MIBARIBARY FA IREO BE GALONA NO HASOAVIN-DRAJOELINA

IMG_7639

Tsy ny rano ritra hoy ny CT Raveloson Constant, teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany, fa ny amalona ho azo. Anisan’ny mba tiako io ary ampianarako ny mpianatro foana hoy izy. Ny tanjona dia ny fiverenan-dRavalomanana eto hitondra ny firenena. Efa akaiky ny malemy alain’ny molotra isika. Isika hoy izy dia isaky ny misy dingana dia kivikivy foana. Mibaribary izao fa Richard Ravalomanana dia milisin-dRajoelina. Mitovitovy amin’ny chien de garde hoy izy, ka tsy menatra akory teny Ambohijatovo manoloana ny Sadc, mamazana sy manaikitra. Vao raikitra ihany koa hoy ity mpanao politika ity, ny tany Seychelle dia nipoitra ilay jeneraly iray Rabarisoa Ranto. Mipoitra ny sakana rehefa misy dingana. Manomboka androany hoy Constant isika dia tadidio ilay tenintsika teto hoe n’inon’inona finiavan’ny manana galona dia ny sivily no hanaovana jery atrika. Aoka hoy izy hahay hanavaka ny foloalindahy isika. Manomboka mibaribary izao fa ireo begalona no hasoavin-dRajoelina ao anatin’ny foloalindahy. Ireo zandary zanantsika hoy izy no arovantsika fa izy telo lahy nanaraka azy any, enga anie hahazo ny tandrify azy.

2 pensées sur “MIBARIBARY FA IREO BE GALONA NO HASOAVIN-DRAJOELINA”

  1. ireto miaramila sy begalona malagasy apondra tsy fanao enao ;
    no mandany ny vola aman-karena ny firenena malagasy
    no mpamono olona malagasy izay fahavalony voalohany
    no mitantana ny raharaam-pirenena satria i rajoely voakarama hiandry ireto apondra
    no be kibo tsy manankatao ka mamokatra
    no fatritrany eto amin’ity firenena ity
    fohy fisainana ve ny sadc sa mody tsy mahalala ireo zava-misy mibaribary ireo ?
    sa voavidy koa ny sadc dia mody milalao @ ny vahoaka malagasy.
    Raha ny vola lany tamin’ity fanelanelanana krizy ity efa nahatsangana centrale électrique 1 et afrika na sekoly 10 ho an’ny ankizy afrikana na hopitaly 5 na fatsakana rano 50.
    Mampanontany tena hatrany hoe ketrina y maizin-tsaina ve afrikana sy malagasy ???
    itony tgv sy be galona itony no sationany, tsy fahaizana mba misy tartra,tsy toe-tsaina lavorary, tsy toe-batana mba mendrika, tsy fomba fihetsika mba mahate hanaja dia ireo miziriziry ireo, tsy mahalala tsy tiana dia eo ihany.

  2. MAHAMENATRA TOKOA REY OLONA IRETO ATAON’IRETO MPITARIKA MIARAMILA – TSY MENATRA VE RIZAREO SA RE DIA EFA JAMBAN’NY VOLA ?

    TENA SAMY MANANA NY FITAZAINA AZY TOKOA E !

    ENGA ANIE KA HO TONGA SAINA RIZAREO AR TOKONY HO FANTANY FA TSY METY NY ATAONY

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *