KENDA NY VOMANGA NASESIKY NY TANANY NY AV7

IMG_6787

Mitohy hatrany ny hetsika ho an’ny mpomba ny Ankolafy Ravalomanana etsy amin’ny Magro Behoririka. Anisan’ny nandray fitenenana teny an-toerana anrdoany andriamatoa Didier Radert avy any Antsirabe. Namaly ireo manampahaizana malagasy ny tenany, ny hoe tsy maintsy misy fifidianana amin’ity taona ity. Mbola sahy manohitra ihany izy ireo. Mampalahelo hoy izy raha izany no atao hoe manampahaizana malagasy. Matoa ny manampahaizana avy any ivelany nanao ireny dia efa nisy pitsopitsony natao tao. Dradradradraina hoy Didier, fa fifidianana manarapenitra, eken’ny rehetra no atao eto, ka inona no ilaina izany raha atao kitoatoa. Nampitenenina ve izy ireo sa heviny ireny hoy ny fanontanian’ity olomboantendry ity. Efa nolazaintsika foana hoy izy fa tanteraka ny fepera fitoniana vao miroso amin’ny fifidianana. Matoa ny expert avy any ivelany milaza ireny dia mety izany. Ny fitsarambahoaka hoy izy dia ny fifidianana ihany. Noho izany mila miasa isika,mila midina any ifotony isika mandresy lahatra ny vahoaka. Nanambara vaovao tamin’ny vahoaka teny an-kianja kosa andriamatoa Ralaiseheno Guy Maxime. Nieritrerita hoy izy ny AV7 fa hisintona ny fitoriana tatsy Pretoria, kanefa ny ankolafy Ravalomanana dia tsy nanaiky izany. Ny antony dia efa vonona hitondra porofo rehetra mahakasika iny ny filoha Ravalomanana. Kenda ny vomanga nasesiky ny tanany izy ireo. Ankoatra izay dia nambarany fa hanomboka hiverina any amin’ny faritra misy azy avy ny parlemantera avy ankolafy Ravalomanana. Baiko avy amin’ny filoha Ravalomanana izany hoy ny fanazavana.  Na dia teo aza ny tetiandrom-pifidianana hoy izy dia mbola mitady fitoniana politika isika ary mbola ady ny fihaonana faharoa eo amin’ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina. Namafisiny fa tsy mbola mijanona ny tolona fa mitohy hatrany.

19 pensées sur “KENDA NY VOMANGA NASESIKY NY TANANY NY AV7”

  1. Zao ilay woe: SONEGALY NAHAZO BAIKO manaonao foana.Mba vakio k;ely azafady.

    Lalatiana et Fidèle : Arrestations ratées par la DST à Ankorondrano !
    Vendredi, 03 Août 2012 00:00

    Hier, en fin d’après-midi, des éléments de la Direction de la Surveillance du Territoire sont arrivés à Ankorondrano, notamment dans les alentours des locaux de l’ambassade sud-africaine. De sources concordantes, ils ont eu comme mission l’arrestation de Lalatiana Rakotondrazafy et de Fidèle Razarapiera, deux animateurs de la station Radio FREE FM. Une information d’ailleurs confirmée sur place. Vers 17 heures, les hommes de la DST à bord d’une Toyota Camry grise portant l’immatriculation ….WWT se sont placés à quelques mètres du portail de l’ambassade. L’un des hommes est sorti de la voiture et aurait tenté de se renseigner sur une éventuelle présence de Lalatiana et de Fidèle dans les locaux de l’ambassade. Les agents de sécurité lui ont demandé de s’adresser au maître des lieux. En réponse, ce dernier aurait affirmé qu’il s’agissait d’un faux renseignement et qu’il ferait un rapport sur cette présence de la DST à son supérieur. Les hommes de la super direction de la police présidentielle sont donc repartis bredouilles. Il ne va pas sans dire que la DST semble ignorer ce que représente le statut particulier d’une ambassade et quelles lois régissent les rapports entre deux Etats. Tenter une arrestation dans un local pareil signifie ainsi une intrusion illégale dans le territoire sud-africain représenté par son ambassade à Madagascar. Il n’est donc pas étonnant que le responsable qui a reçu l’homme de la DST s’est insurgé contre la démarche entreprise et a décidé de faire un rapport à ses supérieurs, juste après les faits. Une intervention de ce genre risque fort de provoquer un incident diplomatique, une situation à éviter face à la situation actuelle. Bien qu’il n’y ait pas eu trop de dérapage, hier, à part l’ignorance de la DST sur les procédures à suivre, la crédibilité de cette direction est véritablement sujette à discussion.

  2. Rasamy a!
    Havendranana no tena betsaka, hita fa olona nampidirim-potsiny noho ny kolikoliy ireo fa ny fahaizana tsy misy.
    manantena fa izay rehetra ataony eto amin´ny fozaland dia azony atao daholo na dia ao amin´ireo ambassade aza. Mahery mihitsy ireto foza ireto raha hadondronana no lazaina.

  3. Dadavalo indray aloha na handeha mbanin’ny lohany aza dia tsy ho tafaverina etoGasikara intsony e! Tena tsy ho afaka hilatsaka ho fidina intsony koa satria tena maimbo rà ny tanany! Ny fonjan’i Tsiafahy no efa midanadana ho azy!

  4. Ô ry foza ô, tsy misy rano intsony angaha any aminareo ô ? Fafao amin’ny vorin-damba io tay be manampina ny masonareo, dia mba vakio ity ê !

    Ny hitsikitsika tsy mandidihy foana, fa ao raha !
    Jereo tsara ny sary avoakan’ny vazaha, mesazy ho an’ny frantsay, eraopeana ary izao tontolo izao ilay izy, mampahafantatra hoe OLONA IZA NO ANDRASAN’NY VAHOAKA MALAGASY !

    Aza taitra fa tsy ho sarotra ny reharaha, rehefa tonga ny fotoana hitadiavan’ny foza rehetra mpamotika firenena.
    Tsy iza izy ireo, fa IREO NITOMBO HARENA TAMPOKA, ARY TSY AFAKA MANOME POROFO NY FOMBA NAHAZOAN’IZANY FITOMBOAN-KARENA IZANY !
    Na ireo manana orin’asa aza, mbola tsy maintsy anaovana ankety mazava !

    http://www.lemonde.fr/afrique/article/2012/08/03/corruption-insecurite-et-inflation-les-repercussions-de-la-crise-politique-dans-le-quotidien-des-malgaches_1742054_31212.html

    « Je ne serai pas plus nul que le Président Ravalomanana » ?????

  5. HoAiza,
    Tsy afaka namaly ny resakao tato ato fa hitako vetivety fotsiny ilay izy, fa mbola nandeha kely nijery zidô, tany ho any !
    Na dia fantatro tsara aza ilay faritra andrefandrefana iny, dia nahoana no hoe : Tsiroanomandidy ê ? Hi hi hi !!!

  6. Efa el’izany: t@ fiandohan’ny taona 2009 ireny, mbola teny @ topmada!

    Ts’izany, fa nisy mpiara-nianatra tamiko betsaka avy tany t@ taloha be: grossiste ny sasany, ngetroka be sns …

    Kay moa io: ery Antaninandro? Sao de mba mpiavana amin-dry Chaussure Rafidy (taloha)
    Ny zokiko vavy nisy fotoana nanokatra resto Perle d’Orient teny @ lalana mampitohy an’Ambondrona-Antaninandro (efa tsy ao intson efa ela)
    ___

    Faly alou mahita an’isé!

  7. Mahagaga ry Denise dia mbola tsy tonga saina foana. Tiany hampidirina any am-ponja hono ny filoha Marc Ravalomanana dia tsy avalen’ny havany ao @ HAT mody.
    Na ireo havany ao @ HAT ireo tsy manana izay fomba hampidirany azy am-ponja na ny Afrique du Sud vendrana ka mampiantrano mpamono olona.
    Ny mahazendana anefa dia ity, mbola tsy nahare feo avy ao Afrique du Sud mihitsy nilaza hoe efa olona iray izao no novonoin’i Marc Ravalomanana teto Afrique du Sud.
    Na i Denise tsy dia nandia fianarana loatra ka tsy mahalala izany hoe fitsarana iraisam-pirenena izany na ny mpitondra an’i Madagasikara @ izao fotoana izao no tsy hita izay ataony.
    Saiky hadinoko, na koa ny tena manoratra no vao mba nahita ordinateur dia tena vendrana tsy mahalala ireo resaka rehetra mivoaka eran-tany mikasika an’i Andry Rajoelina.
    Ne mety hoe rehefa tsy nahita forum tany @ Madagate i Denise dia mba ety amin’ny site momba ny ara-dalana no mba afaka miteny satria na dia livre d’or aza tsy omen’ny olona tohanany hanoratany ny fanohanana ataony.
    Mampalahelo e!

  8. Antaninandro-Ambondrona-Ste-marie-Faravohitra-Behoririka-Andravoangy ambony-Rasalama-Cité Perrier, ets… Fantatrao daholo ve izany toerana filalaovanay taloha izany koa ry HoAiza â ?
    Ekipa mpanao foot Olampika, nivadika ho soda Olympiko !!! Hi hi hi !

  9. Fantatro dahol ireo ry km an, mandeha hivoaka « en ville » no filazanay fahiny rehefa mihoatra an’Ambanidia! Ny anay tsinona ery atsimon’Ambohitsaina no toerana naha-lehibe

  10. Aiza indray ity atsimon’Ambohitsaina ? Ambanidia, Faliarivo, Ambohipo, Mandroseza, Mahazoarivo, Alasora, Ankadintratombo,… ?

  11. De iry 8Quartiers-ets ery ambony iry zany saiky fantatrareo (raha tsorina) … ny sipa any ê?
    __

    Soa ny fiarahantsika ê – de misaotra foana an’i MyDago, vy nahitana an’i km: ohatran’ny miresaka amin’ny anadahy miray trano aho marina tsindraindray …

  12. Reto woa tena manao ny gasy ho vendrana mihitsy, ary manao anay ho tsy mahara-baovao, na de kely aza, ary ny avocat n’ny AV7 @ireto, de toy ireny mpanolotsainan-dRaosy Genabe, Zimbabweens mpamboly katsaka ireny, de hanaiky mora fotsiny amin’izao.
    Inona moa no tokony hatahoran’ny AV7 azy, zay ny olona voapanga toa an-dRaosy no tokony hatahotra.
    Araka ny vaovao navoakan’ny journal le monde, de nisy ny fitsarana t@ Talata 31 Juillet, ary nanatrika teo Raosy. Matoa nisy retrait plainte nataon’ny famille AV7, araka ny lalàna anglisy sy amerikana izay an’ny Sud Af koa, de afaka manao négociation ny partie adverse, ary araka ny vaovao mari-pototra, de nanao proposition, ny avocat n-Draosy, mba hisintonan’ny AV7 ny fitoriany, contre une gosse somme d’argent, zay aleo ny AV7 no hamoaka ny montant-ny rehefa tonga , satria may volotratra Raosy, @ity fifampidinihana faharoa ity, sao ho afa-baraka eo imason’izao tontolo izao? RAHA SANATRIA HISY SAZY AVY HATRANY, ENY FA NA DE NY FANDOAVANA LAY ONITRA BE 23 MILLIONS DE DOLLARDS NANGATAHAN’NY AV7, KA ALEO NIFAMPIDINIKA A L’AMIABLE , TOY IZAY NY FITSARANA NO HANDIDY AZY HANDOA IO.
    Araka io vaovao navoakan’ny Le monde io koa, de tonga nanatrika ny fitsarana Raosy, fa tsy arakarak’ilay vava be woe, tsy miraharaha izany aho, sy ny an-dry Hanitra woe, tsisy dikany io fitsarana io. De tsy mampaninona koa moa Raosy, raha mandoha onitra @ hadalany, sy ny vola nangalariny, volam-bahoaka ihany ireny, sady manamaivana ny fahorian’ny fianakavian’olona novonoiny, satria tsy azony averina intsony ny havany maty novonoin’io fahavalom-pirenena io. Manaranaka woa ity lainga ity, zay totofana daholo ity haratsiana ity, fa tsy hita zay hanaovana azy e! de hiteny ndray angamba rahampitso raha vaky bantsilana eo ndray ny lainga momba ity raharaha ity woe, novidian-dRajoelina indray ny tribonaly Sud Af. Ekena fa manambola miavosa enao Raosy, fa ny marina tsy ho voatototry ny volanao izany. Ary mbola hita foana fa coupable enao, matoa niantso fifampidinihana sy nandoa ekôlazy t@ AV7 io.

  13. Tsara angamba ny itohizan’ny fitsarana nataon’ny AV7 any Johannesburg, efa tokony ho fitsarana international iny – ny AV 7 no nanomboka dia tokony ho tohizana, satria amin’izay dia ho hita eo izay marina é ! fa tsy isika malagasy no hifamendrofendro eo – aleo ny lalàna international no hampijanona ny fifanenjehana eto Madagasikara – fa raha ny eto an-toerana dia mifanimpy baolina eo foana.

  14. Ary tena efa miaiky mihintsy ange i De8 fa Nitifitra ireo malagasy ireo e, Tsy tokony hanaiky lembenana mihintsy aloha ny AV7,reefa handoa Onitra i de8 dia ny 90% ny fanana izay nangalariny tamin’ny gasy mihintsy no alaina.
    io no mahamaika azy amin’ny fivoriana atsy seychelle io. fa tsy mifona am zandry dia ampy, fa mifona amin’ny vahoaka malagasy mihintsy.

  15. EEEE dia mbola mihevitra ihany ry Rabe vôpl fa mbola handaitra ny fafy lainga spécialitén’ny foza eto

  16. EEEE dia mbola mihevitra ihany ry Rabe vôpl fa mbola handaitra ny fafy lainga spécialitén’ny foza eto an!!! sao dia heverin’i be Vôpl sy denise Mpivaro-pika fa fitsaràna Razanakisoa ny any ivelany any é???fa dia nahazo hotrinona t@ zao fitondrana foza tranon-dainga mandendé zao ireo rizareo reo lé???

  17. Si l’AV7 veut vraiment toucher un magot ils devraient plutot accuser TGV de chefs de guerre ayant enrollé des enfants,comme ce qui s’est passé avec le procés de Lubanga Thomas Dyile qui a été condamné recement !

  18. Saryteny Tolombahoaka ireny,fa ity de8 dia sahy nampitifitra an’ireo mercenaireny ny malagasy mitovy aminy no tena loza, tsy biby intsony no fiteny ireny de8 ireny fa tena devoly.
    iny minisitry ny Defense ni demissione iny porofo ngezabe hampigadra mandrapahafaty an’ny de8 malalanareo .

  19. Eisy e ry Rabe sy Tanore sy Denizybe e ! Ny tanàna efa maimbo sy masiso, tsy avotra intsony nefa mbola be menomenona iany ianareo.
    Fafao aloha i Antananarivo, raofy ny fako, soroy ny ranomaimbo etsy Anosizato, avereno @ laoniny ny lalàna namboarin’i Dadanay izay vao sokafo ny vava.
    Raha tsy vitanareo izany dia akombony ‘ty molotra fa heno hatraty ny f……..

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *