VOT : MANAMELOKA NY HERISETRA NATAO TAMIN’ IZY MIANAKA

IMG_6374

Nanoloana ny zava- nitranga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny zoma lasa teo izay namerenana an-terisetra  ny vadin’ny Filoha Ravalomanana Marc sy ny vinantony nankany  Bangkok dia niseho lany ny fanehoan-kevitra momba izany ka naneho ny heviny ny fikambanana Vondron’olotsotra (VOT).Nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny   67ha ny maraina teo izy ireo. Nitarika izany i Sarah Zoe . Mananameloka tanteraka ireny fihetsika mamoafady izay nataon’ireo mpitondra tamin’izy mianaka  ireny ny VOT.Tokony hahatonga saina ny mpanao politika ireny zava nitranga ireny hoy izy. Navoitran’ity mpitarika ity tamin’ny tafatafany  tamin’ny mpanao gazety fa tsy misy tokony hanakanana ny fodian’i Lalao Ravalomanana mianaka  eto an-tanindrazana mihitsy satria sady tompon-tanindrazana sy manana zo hiditra eto amin’ny tanindrazany izy ireo,  ny vahiny aza avela ihiditra malalaka eto hoy izy. Hita koa hoy ny VOT fa tsy voahaja ny zon’ olombelona, tena voahitsakitsaka tanteraka tamin’ireny fihetsika nasehon’ny fitondrana  ireny . Nambaran’ity mpitarika ny VOT ity fa tsy mbola nisy namoaka fanambarana na  ny vondrona SADC, na ny filohan’ny Seychelles, milaza fa hoe nataon’ny Filoha Ravalomanana Marc sorona ny vadiny ; ary  nambaran’ny Filoha Ravalomanana Marc raha niditra nivantana tamin’ny mpomba azy tetsy amin’ny kianjan’ ny Magro Behoririka ny faran’ny herinandro lasa teo fa nifanarahana  daholo ny zavatra natao rehetra. Raha tsiahivina ny tenin’ny Filohan’ny tetezamita teny am-pahatongavana tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato taorian’ny fihaonany tamin’ny filoha Ravalomanana Marc tatsy amin’ny nosy Seychelles dia hoe «  tsy fotoana ny fampiasankery intsony izao fa fampisehoana ny fahendrena » kanefa afaka 24 ora taty aoriana dia efa niseho sahady ny fampiasan-kery izay nataon’ny fitondrana  tamin-dRamatoa Vadin’ny Filoha Ravalomanana Marc sy ny vinantony. Noho izany, mangataka amin’ny fitondrana tetezamita ireto vondron’olotsotra ireto mba hamaly iny kabarin’ny filoha Ravalomanana Marc iny raha toa ka lainga ireo voalazany ireo na tsia, matoa tsy miteny hoy ity vondrona ity dia manaiky. Nambaran’ity mpitarika ny VOT ity ihany  fa mbola hisy ny dinika izay hatao miaraka amin’ny Sadc  ny 17 aogositra ho avy izao, handinihana ny momba ny Krizy eto Madagasikara, raha toa ka tsy hisy zavatra tapaka amin’io fivoriana izay atao farany miaraka amin’ny  Sadc io, nolazainy fa hanao hetsika goavana izy ireo hanoherana izany.

5 pensées sur “VOT : MANAMELOKA NY HERISETRA NATAO TAMIN’ IZY MIANAKA”

  1. Raha izany no fanafody ahavelona tsy efa maty ilay marary??izao ve ianareo vao
    taitra??laingako izany e!!midera anareo ny ezaka hataonareo na dia tsy misy taitra aza,
    miandry mahazo daholo, tohizo ny tolona hataonareo fa mety e!!

  2. La belle-fille (Sa BRU)de Ravalomanana est une citoyenne bulgare.Les bulgares sont les amis et voisins des grecs.Or si ma mémoire est bonne, l’ambassadeur de l’UE à Madagascar est d’origine grecque.Je pense qu’il ne sera pas insensible à ce problème.Une information judiciaire doit être ouverte afin de déterminer les causes d’un tel comportement de la part d’une poignée de militaires.
    Par ailleurs, il me semble qu’à Madagascar, une assemblée pour la cause de la femme a eu lieu ces derniers jours.Cette assemblée pourrait faire un rapport sur l’évènement qui s’est passé à Ivato auprès des instances onusiennes pour dénoncer cet agissement manu-militari.

  3. Ny vehivavy dia manana fomba fijery sy fiasa afa ihany satria mitondra sy manome AINA ka hantra sy mitsimbina kokoa e!
    Jereo any ampita afa dia ny vehivavy no sahy miteny ohatra hoe « tsy hanaiky firaisana @ vadiny ry zareo » raha tsy misy fiovana ny politika.
    Na koa ohatra ny Ukrainiennes nanao hetsika, somary miboridana hoy ny mora tohina…
    Na nandefa « slip » ho any tompon’andraikitra tany firenena asiatika iray…
    FA hatrizao ny vehivavy malagasy dia « hendry » hono( ankoatry ity kala adalan’i domelina)…dia izao voaviravira izao miaraka @ lehilahy mbola tsy masahy mijoro…dia eo ihany ragalasamy, miafina ambadiky ny vavaka sy… »zekskiozy » samihafa

  4. Ka malailay kala kely koh!!@’ izay azony mora foana i Ragust, izy mbola tanora
    ny vady PELAKA, koa aiza izy no tsy hitady izay mba marimaritra hiraisana??
    ny vola misy rahateo tsy dia nanasatra???( Kofona aho!) hi!hi!hi!!!, ampisehoany mihintsy ny maha jilaka azy.

    I Madona aza efa nanipy ny Kilaotiny ( menamena kely) t@ Chirac tao Paris , t@ Chirac mbola Maire.

    Izao anie dia efa azo hitsarana ity Kala Mialy fa foza e!!!foza orana!!Faux C ! falsch! false!!!miteny hoa azy ny sary!
    ary tsy tahotra tsy henatra mihintsy an!!dia ny tena no menatra!!manalabaraka ny Gasy mihintsy, sady tsy mba fombana
    Gasy anie ilay izy e!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *