DST, EMMONAT, EMMOREG : INONA MARINA NO ASAN’IZY IREO ?

mpianatra nodarohan'ny Emmoreg

Efa niaraha-nahalala fa nandroaka an’i Ravalomanana Lalao sy ny vinantova-viny  nivoaka ny faritr’i Madagasikara ny DST ny Zoma 27 Jolay lasa teo. Malagasy Ray sy Reny no nampanarahina polisy niala teto an-tanindrazany. Tsy polisin’ny « InterPol » ireo.

Nanao sava-hao ny fiaramanidin’ny Air Mad avy any Bangkok indray, ny DST ihany, ny Alatsinainy vao maraina, sao niverina tamin’io sidina io Rtoa Ravalomanana Lalao. Angaha tsy nomena ny lisitry ny mpandeha izy ireo ?

Nampiseho hery tamin’ny mpianatra eny Ankatso, olom-pirenena malagasy mitovy aminy indray ny EMMOREG . Iray ny mpianatra voatifitra teo amin’ny handriny.( io hita amin’ny sary io)

Nandavo « dahalo » dimy lahy sy nahasambo-belona dahalo « vehivavy » iray tamin’ny tarik’i Remenabila, ny EMMONAT.

Aleo faritana ny andraikitr’ireo sampan-draharaha ireo eto amin’ny Firenena.

Ny DST (Direction de la Sécurité Territoriale) araka izany dia miaro ny sisin-tany amin’ireo mpanafika avy any ivelany sy izay teratany vahiny miditra an-tsokosoko eto an-tanindrazana. Miaro ihany koa ny famoahana an-tsokosoko ny harem-pirenena na inona izany na inona.

Ny hita sy re nandritra izay taona vitsivitsy izay dia tsy toko tsy foroana ny harem-pirenena tafavoaka teto Madagasikara (bolabola, volamena,…). Rehefa tratra any ivelany any izy ireny dia tsy hita popoka izay alehany, na dia tafaverina eto an-toerana aza. Raha volamena no tafaferina, ohatra, dia any amin’ny Banky Foibe no hampidirina satria antoky ny sandam-bidin’ny vola ariary eo ami’ny sehatra iraisam-pirenena izany.

Raha tsy tafaverina eto ny volamena, toy izay nogiazan’ny tao Kaomoro, ohatra, dia tsy hitan’ny Fitondrana Tetezamita izay atao, na tsy nampahalalaina ny Malagasy izay natao.

Variana amin’ny fanenjehana olona iray, tsy afaka manozongozona sy manafika ny Firenena, hatrany no ataon’ny DST, fa tsy mahasahana ny andraikitra lehibe ho fiarovana ny tanindrazana ity sampan-draharaha ity. Zary polisy politika toy ny DGID tamin’ny Repoblika II ny DST amin’izao Tetezamita izao. Ny Olompirenena ihany no atao haza-lambo sy ampangaina ho manao izatsy na izaroa.

Ny sary hita tamin’ny gazety sy ny haino aman-jery momba ny zava-nitranga teny amin’ny Anjerimanontolo, Ankatso, ny Talata teo indray no jerena dia toy ireny miaramila manafika toeram-pamaharana mpananibohitra ireny ny EMMOREG.

Raha ny marina dia mpitandro ny filaminana izy ireo. Ny iainana amin’izao fotoana izao dia misy fanafihana mitam-piadiana atsy. Misy vonoan’olona aroa. Tsy hitan’ny mpitandro ny filaminana ireny rehetra ireny.

Tsy mampandry fahalemana ny tanàna sy ny vahoaka izany ny EMMOREG fa manakorontana ny Olompirenena mitaky am-pilaminana ny zony no sady miaro ny filaminan’ny mpangalatra sy mpamono olona ary ny  mpambotry Firenena.

Tsy asiana resaka be intsony ny momba ny EMMONAT any Atsimo fa efa mampiseho ny “herim-pony” amin’ny fandripahana ny Malagasy tsy manan-tsiny izy ireo.

Rehefa atao ny tambatra dia tsy Malagasy ny ao amin’ireto sampan-draharaha ireto fa toa “sonagaly” maazo baiko toy ny tamin’ny Tolom-panafahana nataon’ny Tia Tanindrazana tamin’ny 1947. Tsy misy valaka amin’ny nataon’ny GESTAPO, polisy politikan’i Hitler, sy ny KGB tany amin’ny Firaisana Sovietika tamin’izany.

Koa raha tsy afaka hamoaka ny Firenena ao anatin’izao fahoriana mianjady aminy izao moa ireto tomponandraikitra amin’izany ireto fa variana amin’ny fanenjehana ny Olompirenena tsotra, tsy mitam-piadiana fotsiny, dia inona no ilàna azy?

14 pensées sur “DST, EMMONAT, EMMOREG : INONA MARINA NO ASAN’IZY IREO ?”

  1. Mbola tsy mazava ihany ve fa
    ny MIARAMILA no Tompon’ny Tanàna ry Mpitolona a ?! Efa zatra nomena vola ka izao mitaàana ny FAHEFANA , raha tsy izany dia ,
    HO TIFIRINA ihany koa i Rajoelina ….

  2. Rehefa tsy nandia fianarana ny mpitondra dia tsy maintsy atao koa izay mba hahatonga ny manodidina azy tsy handia izany fianarana izany. Ny antony: sao dia misy mahay kokoa noho ny mpitondra. Mazava anie izany fa ny tsy misaina ihany no tsy mahatakatra an’izany.

  3. Tsy viatan’izany fa rahonana daholo izay rehetra atahotahorana fa
    manana ilay fari-pahaizana izay tsy takatr’ilay miseho ho mpitondra.
    Asondrotry ny vitan-dratsiny fa abotetaky ny toetsainy.MAHONENA!!!

  4. tsy hitanareo ve : zatovolahy 13 sy 18, notofirin’ny miaramila ho faty teny ankalamanjana, fa … dahalo hono!!!

  5. “Fanjakana miaramila jadona sy tsy refesi-mandidy “ no sady tsy mahafehy ny tena asany hanaramana azy ka na ny voalohany amin’ny andraikitra tokony hataony aza tsy vitany dia ny manambotra Dahalo.
    Tsy niteraka sy tsy natera-behivavy ka mampiasa ny mba her y eo am-pelatanany hamoretana ny zaza amam-behivavy.
    Raha mitarozaka ny fitondran’ny “FOZA” dia heveriny ho fandresena hoazy satria fohy sy marivo fandalinana ka tsy mihevitra afatsy ny mahasoa azy sy ny ankohonany.
    Ho sarotra ny hieritreritra ny tsy hisian’ny valifaty sy ny ahafahan’ireo misora-tena ho tandroka aron’ny vozona mitazona ny asany ato ho ato.

  6. Ny atao woe demokrasia tsy fampiasana ny maha barbare akory, fa fanajan’ny zon’ny hafa kao. Tsy ny maha mpianatry ny oniversite anao akory, zay manana ny statut n’ny tsy refesi-mandidy ary atahoran’ny mpitondra foana isaky ny mihetsika, de hanampatra ny heriny. Manana ny commandement-ny ny Emmo Reg, misy cosigne koa alohan’ny passage à l’acte. Fa aza manao provocation mialoha, MANAPAKA NY FIFAMOIVOIZAN’NY OLOM-PIRENENA, izay miteraka fahapotehana ara-ekonomia, fahataran’ny mpianatra sy ny mpiasa, ny fatiantoka @ fitaterana @ io ekonomia efa mitsipozipozy io. De ny mandamina an’izay ny an’ny mpitandro ny filaminana, ka rehefa esoriny eo ianao, de aoka hifanaja, fa tsy tora-bato no hamalianao izany. Sauvagerie izany aminay fa tsy demokrasia, de rariny raha mampiasa hery ny emmo reg.
    De aza manao be lazao woa, fa raha voatifitra t@ andriny zany io mpianatra io, efa ratompokolahy. Za mahita, fa tsaratsara ho an’ny gasy aloha, ny hoentina toa main de fer otran’ny sinoa ireny, amin’izay mahalala miasa, mianatra, zay vao manao demokrasia tsikelikely, mandroso be haingana toy ny sinoa i Mada, fa ty gasy mba mahazo fahalalahana miteny, de e!e!e!e! hatramin’itony tranonkala itony avy no mamela malalaka HIRESA-DIBO.
    Tamin’ny andron-dRaosy, tsisy demokrasia izany, fa izay miteny ny mpitondra, tonga de any am-pigadrana.
    Rariny ny fitakian’ny mpianatra, zony ny mba mitaky hanohizana ny fianarany, any @ mpampianatra mi-grevy ny baolina. Efa nanao effort be ny fanjakana, nampiakatra ny indemnité n’izy ireo, zay tsy azony velively t@ andron-dRaosy, mbola migrevy ihany. Mora hanaovana fitakiana mantsy izao fitondrana izao, ary be ny manararaotra satria fragile le fitondrana. Vitan’ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny fahasalamana mihitsy aza ny mijery fotsiny olona miala aina, sy mamerina ny mijery ny marary ho faty, de manolotra azy @ fianakaviany. Demokrasia inona e? Izao ve ny LESONA OMENAREO MPITONDRA IREO RY HANITRA SY RY BOTOZAZA SY NY TARINY Ô? GREVY, GREVY LVA HANDRAISAN-KARAMA. AIZA MOA NY GASY NO HAHATOKY ANAREO NA DE TRA-PAHASAHIRANANA AZA.
    Aminay de rariny amin’izay ny fanjakana, raha mandray ny andraikiny manasazy, sy tsy manome karama, ary mandroaka ireny tsy tia tanindrazana ireny. Izao fahasahiranana izao mihitsy aza no tokony hampisehoana solidarité, fa zaran’ny sasany aza misy azo, hi-profiter-na, de aza mitsitsy mihitsy RAFANJA raha be mokondoa sy te hanakorontana a! hatreto aloha de mahazo naoty ambony aminay foana i R-Bombe e! fa raha nareo angamba no nalemilemy teo, de asa foana zay niafaran’io tanindrazantsika io. Ry TARONDRO ETSY ANDANINY MAMPIASA NY TOUS LES MOYENS-NY HANAKORONTANANA, fa mahay hatrany ny mpitandro ny filaminana mi- éviter aina latsaka, zay katsahan’ny adve fatratra, fa mafibe Zandry e! te hijabaka hamono olona sy hanafatra mercenaire ianao tsinona koa. Tsy mitovy mihitsy woa, ny olona lian-drà sy ny mitsinjo ny ain’ny vahoaka, de eo ny hitarafana woa, iza marina no nianatra RANA a! ny olona tsy nahomby ny tolony nandritra ny efa taona sa ny 6 mois de vita? Ny olona mandositra NEGOSY lava efa hatrany mada io an!( self made man) sa ny olona vonona hifampidinika, izay tsy mi-laisser faire na oviana na oviana? De anajaranareo ny maminavina!!!!
    Itony ry Hoaizampikil itony moa de mahita volana alohan’i Habib foana, de mamorona ndray eto . Aza asiana honohono e, fa lazao woe, taiza, avy aiza ny source, fa hafa ihany ny taranaka mpandainga otran-drainy. Ny hatahorako aza, ilay dahalo be mamafy vola mampiditra fitaovam-piadiana maherivaika antsokosoko ao Dago ao, vao mipoitra eo tonga de samborin’ny miaramila. Zay ihany ny famelezana ny DAHALO, ny commanditaire-ny sy ny cerveau-ny amboarina mialoha. Lery koa tsy azo mihitsy, fa manafin-tena otran’i Remenabila any anaty kizo, any Atsimotsimo any. Azo antoka ny hiverenany hananton-tena otran’ny lolofotsy. Fa matoa mijanonana any de aminay RAINITETAKA TSY MAHASAHY MIATRIK’ADY. De enjeo lava ny miaramila, fa aza mametraka fanontaniana foana ry Solo R Journaliste fôpla , woe inona ny antony e! Zandry efa zatra fanenjehana e! asehoy foana ny stratégie nareo, de enjeo foana ny miaramila fa zay foana io e! DADANAREO MIHITSY NO TIANAREO HANDANY NY ANDRONY MANDRA-PAHAFATINY ANY SUD AF ANY. MBA WOA MISAINA E! MISY DIKANY ANE ZAHAY RAHA MITENY E! TSY VOATERY NY ANAREO DAHOLO AKORY NY MARINA. DE TSY SASATRA IZAHAY MAMERIMBERINA WOE, IANAREO MPITADY FAHAVALO IREO IHANY NO MAHATONGA AN-DRAINAREO TOY IZAO! MISAOTRA ANAREO FOANA E!

  7. Aleo handany andro hanoratra lavabe eo ry Denise sy ry Rabe fa azia vakiana ary aza asiana valiny akory.

    Mazava izao fa Rajoelina = Bachar al Assad

    Miala no mety aminy fa efa tsy rariny intsony izao.
    Franchise universitaire aza tsy fantany. Izao no mitranga rehefa DJ tsy nahita fianarana no mandrombaka fahefana.

    Mpianatra tsy maninona tsy maninona akory io vohan’ny bala io

  8. otrany mapme be koa ange ingahy Rabe io ambony io ee!!mbola mankafy taolampifika koa angamba le namana io.

  9. Rehefa tsy afaka hamaly ny raisonnement nay mafonja be woa, de tsakoy foana ny kininina. Raiso par phrase, de asio fanankianana raha tena olo-nianatra. Raha bala ny niditra t@ tampinkandrin’io mpianatra io, efa ratompokolahy,faza manao anay ho vena otranareo. De inona ry TMIHAJA ny mapme a! alefaso jerena, hevitra ampiadiana fa ny olona tsy naninona anareo ! tsisy taolana io sady tsisy fika, fa baomba be, mi-défier ny artcle n’io journaliste fôpla be io. Tsy otran’io ny hitondranay ny baolina, raha zay no t@ place nareo, zahay koa tsy te hiaraka @ perdant lava toa anareo e!

  10. Fa ny anareo inn no misaina sy mijery ary mamaky ry rebehevitrisany a ny lava bokotra sy ny ambiny ngamba,f’anga tsy bala fingotra no nahavoa io olona io,fa zavatra tsy fantatra nefa miwouwoawouaa eo,olona tsisy hatao afatsy ato @ forum ato ialahy sy ny foUZZA naman’ialahy.ary miseho ho maranintsaina nefa de tena dombo be izay sujet mivoaka ato na inn na inn de tsy maintsy hatao reference foana i raosy na ny gabonenla aza vaky de R8 foana,mba miova amzay f’aza de totombitana otran’io fa mampalahelo,hita miitsy hoe tsisy atao ,ka na matory aza ngamba de manofy an’i levalo ,ka manenjika azy h@ nofy aza LOL,fa vao mifoha de raha tsy mamorona atsanga aman’orana ato dia manohitra marindrano na dia hita aza fa misy mitombina izay zavatra voalazan’olona ao.fa mahazo vola be kosa ngamba ko,milaza fa borne ny ol fa ialahy miitsy no efa mitourne eh. LOL

  11. Hono hoa Rabetsisiatao,inn kay no tena problem teto h@zay moa va tsy ny fitantanany Frantsay an’i Mada ka na de lazaina aza hoe efa nahazo fahaleovan-tena de oe,afaka TSIA leisy a??? ary moa ve raha tena milaza anla ho mahay ialahy iza ny firenena mahantra indrindra ny zanataniny tsy ny an’i la frantsa ve????? jereo fotsiny ny zanatany anglisy reetra afaka tsarainla zany ialahy nianatra samy manana ny fari-pahaizany koa io, (halalino kely)zao no lazaiko anla io,par phrase no amaliako azy amla.iza no nitaky demokrasia teto t@ 2009 (izy no nanokana ny kianjany demokrasia dia izy no manakatona azy LOLL mety azy io ngamba),tsy ny fouza harovanla mafy io, iza no manitsakitsaka ny zon’ny hafa moa va tsy mbola io ol arovanla mafy io,amzay koa lazainla fa hatahorana izireo zony lty ny te hianatra sy ho mahay ary droit zany ,fa ra namaly izay heta2 ny rehetra ny Fouza satria diso nanakimpo be loatra t@ marasila ka raha vao ireo no mangataka de valiana haingana ,ireo anefa handohavanla hetra nefa ireo ihany no mandripaka anla zao nanome example hitapoko hitam-pirenena ny fozanla koa rariny raha mangataka daholo ny rehetra efa zatra mividy mpitam-basy eh.(mazava)ary maninn no lazainla fa tsy refesimandidy koa ny mpianatra nefa iza zao no tsy refesimandidy moa tsy mbola ilay ol arovanla io,miaraka @(Patrick leloup,mamy ravatomanga ,mamy ratovomalala,Hajo ,sns..) lazainla koa fa manapaka ny fifamoivoizana fa ialahy t@ 2009 nitsingevana teny amboniny lanitra t@ ireny fa tsy mba nanapaka miitsne nandritra ny (6 mois hozy ela)???,fa reefa lisany no manapaka ny fifamoivoizana dia mety fa raha ny olon sasany no mba maneho hevitra dia tsa mety Ok leisy a.anla zao ny fitondrana fa hivadika io ary hifankahita eto ary ra tsy eto dia any ankoatra leisy a.raha mandinika ialahy dia t@ androny leosy no nisy teto mada ny famehezana tena henjana Ex:fotsiny Anosibe ) aiza izy zao mahonena ,ary tsy zakanlisany mihintsy zany zao efa zatra ny mitorina LOL,lazainla fa nanao effort be ny fanjakana zao mety t@ fanonganana ngamba aloha dia hita ,Famonoan’olona 26 Janoary,organisation amzay mety fomba reetra hanonganana an’i levalo(lazaina fa mpanompo sampy sns amzao gaga aho ireto no tena mpanompo sampy ),7 fevrier koa mbola hivoaka ny marina na eto na any ankoatra,ary safidinlisany no te hanongampanjakana teo fa tsy noterena akory koa hoe Fragile a fragile,hoanla mioanatra io inn no asa tokony hataony transition mba valio io? fa raha izao no fahitako azy dia tena mandat iray no misy ary te ho eo mandrakizay satria mora ny manenjika (2009) fa reefa tonga eo vao maika pire no ilay teo aloha e? Mampalahelo,hatreo aloha fa mbola hiasa handohavana ny volanlisany @ hetra eh .fa dia hifankahita eto isika ,mbola maro no azo hambara fa amin’ny manaraka indray ry rabehevitratsisihatao ah?\\…..

  12. Hevitra mafonja ny fanesoana ny Malagasy @ zao fahoriana mahazo ny rehetra eto @ tanàna izao ; toy izao hataon’iRabe vôpl izao!!! dia miara-mahita isika izao ny mpiray tanindrazana fa tsy vitan’ny miteny @ maha foza azy ny olona toy itony rabe vôpl itony fa dia fahavalom-pirenena ka na ho ela na ho hainagana dia ho fongorintsika ireny!

  13. Ny polisy eto dia tsy mamely eeee…. Sady maivan doha no mi agir aotran’ny PELAKA!! Surtout ny emkonat su ny emmoreg roy.!!, raha tsy pelaka ve ampiasa herisetra… Pelaka ihany no manao anireny fihesika ireny

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *