MPISANDOKA FAHEFANA RAJOELINA

IMG_7469

Na dia andro tsy fiasana aza ny androany, dia tsy nahasakana an’ireo mpomba ny filoha Ravalomanana hanohy ny tolona izany. Vory lanonana teny amin’ny kianjan’ny Magro izy ireo, ary teny ihany koa ireo mpitarika. Ankoatra ny dihy izay nasehon’ireo tanora zanak’idada avy any Ambohitrandrimo Anosiala teny an-toerana dia nisy ihany koa ny fanomezana natolotra ilay raim-pianakaviana iray zokiolona nahatratra ny faha 70 taona nahavelomany teto an-tany.Rehefa vita izany dia niroso tamin’ny lahateny samihafa ny mpitarika. Ny CT Feno dia nanambara fa zavadehibe ny fitolomanana nataontsika ho an’ny filoha Ravalomanana teto. Anisan’ny vokatra andrasantsika hoy izy ny fivoriana amin’ity herinandro ity, ary nametrahana adidy isika. Manomboka izao hoy izy dia mandefsa sms, any amin’ny namana rehetra, amin’ny fanentanana azy ireo ho tonga maro amin’ny Sabotsy. Hetsika lehibe no tanterahina eny an-kianja amin’io fotoana io.Vokatry ny fanonganam-panjakana hoy Feno dia mpitondra tsy eken’ny vahoaka sy ny sehatra iraisam-pirenena no misy eto.Tsy mahavita inona hoy izy fa mangorona ny harem-pirenena fotsiny. Ny lalam-panorenana nisy hatramin’ny 1957 ka hatramin’ny Repoblika faha III hoy kosa Ignance dia ny andininy faha 3 no milaza fa tsy olona na andian’olona afaka misandoka fahefana. Ny zavamisy hoy izy dia mpisandoka fahefana Rajoelina satria milaza fa tsy afaka miverina eto ny filoha Ravalomanana. Rehefa ny vahoaka hoy Ignance no miteny amin’ny alalan’ny fifidianana fa tsy ilaina intsony ianao dia ekena. Nampatsiahiviny fa zavatra roa no antony ahatongavana eny an-kianja. Ny voalohany dia ny tsy maintsy hiverenan’ny filoha Ravalomanana. Ny faharoa kosa dia ny tsy maintsy hilatsahany hofidiana. Izay rehetra mieritreritra ny tsy hanao izay hoy ity mpanao politika ity, dia manao « declaration de guerre ». Ianareo foloalindahy hoy izy dia mieritrereta fa hifamono eto isika. Aiza no niafaran’ireo nanana basy toan-dry Khadafi, Saddam Hussen… Efa fantatrareo miaramila hoy izy fa izay no takianay teto kanefa nolavinareo.Noho izany dia manao politika ianareo misakana ny fiverenan-dRavalomanana eto. Ny marina hoy Ignance dia matahotra ny ho very seza ianareo. Nambarany ihany koa fa izay rehetra voafidy aorian-dRajoelina dia tsy maintsy  hanao fanadiovana lehibe. Dikan’izany hoy izy dia halalahana ny fonja satria ireo miaraka aminy ireo dia any am-ponja, fa manao detournement sy corruption hatramin’ny fokontany.

6 pensées sur “MPISANDOKA FAHEFANA RAJOELINA”

  1. HAFANAO hatrany ny kianj’ê: isaorana manokana eto ireo tanora mpandihy, dia miarahaba an’i dadabe tratry ny tsingerin-taona nahaterahany ihany koa!

  2. Hatahorako otran’ingahibe io Raosy vao ho tafody an-tanindrazana. Tsy mbola hay koa avy eo, fa any am-pigadrana no hamaranany ny androny, noho ny olona novonoiny. Aleo ihany Raosy mipetrapetraka @ vola be nangalarina any an-tanin’olona any a! ho very @io, soif de pouvoir io ane nareo e!

  3. RABE,
    Hoy Papanay t@ fahavelony : « Raha hiady @ fahavalonareo ianareo dia aza mandray fiadiana na mihantsy azy fa manaova zavatra hahamenatra azy ».

    DADAnay no nampadio an’Antananarivo, namongotra ny mpangaro-pôsy, ny DAHALO, ny risoriso et j’en passe.

    Fanontaniana : Inona no vitan’i Boy kelinareo depuis 2009 ????????????????
    Mba valio azafady re e !

    (Coucou HoAiza)

  4. Dadan’i Babyfoot, no nandoto ny tanan’Antananarivo, nanao fahirano ny Vahoaka n »Antananarivo sy Tamatave, satria tsy nofidian’ny vahoaka intsony ny Kandida TIm,
    satria dia i zandry lany 63% tany Tana, fa Hery Rafalimanana izay kandidam-panjakana coach PM sy ra8 tamin’izany dia tsy nisy nifidy na dia nampiasain’ny de8 volabe aza,nalefa savaravina rnm manokan mihintsy fa ny candidat hafa tsy nahazo izany, alefa vavao TVM foana isan-kariva nefa vao mainka tsy lany.
    izany no toetran’ny dadanareo, NY vahoaka avy hatrany no faiziny satria tsy nifidy azy.
    izany no namonoany ny vahoaka satria tsy manaraka azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *