AVELAO NY VAHOAKA HISAFIDY MALALAKA

IMG_0542

Mbola nanampy fanazavana tamin’ny vahoaka teny amin’ny kianajn’ny finoana Magro Behoririlka androany, ny Ct Ravelonanosy Mamitiana, mahakasika ny fifonana nataon’ny filoha Ravalomanana teo anivon’ny synodan’ny Fjkm farany teo. Nilaza hoy Mamitiana, ny gazety mpiseho isan’andro iray fa indroa nifona teo amin’ny synoda Ravalomanana. Ny antony hoy izy dia tsy ilay voalaza tamin’ny gazety ireny fa misy ny fandrindrana ny asa eo anivon’ny synoda. Fomba fahalalam-pomba hoy ity olomboantendry avy any Ankazobe ity, eo amin’ny asa izany. Rehefa tsy eo amin’ny asa intsony ianao dia mifona. Tsy misy olona tsy diso eto an-tany hoy izy, fa ny mpitondra amin’izao fotoana izao no mihevitra fa izy no marina. Mangalatra boaderozy dia marina foana. Manao fitantanana mitanila amin’ny mpiasam-panjakana dia marina ny azy. Ny antsika hoy Mamitiana, ny filoha Ravalomanana dia olona hendry ary kristianina. Amin’ny mahaolombelona no nanaovany ny fifonana fa tsy hoe fifonana eo anatrehan’ny fat. Aoka hoy ity mpanao politika ity, raisintsika amin’ny maha kristianina sy maha malagasy izany. Ankoatra izay dia nilaza ihany koa izy fa misy olona miteny any amin’ny gazety fa ni Ravalomanana, ni Rajoelina. Gaga aho hoy izy, fa iza no olona nitondra ny vahoaka teny Ambohitsorohitra.Raha tohizana ny tantara hoy izy dia mitovy amin’ny Rajoelina io olona io. Noho izany raha tena firaisam-pirenena no tadiavina dia tsy mitady zavatra am-piady, fa avelao ny vahoaka hisafidy malalaka dia ho hita eo ny tohiny.Raha tiana ny hivahan’izao krizy izao, hoy Mamitiana, dia aoka ahatsiaro tena ny mpanao politika.
Ny Cst Randrianjatovo Henri kosa dia nanambara fa raha naheno  isika tamin’ny herinandro teo dia nisy antoko nahazo filoha vaovao milaza fa manohana ny filoha Ravaloamanana. Mandehandeha any izy ireo hoy izy, ka tany Miandrivazo, niaraka tamin’ny vadin’ny depiote teo aloha. Nangataka fanazavana tamiko ny olona tany hoy Henri, satria misy Magro kely be dia be.Mazava hoy izy, fa Ruffine Tsiranana dia senatera notendrin’i dada.Noho izany dia amin’ny maha senatera azy no hidirany amin’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy mbola nisy hoy izy hatramin’izao ny fangatahan’ny antoko PSD ho ato amin’ny ankolafy, koa ahoana no ilazana fa ankolafy Ravalomanana izy ireo. Noho izany dia aoka isika tsy hosodokan’ny teny tsara lahatra ataon’ny sasany, fa mandady ny trambo. Mazava hoy Henri, ny tany Maputo fa mbola holazaina amintsika eny ihany ny tena an-tsipiriany. Isika hoy izy, dia mino fa mety amin’ny fitarihana ny tolona ny zavatra tapaka tany Maputo.

6 pensées sur “AVELAO NY VAHOAKA HISAFIDY MALALAKA”

  1. 3. La volonté du peuple est le fondement de l’autorité des pouvoirs publics ; cette volonté doit s’exprimer par des élections honnêtes qui doivent avoir lieu périodiquement, au suffrage universel égal et au vote secret ou suivant une procédure équivalente assurant la liberté du vote.(Article 21 alinéa 3 de la déclaration universelle des droits de l’homme de 10 décembre 1948)

  2. HO AN ‘ NY MALAGASY ,

    ARIO NY AHIAHY , RESEO NY TEBITEBY ? MITAFIA FINOANA ,DINIHO TSARA NY DINGANA VITA ATRI’IZAO !

    Aoka Isika tsy ho voarebirebin’ny mpanongam-panjakana amin’ny vono vorona , amin’ny resaka tsy mitombona lazainy ( manomana fifidianana , hisambotra ny Filoha-pirenena RAVALOMANANA MARC raha vao manitsaka ny Tany Malagasy.. ny fiantson’ny frantsay an-darajoelina ).Ny mpanao gazety moa dia mahay mahandro ireny lainga ireny satria tskaritr’izy ireo fa misy Malagasy na vory saina aza dia mandray izany toa ny vaovao marina ,tsy azo modiana tsy ita..

    Misy fahefana azo antoka manome Antsika ny marina ,tsy manana tombo-barotra na iraimbilanja aza hanafenana ny marina ary hamafazana lainga dia ny Filoha-pirenena RAVALOMANANA MARC sy ny SADC..
    Ny mpanongam-panjakana dia lany lainga , ka mitady hanodikodina ny fahamarinana dia nyfampiarana ny feuille de rote intégrale ary ny fametrahana ny tetezamita vaovao

    SA KOSA MISY AMINTSIKA TSY MNO IZANY ARY TSY RESY LAHATRA FA VITA TEO NY TETEZAMITA NAMPIASAIN ‘ NY FITONDRANA FRANTSAY TALOHAN’NY 15 MAI 2012 !

    MISY TSY MINO SY TSY MAHATOKY NY FANAPAHA-KEVITRY NY VONDRONA SADC TANY MAPUTO NY 18 AOUT 2012 VE IANAREO ? MISY VE TSY MAHATOKY NY TENY NATAON’NY FILOHA-PIRENENA RAVALMANANA MARC INDROA NISESY IZAY ?

    Iaraha-mahalala satria niaraha-niaina ny telo taona sy tapany y fahasahiranana nateraky ny fanonganam-panjakana.

    Tsy sanatria manadino ny seho-javatra nisy sy ny vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika ery fantantsika fa niezaka ireo niezaka ny fitandrovana ny fiandrianm-pirenena sy ny tombotsoantsika mba tsy ho trotra sy rpvitra …

    Be ireo tsy tia ay tsy mankasitraka ny fandraisan’ny SADC ny totalin’ny andraikitra mikasika izany fiarovana ny fiandrianana sy ny tombotsoa ny Malagasy.

    Ny Tantarantsika dia mampiseho ny tsy fisian’ny fitokisana eo amin’ny samy Isika noho ny fiheverantsika fa fa ny tenantsika tsiraray dia mahavita sy mahefa koa tsy mila olon-kafa hitondra ny fanampiany !

    Eo koa ny fanambonian-tena , ny fiheverana ny tena ho zavatra ,ka nahatonga ny sasany hihambo fa izy irery sy ny namany ihany no mahasehaka , no sahy , no havanana hisava ny fakan’ny olana ary hahay ny fandravonana izany !

    Mifanohitra be amin’ny fahendren’ny Malagasy sy fiaraha-monina eo amin’ny samy Malagasy izany fiheverana ny tena ho zavatyra , o fatratra..

    Ny fahendrena sy ny ny fanetren-tena , ny fifanajana ny olona sy ny heviny ary ny fitandrohana ny marina sy fandalana ny fahamarinana no fototry ny fiara-monintsika sy miaro ny fahaizantsika miara -miaina !

    Ny hevi-dehibe mifehy ny fitempon’ny fon’ny Malagasy miray nina , miray filamatra , miray lalàna ary miara-mivelona eto ain’ity Nosy ity dia ny teny ifampierana ..tsy misy mihambo ho avo toerana , avo fisainana oho ny Rehetra…

    Mitovy tantana Isika ,tsy misy avo tsy misy isika ary izany no tsy maintsy hilana ny loha-bary an-dasy , hilàna ny resaka mazava eo ambony latabatra ,hilàna ny adi-hevitra izay isavorvoriana…ary izany fitadavana ny marimaritra hiraisana dia tsy maintsy miafar amin’ny teny nifampy ierana jzany !

    Ary rehefa nekena ny teny nierana dia milamina ny fiaraha-monina , ka manaraka sy manaja izany teny nierana ny

    Mpiara-monina

    Mbola manana izany finihavana izany ve Isika ankehitriny Vonona ny hanaraka sy hampiasa izany fitadiavana ny teny ifampierana ve Isika sa hanaiky ireo manao bodongerona sy mitady hanao botolo ,ka mihevitra hampiatra ny didi-jadona sy ny fanjakan’i baroa ?

    Tao aorian’ny fanonganam-panjakana , dia heveriko fa tsy Malagasy hanaiky ny tenin’ireo milaza azy fa matanjaka , manam-pahefana satria mirongo basy , satria manana mpanohina any ivelan’ny Firenena ( na frantsay , na karana na malagasy mirehareha satria nitondra ny fanjakana reo aloha ..)

    Isika koa dia mino ny vono vorona ataon’ireo nanongam-panjaka ireo :

    –tsy mino aho fa manampy azy ireo ny fitondrana frantsay ankehitriny ,

    –tsy fantatro tsara izay kononkonon-dRatsiraka izay tsy miteny fa miandry iangaviana angamba ,inona ny hevitr’i Zafy izay tsy mivolana ,indrindra amin’izao fotoana mitondrana fanantenana ho eo amin’ny filaminana sy fandriampahalemana ary indrindra manomana ny sain’ny Malagasy hiatrika ny fifidianana izay any fotoana hafahan’ny Malagasy mandray ny fitenenana , milaza ny heviny ary maneho ny safidiny amin’ny fanendreny LEHILAHY NA VEHIVAVY,? IZAY FANTANY FA MENDRIKA , FA VONONA , FA KINGA SAINA SY HAHAY HITANTNA SY HAMPANDROSO NY FIRENENA ARY HANATSARA SY HANASOA NY FIAINAN’NY MALAGASY REHETRA !

    KOA ATSAHARO RE NY MIVETSO IZAY ATAON ‘IRETO MPANONGAM-PANJAKANA SY NY MIRESAKA ISAN’ANDRO IZAY ATAON’NY FRANTSAY ,IZAY TSY MITOMBONA SATRIA TSY MINO AHO FA NY FITONDRANA FRANSAY ANKEHITRINY DIA MANAMPY AZY IREO !

    BE NY MAMORONA ARY MLAZA ATSANGA TSY AMAN’ORANA

    IREO MANIZINGIZINA FA MANOHANA NY MPANONGAM-PANJAKANA NY MPITONDRA FRANTSAY ANKEHITRINY DIA TOKONY HAMPISEHO POROFO TSY AZO LAVINA !RAHA TSY MISY POROFO DIA MANGINA ARY AVELAO NY SAIM-BAHOAKA MBA HIFANTOKA AMIN’NY FIFIDIANANA SY NY AMIN’NY TOLONA ARA-TOEKARENA SY ARA-TSOSIALY IZAY GOAVANA TOKOA

    IZANY NO FOTO-RESAKA TOKONY IMASOANA MAFY DIA MAFY AMIM-PAHENDRENA !

    MARINA FA MBOLA MIANDRY ROA VOLANA LATSAKA ISIKA VAO HIHAONA AMIN’NY FILOHA-PIRENENA RAVALOMANANA MARC MIVADY SY NY ZANANY.TELO TAONA SY TAPANY AZA ANDRINTSIKA ROA VOLANA LATSAKA VE DIA SAROTRA AMINTSIKA ?

    MARINA KOA MILA FOTOANA ISIKA MBA HANAZARANTSIKA NY SAINTSIKA FA HIOVA NY FIAINANA ARY HITSAHATRA NY FAHASAHIRANTSIKA , TSY MAINTSY MANKAHERY NY SAINTSIKA ? NY FONTSINA ? NY VANATANTSIKA ISIKA SATRIA HIATRIKA ADY TSARA SY MAFY ISIKA !

    MARO ARY LEHIBE NY BAINGA HO HAVADINTSIKA !

    MAHEREZA , SAHIA ARY AZA KIVY SY MIFALIA FA NIVALY NY VAVAKA NATAONTSIKA

  3. Efa hatrany amboalohany aho no niteny hoe: raha nisy zavatra iray tsy hain’i Dada no namehy azy dia ny resaka comm.Nisy tokony ireo miaramila niandry fankasitrahana nisinisy tamin’ny androny, nisy koa olona niasa tamin’ny vanim-potoana voaroaka noho ny antony samihafa:tsy fahaizana, manao risoriso, tsy mahavita ny asa ara-potoana etc dia tonga ny sazy ary mety nivatravatra ilay filazana azy ho an’ny sasany(araho ny fijeriko)dia lasa vatomafana tsy « lanin’ny vavony » ilay izy rehefa avy eo.
    Fa azafady fa amiko tsy misy filazana mihintsy tany amin’ny AV7 izy no nanao azafady satria mbola tsy voaporofo hatramin’izao ara fomba ofisialy hoe: avy aiza ny bala nahafaty an’ireo maty tamin’ny andro 7 Febroary 2009, mbola sihosiho-dresaka aloha nohaino hatramin’izao ary amin’ny maha-staziera antsika mianakavy eo amin’ny fiainana dia fantantsika fa ny fikarohana ara-balistika ihany no hahafahana manarina izany.
    Tsy azo adino koa ny tranga tamin’ny 26 janoary.Aoka etsy hoy Simon Randria izay.
    Ka tokony hikombona aloha ny vavan’i Lanto Rakotomavo.

  4. IZA FATRA MPANENJIKA NO MAHANA SY MANANA HELOKA AFENINA !

    Isika Malagasy dia mahatakatra tsara ary mahatsiaro tena fa tsy tanteraka Isika eo amin’ny fiarahantsika monina , eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa , eo amin’ny ffifanajana : koa tsy mandala ny fahalalam-pomba ary tsy miahy intsony ny fomba amam-panao eo amin’izany fiaraha-monina izany na ao anatin’ny fianakaviana izany !

    Misy Amintsika no mihevitra fa mariky ny fahafahana izany..

    Ao amin’ny rafitry ny fiaraha-monina dia tsy misy fahafahana: mila faamendrehana ny fanomezana izany Tsy angatahina ny fahafahana00ary tsy vidiana koa tsy doka na loka ny fanomezam-pahafahana .

    Tsy misy tanteraka Isika fa misy idro kely eo amin’ny fitondran-tena , eo amin’ny fifandraisana amin’ny sasany , eo amin’ny fisainana izay tsy haintsika ny mandanjalanja ny teny tenenna , ka maiteraka ny atao hoe teny tsy ambina…na teny tsy voahevitra tsara…ary raha miso izany dia hoy ny mpihaino na mpamay hoe ;tsy aleove nangina.Ny mangina volamena izany hoe sarobidy satria tsy miteraka fanafitohinana ary tsy mampikorontana ny fahatoniana ny iaraha-monina na ny ny fianakaviana !

    Izany tsy fahombiazana izany no lasa tsiny na fondro ka tsy maintsy hialana sy handosirana satria mavesatra ny tsiny sy ny fondro ary toa ny avelon’ny egyptianina izy io izay atao hoe « djinn »ka eny manodidina ny olombelona ary mamatotra azy ka tsy mamela ny olombelona hivelatra na hivalapatra amin’ny fahazoana miteny na manao zvatra na hanntanteraka ny vinavina nokasaina .

    Dia izay no manosika ny Malagasy hiala tsiny eo amin’ny fianakaviana na e amin’ny olona vory nasaina ( mariage , fandevenana ,na fnaovam-beloma satria handeha lavitra !

    — maka zinga izay asiana rano ary koa firaaka volamena

    –dia ataon’ilay zoky olona am-bava ny rano-bolamena

    –dia io rano am-bava io no tsofiny amin’ny olona niala-tsiny satria manan-javatra

    hatao .

    Vita ny tso-drano dia nahazo fanalahidy ivohana ny sehatry ny fianakaviana na ny fiara-monina -il ou elle a obtenu la permission de quitter e cercle de fmille o les frontie ede la société au sein de aquelle il a vécu ).

    Zava-dehibe eo amn’ny fiainana izany ,ary izany no hatao hoe FAHAFAHANA…KOA MAHALEOVA,MAHALASANA ,KA LAVITRY NY RATSY REHETRA !

    Io tso-drano dia zava-maery ;

    –raha sanatria tsy tanteraka ny zavatra nkasaina dia raha mody  » an-tanindrzana ilay qlona nomena ts-drano dia raisina an-tanan-droa izy ary tsy miara-monina na havana hanraby ayhaneso azy fa tsy tsy nahefa ny zva no kendreny !

    –raha toa ka niala tsiny ,tsy nahazo tso-drano , tsy nanata-pitahiana ,ka tsy nahefa ny zavatra nokendrena , tsy tody .dia hisy mpandrabt sy ny mpaneso !

    Raha niditra teo amin’ny fotoana kristianina Isika dia notohizan’ny Malagasy io fialan-tsiny io : tsiny izay zkan’ny teo aloha…

    Amin’ny fivavahana kristianina dia tsy tanteraka ny plpmbelona na kristianina izy na tsia ,satria nandova ny fahotana natao ireo olona teo alohany dia iAdama sy i Eva .

    Ary Andriamanira dia niezaka nanala izany heloka nolovana izany ary ny leibe amin’izny ezk nataon’ANDRIAMANIR IZNY DIA ONOMZENY NY ZANANY LAHY TOKAN NOVONOINA TEO AMIN’NY HAZO FIJALIANA ;NY RAN’I KRSITY NO NANADIOVANA NY ZANAK’OLOMBELONA ? IZAY NOMENA FAHAFAHANA (grâce),KOA NA MANOTA AZA NY ZANAK’OLOMBELONA DIA VOADIO .

    IZANY NO FAHAFAHANA NOMEN’ANDRIAMANITRA ANTSIKA ,KOA TSY MANERY ANTSIKA ANDRIAMANITRA HANAO NY SITRAPONY FA

    ANDRIKINTSIKA NY MANATONA AZY !FAHAHANA LEHIBE IZANY;

    NY FANAONANA AN’ANDRIAMANITRA SY NY FANGATAHANA NY FAMINDRAM-PONY DIA TSY MAINTSY HIALOHAVAN ‘NY FIFONANA ( VAKIO NY VAVALA NAMPIANARIN’I KRISTY JESOSY )..

    NY FIALAN-TSINY SY NY FIFONANA DIA FANEKENA FA TSY TANTERAKA ISIKA OLOMBELONA KA MILA FAMELAN-KELOKA MBA HO MENDRIKA NY FITIAVN’ANDRIAMANITRA (VAVAKA FIFONANA IZAY ATAO MATETIKA AO ANTIN’ NY ANDRO IRAY )ARY NY TSODRANO DIA
    MANAFAKA ANTSIKA NAHAZO IZANY AMIN’NY VESATRY NY TSINY !

    Novakiako ary henoko ireo tsikera tsy mitombona ,tsy misy fotony , mikasikanatao ny teny nentin’ny Filoha-pirenena RAVALOMANANA MARC tamin’ny resaka nataony ny asabotsy

    18 août 2012 (raha tsy diso ny fitatadiako)!

    Malagasy mandala ny fahendrena s ny fomba amam-panao malagasy , ary koa manaraka ny finoana kristianna !

    Ary aoka tsy ataontsika modiana tsy fantatr fa mpanompon’ANDRIAMANITRA izy no manompo ny Fireneny noho ny Fitiavany ny Mpiray Tanindrazana aminy ary aseho amin’ny Rehetra fa tsy myfanohitra ny Fitiavany an’ANDRIAMANITRA sy ny Fitiavany ny Olombeona .

    Samy hajainy sy omeny ny lanja sahaza zy roroa ireo

    Ataony aoana oa no hiambo ho tia sy ho mpanompon’ANDRIAMANITRA IZAY TSY ITA MASO RAHA TOA KA TSY TIA SY TSY MANOMPO NY OLOMBELONA MIARA-MIANA AMINY IZY !

    KOA NY FANANGATAHANY FAMELAN-KELOKA -RAHA TAHIANY FA TSY NITANDRINA NY TENIN’ANDRIAMANITRA IZY DIA 3 NY FINOANA? NY FITIAVANA ARY NY FANANTENANA ARY NY FITIAVANA NO LEHIBE AMIN’IZY TELO IREO « (hivereno vakana ny KORTIANINA VOALONY TOKO FAHA-13 ARY ANDININY FAHA-13).

    NY TSIKERA NATAO MIKASIKA NY TENY HENDRY SY MAFONJA NENTIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC TAMIN’NY RESAKA TAO AMIN’NY VAHOAKA MIVORY TAO MAGRO SY NY FAMIRAVIRANA NY FILOHA-PIRENENA TAMIN’NY ALALAN ‘NY FAMOABOASANA NY TENINY DIA MANAMPOROFO FA TSY MAHALALA , FA TSY MAHATAKATRA NY HALEHIBEN’INY TENY INY SY NY VOTOATIN’IZANY TENY IZANY IREO MPANARATSY .TSY EKENA .

    MATOA NY FILOHA-PIRENENA NIALA TSINY SY NIFONA DIA IARAHA-MAHALALA FA TAKIAN ‘NY MALAGASY NY FANDRAISANY ANJARA ain’NY FIFIDIANANA HO AVY !KOA NOHEVERINY FA TSARA NY HAFANTARAN’ NY MALAGASY NY MOMBA AZY EO AMIN’NY LAFIN’NY FIAINANA REHETRA ARY NY TIANY HO LAZAINA AMIN’NY MALAGASY DIA MAZAVA : »

     » RAHA TOA KA TSY MENDRIKA NY HILATSAKA HO FIDIANA AMIN’NY FIFIDIANANA MANARAKA SATRIA TSY MIZAKA NY ZOKO MAHA OLOM-PIRENENA MALAGASY AHY DIA NOLAZAIKO ANAREO IZANY .FA RAHA MISY TSINY OMENAREO NA HELOKA NATAOKO DIA HIFONAKO IZANY ! »

    TSY MISY IFANDRAISANA AMIN ‘NY HELOKA BE-VAVA TOA NY FANONGANAM-PANJAKANA IZANY , IZAY NOTORIANA EO AMIN’NY TPI !

    ARY IZA MOA IZY IREO NO SAHY MITSARA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC SY NY TENY NENTINY !

    TSOTRA ANIE NY TOKONY ATAON’IRETO MANANA FO LENTIKA IRETO DIA NY MITORY ENY AMIN’NY FITSARANA RAHA TOA KA MISY HELOKA NATAON’NY FILOHA RVALOMANANA MARC § TSY HO SAROTRA AMIN’NY MPIARO NY FILOHA KOA NO MANENJIKA ENY AMIN’NY FITSARANA IRETO MPITSIKERA IRETO NOHO NY FANALARAM-BARAKA OHATRA !

    SAINGY IZA MOA NO HIADY AMIN’ADALA ?

    NY FITSARANA TSY MIANKINA NO HANDRASANA DIA NY FIFIDIANANA IZAY HANOMEZAN’NY MALAGASY MPIFIDY NY SAFIDINY IZAY MENDRIKA HO FILOHA-PIRENENA SY NY DIDI-PITSARANA ! ( LES ELECTEURS ET LES ELECTRICES MALGACHES PRONONCERONT LE VERDICT FINAL QUE D’AUCUN N’OSERAIT CONTESTER COMME APRES LES RESULTATS DU PREMIER TOUR DE L’ELECTION DU 16 DECEMBRE 2001 ) .

  5. DCR! Zendana aho mamaky ny lahatsoratrao ary tsy vao izao.Vakiko na dia lavabe aza satria feno loharanom-pahendrena ary vokatry ny fo.I Nenonoro koa angamba efa nahatsikaritra an’izany.Mankasitraka e!

    Araky ny hevitra vohizinao dia izaho koa tsy manana tebiteby na ahiahy momba ny fahatongavan’i Ravalomanana.Torak’izany koa aho momban’i Pr Zafy sy ingahy Ratsiraka.Ny voalohany efa ela no nametraka ny anjara birikiny(1991) ary ny faharoa dia angamba araky ny teneninao hoe:miandry iangaviana. Ka ataoko fa tsara ho an’ny ankolafy Ravalomanana no manohy ny fiaraha-miasa amin’ireo ankolafy ireo satria ny voalohany dia mbola mahasarika olona ary ny faharoa dia mbola to teny eo anivon’ny miaramila raha ny fijeriko azy.Aleo atao laom-bary andasy dia fantatra ny ao am-pony sy ny ao an-tsainy.
    Ankoatran’izay dia tsy mino koa aho hoe:manampy an’i Domelina ny fanjakana Frantsay ankehitriny.
    Farany, ilay roa volana dia tsy hoe: « afaka roa volana » vao tanterahana ny mombany fiverenany fa ao « anatin’ny roa volana » (raha tsy diso aho)no hanaovana azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *