,ont cammandité , ont préparé et commis ce coup d’état sont là ;ils se cachent derrière la peau des agneaux ,mais la peau des alikadia dépasse la peau de l’agneau qui leur sert de couverture , de masque , d’écran :

    Ainsi ces gens responsables et cerveaux de cette grande déstabilisation usant du double jeu , cryant encore berner les Malgache osent-ils parader , osent-ils parler à Nous des difficultés vécues par les Malgaches , difficultés , conséquences de leur action!e les Malgaches ,qu’ils ont menées avec les néocolons !
    outenu les a
    Que rajoelina ait été l’instigateur de ce coup d’état ou qu’il ait été  » le gena nahazo baiko  » et qui ait été télécommandé , rajoelina représente en chair et en os les hommes etles femmes qui ont détruit la richesse de ce Pays , a appauvri les Malgaches , a déchiré le tissu social du fiaraha-monina malagasy !
    Ces hommes et femmes qui  » armé rajoelina  » se sont heurtés à plus fort qu’eux ; la force de la Communauté Internationale ,qui s’est mobilisée avec la SADC , avec l4Union Européenne , avec l’Union Africaine -qui au bon moment – a porté ) la tête de la Commission de l’UA ,Madame N. ZUMA ,proche de la SADC ,avec les USA ert ces anti-nationaux ont pati avec le changement des dirigeants en France !

    Voyez ce qu’ils sont devenus !

    Less chasseurs acharnés du gibier emblématique , sagace , malin , insaisissable qu’est le Président de la République RAVALOMANANA MARC ont le bec dans l’rau et , comble de l’humiation , ont accept que rajoelina les représente à la rencontre entre les dex camps par le Président RAVALOMANANA MARC !
    Oui le  » gibier « les ont invités autour d’une table et ils sont venu en la personne de rajoelina leur pantin et marionnette,comme un renard rentrant bredouille ,la queue entre les pattes u!

    Cest cet aspect ,cette image de la « roue tourne  » que j’ai voulue Vous offrir :

    Oui notre destin est entre nos mains et quellesqu’aient été les forces qui ont essayé de Nous anéantir , de Nous supprimer depuis août 1895 Nous sommes toujours là !
    SATRIA NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY !
    IO FANAHY NO MAHA OLOMBELONA ANTSIKA ARY AO AMIN ‘ IO FANAHY IO NO HANOVONZANTSIKA NY FAHENDRENA SY NY HERY !

    HOMBA SY HITAHY ANTSIKA LALANDAVA ANIE NY TOMPO !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *