MBOLA MADIO NY CASIER JUDICIAIRE NY FILOHA RAVALOMANANA

IMG_6543

Naneho ny heviny mikasika ny zavamitranga eto amin’ny firenena ankehitriny ny avy ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana miaraka amin’ireo fikambanana samihafa sy antoko politika miaraka aminy.  Arakan y nambaran’ny Me Razafimanantsoa Hanitra fa raha nanaiky ny tondrozotra izay efa nivadika lalàna isika dia tsy voalaza ao ny fampiharana  izany fa vao vita ny sonia dia mihatra izany.Tsy misy fepetra takian’ny Ankolafy Ravalomanana hoy izy, fa rehefa natao lalàna dia ampiharo. Matoa ny Ankolafy hoy Me Hanitra nanao fampiatoana dia nahatsapa fa tsy tanteraka ny zavtra takianay. Misy antony mazava hoy izy izany fampiatoana izany, ary rehefa tsy tanteraka ireo dia tsy hisy filaminana eto. Mahakasika ny resaka fitsarana ny filoha Ravalomanana. Nambaran’ity mpisolovava ity, fa tsy misy mihjitsy ny fanamelohana ny filoha Ravalomanana. Na ny didy rehetra navoakan’ny fitsarana hoy izy dia tsy nantrehiny noho izany  dia tsy mbola didy raikitra. Mbola afaka mampiakatra fitsarana ambony nytenany,ary manao cassation. Mbola madio hoy Me Hanitra ny « Casier judiciaire » ny filoha Ravalomanana, izay nivoaka ny 28 Jolay teo. Ny momba ny resabe fa ho tsaraina any Afrika Atsimo ity filoha ity, dia nanazava ny mpahay lalàna fa misy fepetra entina eo amin’ny firenena roa tonta, raha toa ka tsy misy fifanarahana ara-pitsarana, ka sarotra ny mamoka didy raikitra. Eto anefa hoy izy dia sarotra izany satria tsy mbola natrehin’ny filoha Ravalomanana. .  Tsy mety ihany koa hoy izy fa efa ny AV7 no nitory teto Madagasikara, ka tsy afaka mitory any Afrika Atsimo intsony Dikan’izany  dia mananjo izy  hampiakatra fitsarana na hamerina izany. Tsy azo ataotao foana hoy ny fanazavana ny mangataka onitra any Afrika Atsimo fa mbola misy fepetra maro tsy maintsy arahina. Raha ny didy avy aty amin’ny fitsarana aza dia mananjo hiaro ny tenany. Noho izany dia diso fiantefa ny fitorian’ny AV7. Namafisin’ny Me Hanitra fa tsy afa bela amin’iny raharaha iny ireo tomponandraikitra ao amin’ny fitondrana ankehitriny izay nitondra ny vahoaka teny Ambohitsirohitra.

Toy izao ny fanambarana avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana izay nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tao Bel’air foiben’ny TIM.

Ny Ankolafy Ravalomanana, ivondronan’ny antoko TIM, MFM, TEZA, PSD, AMF/3FM ary ireo fikambanana maro samihafa miara-dia aminy dia manao izao fanambarana izao :

I- Mitaky tsy misy hatak’andro ny fampiharana ny Tondrozotra, indrindra ireto andininy manaraka ireto :

Andininy faha16 : Ny Filoha , ny Governemanta, ny fitondran-draharaham-pitondranan’ny tetezamita manontolo ary ny andrim-panjakana rehetra dia tsy maintsy miandraikitra araka ny tandrify azy avy ny fanekena ireo fepetra mikasika ny filaminana sy ny fifampitokisana mba hisian’ny tontolo milamina sy tony, amin’ny fampijanonana ireo fanenjehana ara-pitsarana efa an-dàlana atao amin’ireo mpikambana ao amin’ny mpanohitra izay mety hifototra amin’ny antony ara-politika, ary ho fiantohana ny fanajana ny fanjakana tàn-dalàna sy ny feni-kevitra amin’ny fomba fitondrana mitovy. Ireo fepetra momba ny fifampitokisana ireo dia tsy mahakasika ny fanenjehana ara-pitsarana niandraiketana teo amin’ny sehatry ny heloka bevava natao tamin’ny olona, heloka bevava tamin’ny ady, heloka bevava noho ny fandripahana ain’olona maro ary fandikana goavana ny lalàna momba ny zon’olombelona sy ny fahalalahana fototra ;

Andininy faha 17 : Ny Filoha, ny Governemantan’ny Tetezamita, ny fitondran-draharahan’ny tetezamita manontolo ary koa ny andrim-panjakan’ny tetezamita rehetra dia tokony hanaiky fa hiaro sy hampiroborobo ny Zon’olombelona eto Madagasikara, ary hanaja ny fahalalahana fototra, indrindra indrindra ny fahafahana miteny, maneho hevitra, miditra fikambanana, manao fihetsiketsehana ary koa ny fahalalahana amin’ny fanaovan-gazety. Ny fampiasana ireo zo ireo dia tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fanajana ny lalàna misy ao amin’ny firenena ;

Andininy faha 20 : Ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) dia tokony hamela ny Olom-pirenena Malagasy rehetra nanao sesitany noho nyantony ara-politika hiditra eto Madagasikara tsy misy fepetra, anisan’izany Andriamatoa Marc Ravalomanana. Ny FAT dia tokony hiantoka ny fiarovana ireo malagasy rehetra nanao sesitany niverina an-tanindrazana. Ny FAT dia tokony hamolavola sy hamoaka hampanan-kery haingana ny lalàna ilaina amin’izany, tafiditra amin’izany ny lalàna momba ny famotsoran-keloka, mba hiantohana ny fahalalahana ara-politika ho an’ny Olom-pirenena Malagasy rehetra ao anatin’ny fomba iarahana mitantana ny tetezamita, mitondra mankany amin’ny fanaovana fifidianana malalaka, marina ary azo itokiana;

– Manamafy fa tsy mbola nomelohin’ny Fitsarana tanteraka ny Filoha Ravalomanana (condamnation definitive). Fitsarana tsy mahefa no nitsara azy sady tsy natrehiny rahateo, araka izany dia tsy didy raikitra ny didim-pitsarana nivoaka tamin’izany.

– Ny vahoaka maro an’isa manerana ny Nosy dia mitaky ny hirotsahany ho fidiana  filoham-pirenena ho fanajana ny fenitra demokratika.

II- Manameloka tanteraka ny fihetsika mamohehitra sy mamoafady natao tamin-dRtoa Rakotonirainy Lalao vadin’ny filoha Ravalomanana sy Rtoa Gergana vadin’i Josoa Ravalomanana (zanany), izay midika tsy fanajana ny zon’olombelona amin’ny teratany Malagasy tsotra mizaka ny zom-pirenena, nampanaovin’ny fiadidiana ny tetezamita .

Marihana fa :

– Renim-pianakaviana, gasy ray, gasy reny Ramatoa Rakotonirainy Lalao .

– Tsy mpanao politika fa olon-tsotra,

– Tsy voarohirohy amin’ny raharaham-pitsarana na noho ny resaka politika,

– Renin’ny Malagasy rehetra, vadin’ny filohan’ny Repoblika voafidy ara-dalana sady lanim-bahoaka

-Tongahamangy : ny reniny izay tsy salama, ny zanany, ny iray tampo aminy, ny havany ary ny fianakaviana manontolo.

– Nanana tapakila miverina mankany Afrika atsimo miaraka amin’ny daty mazava.

 

                             Antananarivo, 01 Aogositra 2012

                                    Ankolafy Ravalomanana

 

34 pensées sur “MBOLA MADIO NY CASIER JUDICIAIRE NY FILOHA RAVALOMANANA”

  1. Raha ity resaka lalana ,fanazavana lalana ,ity no mbola ho tohizana lava eto dia ho lany tokoa ny andron-tsika ,i Rajoelina na ny hazodamosiny aza tsy hihaino izany .
    Ary tafiditra lava ao @ fandrika hapetraky i Rajoelina isika .
    izany hoe ny fampitarozahana ny krizy sy ny tetezamita sy ny hampaharitra azy eo @ filoha azy .
    Kanefa ho fantatry ny rehetra fa Otage n i Rajoelina ny vahoaka efa ho efa taona izao ,ireo ministra sy ct na cst agamba tsy mahatsapa izany .
    ka ny any fanavotana ity tany ity dia eny andalambe ny mpiasa sy ny mpianatra ,ary vahoaka rehetra.

  2. chacun recolte ce qu’il sème;les resultats attendus sur le retour de mme ne sont pas à la mesure de nos attentes: »tsy hamelantsika izay nanao an’iny » dixit hanitsa

  3. Misaotra Razozy a!!Ny air Mad no voalohany mba niseho ho nilay teo nefa efa
    Hidaboka rahampitso ena am-panidinana.Dia ireo Pôlisim-boatra Sėnėgaly nahazo baiko.
    Efa nanome anarana i M.Hanitra.

  4. Aoka kosa tsy asiana sira be fa i Neny nilaza fa hoe:ho hita eo na tonga
    dia hijanona na mbola hiverina, isika tokony tsy hanatsara fahatany fa ny
    marina madio mangaraara ihany.

  5. Tsy tantin’ny ankolafy Ra8 mihitsy ilay hoe voahongana ka na ho faty eo daholo aza ny vahoaka malagasy 20 tapitrisa mba hiverenan’i Ra8 eo @ fitondrana dia tsy raharahiany izany.
    Ny fitondrana tetezamita indray moa zarany aza misy ankolafy mifandrirarira aminy eo sitrany hahay mihalava ny fotoana hijanonana eo @ fitondrana ka na ho faty eo daholo aza ny vahoaka malagasy 20 tapitrisa tsy raharahiny koa.
    Fehiny : Ny mpanao pôlitika malagasy tsy misy mijery izay hahasoa ny firenena fa mitady fahefana fotsiny ho an’ny tombotsoany manokana.

  6. Efa manomboka manambatra ny heriny ny mpampiantra sy ny mpianatra ary ny mpandraharaha eny Ankatso. Rahampitso no fotoan-dehibe eo amin’ny esplanade.

    Toa mikasa hidina an-dalambe izy ireo avy eo.

    Miandry ireo sendika hafa

    Atambaro ny hery

  7. l’habitude de faux papiers et faux en ecriture,la fausse delaration sont punies par la loi!au fait où est passé le faux certificat médical de la bruTE,?c’est la maladie de la faussomanie(voir le dictionnaire RAHUIT 2012 édition Magro)

  8. e de toy izany foana anie ireny olona nahavita soa tamin’ny tanindrazany ireny e!atahorana haharitra be loatra manko ny fitiavan’ny vahoaka azy ka de atao daholo ze hanosoram-potaka azy avy etsy avy eroa,na izany aza tsy adala ny vahoaka fa samy eto ary samy miaina ny zava-misy ka tsisy ambakaina sy handaingana fa miara-mahita e.fa hotsarain’ny ataony eo foana ireo mpanaotao foana ireo ka,mbola 99 andro manko ny azy fa ilay 1 andro no tsy ho tantiny.

  9. Ianareo izany koa toa mitondra lefona hamonon’ny foza anareo.
    Iza no nisalasala fa maloto ny casier an’i Atoa Ra8 ?
    Dia io no habaribary eo ho lotoin’ny foza jiolahy ?
    Mba zavatra hafa hhatolotra tompolko ô! Mba miangavy re eeeeeee!!!
    Jereo itony :http://www.lemonde.fr/afrique/appel_temoignage/2012/08/01/vous-etes-a-madagascar-comment-votre-quotidien-a-t-il-evolue-depuis-2009_1741150_3212.html

    Ny olona avy any ivelany ihany ve no andrasana anampy e ?
    Tokony hanararaotra an’io fanontaniana io ny malagasy petak’orona tsy mahare fofo-paty, soraty ato amin’i My dago izay tsapanareo rehetra fa izaho vonona andika rehefa tsy misy hanao.

    Aza misalasala fa alefaso ; ny lacrymogène, ny balle perdue, ny vidim-piainana, ny mpandroba, ny lasa adala, ny mahantra, ny halatra, ny loto, ny tsy an’asa, ny aretina sns .
    Samia mitantara, mba miangavy antanam-polo.

  10. donc camille va en suisse;le gtt ou du moins les membres qui ne sont pas vazaha taratasy mais rmistes doivent voir rouge!ce n’est pas un froussard ;demendez à dada!vous allez recevoir un grand chef

  11. Misaotra Elas a!!dia ho hatomboka @’inona??tena lava be loatra ilay izy
    sady mankarary fombola tsy manoratra aho dia efa latsaka ny ranomasoko.
    BE LOATRA TSY VOATANISA sady tsy misy mba moramora azo handeferana raha tsy hiteny fotsiny aho
    ny FAHARIPAHAN’ny Bois de rose io dia efa tsy ZAKAKO ny miheritreritra azy dia ny olana amiko manokana
    ny sisa efa tsy voatanisa, ny fahafaham-baraka ny hamenarana…………aleo aho aloha haka saina fa mavesatra
    be loatra.Deraiko manokana izay nametraka io fanontaniana io na dia MAFY AMIKO aza ny hamaly azy.TENA
    MAFY , tsy tantiko mihintsy ray olona a!!azafady fa sanatria aho tsy manome tsiny anao ELAS a!!

  12. Efa nigadra Ra8, talohan’ny nahaben’ny tanana azy. Efa hitany Antanimora, azo atao détail raha ilainareo ny porofo, sy ny anaran’ny mpitsara nampiditra azy. Matoa nigadra, de tsy nahovoka intsony ny mpisolovava azy. Saingy noho ny fananam-bola sy ny fahitahitana, de ex ministre no namoaka anlery.
    Aza manahy ianao Rahanitra fa haloto be iny casier be iny, rehefa mitontona any Dago ny tongotr’osy. Flagrant délit be io afera io a! tsy azon-dRainivoanjo nandosirana intsony toy ity Sud Af ity.

  13. Ndrisy, mbola ZAZA MINONO tokoa ilay vahoaka malagasy ! Mitomany be dia hanontaniana hoe maninona dia tsy mahateny fa mifokofoko fotsiny.
    Fafao ny ranomaso, dia mangina, dia ataovy an-tsaina fa masika be dada rajoely dia tantarao amin’izay . Mahavidy vary sy hena ve ianareo ? taloha misy glace sy yaourt, ary amin’izao ?
    Manao ahoana ny fahadoovan’ny tanàna, taloha tsy nisy intsony ny 4 MI zanak’i ratsy iraka ary izao ? ( ny hitako izao dia mangery ampovoan-tsena ny sasany )
    Ary manao ahoana ny filaminana ? ny mpangalatra ,
    Mba tantarao e!
    izany bois de rose izany tsy izy fa tsy hita maso ny fanondranana azy.
    Sao dia mody mitomany kosa aza fa te ahazo vatomamy fotsiny e !

  14. Masiaka ratsy!!!tena loza noho i Kintana koa ianao ity an!!
    nefa tena marina! naka souffle aho no tena marina , tampoka
    tamiko loatra ilay fanontaniana, tena feno loatra fa ho avy kah! misaotra @’ilay fandikana ,
    sady toa efa tolorana fotsiny izy izany, MANKASITRAKA e!! ny ahy izany any @’ilay hasina
    voahosiosy mihintsy no hiadivako mafy ka anisan’izany ny Hasin’ireo bois de rose anie e!!!
    Hoa avy fa tsy maintsy halamina tsara aloha sao bedy eo indray hi!hi!hi!!!!!

  15. Azafady ary fa somary lavalava sady manome asa anao ry Elas dia
    mba ahitsio raha misy lesoka ,dia misaotra mialoha ary.

    Hatramin’ ny 2009 no nakaty dia maizina ny tany aman-danitra .
    Maro ny olona very asa
    Mihinana tapa-tsinay ny vahoaka
    tsy mianatra ny mpianatra noho ny tsy fisian’ny vola hampianarana azy sy noho tsy fandoavan’ny fanjakana ny
    karaman’ny mpampianatra mety koa fampiasana ny ankizy hitady vola.
    Mihamahazo vahana ny fanolanana izay hita eny hatra@’ny zaza vao minono aza tsindriako tsara (6 mois ) .
    Ny tsy fandriam-pahalemana tsy an-tsaha tsy an-tanana fa mikaikaika daholo ny olona.
    Famongorana ny harem-pirenena @ tsy ara-dalana izay hataon’ireo olom-bitsy.
    Ezahana potehina ny tanora sy ny ho aviny rehetra @ fanapoizinana ankolaka hita izany @ fanasivana zava-
    mahadomelina ny sigara amidy eny antsena ary orin’asa na vahiny mpanjanaka no manao izany fanapoizinana
    ny tanora Malagasy izany.
    -Misy izany ankizy hetsehan’ny DEVOLY izany koa any an-dakilasy izay mbola anisan’ny fanapotehina ny ho avin’
    ny zaza Malagasy ihany koa.
    -Hiezahana rerahana @ fomba tsy rariny rehetra ny olona dia vidiana mora foana avy eo hanaiky ny tsy rariny rehetra
    miseho eo @ tany sy ny fanjakana ahazo vahana ny fanararaotana @ FANGALARANA sy ny FANDROBANA Hataon’
    Ny MPITONDRA FANJAKANA MISY Dia i RAJOELINA SY NY FORONGONY.
    -Potehina ny orin’asa Malagasy hanomezana vahana ny VAHINY MPANJANAKA @’ilay fitiavan-kelin’ireo OLOMBITSY.
    AKATONA DAHOLO izay fomba fampitam-baovao mikatsaka hilaza ny marina satria ny mpitondra dia TRANON-DAINGA.
    MITOMBO NY MPISOLOKY.
    -tany tsy tan-dalana intsony i Madagasikara, izay manara-dalana indray no voasazy.
    -Maloto ny tanana, hita mitoby etsy sy eroa ny fako.
    -Mitombo isa isanandro ny maty sy mamono tena noho ny vono antsitra-po sy ny adi-piainana mafy loatra sy ny disadisa
    misy eo @ fiarahamonina.
    – tsy misy HENATRA na TAHOTRA intsony ny mpitondra manao ny zavatra mamoafady rehetra miaro LAINGA sy FITAKA
    lava ary tsara lahatra.
    -Efa manakaiky ny 5000 ny ZAZA very hatr@ 2009 no makaty.

  16. Io ary aloha no masaka dia miala tsiny @ fisavorovoroana ry Elas,
    Afaka mbola manampy aho raha tsy dia manome asa be loatra anao
    dia mino aho fa izay azonao raisina no raisinao fa izay tsy azo avelao , dia misaotra mialoha!

  17. Rabesaotra ahhh, zao aho aloha vao mamaly anao fa zao aho vao niditra tato ndray, tsy oe tsy tanty ny nampiongana ny Filoha fa zavatra tsy tiana hisy sy hipetraka ho lovain’ny any aoriana foana ity fanonganam-panjakana ity izay io foana no mampihemotra ny firenena tsy handroso, ka tsy hoe voahongana dia mangingina aloha, de miverina tampoka refavieo (ôtran’ny deba), raha izay mantsy dia kajikajy pôlitika mazava be, fa ity fanoherana dieny hatrany am-piandohany ity dia midika fa tsy tokony ary tsy mila atao mihintsy ny fanonganam-panjakana. Ary izaho milaza aminao fa na dia navela tamin’izao, ka nipetraka malalaka teo aza i Rajoelina, dia toa izao foana ny fiainan’ny Malagasy 20tapitrisa satria tsy misy mankato mpanongam-panjakana izao tontolo izao dia tsy maintsy mihantona foana ny famatsiam-bola, dia izao ihany ny fiainan-tsika, ny mety ho mahasamihafa azy ary @zay dia ny vao mainka ny mety ho figalabonan’ireo FAT ireo satria tsy misy mpanelingelina ny fanaovany tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ka manjary vao mainka loza ny fiantraikany ara-toe-karena. VITA TOMPOKO

  18. Ary lasa aiza daholo ireto mpisera??naka rivotra daholo angaha???
    Aiza o!!!!misy mihaiinoooooo??????

  19. Saika hadino ry Rabesaotra fa ny olona milaza ho tsy an’ny atsy na ny aroa na ny mifanohitra @zay hoe an’ny atsy na ny aroa, no tena mampiahiahy indrindra koa, satria izany fisainana izany aloha dia fisainana tsy tompon’andraikitra, fa an’ny marivo salosana, ka ireny ilay olona mety sy mora vidiam-bola na mety fitahana, na satria tsy de misy foto-kevitra ijoroana ka izay mahatolotolotra azy no arahany, na …. mora mihodina sy mivadika ehhhhhh, Azafady indrindra fa toe-tsaina tsy tsra hananana mihintsy ny toa izany.

  20. tsy mety ranavalona a! ny fiovan’ny fiainana andavan’andro talohan’ny 2009 sy ankehitiny no angatahana.
    Ohatra ny kilao ny vaty 800 hatramin’ny 1100 taloha ary izao ohatrinona ?

  21. Andraso indray ary, tena tsy arako ilay pris marina,
    efa 25 taona aho no niala an’i Dago, aiza kosa dia tsy misy azo raisina ve ireo??
    mba amboamboary eo aloha, mba raiso aloha izay azo raisina.

  22. efa vita e ! namboariko tsara ka asa izay ho tohiny
    Kay ranavalona tsy monina eto an-toerana akory dia manderbireby tsss

  23. Lavitry ny maso fa akaiky ny fo!!misaotra fa tsy voafintiko ilay izy fa
    entim-po be loatra aho, toa namoaka ny maharary ahy rehetra tato
    anatiko anie ilay fanontaniana e!!n lavitra aza aho ny tanindrazako tsy ariako SANATRIA!!mamiko ny taniko!!
    tsy atakalo tsy amidy.Tsy mpanao politika aho fa mpitolona mafana fo fotsiny.Mankasitraka e!!dia mbola miala
    tsiny aho ilay indray andro iry fa tena MENATRA anao aho ry Elas!!
    Ohatry ny mba maivana izany aho nitanisa ireo fahavoazana ireo hoe mba misy mihaino ihany isika na dia mbola
    tsy ahitana vahaolana aza aloha.

  24. Ilay prix- na taxi be ihany izao no haiko tsara fa tsy nietsika
    nefa ny lasantsy efa tsy sasatra nisondrotra ny vidiny,
    efa fahavoazana be miohapapana io.

  25. Rehefa malalaka mi-post ao amin’iry lien LeMonde.
    Fa amparitaho any @ site hafa ihany koa!

    Ary ataoko ty de mipetraka any ambanivolo be n’i Gasikara any i ranavalona! Hoy io tsinona tany ampiandohana hoe: miazakazaka etsy sy eroa mi-informer ny olona

    I km aza moa tany amboalohany indrindra, noeveriko ho ireny ngetroka be manana magazay goavana any … Tsiroanomandidy (hihihi)
    ___
    Ny vidim-bary dia somary nidina kely, fa mihisatra ny liquidation eny @ grossiste: misy fiantraikany any ny fihenan’ny consommation ny sarababem-bahoaka

    Ny produits laitiers no tena maha-ory rey olon an: dibera mandranoka SANS QUALITE no be ampidirin’ireo karana isany – itony jadida sy blue-band atao pub atsy sy eroa!
    Dia asa izay mba hahitako margarine tsara anio, hanaovana cookies

    Ny fandriampahalemana? Jereo ny gazety TiaTanindrazana nivoaka 31 juill. milaza izao vaovao izao :
    ==> zatovolahy 13 & 18 taona nataon’ny mpitandro ny filaminana tany Bezaha (atsimo) « au poteau » dia no-exécuter (tifirina à chaud nitangolika maty teo) fa mpiray tsikombakomba hono

    santionany kely ireo tonga ato an-tsaina androany…

  26. Afaka tsara mihintsy ianao manao izany @ alalan’ny serasera sy ny phone
    sy ny SKYPE aza ity vao maika mora dia mora sns , sė ve ahoana e!!!
    misy havako ohatra mipetraka 5 mn miala eo @’ilay toerana ho hanaovana famelabelaran-kevitra
    any Dago dia izaho aty @ lavitra aty no miantso azy ireo handeha ao @’io toerana 5MN miala ao
    @ tranondry zareo io, satria eto @’ity serasera ity no ahitako ilay filazana dia ampitaiko any Dago
    fa tena tsy mahalalan’inona mihintsy ireo olona any, maizian apototry ny mazava daholo, izaho koa
    moa tsy miasa rahateo, Tena marina io voalazanao io ry Hoaiza an!!

  27. fa angaha efa misoloky taratasy sandoka koa ry Hanitra, olona mpangalatra sy mpamono olona ve dia hadio ny casier. Atao daholo ny fomba handiovana an’i de8, ny amnistia ny fifidianana, taratasy sandoka. ny olona mihoson-dra ry Hanitrab tsy hadio mandrakizay a, ary tsy ho eken’ny malagasy velively izany .

  28. Tanora ahhhhhhh >>> aza manala-baraka antsika tanora ôtran’io, jereo tsara io sary io, alebiazo ra tsy hita tsara, fa mazava be ary tsy misy maizimaizina miintsy, na ny anaran’ny namoaka io Bulletin io aza, ny fitomboka, sns…; fa izao no manamporofo fa hendrikendrika no hanamelohana an-dRa8 satria hatahorana ny hody eto ary handresy @ fifidianana. Rolly Mercia raha ny momba an’io ary tsy nanan-kambara fa de zavatra hafa ndray no noforoniny de hoe ny « hetra » indray angaha moa izy teo no hanenjehana azy, sa inona moa fa io tsy sahiny nasiany resaka akory. Ny marina tsy mba maty ry milaza azy ho tanora diso lalana, ary na dia fisaka aza ny marina ka saro-tadiavina satria hafenin-Drajoelina sy ny ekipany mafy, dia tsy maintsy miseho eny foana fa mahandrasa ehhhhhh.

  29. tena marina izany ry Andry a, tena mazava tokoa ilay ttsy, Fa manontany anao aho hoe, possible ve izany olona mpamono olona ary na izy tenanany aza niaiky fa namono, ary mpitsetsitra ny hatsembohan’ny malagasy.
    possible am Hanitra izany fa tsy possible am olombelona.Mahasahy koa io ramatoa io mampiseho ttsy sandoka, na zazakely aza ve dia hino an’iny.

  30. Tanora ô,
    I Ministra Rakrisy mihintsy no nanamafy fa madio ny casier N°3 n’i Dada, fa ny n° 1 sy 2 hono no confidentiel sy maloto. Mazava izany fa « vièrge » Dada eh, na inona filaza na inona filaza. Tsy hainay izany casier 1 sy 2 izany fa raha matanjaka dia lotoy ny « Casier n°3 » ahitantsika azy, io no fata-poko fata-pirenena sy dossier hilatsahan-ko fidina: fehiny, madio Dada, rehefa tsy voaloto tanatin’izay telo taona izay… (akoho efa tsy naneno ôtr’izay…)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *