SEMPAMA : NITOKANA NY « RUE DE LA LIBERTE »

MyDago.com-SEMPAMA 03 Jul 12 (5)

Nitokana ny « rue de la liberté  » na ny « làlan’ny fahafahana » androany ny Sendikan’ny Mpampianatra eto Madagasikara na ny SEMPAMA. Niainga teo amin’ny kianjan’ny 90 ariary teo anoloan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena izy ireo ary nizotra nahazo teo anoloan’ny lapa maitso Anosikely, ary avy nizotra nanoloana ny fitsarana ary nandalo teo anoloan’ny tranom-bokim-pirenena ary niverina teny amin’nykianjan’ny 90ariary. Anisan’ny nampiavaka ity diabe nataon’izy ireo ity ny fanatevenan’ireo solontenan’ny mpiasam-panjakana mivondrona ao amin’ny « cellule interministerielle des angents de l’Etat »  ny hetsika.Tsy nisy ny herim-pamoretana nisakana ny hetsika teny an-toerana. Nambaran’ny filohan’ny SEMPAMA andriamatoa Claude fa lainga ny filazana tao amin’ny fahitalavitra fa niaraka tamin’ireo sendika sasany sy ny ministera nanao fanambarana izy ireo mikasika ny fanemorana ny fanadinana. Ny sarin’ny SEMPAMA hoy izy no nalaina tamin’izany fa izahay tsy tonga tany. Efa nisy ny filazanay hoy hatrany izy fa tsy mahavaha ny olana ny fanemorana ny fanadinana. Nilaza ihany koa andriamatoa Claude fa lainga ny filazana fa efa niverina nampianatra ny mpampianatra any amin’iny faritry Sava iny. Ny solontenan’ny mpiasam-panjakana kosa dia nanambara fa manomboka izao izahay dia mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanohanana ny SEMPAMA. Efa voalaza nandritra ny fivoriam-be omaly hoy izy fa tsy hijanonana intsony ny fitakian’ny mpiasam-panjakana mandram-piverin’ny hasin’ny asam-panjakana. Mitohy ny tolona ho an’ireto mpampianatra mitokona ireto, ka hisy hatrany ny solontenan’ny mpiasam-panjakana hanotrona azy ireo.Tao anatin’ny filaminana no nanatontosan’ny SEMPAMA ity hetsika fitokanana ny lalan’ny fahafahana ity.

 

16 pensées sur “SEMPAMA : NITOKANA NY « RUE DE LA LIBERTE »”

  1. Mitohy ny tolona mandra-pahafaty ny afo!!!!!!!
    Dia misaora an’i Ramenabila fa noho izy no tsy nampisy ny be boty
    tao @ tanana tao.I bomba efa madio be ny tareany efa tsy misy panda intsony fa ny
    fanenjeana ny Gasy voageja ihany no mampisy iny pandany iny, dia mba manaja tena
    hono izy e!!!mazahoa izay tadiavina hono e!!izy koa efa MATEVINA BE!!!

  2. TOUT sur la forme et RIEN sur les faits.
    C’est la spécialité MALAGASY, on aime tourner autour du pot.
    Pirouetteuuu Alouettètttttttttttt

  3. Teha-lena sa maina ????

    Resaka fikarakaràna fanadinana ve izy ity ry zareo, sa TENA TOLONA HO AN’NY FANAVOTANA TANINDRAZANA Â ?

    Izay mihetsika iray, toa ho an’ny tenany ihany fa tsy ho an’ny DAHOLO BE !!!

    Raha nanao fitokonana ny rehetra ( mpiasam-panjakàna na tsy miankina, miaramila, pôlisy sy zandary, ary notohanan’ny vahoaka ), mba nampiseho ny tsy fankasitrahana izany hoe fanonganam-panjakàna izany tamin’ny 2009, tsy ho toy izao ny toe-draharaha ao amin’ny Firenena !
    Ilay gasy tena olona taraiky, tsy misaina mihintsy !! Raha zesta sy famadihana sy fisolokoina dia manan-karena izy, fa raha fisainana ho an’ny zavatra tsara tena aotra

    Aiza izao ilay hoe hetsika nokarakarain’ny mpiasam-panjakàna, ilay hoe hatomboka ny faha 2 volana jolay ?? Sa hoe mahamenatra fa misy vahiny ao an-tanàna ???

    TSSSSSSSS!!!

  4. Tananews

    Fonctionnaires : Grève générale à partir du 11 juillet !!

    Fa ahoana foana ity daty mihemotra lava ity ê ??? Tonga indray ny 11 juillet dia hoe amin’ny volana aogositra indray !!!
    Efa mba aroso ny hevitra fa amin’izao fotoana izao, no tokony anaovana an’izany fitokonana izany !

  5. Miandry saosy io no dikany!!taraiky be ialahy!ny marasily mahazo miliara eo no eo
    koa ahoana ny sasany no tsy ahazo??harena MIBANAKA be taomina @ sarety io?
    Io ilay hoe: tazomy aho fa matiko eo io an!!

  6. Ianareo Ve tsy ao anaty gouvernement ,Ri Ihanta sy ny tariny dia hanaiky izao : »L’article 6 du projet de loi sur les élections présidentielles qui stipule que « les individus condamnés définitivement et non amnistiés ne sont ni éligibles ni électeurs » ne concerne pas le Pdt Ravalomanana estime un juriste qui se réfère à la feuille de route./ La photo diffusée par l’Emmonat ne serait pas Remenabila… »

    Ianareo ve tsy Mahay lalana dia hanaiky karazana lalana toa hitony Hampitarozna ny krizy ,????

  7. Ny mpampianatra aloha mba manao izay azahoany ny saosiny,fa raha izany ijanonan’ny krizy izany dia tsy mbola ao an-dohan’ny MALAGASY REHETRA indrindra ny MERINA;
    Ny mpiasa-mpajakana izany moa dia e! e!raha tsy tonga alohan’ny 11 juillet indray hono ny saoasy dia izay vao mba hanapa-kevitra ny hanome fetra hafa indray ry zareo,asa le 20 juillet indray !!!!
    Tahak’izay efa vita ny krizy raha tamin’ny 2009 dia niara-nitokona toy izao ny TENA TIA TANINDRAZANA rehetra,mampihomehy mampalahelo ny mijery azy,marina e!ohatry ny ankizy milalao « bandy sy raola » taloha!!!!

  8. KitanaManaDrambo,
    Faly aho mahita fa mbola misy ny mitovy hevitra ka sahy maneho izany;mbola be loatra ny mihevitra ireo « fonctionaire » ireo ho olom-banona!!! tena mahafantatra membres vitsivisty ao @ hcc lazainao aho fa dang!!!mankalohilohy;ny volants-ika no iliban-dry zalahy hanaovany trano tonga dia fantatra fa tsy nisasarana!!!
    Ny miaramila moa velom-potsiny ohatry ny fonctionaire(tsy miasa raha tsy mahazo « pourboire ») dia izany hono no mitady ny fòn’ny Malagasy fa hanao grevy!!!

  9. voasambotra ny lehiben,ny paramed;tsy ho ela ny an,i besolomaso sy ilay mpangalatr,omby chef de distrika tany besalampy

  10. Mba vakio kely ny ato ranavalona, fa efa miainga any ny fihovan-javatra â !
    Tsy dia vokatry ny vavaka laotra angamba izy io, fa vokatry ny « resaka sy fanazavàna » natao tetsy sy teroa !
    « Nahazo an’izay notadiaviny i domelina » ! mbola ho avy ny an’ilay Satenie !

    Pointée du doigt par la communauté internationale, et plus particulièrement par l’UE en pleine crise financière, la France ne pourra plus « faire n’importe quoi » !

    http://www.madagascar-tribune.com/La-France-s-aligne-sur-la-SADC-et,117634.html

  11. Dia mahatoky ve sė fa marina ny voalazany eto???tsy maintsy misy ambadika sy ankolaka
    ary fiatsaram-belatsia foana io ka tsy dia HATOKISAKO loatra fa aleo eny am-pandrasana no
    mahita ny atiny.Raha izay frantsay dia tsy ho hatokisako mandrakizay fa efa be izay hita izay,fiatsaram-belatsia no betsaka
    tė haka ny fon’i Gasy indray izy HIPALANY antsika rehefa avy eo fa fantany tsara fa efa MAIMBO eto anatrehantsika izireo,
    tsy miady fa kobay akelika!!!na koa tsy haiko na ity Gazety no mamorona toy ilay resak’i Mamy R, soa aho fa nijery ilay VIDEO
    ary nihaino tsara ny voalazany, ny @’ilay resaka fifidianana sns »tsy izany mihintsy no mahamay @ »izao aloha hoy izy sns………
    Aleo tsy miteny no mety raha hampisavorovoro saimbahoaka indraindray itony gazety VOAVIDY lava itony, mampiady angely
    fotsiny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *