BORIBORINTANY FAHA 3 SY FAHA 5 NANOLOTRA FANOMEZANA HO AN’NY MPIANATRA HANAO CEPE

IMG_6854

Mba ho fanampiana ireo ray amandreny amin’ny fanomanana ny fiatrehan’ireo mpianatra ny fanadinana CEPE ny Talata izao dia nanolotra fanomezana azy ireo ny Tim boriborintany faha 5 sy faha 3. Mahatratra 880 ireo ankizy hanala fanadinana tonga tetsy Bel’air foiben’ny antoko Tim, no nahazo fitaovam-pianarana hiatrehana izany fanadinana izany. Ny ankizy 540 amin’ireo dia avy amin’ireo EPP avy ao amin’ny boriborintany faha 5. Ny ankizy 340 kosa dia avy amin’ireo EPP avy ao amin’ny boriborintany faha 3. Ny filoha lefitry ny CST Hanitra Razafimanantsoa izay nandray fitenenana dia nananatra sy nanome tso-drano ireto ankizy hiatrika fanadinana ireto. Marim-pahaizana voalohany eo amin’ny fiainanareo hoy izy io fanadinana hatrehinareo io, noho izany dia tokony hianatra tsara ianareo, mba ho tafita. Na dia sahirana aza ny ray amandreninareo hoy Me Hanitra dia tokony hiezaka hianatra ianareo. Ny filoha Ravalomanana hoy izy dia mahatsiaro anareo ankizy. Tamin’ny fotoan’androny dia nisy ny fanomezany kit scolaire ho anareo, kanefa tsy nitohy izany noho ny fanonganan’ny sasany azy teo. Nitsodrano ireo ankizy ny tenany mba ho lasa lavitra eo amin’izay fianarana izay. Ny solontenan’ireo ray amandrenin’ireo ankizy kosa dia nisaotra ny tomponandraikitra tamin’ny fanampiana ireto ankizy ireto. Nanome toky ny tenany fa handresy lahatra ny vahoaka ao amin’ny boriborintany misy azy ireo amin’ny fanohanana ny filoha Ravalomanana amin’ny fifidianana.

12 pensées sur “BORIBORINTANY FAHA 3 SY FAHA 5 NANOLOTRA FANOMEZANA HO AN’NY MPIANATRA HANAO CEPE”

  1. Araho miandalana anie ny fomba fiasan’ny olona e:
    – Tsy laniny vavony frantsay ny nandresen’ny filoha M.Ravalomanana dia nanomana izay tokony atao mba hanapitihana filoha tsy mirona @ fiejry ny mpanjanaka frantsay
    – Nikofokofoka ny mpitsikilo frantsay nikaroka izay dondrona,tia vola,niasa nanodidina ny filoha M.Ravalomanana.Mety aman-taonany izany no efa natomboka.
    – Natao ny tsaho sy resaka manaratsy ny filohantsika ary ankilany izany nasandratra domelina ho havanana hitarika ireo voajono rehetra any an-toerana sy ny « diaspora »-France indrindra.Jereo ity rohy nampitahain’i Tahiry/lemonde: iza ity domelina?
    – Ampifanindrio kely anie, herinandro izao,ny vanin’andro nivoahany fanambarany CENIT sy ny fiangaviany gazety lemonde.fr io, dia ampio ny navaokany gazety hoe « publicité électorale imposée même à la presse privée »….dia inona ary hoy ianareo ny ao ambadiky ity hetsika-lemonde.fr e?????
    – Ary raha misy mamaly fotsiny io gazety io fa tsy ny frantsay foana no hitarika sy hibaiko ny malagasy????…Manahy ihany aho ny hasahihany gasy hanao izany satria ny FRANCOPHONITE tena mbola mangeza ny fo sy sainy ankamaroany malagasy.
    Dia samy maka ny andraikiny eo anoloany fahavoazana miantra @ firenena hatrizay nandomboiny frantsay ny firenena malagasy ka hatrizao, amanjato-taona maro izany!
    Resaka SAFIDY ny fiainana ka raha mbola tsy hanapaka tadi-potra @ « renin-dozatra » ihany ny malagasy dia hitohy ny « infantilisation à outrance » hiantra @ malagasy izay efa  » plus que ridiculisé » noho ny oronan-tsary misy andihany 3 sahady izao!!!!!

  2. Toa tena sahiran-tsaina izany, ny fahitàna ny sarinao ry Madama Naika !
    Ary ny boriborintany 1 sy faha 4 angaha tsy mba mikaonty ry zareo â ? Betsaka ihany koa anie ny tena sahirana eny ê !
    Marina dia marina ny anao randry !
    Anisan’ny mpampalaza ny gasy ilay miteny hoe Oui, kanefa Non ny ao an-tsaina !
    Rehefa manao Oui na ambava na an-taratasy, dia izay ihany no fantatry ny rehetra ! Jonoiny amin’ny kely foana isan’andro izao !
    Rahoviana no hahay mandà, rehefa zavatra tsy tokony ho ekena ? matahotra ny tsy homena vatomamy intsony ?

  3. Ni Ra8, ni Rajoelina! io ndray zao ny vaovao voalohany malaza. Ny faharoa de de saika namoaka daholo, ny gazety rehetra mpiseho isan’andro, eny fa na de ny mpomba an-dRaosy aza, sy ny gazety vahiny AFP, Le monde, Sunday time Sud Af fa mihamafy ny famotorana ataon’ny tribonaly Sud Af noho ny crimes nataon-dRaosy, ary tsy mahazo mivoaka ny territoire, mnadrapahavitan’io affaire io.
    De maninona ry Hanitra raha raisina @izay ny commande, fa lany andro sy maty pasipaoro miaro ola-meloka lany kile eo fotsiny a. Un conseil: Botozaza Pierrot candidat TIM, Hanitra Praiminisitra. Raharinaivo Andrianatoandro, candidat TIM dissidents, de mizara roa ny TIM. Tena hitako fa voaozona mihitsy ty TIMTIM ity, zany no alehany rehefa sagnagna. Tsy aleo ve nanaraka ny torohevitray?

  4. ENY AN DALAMABE SISA NY ADY ,fanavotra an i GASIAKARA ,tsy ravalo AKORY NO INONA ,fa tsy mila vahiny na FRANTSAY MANDIDY ,eto @ ity tany ity ,RAHA MAHERY IREO DIA TOKONY ANY SYRIE SY AFGANISTAN MAMPISEO NY HERINY .
    R i hanitra ,manadafy , stanislas ,hampidino ….an dalambe ny vahoaka ..fa aza sakanana intsony

  5. MAHAFINARIRA ALOHA NY MAHITA IREO OLONA MANOME FANAMPIANA – Ny tsikera tsy maintsy misy foana fa raha izany no henoina dia tsy misy zava-banina eto an-tany – ny tsy manao ihany no be tsikera, izany ny toetran’ny zanak’olombelona.

    Mampahery anareo mahery fo manao zavatra tsara – na iza na iza hiteny, tsy mahataitra izany fa feno loto loatra ny ao an-tsainy ao – Samy tahian’Andriamanitra avokoa izay manao ny asany ara-pahamendrehana.

  6. Ô ry Raozy a! tena derainay raha mnanao fihetsika toy izao. Tsy misy tsy malaina ampiana izany. Manaova bebe kokoa hatrany azy. Zay akory tsy tahaka anareo ka na tsra na ratsy ataon’olona de ratsy daholo. Tany amboalohany tany izahay, de nanoro hevitra, woe, raha mbola te haka ny pouvoir ianareo, de mivoaha ao @ magro ao, manaova asa sosialy manerana ny Nosy. Ataovy woe mihitsy vola avy any @n-dRa8, ary io no nahombiazan’ireo extrémistes musulmans, na tany Tunisie, na tany Egypte( frère musulman). Fa Raosy toa an’i Ben Ali nitondra volamenam-bahoaka 5 tonnes akory, no hahalala hanao izany. Izao ve ry Hanitra vao mody miseho toy izao, kanefa na izy na Rakotoarivelo,sahirana ny vahoaka hatramin’izay @ maha lehiben’ny andrim-panjakana azy ireo, inona no vitany? Inona no vitan’ireo minisitra Raosy ireo? Tsy mi-grevy fotsiny de manadray vola a? Efa may ve ty ambondrona ry Hanitra vao mihetsika. Fantatrareo sy Ramamy tsara fa tsisy fika intsony ny @ dada, de zao nareo vao mihetsika @ naran’ny tenanareo? miomana @zay ary, fa tonga ny fotoana hitsaran’ny vahoaka anareo. Raosy aza manantena fa efa hors course!!!

  7. Ô! ry TAHIRY a! lany fika mme Hanitra, l’avocat du diable! mitabataba etsy sy eroa, fa woe mana-pahaizana be, izy irery no mahay lalàna, tsisy intello noho izy. Telo taona mahery izay, tsisy résultat, tsy sahy manao bilan, fa manaraka ny rythme n’ilay diable arovana. Ny mahagaga anefa, de tsy sahy mametra-pialana mihitsy, zany woe, mamy ny atsy, fy ny aroa. Voatery madainga am-pahibemaso, hanaronana ny hadalan-dRaosy, ary ny farany teo zao de ity afera fitsarana ao Sud Af ity. Toa tsy arakarak’ilay fitabataban-dRaosy tany Adis Abeba woe, lany vadin’ny Zuma, nandresy isika. Fanga tsy niaro ndray hono tantine, sy tonton Zuma e? De io le woe, aleo enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny ratsy atao, surtout ny tsinin’ny ran’ny olona nalatsaka. Tsy ho tafandry mandry manadra-pahafatiny.

  8. Manja be ilay sary tahiry a!!i Kotozafy ihany anie no Lekisisy fa mba mody
    midongy eo ialahy e!!mitohy ny tolona e!eny ampandrasana isika no mahita
    ny atiny ry akama a!!isika tsy miady na dia tsy dia mifandray aza ilay hevitra indraindray an!!ny hisavorivorian
    kilatoana hoy ny TAOLO MALAGASY, dia mahereza hatrany !!tsy maintsy tafita ny tolona ! homba antsika ny
    ao ambony, izay dà a!!!

    sao dia mba tsy i Kintana ary io akaikin’ny ravinanto io????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *