Fifidianana Filohan’ny FJKM : mivoy ny resaka foko ny FAT

I-charles-sy-Pasitera-Lala

Manao ny ataony mihitsy ireto mpitondra FAT mpanongam-panjakana ireto, eto Madagasikara.Tsy vitan’ny famotehana ny firenena sy ny hoavin’ny taranaka, ny fiaraha-monina, ny toe-karena, sns… fa dia tonga hatrany anaty fiangonana mihitsy ny fanapotehana.

Rehefa nahatsapa ny FAT fa tsy tafavoaka ny kandida narosony (tsy naharesy lahatra ny rehetra), dia  ny mpitandrina Nestor RAZAFINDRAMANITRA, dia nitady paik’ady hafa mihitsy  izy ireo hanapotehana ny mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja.

Tetika maizina  ataony ny fandrabirabiana vola ny mpifidy, mahatratra 900 tapitsisa Ariary any ho any no  vola laniany amin’izany, fa ny tena nanaitra dia tonga hatramin’ny firesahana foko mihitsy ny fifidianana.

Ny mpitandrina isany, RAMAMBASON Laurent, RADIMISON Jhonna, Marinasy (SG ) no kandida hatolotr’izy ireo amin’izany.Izy telo mirahalahy ireto dia isan’ireo mpiara-miasa akaiky tamin’ny filoha Rasendrahasina ary izay ataon’ny FAT fitaovana hanapotehina ny FJKM. Araka ny fantatra dia ingahy Hajo Andrianarivelo sy ny Profesora Tehandrazanarivelo no tena ao ambadik’izao teti-dratsy izao.

Rajemison Rakotomaharo, David Rajaona, Radavidson Andriamparany kosa no  kandida laika hatolotry ny FAT ary ny filoha RAVALOMANANA no atolotry ny mpino kristiana.

43 pensées sur “Fifidianana Filohan’ny FJKM : mivoy ny resaka foko ny FAT”

  1. Io D.Rajoana io hono nangalatra vola be fony niara niasa t@ M.Ravalomanana, dia nitsaoka France ary anisany mpamarotra tanindrazana, tsy tahotra tsy henatra, ka mifofotra handrava fotsiny izay zava-tsoa vita:
    – toy ny zazakely, be fialonana,tia handrava fotsiny satria tsy mahavita manangana izy tenany raha tsy tantanana.Ary ity tarehin-jaza hananany dia manamafy izany
    Hita tokoa fa ekipan’i « BABY FACED », io no fiantsony mpanao gazety miteny anglisy andra-domelina.
    – « PLANS » efa voalaminy frantsay ela be satria tsy laniny vavonin-dry zareo mihintsy i M.Ravalomanana, sady mpandraharaha mahay sy mahomby no tia tanindrazana nasahy nanilika ny « colons frantsay ».Ary 26/06/2010 no mody nentina hampidirana resaka ankolaka izany fandravana izany fa ny ampahatelony olona tao,angamba tsy naharaka ilay fika satria voajono hoe ho hampiana @ izao ianareo anefa ny takalony mamony tsotra izao!
    Nampita izay hitako ihany aho fa dia tena be tokoa ny vola maloto hatobaky ny frantsay ka hividianana mpitandrina avy ankilalany, moa mety natoky be loatra ny andaniny, fa tsy hisy malagasy mpivavaka ahavita hamadika.
    – ny fandrahonana ny hampitoerana ny adim-poko dia efa fika ratsy fanaony frantsay fa satria tsy misy mihetsika dia nampiandry zareo ny resaka fivavahana dia asa inona koa ?
    Dia mbola hiandry ihany izany sa misy toko sy andininy havoaka indray dia ….ho tonga ny valim-bavaka.

  2. O ry Mijoro ô !
    Ary ity BABY FAIKANY ity sao dia afangaron’ny vendrana @ psedaoko ? Hi hi hi hi hi !

  3. I D Rajaona sy i Hajo anie dia mihinana volam’bahoaka eh. Ilay Institut Politique ao @ tranon’ny FJKM dia niantohan’ny MDAT ny fitaovana rehetra dia lazaina fa partenariat hono izany.

    I Hajo aloha dia tsara raha jerena akaiky ny fitombon’ny harenany eh !

  4. Marina dia marina ny voalazan’i Aaron fa vola ngeh zany miditra amin’io zany é !!!! environ 69M Euro par semaine azo hamarinina tsara zany ao @ BCM fa tsy fanaratsiana velively!

  5. Mampalahelo mihintsy raha tsivalanana resaka foko ny faniriana politika maika moa fa faniriana ara-pivavahana.F’angaha moa asin’iza sira inona aty na Normand na Lorrain na Alsacien no lany prezida, ny antsika mbola atao olana izany.
    Amiko dia tsy asioko olana mihintsy na Pastera Edouard, na Pastera Rasendrahasina na Miaramila Pasitera na gadra taloha lasa Pastera no eo.

  6. misaotra ry Solo Razafy amin’i sary, io rangahy am sary io no mpiaro ny mpamono olona, ary mpiray tsikomba amin’ireny mercenaire nokaramain’i de8 namono ny malagasy ireny.
    ary mendrim-piderana ny miaramila nanafay itony jiolahimboto ny fiangonana itony.

  7. Hita fa tena ambany dia ambany ny fisainanao rasagnagna.Tsy teo matetika nitaizanareo angamba i Dadanareo ka tsy tsapanao ny fahorian’ny ankizy zanak’io Rangahy tsy naninona ny miaramila io.I DJ angaha no andriamanitrao?

  8. Andriandahifotsy, Tsy mivavaka am olombelona izahay sanatria, fa miteny fotsiny itony satana mirebareba, voavidy vola hatrany anaty tsinay ary ny tena loza dia miray tsikomba amin’ny famonoan’olona. ka dia ny fiangonanay no afa-baraka.

  9. rabe,ka raha mahasarotony anao ny FJKM dia azo heverina fa kristianina ianao.Noho izany dia tia ny marina sy ny fahamarinana ianao ka manontany aho hoe:aiza ny porofo manamarina fa namono tokoa i Ravalomanana? ary maninona no mbola « vierge » ny « bulletin » n°3 an’i Dada?

  10. Tsy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) no iadivan’ireo FAT ireo fa ilay Lohan’ny Fiangonana mihintsy dia Ilay Jesoa Kristy Tompo.
    Tsy mahagaga izany fa izany no asan’ny maizina. Dia gaga tamin’ity Mpitandrina Ammy koa izahay ataon-dry Nestor fitaovana. hay koa ka pasitera fozaorana ny taranak’i Andriamahazosoa tao Anosivavaka. Mody migorera ilay Ammy hay biby mi tourne.

  11. ireny olona nanaiky ho entina teny ambohitsorohitra t@ 07 fevrier hatao sorona ireny no tena RASAGNANA.sahala à omby nalefa tany à abattoir.vendrana§

  12. na ekena na tsy ekena dia misy ny foko eto. Koa izay no tokony handinihina ny raharaha!!! raha tsy tia Merina ny sasany dia samia mitondra ny faritaniny fa aoka tsy hivangogo eo Tanana daholo.
    tsy ratsy anie ny « fedéralisma e!!! Ny firenana matanjaka ankehitriny dia « federaly » daholo( Etazonia, Alemaina, Sinoa, Brezil, sns…) ary firy amin’ny Malagasy no milaza azy hoe « Malagasy aho ».ny ankabeazany dia hoe « Antandroy aho » na « Bara aho »sns…
    mba diniho tsara anie, ary raha tsy manaiky an’izany isika dia hikotontana foana!!!
    azo laaina fa TSY MBOLA MISY NY FRRENENA MALAGASY!!!

  13. Io anie ry zareo vao maika ianareo manisy sira ani’io resaka io vao maika tsy ahita ny mamy amin’io ianareo.Aty misy ny Normands, Lorrains, Alsaciens tsy dia misy mirahahara izany ary naha misy aza ny états californie sy washington(noho ny tantara sy jeografia),amerikana izy rehefa aty ivelany ary ao anatiny izy tsy mikolikoly ny fankahalana

  14. « Io anie ry zareo vao maika ianareo manisy sira ani’io resaka io vao maika tsy ahita ny mamy amin’io ianareo.Aty misy ny Normands, Lorrains, Alsaciens tsy dia misy mirahahara izany… »
    ekena fa rehefa anontaniana ry zareo hoe « inona ianareo dia mamaly izy hoe » Frantsay izahay » moa ve toa izany ny eto Dago? ary isika ve hankona foana ny vzy an-kandrina?

  15. Marina ry Pierre io lazainao io: somary mampatahotra ny gasy ny hiteny hoe iza moa izy …satria tsy fantany akory:
    -Na nisy aza tsy fifanarahan’ny samy mpitondra fahiny dia nahay niara-nihaina ry zareo satria mpiray tanindrazana.Natanjaka io fomba fijery io ka tsy laitrany frantsay raha tsy noravana daholo dia nampidirany fomba fisainany ary nandaitra taonjato maro ny fandravana ny maha malagasy(« personnalité) nataony mpanjanaka dia izao sisa no hiafarantsika.
    Tsy nisy intsony ny firenena fa na ny anarana aza hono notereny misionera ho « malgache » sisa!
    « Entre l’Alsace et la Bretagne, il y a… LA FRANCE  » hoy breton iray izay!!!Avelao ry zareo any fa isika ve tsy maintsy hanaraka ny frantsay lava izao anefa efa mba 2012 anie izao e!
    Ny fanovantsika ny toe-tsaina,hiala @ « francophonite » dia anisany fitaovana afahantsika hamerina ny haja sy hasina maha malagasy antsika…Mba ho tena MANANKASY, manakansina tokoa e!

  16. aiza moa isika no ho tafavoaka, na ny voambolana ampiasaina ary mifotofoto!!!
    miresaka « tanindrazana  » isika izany hoe hoe ny tany fiavina sy misy ny fasan-drazana (douar d’origne) fza tsy mitay firenena (nation) mihitsy !!!
    Na ny vozambolana ampiasaina ary izany diso!!!
    samy manana ny « tanindrazana »ary mbola tsy miray « firenena »!

  17. Ilay firenena dia nisy foana Randria a!Tadidiko ireny hoe »club M » ireny izay tena notron’ny malagasy eran’ny nosy tsy nisy havakavaka.Tamin’izany dia efa nisy ny firenena satria ireny ny vokatry ny tany atao hoe Madagasikara.Ny anarana Rafohy sy Rangita dia anarana malagasy.Afaka natao Madagascan anie kanefa ireo razambe tsy dia nazava loatra koa momba ny anarana nomeny an’i Gasikara izay misy ny teny hoe:gasy ka asa aiza no tena fahamarinana fa ny firenena aloha dia efa nisy talohan’ny nitondran’i Rajoelina.Ary soa ihany.

  18. Fanamarihana ny tenanko (Davida Rajaon) dia tsy nirotsaka ho fidiana teo amin’ny Birao FJKM, na toeran inona io na inona.Tsy nifaninana amin’iza na iza ihany koa. Mpikambana feno FJKM kosa anefa ny tenako.

    Miarahaba sady mirary fifandeferana amin’ny fanaratsiana izay nisy, mahatsiaro voadona sy maharary ny tenako noho ireo voalaza sasantsasany teto.

    Ekena ny fifanakalozana ary mampandroso hevitra izany, nefa voalazan’ny mpiandraikitra ny site-blog eto moa hoe tandemo… .

    Mirary fahasoavana antsika rehetra.

  19. Soa tokoa moa fa nisy ny firenena ary satria io natanjaka tokoa fahiny, no nandravany mpanjanaka azy t@ fampisaratsarahana, dia izao isika midodikodina @ voambolana, sy ny isankarazany ary ny tena tanjona tratrarina dia sarona ihany.
    Aiza ny atao hoe fototra ny tantara (« temps t=0 »)? Very fotoana eo, fa na ny mpandalina tantara aza tsy mifanaraka firy loatra.
    Ndao raisina ny valiny fanadihadina miresaka ny « ADN mitochondriales » ireo vehivavy lazaina fa anisany nihaviany malagasy (tsy izany malagasy izany mihintsy hono ny fiantso andry-zareo).Dia nanome firenena ireo satria nifampiserasera ny mpihavy rehetra tonga teo @ nosy io. Mora ekena kokoa izany sa? Nahay nifandray ry zareo na nisy tsy fitovian-kevitra aza na ady madinidinika: izay ilay tanjaka ara-tsaina sy ara-pomba fiasa natsangandry zareo, nisiany firenena ka tokony ho lovantsika, dia firenena nijoro.
    Ny tohiny raha mbola hinina tsy hojerena dia andraikitry ny tsirairay.Ary ny mpanjanaka manararaotra izany dia manohy ny asany.
    Rehefa misy resaka tanjona iharahana midinika mba ho tonga dia asa mivaingana ka vaha-olana @ izao loza mihantra @ firenena izao, dia hitserika eto ihany angamba. Samy tsarà e!

  20. ny ho avy amin’izay re banjinina fa aza variana loatra amin’ny lasa tsy hiverina intsony.
    marina fa ilaina ny Tantara fa na izany aza dia efa amin’ny taon-jato 21 isika izao ary miova daholo ny fihetsiky ny firenena rehetra; Ary tsy ny mpanjanan-tany nodiso fa isika koa no mora fitahina!!!
    50 taona izao isika no hoe « nahaleo ten » hatramin’izao dia mbola manara- dreni-rano foana sy maka tahaka fa tsy mieritereritra

  21. Hoavy tsy hoe ela HA!HA!!HA!, efa 3 taona izay, mampiesona indray i Kotovelo.
    Atao president Quartier Tsiafahy angamba no mety amin’i ra8 criminel, raha tsy ho matin’ny olona ao izay nanaovan’ny ratsy.

  22. Maninona no mbola asiana hoe « angamba » ry forumiste kotovelo an!

    Tsy vitany hoe « mametra-panontaniana »,
    fa tena matahotra hifoteran’ny rambony: rà latsaka, habibiana sy famotehana fananan’olona no fototra ijoroan’ny HAT!!

    Potika ny firenena,
    MPAMAROTRA TANINDRAZANA

  23. angamba raha toa voavidin’ny gadra lava ao ry HoAiza a. tsy voavidiny volabeny mantsy ireo tahaka ireto pasitera lavaraoby ireny.

  24. mba misy hevitra roa tiako hamalina an’i Ho aiza sy raozy
    1°)- izaho mino fa tsy mnola nisy nivarotra « Ranindrazana » teto fa ny nuvarotra « firenena » no maro;MBOLA TSY FIRENENA I MADAGASIKARA ary izay no mahadiso by maro
    2°- politika daholo ny ataotsikana aiza na aiza.zary na ireomilaza hoa « tsy manao politika dia manao ihany satria midika fa manaky izay rehetra ataon’ny mpitondra!!!

  25. Tsy mazava fa lazao tsara ny mpitondra tianao ho lazaina eto ry Pierre,
    ny mpitondra sandoka toy itony angaha dia manaiky aho satria JIOLAHY ka
    tsy maintsy JIOLHY koa no vidiny hiaraka hitsikombakomba ratsy aminy, hanatanteraka ny teti-dratsy rehetra
    ny antony hangaralany io fitondrana tsy azy ary tsy SAHAZA ny lohakeliny io akory.

  26. samy mitondra ny azy dia na misy manaiky na tsia.Izany no arao hoe « demokrasia’fa tsy misy hoe « izaho no tompony ary izaho irery no manana ny rariny! »

  27. Marina mihintsy ny anao ry Pierre fa samy mitondra ny azy raha eo anivon’ny fikambanana fa raha eo anivon’ny samy mpitondra nilatsaka ho fidina dia tsy maintsy ihany milaza ny soson-kevitra arosony mba hahalalan’ny vahoaka hoe: Ity no fidiko na ity olona ity satria miray hevitra aminy aho.

  28. misaotranao eram-po, eran-tsaina! ny tena mahakivy manko dia dia toa miseho ho mananana ny rariny dahlo izay avo feo eto amintsika koa tsy misy mahatsiaro ny tena ilain’ny mpiray firenena!!!
    variana mihitsy mahita ny fandovana an’Atoa Tsiranana, ao ny milaza azy ho tena mpandova ary manendrikendtika ny sasany hoe mpisoloky!!!
    ny marina, araky ny hevitro dia izao:
    ny fanan’atoa Tsiranana dia marina fa nisy mpandova!!!
    fa ny heviny, zavatra hafa koa samy afaka mandray izay azoazony fa tsy bamba iray no hita tamin’ny fitondrana PSD.
    koa aoka tsy hiady na hifampifanompa!!! aoka hifanaja dia ny mpifidy no ampiseho ny heviny!!!

  29. Misaotra ny akama aloha fa izao e!!ts y lavina fa nisy ary be dia be ny lesoka
    hatr@’izay, ny @’izao moa efa tsy lazaina intsony , koa soa lavo ahay hamindra !!
    Mila fanarenana mafy ny tanindr azana koa IZA????iza no afaka sy mba azo hitokisana ny @’izany????mbola mba misy ve??
    aiza daholo ny olomanga sy izay mba sisa HENDRY tavela????toa voavidy @ vetsikirobo daholo mantsy ireto mba loolona .

  30. izao koa angamba ny mampisafotofoto ny saina! aoka tsy afangangaro ny tanindrazana sy ny firenena!!! ny tanindrazana dia ny misy ny fasan-drazana sy ny tany niaviana.
    ny firenena dia i Madagasikara manonotolo!!!
    raha tsy mazava io dia tsy hifanaraka mihitsy isika!!! fa ho lany fotoana fotsiny!!!
    Mbola maro no tsy manaiky ny « firenena malagasy »!!!

  31. Lasa lavitra be izany fa izao no mba fanintaniako hoe:
    dia ahoana izany Pierre ilay fiteny dradradradraina lava hoe:
    Masina ny tanindrazana e!!mpivarotra tanindrazana e!!sns nefa ity firenena lazainao anie no tiana ho
    lazaina ny @’io e!!!ka tena fanina kely indray aho eto @’ ilay resakao????
    Ohatra izao hoe:raha miteny inao , Tsy misy firenena vanona, dia hoe: tsy vanona ny tanindrazana sa?????
    tena fanina aho Pierre a!!

  32. Fanitsiana kely ho an’i Pierre, satria misy adino !

    Tanindrazana, Firenena, ary Fanjakàna na Fitondràna dia tsy mitovy mihintsy ! Adikao amin’ny teny « baiko » rehefa manahirana ê !

    Tanindrazana : Patrie ( Terre des ancêtres ou d’origine, voire pays d’adoption )
    Firenena : Nation, Etat
    Fanjakàna : Gouvernement

    Tsy ny firenena malagasy amin’ny maha firenena azy no tsy heken’ny olona, fa ireo milaza ho mpitondra KANEFA, nangalatra fahefàna !

    Tsy misy Firenena vanona : Firenena tsy tan-dalàna na Etat de non-droits ; anarchie,ets…. nation en faillite !

    Resaka mandany jiro izany, fa aiza ny tena tolona ???

    Mba alefaso any amin’izay fantatrareo rehetra itony, miaraka amin’ny sarin’ireo maty rehetra !

    Article Tananews koa : Régime Rajoelina fondé sur des centaines de morts !

    http://www.ouest-france.fr/2012/08/27/Vendee-Le-president-de-Madagascar-au-Puy-du-Fou–63469632.html

    Raha tsy misokatra dia mety ho « l » fa tsy « L » ilay hoe « Le » President !

  33. izao fotsiny araky ny hevitro: tsy mazava mihitsy ny ato an -tsinsintsika koa aiza no hilamina ny raharaha? ianao ve mino fa ny olona avy any amin’ny toerana na aiza na aiza hamaly hoe « i Madagasikara no tanindrazako » fa tsy hoe « Bara aho, na Antandroy aho na Merina sns…. »
    midika fa mbola tsy firenene i DAGO Noho izany tokony hieritretra isika hoe :inona ny mety ho an’ity Nosy ity’.
    Fanontaniana mipetraka ny ahy ary mila toro hevitra avy amintsika tsirairay avy!!!ekeko fa olana ngeza io!!!miantoka ny ho avy!!!

  34. Betsaka ihany ireo olona mpiray tanindrazana nifanena tamiko tany ho any, fa mbola tsy nahita malagasy niarahaba dia tonga dia manontany hoe bara ve ianao sa betsimisaraka ? Ny fanontaniana voalohany manaraka ny tsiky, dia ny hoe : Malagasy ve ? Avy eo vao mandeha ny resaka fiavihana, izay tsy hitako mihintsy izay maha ratsy azy ! Ny frantsay auvergnat tsy hilaza mihintsy hoe izahay breton ; ary na alemà na sinoa, na inona dia mitovy amin’izany daholo, koa inona ity resaka mivaralila ity ?

    Fa ny fanevam-pirenena miloko fotsy-maitso-mena io, midika inona io aminao ?
    Firenena malagasy izany efa tamin’ny 1960 no neken’izao tontolo izao ny fisiany, dia ianao manana internet, sy amin’izao 2012 izao ve no hilaza fa tsy misy izany Firenena malagasy izany ?
    Olona tsy misy loha, na vongan-javatra no ao anaty lohany no miteny an’izany ê !
    Na olona tsy nandia fianarana aza tsy hiteny an’izany, rahatoa izy ka mbola mipetraka sy mihaina ao an-toerana !
    Tsory ny resaka rahatoa ka ny ampisara-bazana ny vahoaka malagasy ny tanjona ê !

    Fédéralisme izany AVELAO ANY, fa hisy fampihinana ny « tay sy ny amaniny » ao raha izany no mbola tadiavin’ny sasany ! Tsy misy hahazo tombotsoa amin’izany na iza na iza, ankaotry ny mpanjanaka fahiny izay mbola mitetika zava-dratsy ! Izany ve no tadiavinareo ? Miala tsiny amin’izay voasoratra fa izay angamba no fomba tsara hanazavàna ny resaka !

    Ny mety amin’io nosy io, dia izay mba niangaran’ny vintana, ka nandrato fahaizana arak’izay azony, dia ny HANAMPY an’ireo mpiray tanindrazana aminy, FA TSY HANORO VOHANA NA HANARARAOTRA SY HAMENO PAOSY FOTSINY !!!

  35. Izay mihintsy no tsy ahafoizako an’ialahy lesy ry Kintana!!
    efa saika hiantso vonjy mihintsy aho io fa hainao ihany bavy!
    sady manovo fahalala mantsy aho eto e!!fianarana daholo ny zavtra rehetra fa tsy ny any ampianarana ihany.
    izay vao azoko fa mis aotra. Aleo aloha omena bisous sao tsy mety,mouaahhh!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *