RAVELONANOSY MAMITIANA : HAMBANIAN’NY FAT IANAREO VEHIVAVY

IMG_6427

Lalàna efatra hoy Ravelonanosy Mamitiana, teny amin’ny Magro Behoririka no nolazain’ny filoha Ravalomanana mahakasika iny zavanitranga ny Zoma teo iny. Ny fahadimy kosa hoy izy dia mampalahelo indrindra ho an’ny vehivavy. Raha ny vadinareo   no namoahan’ny fitsarana didy dia miarameloka aminy ihany koa ianareo. Nomelohina ny filoha Ravalomanana, hoy Mamitiana, dia tsy mahazo mody Lalao Ravalomanana. Ianareo vehivavy hoy izy no hambanian’ny fat ary tsy omeny laka, sy very zo.Ho an’ny Ankolafy Zafy hoy ity mpanao politika ity, dia ampitaho any amin’ny Pr Zafy Albert fa na anio na rahampitso dia mbola tsy ho amin’izany fihavanana Rajoelina. Olona tsy hanao fihavanana sy fiarahana amin’ny Malagasy, fa vao maika aza mampisy hantsana lalina amin’ny samy Malagasy. Ny filoha Ravalomanana hoy ity olomboantendry avy any Ankazobe ity, dia efa nilaza fa tsy tonga lafatra ilay tondrozotra. Anisan’izany hoy izy ny nampiharan-dRajoelina azy no diso, ka izay mety aminy no nataony. Ny Sadc ihany no tokony hitarika ny fandaminana fa ny tamin’ity no maninona no hidiran’ny COI. Mampanontany tena ihany koa hoy Mamitiana ny momba ny Fransman,izay tokony ho tonga teto farany teo kanefa tsy tonga. Ny antsika hoy izy dia ny ara-dalàna ihany.  Rehefa izay no tapaka tany dia ahoana moa no nandefasan’ny Filoha Ravalomanana ny vadiny raha tsy nisy fifanarahana tany amin’ny fihaonana. Amin’ny fihaonana manaraka hoy Mamitiana dia aleo atao an-taratasy ny fifanarahana sy ny sonia. Momba ny fifidianana dia nambarany fa efa nilaza ny filoha Ravalomanana fa afaka milatsaka ny rehetra ary zon’ny malagasy izany. Ny famahana ny krizy hoy izy dia ny fihaonan’izy roa tonta fa ny fikarakarana izany dia miankina amin’ny fitoniana politika. Mahakasika ny filaminana dia nanambara Mamitiana fa tokony tena neutre ny foloalindahy Malagasy.Isika rehetra hoy izy dia samy misaintsaina fa hoe azi ny filaminana eto. Isika ihany koa dia tokony hanatanteraka ny sonia nataon’ny mpanao politika n’iza n’iza izy. Mila miary hina isika miara mitolona amin’ny filoha Ravalomanana hoy Mamitiana ary tongava maro eto an-kianja.

2 pensées sur “RAVELONANOSY MAMITIANA : HAMBANIAN’NY FAT IANAREO VEHIVAVY”

  1. Izao no atao resaka be fandrebirebena, sy manabe lao-bary ! !

    Tsy mahatohitra ianareo ve sa dia tena miray tsikombakomba, dia mody alefa any amin’ny hoe fanambaniana vehivavy ny resaka !

    Telo taona mahery izao no alikain’ireo mpanongana ireo ny vahoaka malagasy, ary ianareo izay nantenaina hiaro ny zoan’ny malagasy anisan’ny hiaran’izany fanalikàna izany ; IANAREO KOA ANEFA AMIN’IZANY, DIA AO ANATIN’IO RAFITRA NAMPIDI-DOZA IO !

    Koa inona INDRAY ity resaka hoe FANAMBANIANA VEHIVAVY ITY Ê ? Fantatry ny rehetra koa anie ny zavatra nataon’ny Fat an’ireo izay nosamboriny sy nogadrainy ê !

    FANAMBANIANA KOA VE MISY TOA IRENY NANAOVANA AN’INGAHY MANANDAFY IRENY ? IZANY NO TENA ATAHORANAREO ANGAMBA MATOA IANAREO TSY MISY SAHY MIHETSIKA, MANAO AN’IZAY TOKONY ATAO FA AMIN’NY FOMBA ARA-DALÀNA !

    SA DIA MIONONA FOTSINY AMIN’ILAY HOE TSY TAN-DALÀNA NY FITONDRÀNA AMIN’IZAO FOTOANA IZAO ? AZA ADINO FA AO ANATIN’ILAY FITONDRÀNA IANAREO !!

    Ireo mpahay Lalàna « rehetra » ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ve dia tsy mba misy iray aza mitarika, ary manao an’izay tokony atao hitoriana an’ireo tsy valahara ireo ?

    Resaka be ataonareo, kanefa izao dia efa mivoaka amin’ny gazety eran’izao Tontolo izao fa ny vadin’ny Filoha Ravalomanana sy ny vinantony indray no hoe nanao ny tsy mety !
    Raha tsy mankasitraka an’ilay zava-nitranga ianareo, dia mba inona no tena mba nataonareo atramin’ny asabotsy teo ? Efa lasa ve ny fitoriana ?

    Ity izao mba misy adiresy iray, dia mba androaty ary mba ataovy fantatr’ireo mpitantana ao amin’ilay fikambanana ny zava-misy eto an-tanindrazana, dia mba alefaso an’ny MyDago ohatra ny kôpia mba ho hitan’ny rehetra fa tena mihetsika marina ianareo !

    HUMAN RIGHT WATCH FRANCE – Mora hita ny site-ndry zareo !

    Tsy misy resaka Madagascar mihintsy ao na « i » aza atramin’izay nitsanganan’io fikambanana io, kanefa Madagascar lazaina fa ao anatin’ny Francophonie na dia mbola voasazy aza ! Tsy misy resaka fanonganam-panjakàna nataon’i Rajoelina, tsy misy resaka fanitsakitsahana ny zon’olombelona ao Madagasikara ! Tsy ragidro na babakoto akory ny vahoaka malagasy, ary ianareo dia malagasy fa tsy sinoa na eraopeana, na asa tsy fantatro !

    METY AMIN’NY VAHOAKA MALAGASY VE IZAO TOEDRAHARAHA IZAO Ê ?

  2. F’angaha koa ny vehivavy ihanyno niaran’ny tsy rariny toy izAo hatr’izay???
    manome litika oah!!!dia efa ry zareo izany no manala ntsika fa iza koa moa
    no mila izay francophonie sady efa hita sy mazava tsara ny teti-dratsy sy ny tsikombakomba @ ratsy ao ???

    Tiako be ilay nisandoka SADC ray olona!!!efa hatrany mihintsy no tsy hasiany vidiny MILAY E! dia inona moa
    fa ny omaly sy miova ihany , hanao inona eo anefa ny SADC izay efa voavidy ka matoa koa lalaoviny ohatra
    izany dia efa fantany fa tsy afaka hanao inona eo fa efa lasany ambongadiny.Dia izay izany!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *