VOT : VAHAOLANA NY FIHAONANA EO AMIN-DRAVALOMANANA SY RAJOELINA

IMG_4213

Nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Nalugaru androany maraina ny Vondron’OlonTsotra na VOT. Nibahan-toerana tamin’ny tatitra ny fihaonan’ireo delegasiona 6 mianadahy  tamin’ny solontenan’ny Sadc eto amintska ny Zoma 29 Jona teo.Nambaran-dRamatoa Sarah Zoé mpitarika ny ity fikambanana ity fa nilaza ny Sadc fa  tsy nisy nandà ny fifampidinihana ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina. Tsy maintsy hisy io fihaonana io, tsy ho ela na aiza na aiza toerana anaovana izany. Efa miroso amin’ny fifampiresahana amin’ireo mpanao politika nanao sonia ny tondrozotra izy ireo ankehitriny. Nangataka ny Sadc hoy Sarah amin’ireo vondrona na antoko politika rehetra mba samy hanabe ny vahoakany amin’ny fitoniana amin’ny toerana hanaovana ny fihaonana. Tsy toy ny teo aloha intsony ny fanapahan-kevitra horaisinn’ny Sadc fa handray andraikitra amin’ny fehinkevitra hivoaka eo izy ireo. Anisan’ny nampahafantarinay ny Sadc hoy Sarah nandritra izany, ny fahasahiranana iainan’ny vahoaka Malagasy, sy ny olana miajady amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona. Aminay hoy izy dia tsy misy vahaolana ivoahana amin’ny krizy afa tsy ny fihaonana eo amin’ny Ravalomanana sy Rajoelina io.Nampitandrina ireto mpanelanelana ny VOT. mila tsiny aminareo izahay hoy Sarah fa raha mbola mitarazoka ianareo Sadc di atsy hihemotra izahay vahoaka. Vonona ihany koa izahay hoy izy handray andraikitra ka mety hiafara amin’ny fidinana an-dalambe izany. Nilaza ny tsy matahotra fisamborana sy fonja izy ireo.

6 pensées sur “VOT : VAHAOLANA NY FIHAONANA EO AMIN-DRAVALOMANANA SY RAJOELINA”

  1. io fhonana io miankina amy FRANSMAN na hamita ny manjo eto MADA izy na vody no tadiaviny fa io no olana voalohany tsy hivoahana amizao manjo any MADA izao

  2. Tsy misy fihaonana à 2 izany e! Hevitra nasesiky ny Frantsay ary ao anatin’ny planina fransafrika. Aza fahanan-dalitra amin’izany ny vahoaka ry VOT fa efa ampy izay famitahana azy izay. Ny ataon-dry Mamy aza efa maharikoriko.
    Ny fihaonana à 4 eto Antananarivo ihany no vaha olana tokony hiadiana. Tsotra be izany raha tena mitady ny fodian’ny Filoha. Ny ankoatr’izay dia fitaka tanteraka.

  3. Manohana ny hevitrao 100% aho ry Tairoary!!!mbola maro dia maro ny voafahan-dalitra an!!!
    tokony handaha an’io hatr@ farany mihintsy i dada rehefa tsy nanaiky hatr@ voalohany ny
    fihaonana MITOKANA fa tsy maintsy EO NY ANKOLAFY EFATRA VAO MANAIKY, asa koa raha ny SADC indray no mampidi-
    kizo t@’io fihaonana io ohatra ilay SONIA farany t@’iny FR iny????Ho aiza isika ity e!!!!MITOMANY MIHEMOTRA HATRANY.

  4. Raha tena tia tanindrazana marina ny ankolafy Ravalo rehetra dia tokony ho
    fanararaotana izao hiantsoana an’ireo izay nisintaka HIVERINA! hiantso azy ireo
    TSY HANAIKY RAHA tsy FIHAONAN’IZY EFATRA, dia mba sady miverina mivondrona indray satria iray no
    tanjona dia ny FANOHERANA ITY DOMELINA JIOLAHY TSY FAKA TARANAKA Ity.Toa marina mihintsy ny an’
    i namana eto fa MIADY HO AN’I TENANY DAHOLO fa tsy misy finiavana HANAVOTRA ITY TANINDRAZANA.

  5. Efa ho efa-taona izao no nofahanan-dalitra ny vahoaka ry nao â ! Hiverina hanao inona indray ???

    Tsy efa hitanareo ve fa mandeha dia mandeha ny lainga etsy sy eroa fa efa milamina ny tany, efa miasa tsara SY VOKY daholo ny vahoaka, EFA MIFANKATIA SY MIHAVANA DAHOLO NY MALAGASY, ARY NY VOLA AVY ANY AMIN’NY COMMUNAUTE INTERNATIONALE SISA NO ANDRASANA Ê ??

    AOKA IZAY NY FITOLOMANA, SATRIA EFA MANJAKA NY DEMÔKRASIA, EFA MAHAZO MILAHATRA IREO VOAVIDY, TSY MISY INTSONY NY FANENJEHANA SY NY KLIMÔZENA ; NILAY BE IHANY KOA NY FETIN’NY FANANJAHANA VAOVAO !! EFA MANDEHA TSARA NY VAROTRA VOLAMENA !!!

    QUE DEMANDE-T-IL ENCORE CE PEUPLE D ‘ABRUTIS ????

  6. Izany tokoa angamba ry Kintana???
    …..Ilay fiaramanidina maimaimpoana efa tonga indray ny faharoa !!
    Izao ilay hoe: Andriamanitra nanome fa i Balita no tsy nambinina. Nomen’Atra fahasoavana sy
    harena sns isika fa isika no toa mahalailay fonosina dia hanjakan’ny sasany fotsiny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *