TSY MAHAFEHY FITONDRAM-PANJAKANA NY MPITONDRA ANKEHITRINY

IMG_4291

Amin’izao fotoana izao hoy Ravelonanaosy Mamitiana, teny amin’ny Magro Behoririka androany dia misy ny fivorian’ny parlemantera ary miniana atao. Ny lalàna mikasika ny filoham-pirenena sy ny parlemantera no laniana amin’izany. Ny zavamisy hoy izy dia ny fihaonana tsy vita, ny raharaha tsy misy fandaminana nefa ny lalàna alefa ihany. Izay rehetra izay hoy ity olomboatendry ity, no midika fa tsy mahafehy fitondram-panjakana ny mpitondra ankehitriny. Ny an’ny olona ny omby no mandeha aloha kanefa ny an-dry zareo ny sarety no mitarika ny omby.Misy olona tiana halentika indray ao hoy ny fanazavana. Matahotra ny fihaonana Rajoelina satria matahotra ny iala amin’ny sezany. Hatramin’izay nisian’io tetezamita io, hoy Mamitiana dia misy ireo olona izay tsy niala mihitsy, ka ankehitriny tonga amin’ny tsotsorimamba isarahana. Tsotra ny anay hoy izy fa hitan’ny olona any anaty « Urne » ireny ary aza matahotra ny filoha Ravalomanana tsy hilatsaka fa tsy misy krizy mivaha raha tsy izay. Misaotra ny vahoaka Malagasy hoy ity mpanao politika ity, nitaky ny fihaonana eto Antananarivo, fa izany dia mariky ny fitiavan-tanindrazana, ny sasany tsy Malagasy satria mitaky ny hanaovana izany any ivelany.

7 pensées sur “TSY MAHAFEHY FITONDRAM-PANJAKANA NY MPITONDRA ANKEHITRINY”

  1. eto antananarivo no tsara ny antony tsotra manaiky ny totonzotra VENDRANA dia io no hafantarana
    ny sisa ra atao any ivelany dia tsotra mbola bekoiny frantsay SADEC TROIKA ary ONU sy UA
    tsy misy hidirany na mouvement TGV na MOUVEMENT RAVALO
    jereo ary vakio ny artikle nolazainy MANANDAFY ary marina io

  2. Tsy misy voafehiny eto na ny fitondrana na ny jiolahiny
    nefa dia dedadedaka i Domelina rehefa nalaina sary tany New-York
    Odoy e!

  3. Aza marary fo @’izany fa nisy nanaiky azy tao matoa izy afaka niteroterona teny
    izay ataoko fa fanalikana ireto vahoaka mandady sy mitrotrongy @ tany ireto,
    Io dia tsy maintsy dradradradraiko fa tsy rariny loatra . Iza no mizaka ny taolam-be tsy mitapaka izao???
    mba aiza ny fanatanterahana ilay tondrozotra sasany???iza no manjaka @ famongorana ny HARENTSIKA???
    dia inona no vokatra azo t@’ilay SONIA???

  4. Tsy maninona na dedadedaka aza i Domelina tany New-York ka. Satria nolavin’ny SG de l’ONU ny fangatahana financement nataony. Mbola aiza anefa ny ahazo an’i Domelina e !

  5. Informative articles like this imsreps me. I think these points made are fresh and original and I agree with a lot of this content. Thank you for your great writing.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *