RAZAFIMANANTSOA HANITRA : TSY HAMELANTSIKA IZAY TOMPONANDRAIKITRA TAMIN’IRENY ZAVA-NITRANGA TENY IVATO IRENY

MyDago.com-Magro 29 Jul 12 (47)

Nanao tatitra momba ny zavanitranga teny Ivato omaly tamin’ny vahoakamaro be izay tonga teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Nambarany fa rehefa nahazo antso avy amin’ny filoha Ravalomanana izahay fa ho avy i Neny ary eny ambony fiaramanidina dia nankeny Ivato.Tsy hifanomezantsiny hoy izy fa olona vitsivitsy no nitsena azy teny. Tamin’ny fahatongavany voalohany dia nilaza ny fat fa notabatabaina sy niantso olona isika. Noho ny fankatoavana ny tenin’ny filoha hoy izy dia vitsivitsy no teny.Nahita ny vadin’ny filoha izahay ary natao ny formalité rehetra teo amin’ny polisy. Vita soamantsara izany dia nasaina niandry tao amin’ny salon izahay. Ny zavadehibe hoy Me Hanitra dia efa tafapetraka teto Madagasikara ny tongotry Ravalomanana Lalao. Dikan’izany tsy vitany ny nanakanana ny fiaramanidina. Tsy nitsahatra naneno anefa ny telefonina hoy izy nandritra izany. Iny olona iny raha nandray baiko dia avy amin’ny ilaikely, izay mbola fanapahan-kevitr’olon-tokana ihany. Nanambara i Me Hanitra fa ny vehivavy dia manana ny arana nomen’ny raiamandreniny azy ary rehefa manambady ara-dalàna izy dia afaka mitondra ny anaram-badiny. Izany Andriamisa Mamy izany hoy izy no niresaka tamin’ny Lalao Ravalomanana ao anatin’ny direction teritoire. Io no nisintona ny vadin’ny Josoa, ary nanositosika an’i Lalao. Misy fepetra hoy izy ny fanaovana fisavana eny amin’ny seranam-piaramanidina. Tsy azo ampiharina ireny teny Ivato ireny fa azo toriana izy ireo.Zavatra efatra samihafa no nitranga omaly, ka ny lalàna vao navoakany dia ampiharina amin’izy ireo rehefa isika no eo amin’ny manaraka. Matoa tany Seychelle hoy ity mpanao politika ity, dia olon-dehibe  fa tsy zazakely mihinana biberon. Zavatra tsy natao rehetra hoy izy no nataon’ny fat dia ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, fanosehana sy fanalana ny anaran’ny olona, kanefa ny olona rehetra dia manana zo amin’izany.Tsy hamelantsika hoy Me Hanitra ny olona tomponandraikitra tamin’iny. Raha maninomaninona i Lalao Ravalomanana dia tsy hamelanay ianareo. Izahay rehetra (ankolafy ravalomanana) ao anatin’ny rafitra dia manameloka ureny zavanitranga ireny. Rha ny sitraponay hoy izy dia fepetra henjana no raisinay fa mbola hifampidinika amin’ny filoha Ravalomanana izahay fa efa tsy zaka intsony ireny. Nanafatra ny vahoaka mpomba azy ny Ankolafy Ravalomanana mba samy hijery ny sms manomboka izao fa misy ny toromarika vaovao omena.

24 pensées sur “RAZAFIMANANTSOA HANITRA : TSY HAMELANTSIKA IZAY TOMPONANDRAIKITRA TAMIN’IRENY ZAVA-NITRANGA TENY IVATO IRENY”

  1. Ka i andry rajoelina anie, zaza mbola mihinanan ny biberon´i ratsirahonanan no mbola mitondra salakan´ny frantsay , tsy afa- tay am-body

  2. Aza be konetaka oà fa mbola ho ela ny hisotronareo ny urine nareo!!!LA TERRE EST PETITY ozy le tarak’osy etsy ambony io,

    Hodiana adino angà ireo marobe maty reny (tena reny niteraka) maty ray (tena ray niteraka) (maty mpiray tampo)teo anelanelan’ny taona 2002 sy 2009???????? ,
    tsy navelan’i RAOSY MAINTY niditra teto an-tanindrazana ireny olona ireny nanatrika farany ny nofomangatsika ireo havany.
    (Izany tena hoe, ray sy reny tena niteraka) fa tsy sahala @ raosy mainty fatsora menakavy

    Tao koa ny olona saika hirotsaka ho fidina filoham-pirenena tamin’ny 2007 fa nosakanana tsy hiditra teto Madagascar, nakatona amam-bolana ny seranam-piaramanidina tao Ambalamanasa Toamasina mba tsy hidiranireny olona ho candidat filoham-pirenana ireny tamin’ny fotoana nanjakazakan’ilay mpivaro-dronono masiso!!!

    Dia nihevitra azy tsy ho tratran’ny aloka tokoa moa izato raosy mainty mpilalao sikidy sy vehivavy tamin’ny fotoana niandrianany tao andapa, ka dia nanao izay nampahory ny hafa mintsy

    Dia nihevitra ny ho afa maina tokoa angà i takàka tamin’ireny raharaha maloto ireny izay mifanipaka amin’ny soa toavin’ny malagasy????

    Tsy tody anefa tokoa anefa izy fa ny mangidy nampisotroiny ireo olona nandritran’ny fitotaona ihany no niverenany sotroina! tany masina tokoa io oà! dia samia ho ela velona,

  3. Aza ny anarana « ANDRIANAMPOINIMERINA » azafady ampiasaina raha toa ka firediredena no entina manoloana izao fangirifiriana manjò ny Mpiray tanindrazana aminao izao.
    Fanompàna tsotr’izao an’io OLO-MANGA malagasy io izao ataonao izao,sa tsy takatrao akory izany?

  4. Ny pseudo dia efa mampisahotaka an’lisany, lisany oà efa resy!!! lisany anié no nampiditra kolotsaina bulgare teto antanàna teto e! koa zakao ao am-po mangina rankizy!

    Ampatsiahivoko kely aloha le fanonganampanjakana tamin’ny 22 febroary 2002 sao hodiana adinodino ndray? miampy ilay fanakaramana ireo milisy reservistes nosalorana anarana hoe (ZANADAMBO) sy ny nanakaramana ireo HCC nanolotra samboady teny mahamasina,

    Ary hanaromana io fanonganam-panjakana io dia naverina fanindroany indray ilay fametrahana samboady ny faha 6 May 2002 ihany, ao anty telovolana in2 i raosy mainty asiana haingon-akanjo tery mahamasina, hita mintsy hoe tambaoax niakatra ny ville nanambola nanakaramana milisy, (ariviste)

    Mbola hiverina eo aho refaveo hampatsiahy ny tantara nigadran’i raosy maintsy t@ taona 1988 noho ny raharaha fisolokiana tao @ orinasa LA.LA.SOA.

  5. Dia lalina anie ry R.Fidy fa dia ity mpisoloky mpangalatra anarana ity indray no hitonona hanome hanatra sy tantara antsika mpanohana ny filoha voafidiny vahoaka e!
    Raha misy potipotika marina (raha ahita akory ary ianareo mpangalatra fitondrana)dia tsy ho habibina toa izao no hasetry fihetsika tony nasehon’i Rtoa Ravalomanana, malagasy tia hitsidika ny fianakaviany sy tanindrazany.
    Rehefa nano rasty dia tsy mandry ny saina, dia vao maika manao hetsika adala toy ny biby ary na ny biby aza manan-tsaina kokoa noho izay nanomeny hevi-dratsy sy ny mpanantanteraka izany teo Ivato.
    Be ny asa miandry antsika ka avelao hivovoha eo ry mpisoloky sy ny forongony.

  6. Lalina koa izato ianao ry Maitre Hanitra ! Maninona no takonana solomaso ny masonao !
    Aza manao solomaso oa rehefa mikabary !

    Ianao sy Atoa Rakotoarivelo ihany no mahavita azy, satria ianareo ihany no atokisan’ny Filoha Ravalomanana.

    Ho tafita soa anie ny tolona tarihinareo. Aoka hikorontana izay te-hikorontana fa ny taonareo no mandina e!

    Hay va re ka au courant ry Beriziky sy Pierrot Botozaza fa ho avy i Neny e ?!!!

    Ny dikan’izany ve tsy hoe : efa eo an-tanan’ny miaramila VOAVIDY sy ny AV7 ny fitondràna HAT ?
    Mbola misaotra anao ihany Maitre Razafimanantsoa nitondra izao scandale izao eo anivon’ny SADC – ny USA – Ny UE sy ny Ambassade rehetra !

    Il faut constater l’hypocrisie de Jean Christophe Belliard qui ne pipe mot sur cette affaire. Tsssss !!!!!! Nos malheurs ne peuvent venir que de par là : la Francafrique.
    Le hic c’est qu’il faut admettre que F.Hollande perpetue la Francafrique, avec l’arrivée de Jean Christophe Belliard : le pire des elements de la Francafrique.

    Mitandrema ihany fa be ny mpanome poizina sy ny mpialona ! Izany e ?!!! 😉

  7. Iza fa tsy Kotozafy ihany anie no Lėkisisy e!!i Rabe .V ihany io fa
    aiza koa ary ianareo izany????Efa mivika ny foza!!!

    Ny zavatra tsindriako mafy eto fotsiny dia tsy nisy afaka ve MIJORO ho nanohitra ireny zavatra tsy
    ARA-DALANA ireny teny IVATO?????olona tao anatin’ny fanjakana no teny sady ankolafy R8 ???
    ianao M.Hanitra mpisolovava ambony eto @ tany sy ny fanjakana, fa amiko to hamaivaninareo @’
    ity tantara-valamaty eto fotsiny ilay AIN’i NENY????azafady Njara fa tsy manohitra anao aho fa kosa
    mba apetrako eo @ toeran’i Neny lalao ianao hoe : mety aminao ve ny tsy nandraisana fepetra t@’
    ireny zavatra niseho teny Ivato ireny nefa TENY DAHOLO RY ZAREO IREO ? na minisitra na CT
    tsy haiko koa CST sns nahoana ireo PÔLISY no afaka nitondra azy hatrany BANGKOK nefa tsy mba
    nisy solon-tena na dia iray aza tamin’ireo Ankolafy mba nana-pakevitra ny hanaraka azy satria tsy hay
    mihintsy ny tetika ratsy hanaovany an’i Neny any,( Sady mitomany aho manoratra izao an!)
    Tsy rariny loatra! tsy te hieritreritra izay mahazo azy any aho ary tsy olon’olom-poana iny, fantatry ny
    maro tsara izany!!!

  8. Tsy mankahala na manome tsiny an’iza na iza aho fa kosa MALAHELO!!
    Dia efa hita teo @’izay ny fihetsika tsy rariny nataon’ireto pôlisy azy mianaka
    koa maika fa any @’ tsy hita maso any????mba azonareo an-tsaina ve izany????na hitantara valamaty
    eo aza ianareo ataoko fa tsy hampiova n’inon’inona ary efa VITANY NY NATAONY fa na tsy matiny izao
    aza i Neny mety ho vonoiny miadana rehefa tsy manaiky izay FITAKIANA Hataony aminy any …………
    (aoka izay fa sao izaho no ho maty alohany eto @ alaheloko azy.)

  9. NY tompon’andraikitra dia Rajolely, na inona na inona ataon’ny olona eo ambany fifehezany dia izy no sefo tompona’andraikitra.
    Mamerina ihany sao mba misy fiantraikany, taratasy mangataka fihaonana amin’io rajolely io, ho an’ny lehiben’ny syndicat professionnel rehetra, lehiben’ny association rehetra tsy akanavaka, ny tsirairay dia mandefa solotena :
    Tompoko,
    Izahay solotena manao sonia etsy ambany dia mangataka hiaona amin’ny maha filohan’ny tetezamita;
    Ny antony, tsy lavorary ny fianam-pirenena, tsy lavorary ny fiainam-bahoaka, be ny mahantra, be no tsy an’asa tokony hiasa, be ny loza mitatatao noho ny vidim-piainana, eo ny nandany erimpo nianatra, tsy misy fanadinana, eo ny mandany erimpo miasa , ny karama vary masaka, eo ny tys miasa lasa mandroba, eo ny ny olona miha misy kely, mitsipona fako , ny havoretrana, ny loto ny aretina, ny saina vetaveta.
    Izahay ireto misolotena ny vahoaka tapenam-bava amin’ny lacrymogène, dia tsy manao poilitika ary nangataka na nokaramaina tamin’ny vola tsy fanta-pihaviana, mangataka hiahaona hiresaka amin’ny maha_malagasy anay, satria nalaina ny fahefana fa toa hoe mahavita zavatra lavitra noho ny filoha voafidim-bahoaka.
    Rehefa mandeha ny andro, mandeha ny taona dia tsapa ny be sy ny maro fa mikororoso mivarina an-kady ny zava-drehetra.
    ITy fangatahana fihaonana ity dia fomba madio hahenona raha mety sy mahavita marina ny olona rehetra manana fahefana mandidy amin’izao fotoana izao.
    Koa tonga hihaino izahay sao tsy mitovy ny fijery ny zavatra mahasoa sy ny maharatsy.
    Ity taratasy ity, dia tsy misy resaka politika, fa kosa nalefanay amin’ny mpanao gazety eran-tany, ny ambassades sy ny filoha ny firenena izay nanampy an’i Madagascar hatramin’izay.
    Ny antony ny fanaparitahana dia fomba hisehoana fa tsy mpangataka na mpamono olona, na mpangalatra ny vahoaka malagasy. Izay te hanampy dia manampy fa kosa ny malagasy olona tia asa, tia fihavanana ary olona manaja ny zon’olona.
    Manantena valiny.
    Sonia n’ny mpitarika rehetra

  10. hahahaha!!!!!!!!!!Mbola aiza no ahazo anireto osy mainty sy ny taranany reto e! efa resy! (fomban’ny kivah ny mivovo fa izahay manohy ny dianay sy mandroso hatrany miaraka amin’ny Filoham-pirenena, Filoha faratampon’ny Foloalindahy Andry Nirina RAJOELINA.Inty ny mail-ko ze mitady : cobragasy@hotmail.fr

  11. Violences à Madagascar janvier 2009 Tananarive incendie
    http://www.youtube.com/watch?v=gfszz8cPPBc&feature=results_main&playnext=1&list=PL1892B8FE9814E1EB
    Uploaded by ginkos23 on Jan 29, 2009

    Madagascar – Les militaires tabbasent un passant (23 avril 2009)
    http://www.youtube.com/watch?v=tyQX9t4ptKc
    Uploaded by theloveofmada on Apr 23, 2009

    Madagascar – Les militaires traquent et tirent sur les pro Ravalomanana (23 avril 2009)
    http://www.youtube.com/watch?v=X_OLhTcIurY
    Uploaded by theloveofmada on Apr 24, 2009

    HAT et Commandant Charles – Madagascar (vol5)
    http://www.youtube.com/watch?v=obsq2yMgTRY
    Uploaded by tmravo on Jul 19, 2009

    Raha tena anao ianareo ry HANITRA Razafimanantsoa sy ry GTT any andafy, atambaro ary anovy dossier DVD sy taratasy ny toa ireo eo ambony ireo rehefa, marobe any aminy Aterineto any, ho temoins ny crime ny TGV sy ny fozany.

    Rehefa anao plaintes, alefaso any aminy “The International Criminal Court” (commonly referred to as the ICC or ICCt, is a permanent tribunal to prosecute individuals for genocide, crimes against humanity, war crimes, and the crime of aggression.)

    Rehefa ny olon-tsotra manampy anareo no maratra sy maty, tsy misy fitoriana na fitarainana be, maty maty toa ireny alike ireny.

    Fa rehefa ny fianakaviany filoha-nareo no voa kely, milaza ianareo hoe “TSY HAMELANTSIKA IZAY TOMPONANDRAIKITRA TAMIN’IRENY ZAVA-NITRANGA TENY IVATO IRENY” (RAZAFIMANANTSOA HANITRA). Izay ny tsy itokisan’ny maro anareo.

  12. Mampalahelo ny zava-niseho fa calme fotsiny ianao Ranavalona.
    Ianao anie raha manoratra hoe « Ikala Naika », toa tsy nisy taitra e !!!? 🙂

    Na misy hanome tsiny aza moa malalaka ny olona hanoratra ny tiany soratana.
    Toy ny fangathana…hihaona amin’i Domelina. sy ny ny hoe UA ue ci ka maninona koa no tsy hoe wc ???
    Tsy misy taitra . hi hi . Ny ahy raha Claudia sy Joetke tsy mahataitra ahy, fa manao izay tiany atao izy. Tsy misy olana. Rehefa leo miala toy ny ho ataoko fa mahamenatra tokoa ny fihetsika eto. Tsy ny zava-miseho ihany. Manome rariny an’i Bogor ihany aho INDRAINDRAY; tOA SAMY MAZANA DAHOLO IANAREO ARY NY ANAREO IHANY NO MARINA, FA an-koatra dia izay dia maivana.

    Toa an’i B.Ramahefarisoa dia tapa-kevitra aho hiala kely eto amin’ity forum ity fa tsssss.
    Mahavità be ary an !!! 😉

  13. Aiza izy izany ê ?

    Nisintaka naka saina Ingahy lazainao io fa menatra amin’ny zava-misy hoe !
    Marina aloha fa efa lasa resaka be na ilay MyDago aza, amin’ireto « foza iray arona » mandoto rivotra ato « ireto » ê ! Fa izao fotsiny ihany, mba hainoy kely ny hafatra ry akama â !

  14. fampisehoan alamaody eny magro ndray ampitso hariva e!ny tena milionera ny sasany miaritra hatsiaka!ataovy ry hanitsa fa tsy tonga saina e

  15. aux dernières nouvelles,la sadc condamne l’expulsion de mme lalao ravalomanana et sa bru;voir le site MOOV du 29 juillet 2012 à 11h30; on attendait ça;on aaaaaa gagnééé
    11:34 – 29/07/12
    La SADC condamne la tentative de retour de Lalao Ravalomanana et déclare que ce retour n’est pas en tandem avec l’esprit des négociations en cours

  16. Azafady raha manao izay mahatezitra anao aho ry Njara,
    tena miala tsiny !!mifona mafy aho !!indrindra raha ilay resaka
    Fanoratra , hitandrina aho @ sisa, indraindray koa aho mba mivazivazy fa aza dia raisina ho tena
    izy foana, sady tsy hitanao fa tsy dia misy lanjany noho ity loza MISEHO( fa tsy mananontanona intsony)
    ve izay fomba fanoratra sendra MBA………..mbola msy zavatra RATSY lavitra Njara tokony ho jerena akaiky a!
    raha izay hevitra tsy mitovy no mahatezitra anao tsy maninona fa ny tanindrazana aza ariana e!!tohizo ny ezaka
    efa vitanao sy nataonao ho an’i tanindrazana , dia aza mora tonga fofona toy izao moa e!!!hifonana rė a!!

  17. RESA BE NY ANAO ATRAMIN IZAO .
    FITIAVAN TANINDRAZANA TOMPOKO DIA NY FAMARANANA NY KRIZY @ FOMBA REHETRA .
    NY RESAKA LALANA DIA EFA NOTSAHIN I RAJOELINA ANY AMPALADIANY NA …ANY .

  18. Mba hampandeha ny resaka fifampaherezana eto dia ampahatsiahiviko hatrany fa tokony tsy ho valiana sy asiana resaka akory ireo foza miditra eto.

    Aleo hapoakany amin’ny vato any ny lohany fa tsy misy mandraharaha azy. Na miova anarana impiry izy na impiry, aza misy mandraharaha.

    Tsy maintsy mandresy ny tolona. Efa mandavaka ny lavaka andevenana azy i DJ.

  19. Miarahaba antsika rehetra,
    Ny OIF dia OIF! Francophone fa tsy malagasyphone… azonareo ve izany?
    Ary ny Malagasy, inona? inona moa izany?
    Aza manantena fiovàna raha tsy voavaly izay.
    Onitiana Realy, Mamy Rakotoarivelo, sns., samy nanao sy manao débat(s)-conférence(s) aty ivelany. Fa angaha aty ivelany no misy krizy?
    Dia tsy hamelana ahoana moa izany satria ny tompo’andraikitra rehetra hatramin’ny 1896 no nankaty toa mbola velona sy miriaria tsara avokoa ry zareo sy ny taranany! KA SAO DIA TSY TOKONY HITENITENY FOANA!!!
    Azo atao ny mandany rora sy andro e. Bala rora io, misotro rano dia voafahana indray!!! Fa ny asa, zavatra hafa izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *