RALAISEHENO GUY MAXIME : NY TONDROZOTRA NO MAMERINA NY FILOHA RAVALOMANANA ETO

Nanao valin-kafatra ho an’i Voninahitsa, teny an-kianjan’ny Magro Behoririka androany ny filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanana eto Madagasikara Ralaiseheno Guy Maxime. Tsy mahagaga hoy izy, fa raha Voninahitsa dia efa ela no nisolitika tamin’ny politika diso. Tsy mahagaga raha ny Les As no manao ireny satria hafa ny lazainy androany ary hafa rahampitso.Efa fantantsika hoy Guy Maxime, mangalatra ny tenany ary mialokaloka ao anatin’ny hoe heloka politika no mahazo azy. Jiolahim-boto politika Voninahitsa hoy izy. Ny antsika dia tsotra hoy izy, aza mialokaloka ao ambadiky Rajoelina fa mirotsaha ho fidiana raha sahy hifaninana amin’ny filoha Ravalomanana.   Raha ny zavamisy nandritra ny telo taona hoy ity mpanao politika ity, dia nahatratra 300 milliara ariary ny fantiantoky ny Jirama. Amin’izao fotoana izao indray dia takiana 200 millions de dolara ny orinasa Sherit, izay nisy ny fifanarahana ara-dalàna tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana. Hanetsenana ny lavaka nandritra izay telo taona izay hoy izy no antony izany. Tsy nisy tsy nahalala isika fa hangalarina hatrany ny harem-pirenena. Fatiantoka ho an’ny Malagasy hoy Guy Maxime ny fandrobana izany harem-pirenena izany. Amin’izao fotoana izoa dia misy ny kaontenera 10 misy andramena naondrana antsokosoko. Tsy anjaran’ny Voninahitsa no misakana ny filoha Ravalomanana, fa ny tondrozotra no mamerina azy eto. Ankoatra izay dia nambaran’i Guy Maxime fa lasa any Frantsa Rajoelina ary tao amin’ny toeran’ny mpanamory no nipetraka. Ny nataonareo frantsay hoy izy no nankaleo anareo satria  nifampiraharaha tamin’ny jiolahim-boto ianareo.

8 pensées sur “RALAISEHENO GUY MAXIME : NY TONDROZOTRA NO MAMERINA NY FILOHA RAVALOMANANA ETO”

  1. MyDago ahhhh, mba asio sarindry zalah mpanolotra, teknisiana, Vondrom-bavaka, ihany ndraindray ehhhhhhh; sns . . . msôtra ehhhh

  2. NY MPANGALAYRA SY NY MPANDAINGA ANIE REY OLONA TENA MAHATAHOTRA MIHITSY NY HIAFAN’IREO IZAY MANAO IZANY E – TADIAVIN’IZAY IREO AVOKOA IZAY MBOLA HALATRA SY LAINGA BEBE KOKOA ATAO KA HO AIZA E ! TSY MAINTSY MISY NY FARANY ARY ETO AN-TANY IHANY HO HITAM-BAHOAKA SATRIA NY RAY AO AMBONY TSY HAMELA AN’IRENY OLONA IRENY HO AFA-MAINA RAHA TSY MITODIKA AMIN’NY AVO IZY SATRIA FANTANY TSARA FA RATSY NY ATAONY.

  3. Saiky latsaka koa aho t@’ity ilay DJ hanamory fiaramanidina hi!hi!hi!!!!!
    heveriny fa ity fitondrana angaha izy ity ka azo HIDEDAHANA sy SANDOANAha!ha!ha!!!!
    aza mba badraodra ihany oah!!!menatra anao aho ry kavim-barahana toa tsy hanendrka fa andrivi-tsofina.

  4. miala tsiny amin’ny rehetra ny tenako raha manao fanitsiana sy fanamarihana fa teo amin’ny toerana laharana 1F (voalohany F ) tao amin’ny classe affaira i DJ. Kitapo kely mainty nisy Duvet Fotsifotsy no bagaginy ary mena maso sy voan’ny sery ngamba leiry satria nahafeno mosoara maromaro. (hahaha)
    Ngamba zavatra hafa no nahazo azy fa nitomany hoe hotafody ihany i DADA 8 ka naleo nande antsokosoko .

    Tonga tao paris cdg Tamin’ny 10h30 teo hoeo ny fiaramanidina ary Rangahy iray miasa ao am Ambasady Malagasy ao Paris TGV be no nitsena azy niaraka tamina polisy FRANTAY 1 iray.
    NItsorika sy niafina toy ireny Mpamosavy mande alina reny leiry na koa reny mpangalatra ireny.
    Napalahelo ny nahita azy ary ny vazaha rehetra tao amin’classe affairede nitsiko anleiry hoe ZAO VE NO mba PRESIDENT???
    Nampiomehy.
    Pull fotsifotsy no nanaovany ary costard manga antitra manakaiky mainty ary famataran’andro lafolafo lokombolamena.

    Mankasitraka ziaby e!!!

  5. Toa tahaka ny fivorian’ny fokonolona ao @ quartier iray woa, ity ao @ magro ity? jereo le olona mpihaino, vitsy kely sady mampalahelo, zay no mahatonga an’ny Andry Tsy Domelina hiteny eto woe, mba asehoy koa ny hafa, fa de manawain zao sary zao. Ka mba mahamenatra kosa ane rangaha e! ny iray manao kabary politika manompa sy manozona adve, ny iray kosa mody mivavaka mafy woe, poteho Andriamanitra ô! ireo adve dadanay, de omeo fanafody maso be tsy mahita hahafahan’ny dadanay mody. Ka ny ataonay Andriamanitra ô! aza atao, fa zay angatahanay tanterao. Hi!hi!hi, tsy mahita ve nareo, fa tena ridicule be???? Zany no izy rehefa mihevitra an’Andriamanitra ho toy ny instrument! mbola ho avy koa ny manaraka e! MPIANDRY+ MANAO POLITIKA= MPIANDRY ALIKA fa tsy MPIANDRY ONDRY. Atsipy ny teny any am-pon’ny misaina.

  6. hoita eo lesy ry bogor rehefa tonga eto ra8 a!!!
    tadidio ny 21 janvier teny ivato sy ny 17 février 2011 de atambaro ireo de izay no hitsena azy raha farafahakeliny.
    Ny an’ny FAT in’alika sy ny hat de raha hisy 1% amin’ fifidianana am 8 mai 2013 de hbe laotra .
    Ny tody lesy tsy misy fa ny atao no miverina ka mivonona hitsaoka toan DJ raha misy irika fa sura aho fa i RA_BOGOR zany tsy holasa alavitra fa hitrongy vao omana fona.

  7. >>Izay mijery ny comment ny bogor eo>> mba jereo kely hoe fa hita anie io ehhh; raha izay nosoratako io tokoa no nolazain’i bogor fa nosoratako? lazainy fa niteny aho hoe « manawain » mba jereo kely hoe ry zareo raha misy izany ilay nosoratako ery ambony? Hita miharihary izao ny fomba fandaingan’ny Fozaorana rehetra mba hamitahany olona. Izany hoe io lazainy fa hoe Magro manopa sy manozona io izany dia ilay mifanohatra @zavatra tena marina foana no lazainy. Io izy io ny porofo ka asa indray izay ho lainga hanamarinanao tena eo. TENA COMMENTAIRE 2 MIFANAKAIKY SY AZO HAMARININA NY AHY SY NY ANAO IO DIA ALEO NY OLONA NO HANAMARINA. Misaotra anao fa nampisehoanao teto ny fomba ratsy fanaonareo Fozaorana itony; manomboka eto izao ny olona dia efa mahalala fa raha mainty no lazainao dia fotsy izay no tena marina, raha hoe Ratsy no lazainao, dia tsara izay no tena marina; sns . . . ka raha hoe manompa sy manozona no lazainao fa atao any @ Magro dia ny fivavahana sy fifonana ho anareo nanimba ny firenena no tena marina; ary azonao hamarinina izany ka mba tongava any @ Magro dia ho fantatrao fa izany ny Marina. NIDITRA MIVANTANA TENY NY DADANAY KA MBA ATAOVY IZAY AHITANAO IO HORONAMPEO IO, FA HO GAGA IANAO FA TENY MAMY SY HENDRY NO NOTENENIN’I DADA INDRINDRA HO ANAREO, FA TENA TSY MANANA FANKAHALANA ANAREO FOZAORANA MIHITSY INY DADANAY INY, FA MANANKINA AMIN’ ANDRIAMANITRA NY MOMBA ANAREO IZY. Amin’ny manaraka indray ry Bogor ahhhh, ny soratra tokoa mitoetra ka noheverinao ho teny manidina fotsiny ilay nosoratako de hoe tsisy mahatadidy hay io mbola mitoetra azo hamarinina tsara io ilay fomba fandainganareo sy fomba famitahanareo vahoaka.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *