RAKOTONIRINA MANANDAFY : FOLAHANTSIKA AMIN’NY FOMBA REPOBLIKANA IREO BALITA ADALA IREO

Izao lalana hizorantsika izao hoy Rakotonirina Manandafy teny amin’ny Magro Behoririka androany dia anoherana ny fandrobam-pahefana. Fanoherana Repoblikana no ataontsika. Tsy vao izao no nisy izany hoy izy fa hafa no nataon’ny olona teto. Nisy ny nitondra kibay, basy fa ny antsika fandresendahatra. Nisy hoy izy ny namantsika nivadika any amin-dRajoelina. Nanaiky resy dia lasa. Izahay hoy Manandafy no voantendry Ct sy Cst dia tsy misaraka amin’ny Ravalomanana. Ovaina ny fitsinjaran-toerana, tsy atao mizana tsindrian’ila. Tsy atao manaiky resy lahatra sika fa averina dinihana ny hevitra izay lany fahatany tao. Tsy mbola afabaraka toy izao hoy ny tafika fa resin’ny Remenabila. Miantso ny miaramila haneho ny demokrasia sy ny Repoblikana hoy izy, fa tsy tahaka ny nataonareo tao amin’ny Episkopa. Resaka politika hoy ity olomboantendry ity no ataontsika. Izao indray fantatra fa manankarena ity tany ity fa balita no tsy ambinina. Ireo balita adala ireo dia folahantsika amin’ny fomba Repoblikana. Tsy mila basy hoy izy fa kianja Magro no hamolahana azy. Ity kianja ity hoy Manandafy no handraisana baiko avy amin’ny filoha Ravalomanana.

4 pensées sur “RAKOTONIRINA MANANDAFY : FOLAHANTSIKA AMIN’NY FOMBA REPOBLIKANA IREO BALITA ADALA IREO”

  1. Quel est ce monde EGOISTE ?

    First : The french country !
    Resiste – persiste !

    so, TGV WILL BE DOWN !!!

  2. Mahatoky anareo izahay Manandafy. Mankasitraka amin’ny fitandroana ny hasin’ny malagasy sy ny sata repoblikana. Mpanao politika manana ny maha -izy azy eto amin’ny firenena ianao. Ampianaro ireo tanora mpanao politika gasy fa tsy ampy ahodin’ny menasofina

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *