NY FIFANKATIAVANTSIKA NO HAHAFAHANA MAMERINA AN-DRAVALOMANANA ETO

Nanohy ny tolona toy ny mahazatra teny  amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany, ny vahoaka mpomba ny filoha Ravalomanana Marc. Anisan’ny nandray fitenenana teny an-toerana ny mpikambana ao anatin’ny filankevitry ny tetezamita Leriva Manahirana. Nanazava tamin’ny vahoaka ny kabary nataon-dRavalomanana tamin’ny Sabotsy ny tenany. Misy mandika vilana hoy izy, ny voalazan’i dada teto dia ny hoe : hifonako. Ho an’ny sasany dia lazaina fa namono olona izany tamin’ny 07 Febroary 2009. Ny nifonan’I dada hoy ity olomboantendry avy any Brickaville ity, dia tamin’ny fotoana nitondrany dia nisy tamintsika ireo nangataka fihaonana taminy nefa tsy voaray. Mety nisy ihany koa hoy izy tamintsika nanoro hevitra, nitady asa tany aminy, nefa tsy nahazo fahafaham-po. Izay rehetra izay hoy Leriva no nitondrany fifonana. Isika izao no masoivohon’ny filoha Ravalomanana ka noho izany dia hazavao araka izany ilay izy. Tsy namono olona, na nangalatra boideraozy akory izy. Nanambara ihany koa ity mpanao politika ity, fa sady mitolona isika eto no tsy maintsy miasa any amin’ny fokontany, ny kartie samihafa misy antsika. Namafisiny fa na iza faly na tsy faly dia tsy maintsy mody ny filoha Ravalomanana . Tsy maintsy miomana isika hoy Leriva, amin’ny fampandaniana azy mba tsy handiso fanatenana ny tenany. Diso izay milaza fa mandeha ho azy ny fampandaniana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana fa mila miasa isika. Ny firaisankina nolazain’I dada teto tamin’ny Sabotsy hoy izy dia tsy ho an’ny vahoaka teto ihany fa antsika mianakavy. Noho izany dia atambaro ny hery hananana fifankatiavana fa izay no hahafahantsika mamerina azy sy miaro ny filoha Ravalomanana.

Ny Ct Erick kosa dia nanambara fa  matoa miitatra sy mizirizy lava ny krizy, ka tsy misy vahaolana dia noho ny fisian’ny antokona miaramila vitsivitsy izay milaza fa tsy manao politika nefa manao izany. Noho izay antony izay hoy izy dia tsy mitsangana mahitsy ny miaramila. Miangavy anareo miaramila hoy Erick ho tonga saina tsy hiaro olom-bitsy. Nahatsiaro izahay fa potika ny fihariana eto Madagasikara.

4 pensées sur “NY FIFANKATIAVANTSIKA NO HAHAFAHANA MAMERINA AN-DRAVALOMANANA ETO”

  1. Dia asaivo averiny indray ilay fitoriana raha sahy ireto foza raha izay no
    fandraisany ilay fifonana fa mannome « L ».avereno ary ilay fitoriana ry doma isany dia
    ho hita eo iza no diso a!!miakapokapoka manome litika ireto izy marina, aiza moa no hisy zavatra vanona ao@
    tanana???mitady hirika mafy mihintsy hanosora-potaka ny dadanay fa diso MADIO BE LOATRA izy, ny fotsy hono
    ala-tasy ka tsy hatao mahagaga izay fitsaram-poza any, soa i dada fa manana faharetana eo ampiandrasana ny
    marina rehetra , fisaka mantsy ny rariny ka saro-tadiavina.

  2. o!mpiresaka be an i Magro sy Me Hanitra o!

    inona itony !

    Après la vente aux enchères des matériels restants et des véhicules utilitaires appartenant au groupe Tiko, la société serait mise en hypothèque. Une information provenant des proches de la famille Ravalomanana qui ne cesse de subir les dommages collatéraux de la part de la Hat. En effet, Christine Razanamahasoa aurait sorti une ordonnance d’hypothèque à l’endroit de ladite société. L’ordre de la mise aux enchères dont le bénéficiaire serait la société SPCI, une société sous la houlette de la famille Razakandisa devra être mis en exécution ce mercredi, sauf changement.

    Selon nos sources, la famille s’attend à bien d’autres mauvaises surprises de ce genre. « C’est une manière pour eux de forcer le président Ravalomanana de céder à leur chantage ». D’ailleurs, Rajoelina aurait déjà proposé à Ravalomanana lors de la première rencontre aux Seychelles de « cesser les poursuites envers Tiko, de lui accorder une amnistie, en contre partie de son retrait des présidentielles et surtout si ce dernier abandonne l’idée de retourner au pays ».
    Il faut savoir que les pertes du groupe Tiko se chiffrent en plusieurs milliards, après le black Monday, avec les dégâts causés par les actes de pillage, vandalisme et incendie évalués à 102 milliards d’Ariary, les vols de marchandises en stocks tels que la farine, le riz, les produits laitiers jusqu’au 10 Juin à près de 24 milliards d’Ariary, la perte sur les produits saisis et réquisitionnés pour la transformation et vente illégale de19 milliards d’Ariary, le manque à gagner depuis le 26 Janvier au 31 Mai 2009 de 14 milliards d’Ariary montant qui a encore augmenté jusqu’à ce jour.

  3. Ka ny mpisera mbola variana amin’ny resaka fjkm vs katôlika, sy ny vakansin’ny mpanongam-panjakàna daholo ê !
    I Maitresse Hanitra efa nanome toky fa vitany ny mikarakara an’io, ary indrindra fa ny fampodiana an’i Dada !!! Manantena mafy aho fa tsy mampiesona ilay ramatoa !

  4. Ô RE OLONA Ô! INY FIFONAN’I DADA INY DIA TENA FANKATOAVANA SY FANATANTERAHANA NY SITRAPON-ANDRIAMANITRA MADIODIO FOTSINY IZAO, KA ALEO IZAY HANAKIANA ANY HANAKIANA? ALEO IZAY ANAO INY HO FITAOVANA PÔLITIKA ANY HANAO IZANY; sns . . . ; FA NY ZAVA-DEHIBE DIA NANAO NY SITRAPON-ANDRIAMANITRA I DADA RAHA HAMARANA NY FOTOAM-PIASANY TEO ALOHA ARY ANOMBOKA NY FOTOAM-PIASANY VAOVAO HO AVY INDRAY, KA IZAY MANENJIKA AZY TSY RAHARAHIANTSIKA IZANY SATRIA ANDRIAMANITRA NAMPANAO AZY AN’INY NO HENJEHIN’IZANY OLONA IZANY

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *