VEHIVAVY ANKOLAFY RAVALOMANANA : MITAKY NY HANAOVANA NY FIHAONANA ETO ANTANANARIVO

IMG_4223

Tao anatin’ny filaminana tanteraka no nanaovan’ireo vahoaka ny hetsika fanaterana taratasy teo anoloan’ny biraom-pifandraisan’ny Sadc teny Ankorondrano androany, izay notarihin’ireo mpikambana ao amin’ny  Antananarivo Renivohitra Ramatoa Clarisse. Nisaotra ny vahoaka ny solontenan’ny Sadc izay nandray ny taratasy teo anoloan’ireo vahoaka marobe, tamin’ny fanaterana taratasy. Efa voalaza ao anatin’ny taratasy hoy izy ny fitakiana ka hotanterinay any amin’ny lehiben’ny Sadc izany. Izahay hoy ireto solontenan’ny Sadc ireto dia miasa be amin’ny fandaminana ny fihaonana ary miaramiasa amin’ny Vondrona Afrikana, ny Fikambanana iraisam-pirenena. Nanambara ihany koa izy ireo fa zavadehibe ny fampiharana ny tondrozotra satria efa nifanarahana izany. Ramatoa Clarisse kosa dia nilaza fa ny antony ahatongana’izy ireo eny dia tonga eto ny Sadc ary mitaky izahay ny hanaovana ny fihaonana eto Antananarivo ary mitaky ny hanatanterahana ny tondrozotra indrindra ny andininy faha 20, fa izay ihany no vahaolana ivoahana amin’ny krizy eto amintsika. Rehefa vita ny hetsika teo Ankorondrano dia nizotra nidina an-dalambe nankeny amin’ny magro Behoririka ireo zanak’iDada izay miaraka amin’ireo filanjana sorabaventy maro be misy ny hetahetan’izy ireo. Tsy nisy aloha ireo herim-pamoretana niasakana ny lalana nolalovan’ireto zanak’iDada ireto.

16 pensées sur “VEHIVAVY ANKOLAFY RAVALOMANANA : MITAKY NY HANAOVANA NY FIHAONANA ETO ANTANANARIVO”

  1. Izaho kosa, ny faniriako, dia hatao eto Antananarivo io fihaonana io, ary tokony ho azon’ny besinimaro arahina @ haino aman-jery rehetra ny dinika rehetra ifanaovany mba ho hitan’ny vahoaka hoe : iza marina no mitady ny hampikatso ny famahana ireto olana marobe ireto

  2. Ny seho-javatra nifamahofao trto amin’ny Firenena izay nateraky ny fanonganam-panjakana ve dia nahafanina sa nahajamba Antsika ka tsy haintsika , tsy fantantsika intsony ny atsimo sy ny avaratra ?
    Toa voafehintsika intsony ny sarintsarim-pitondrana sy ny ny fanjakana marina ?
    Koa nahoana aza Isika no dia manara-drenirano fa tsy tena manohitra amin’ny fomba ara-dalàna ny fihetsika tsy mendrika nataonèdrajoelina ?
    Nihevitra ve Isika fa izay lazain-drajoelina sy izay ataony dia mifanaraka amin’ny Lalàna ,izay tsy misy ?
    Toa atrizay an-kerina ny fitondrana izay dia nasehony fa izy no mitondra , satria eo ny miaramila midaroka ireo manda ny mha-pitondra azy !
    Ary eo koa ireo mpamatsy vola an-drajoelina , vola entiny atao tamby ny fanampian’ny tafika azy.;;
    Fantatr’i rajoelina fa matahotra azy ny Malagasy noho ireo miaramila ireo..;sy noho ny fiarovan’ny frantsay azymandra-pahavita ny asa ratsy ataon’ny frantsay dia ny fandrobana ny harem-pirenentska ( bois de rose , volamena ,mercure , vatosoa..;sns,sns..);
    Misy farany ny zava-drehetra Niova ny fitondrana any Frantsa ,nihena vy vola avy any amin’ireo mpanampy ny mpanongam-panlakana.;
    Dia iny ,efa iray volana izao , rajoelina dia nitety izay olona noheveriny fa manome rariny sy sitraka azy ka hanampy azy hanantateraka ny fanonganam-panjakana !
    Dia serina ery izy nifampi,dinika tamin’ny FIRENENA mikambana ,tany amin’ny Unon Européenne izay tsy nandray azy !
    Dia io izy nampiantso ny fivoriana tsy ara-potoana nt CT sy ny CST , na dia fantany tsara fa tsy manana fahefana manao izany izany izy
    Ny praiministry , izay tsy iadidiany ,no misahana ny fitondrana an-kaobeany ,ary izany no antondian’ ny praiministry any amin’ny Union Zuropéenne mba:
    …handinika miaraka amin’ny Union Européenne ny fanampiana araèbola ,raha vao tafapetraka ny tetezamita vaovao
    …ary ny momba ny fifidianana ,izay Firenena maro sy vondrona maro no hifehy izany !
    Io fiantsony ny CT sy ny CST hivory tsy ara-potoana mba handika ny fifidianana dia tandrametaka satria ny fifidianana dia miankina amin’izay vokatry ny fihaonany amin’nyFiloha RAVALOMANANA MARC Toa sarety apetraka itarika ny omby izany !
    NY TENA MARINA DIA TAPI_DALAN-KALEHA RAJOELNA FA MANAO ASA SANDOKA SISA …MBA NO HATAO HOSOKA SAROTRA AFENINA !
    VITA RAJOELINA § NIANJERA NY MASKA… ARY IO FA MIBORIDANA ILAY MPANGALATRA !

    AVIAVIN’NY BETANIA… TAPATAPAHO FA MANIMBA NY TANY !

    N;B; : RAHA TSY METY HIHAONA NA AIZA NA NA AIZA AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC AZA ITY MPISOLOKY ITY DIA EFA VITA NY AMINY !

  3. na ny sadec sy TROIKA mbola lalaoviny frantsay satria tena marina iny artika 15 natao SARKOZY iny ary mbola mitohy
    nyntiako tenenina MAHALEOTENA marina ve SADEC momba ny zava mintranga eto MADAGASIKARA
    fanontaniana mila valiana io

  4. Efa impiry aho mba namimpy izay kely fantatra teto momba
    – infiltration militaire nataony frantsay ny SADC
    – « Total » anisany nanampy be dia be ka nahavoafidy an’i J.Zuma
    – Nisiany publicité SADC/tv frantsay…ary narahiny « invitation an’i J.Zuma taty France
    – Fandraisana koa tao Elysées an’ilay mauricien nomena toerana avy eo hisahana raharaha momba dago…sy afa koa.
    Dia ampifanindrio (recoupement)anie ny niseho e!
    Nisy mpandinika politika malaza niteny fa raha hisy karazana « coup d’état » atsy ho atsy any dago…dia mba hampisehon’i domelina fa izy no matanjaka…dia sady fanazavana ny fidirany miaramila frantsay mora foana io resaka io sy tohiny hamoretana ny mpanohitra gasy na ..pire koa aza, dia ny fandringanana fotsiny ny filoha M.Ravalomanana.
    Dia ho lava reny ny vavaka sy fampihavanana sy fampisavorivoriana ny vahoaka,@ resaka « inclusif » sy « consensuel » sy ny sisa… »Canaliser » ndry zareo @ izany ny vahoaka dia ry zareo tsy mandady intsony miditra any amintsika fa tonga dia mipetraka mora foana…ka mbola hiaraka @ frantsay foana ihany sa??? Sao misy firenena afa azo hiarahana miasa ???Satria ny hiasa irery hoe « mahaleo tena » dia resabe sy revy izany e!

  5. Izay tapaka eo dia izay no toro-hevitra avy any ambony – izany hoe : avy amin’Andriamanitra ; ka mahereza avokoa fa mbola Andriamanitra no mandidy manapaka ka tsy misy manahirana o ! anAzy ny tany sy ny lanitra sy izay rehetra eo aminy ary ny zava-drehetra miara-miasa avokoa amin’ireo izay mino Azy.

  6. ilay fihaonana anie ka nanjavona e!mila mandohalika @tgv hono vao raikitra io;tsisy antenaina koa anie io fa mba resaka ka atao;i valo anie tsy mahazo manitsaka eto ntsony hoy ny beboty ;

  7. Tena mba mirediredy koa ireto zanak’i dada ireto an! Tena mitady ny tsy misy! Tena lasa adala mihintsiny ireto marina. Izany fihaonana eto Tanà izany aloha dia tsy hisy na handeha mbanin’ny lohany aza i Kotoarivelo. Ny mety ho possible dia ny hoe mody i Valo, ampidirina eny Tsiafahy, migadra mandramaty, ary ny fihaonany amin’ny mpitsara no homanina tsara!

  8. Ary aiza ny lehilahy e!!!!manaiky matoa tsy miteny o!!!!!
    Resim-bavy daholo ireto izy !!!tssssssss !tsy mamely!!!!

    Njara!hay ialah ao ihany ???aiza e!!aiza no hatao ilay fihaonana dia mba ataovy masaka ary e!!
    Efa vacances ny mpianatra ny anay aloha fa ny hafa no tsy haiko???aleo hietsehan’i Sipa rehefa
    tsy hanao ny lehilahy e!

  9. Mitady hiala bala ny SADC fa TOKANA NY VAHAOLANA raha tena tė hanao ireo dia
    ny » FODIAN’i dada » fa mba mody miatsaraivelatsia ry zareo ny marina efa miariary efa
    hatry ny ela daholo.Soa fa teo ireo vehivavy nampahatsiahy azy ireo ny andraikiny. mankasitraka ny ny zanakavavin’i
    dada.Ho ela velona daholo TOMPOKO o!!!!ny lehilahy mamporisika fotsiny fa tsy manana finiavana akory mba hanao
    zavatra entitra.Aleo asiako mafy mihintsy fa resim-bavy daholo sady tsy menatra.

  10. Dia mampahatsiahy ahy an’i bebenay mihintsy ianao Raozy!!
    bebenay koa dia olona tena tsotra, dia ho entiny am-pahatsorana daholo
    ny zavatra rehetra ary dia niankina mafy t@ ao mbony izy, fa saingy ady ity ny antsika Raozy a!
    tsy mbola nisy toa ity hatr@ naha tany ny tany , izay aho vao nahita devoly velona toy ireto foza
    ireto, raha mbola Gasy koa ataoko fa tena tsy rariny ny fisehon-javatra toy izao, fa dia tena andevoziny
    mihintsy ireto HIRANY , dia MINIA MAMONO HERITRERITRA MAFY MIHINTSY, tena nidiran-doza
    ny firenena. Tsy maintsy miady mafy isika Raozy, mahereza ary ! homba antsika Andriamanitra e!

  11. Tsy efa ela ve nisy nihira hoe « La femme est l’avenir de l’homme » ?? Kanefa, « La femme sans l’homme n’est qu’une coquille vide (KMD)  » !!!
    Fehiny ? Kaomplemantera isika ê ! Akotry atao ao anaty laona raha tsy misy fanoto, loa ho azy fotsiny ao !!
    Noho izany aza dia mamely mafy re ranavalona â ! MDR !!! Tolona tsy maintsy atao io, ary raha nalefa ny vehivavy, sanatria tsy miafina ao ambadik’ireny Raneny ireny ny tovoloha, fa mba ho hita eo hoe sahy hikasi-tanana an’ireny ve ireto beboty !

  12. Aok’izay hoy aho, fa mba avelao Andriamanitra haka vakansy kely ! Sahiran-tsaina izy amin’ny ataon’ireto malagasy ireto satria tsy hitany intsony izay atao SATRIA SAMY ZANANY !! Iza no homeny rariny ???

  13. Ny be boty efa lasa nisambotra an’i Ramenabila dôldoly
    ho hatao sorona hanakanana an’i dada fa efa be izay maty
    izay fa mbola misisika ihany dada hody.
    Zanahary tsy miala sasatra izany ary tsy reraka no tsy mitaraina.
    Hoy bėbėnay izay hoe:  » izay pôgramanareo pôgramanareo fa ny ao ambony ihany no HERANY e! »

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *