TSY AZO EKENA INTSONY NY FANDRIRARIRANA !

Tonga indray ny fanapahan-kevitry ny Vondroana iraisam-pirenena momba ny lalàna hivoahana amin’izao krizy efa mihatra aman-taolana izao.

Manolohana izany dia mamoaka heviny avokoa ny “gasy” mihambo ho mana-tsaina sy manan-kevitra rehetra izao.

Ny vahaolana naroson’ny Vondrona Eoropeana, araka ny efa-iaraha mahalala dia ny fihaonan’izy efatra mirahalahy mianaka mihitsy ary Eto Madagasikara no hanaovana izany.

Ny an’ny SADC indray dia ny fihaonan’izy roalahy mianaka, izay tena fototry ny olana.

Tsy misy maha-ratsy ireo hevitra roa ireo, ary azo hampifamenona izy ireo. Ny antony dia satria n ateo amin’i Zafy Albert sy Ratsiraka Didier, tamin’ny 1991, Ratsiraka Didier sy Ravalomanana Marc, tamin’ny 2002, dia samy nisy olana avokoa. Neverina fa ny fifidianana no nahavaha ny olana. Tsy izany anefa ny zava-nisy satria izy roa lahy voalohany dia anisan’ny niara-nikonokonona nanongana an’i Ravalomanana Marc, nanohana an’i Rajoelina Andry tamin’izany.

Raha izay no dinihina dia ilaina tokoa ny fihaonan’izay efatra amin’ny maha efa tomponandraikitra voalohany azy ireo teto amin’ny Firenena.

Ny olana dia ny mpanao politika, izay mañana antony manokana hisakanana izany fihaonana izany. Tsy ilaina ny mivalampatra amin’izany fa ny ao an-tsain’ny maro dia tsy maintsy hisy ary  tsy maintsy mahomby izany fiahaonana izany. Ao koa ireo manimba saina amin’ny tsy hilatsahan’izy roa lahy ho kandidà amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Ahoana moa no hanaporofoina izay tena tian’ny Malagasy raha tsy hilatsaka izy ireo. Rehefa dinihina dia matahotra ireo mandroso izany hevitra izany, satria manaiky resy tsy miady. Raha matoky tena mantsy fa tiam-bahoaka dia tsy hifendro amin’izay haroso eo. Ka tsy maintsy samy

milatsaka ho fidim-bahoaka ihany koa izany izy roa lahy.

Mitady irika ihany koa ny ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita amin’ny fandaniana ny Lalàna momba ny fifidiana ho Filoham-pirenena, Andininy 6: “tsy maazo milatsaka ho kandidà izay voaheloky ny fittsarana.” Hanilika an-dRavalomanana Marc izany. Fa mañana “légitimité” sy “légalité”ve ireto olomboatendry ireto?

Ny fanaovan-dalàna eto Madagasikara dia hikendrena hanasaziana sy hamaizana fa tsy mba everina hitaizana sy hitsinjovana ny tombotsoan’ny mpiray firenena.

Koa raha izany no tanjona, tsy meloka eo anatrehan’ny Firenena ve Rajoelina Andry tamin’ny fitsofan-drora nataony tamin’ireo olona notarihiny nandroba sy nandoro fananam-bahoaka sy fanan’’olona tsotra, 26 Janoary sy niaka-dapa, 7 Febroary 2009. Indrindra indrindra tamin’ny fanonganam-panjakana nataony, 17 Martsa 2009. Ny Vondrona iraisam-pirenena aza efa nanasazy azy sy ny namany 108. Mihevitra ve ny ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita fa hamaha ny krizy izany?

Nametraka ihany koa Rajoelina Andry fa tsy ao anaty Tondro Zotra izany fihaonana izany. Fa am-pahany firy ao amin’ireo andininy 45  moa no mihatra amin’izao fotoana izao? Ka fialàna bala ihany izany fa tahotra no betsaka. Tsy nety nihetsika teo amin’ny toerana tokony niaingany mantsy ilay TGV, mba tsy ilazàna fa nitorona mihitsy.

Ny fanotaniana mipetraka koa dia lalàna inona marina no mitondra ity Firenena ity? Lalàmpanorenenan’ny Repoblika IV, ve sa ny Tondro Zotra? Tsy maintsy matotra rehefa manendry tena ho mpitantana Firenena izany.

Ny tsapa koa dia isaky ny misytara-pahazavana kely mitsilopilopy hivoahana amin’izao krizy izao dia miala any indray ilay Jeneraly manam- pahaizana manokana amin’ny fanamboloana ka misambotra sy manao ramatahora. Matahotra inona ary iny lehilahy iny? Manampy trotraka izany ny tsy fanajana ny atao hoe”franchise universitaire”. Tarazo eto amin’ny Firenena io toe-javatra io. Efa tamin’ny Repoblika I no nisy izany nefa dia mbola tohizana ihany ankehitriny. Fampianarana avy aiza loatra? Miseho ho mpanja sy mpampihatra lalàna nefa  manao hetsika mifanohitra amin’izany.

Manome 48 ora indray ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, mitaky ny hamahana izao krizy izao. Inona no hasetrin’ny Fitondrana izany?

Mitokona daholo izay rehetra mahatsiaro fa voahitsakitsaka ny hasiny, ny zony ary ny maha-olona azy mihitsy. Manomboka mampitambatra ny heriny indray ireo mahatsapa fa tsy tafavoaka intsony ny Firenena raha tsy io fitondrana io mihitsy no miala.

Izay mahery, hono, voanjo manta fa izay osa tanalahy.

9 pensées sur “TSY AZO EKENA INTSONY NY FANDRIRARIRANA !”

  1. Dia hanao inona anefa rehefa tsy hanaiky hono???
    efa lalaovin’ny SADC efa ela isika izao koa aiza izay mba ho
    fanoherana izany fa SONIA ? ny eo tsy voavaha fa fanaovantsonia foana no betsaka, fa volan-kankafotra e!!
    vao maika aza loza.

  2. Milona be oà ny SADC,miseho ho hentitra ny sommet’ny chef d’Etat kanefa refa mi-rédiger ny Sécretariat dia misy miova na misy halatsany fotsiny zao na hiarahana @ Frantsay indray ny mi-rédiger ny texte dia eo!! lany andro sy ho fatin’ny fiandrasana ny Malagasy mahantra;;; EFA MIHETSIKA NY SENDIKA REHATRA ZAO :GREVY GENERALE MANOMBOKA NY 11 JUILLET KOA SAMIA MANAMAFY AN’IO..Miala ny foza! tsy misy afa-tsy zay.

  3. Safdy io !efa vonona ny @’izany izy matoa MIJABAKA ao.
    olona tsotra aza manao ny hataony koa maika fa LAHY BUE ireo daholo???
    na alohan’ny hidiranay ao aza izany tsy maintsy efa fantany fa LITIKA matoa mbola miditra ao.
    Na atokany mihintsy ny lehilahy sy ny vehivavy , izy samy lehilahy aza moa mifanolana ao koa
    maika fa vehivavy be izao??? tsy dia efa MITONON-tena hoe: inty aho aolano?????

  4. De hoy i « lazalazao-bebity » mijanona toa ny navalin-dry Leilis-son RAPERS t@ 2009 hoe « Amnesty International: mind your own business?!

    Tsy mampihetsika ny volomasonay izany ranon’an.

    Itony ny zava-iainan’ny malagasy ê:

    __

    Dans le vidéo ci-dessus, qui narre? Frenchy accent!

    EN VOICI DES BORDELLES QUE FRANCE fait subir à mes semblables:

    [ Public officials’ complicity in human trafficking remained a significant problem. In May 2011, one FRENCH national RESIDENT paid and procured two girls for another French national resident of Madagascar and later sold film footage of the girls engaged in sex acts. Despite public calls for the investigation of the case, authorities apprehended only one suspect whose current location cannot be confirmed. Credible reports indicate that the other suspect met with the de facto Minister of Justice, who assigned police officers to guard his residence to prevent his arrest. In remote parts of Madagascar, local authorities reportedly procured underage girls for sexual exploitation by visiting Malagasy dignitaries. Corrupt police permitted organized child prostitution rings to operate, particularly in Nosy Be. Local police generally remained hesitant to pursue child sex trafficking and child sex tourism offenses because of deep-rooted corruption, pressures from the local community, or lack of knowledge of the anti-trafficking law.]

  5. Ka hanaronany ny hataony daholo izany no mahatonga azy mody manilika
    lazaina koa fa mivaro-tena sy sns ny Auper Gasy mipetraka Allemagne nefa kay ny
    mpianatra ao france sy ny hafa tsy nisy nandray vola fanampiana efa FIRY volana izay no tsy MAINTSY MIVARO-tena
    raha te hanoy ny fianarany, sady manomboka mitsatsaka i la frantsa fa ho feno Rainiboto ny tanana fa saiky manam-bady
    rainiboto daholo ilay ankizy, tsy misy ho GAMAINA intsony, ny mpanao ratsy ihany no mahana e!!

  6. Ary sė hita mihintsy fa mpianatr’i Pata hi!hi!hi! kaka re izany diky a!!
    tsy tė hiteny ratsy aho fa bedy, Dinty indray izy raha lakaoly, izay rė ry bourgeoise ‘n Tana a!
    Vazivazy an! Kintana koa ary ao ihany ny maha- mpianatr’i Pata anareo indraindray eto hitako.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *