RAVALOMANANA MARC : TSY MAINTSY TANTERAHINA NY TONDROZOTRA INDRINDRA NY ANDININY FAHA 20

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny antoko TIM Bel’air ny tolankandro teo tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny filoha Ravalomanana Marc. Namafisiny tamin’izany fa tontosa ny fivorian’ny Sadc tany Maputo, ary anisan’ny nodinihana tamin’izany ny raharaha eto Madagasikara. Nankatoavin’ny Sadc hoy izy ny datim-pifidianana navoakan’ny CENIT amin’ny volana Mey. Noho izany dia tsy maintsy tanterahina ny fifidianana malalaka sy   amin’ny fomba demokratika. Aleo ny vahoaka no hisafidy izay hitondra azy. Tsy maintsy tanterahina antsakany sy andavany ihany koa hoy ny filoha Ravalomanana ny tondrozotra indrindra ny andininy faha 20 ary handray an-tanana izany ny Sadc Troika. Nambarany fa handefa olona eto Madagasikara ny Troika, tsy ho ela hijery sy hanatrimaso ny momba ny tsy hisian’ny korontana. Hamafisina ny biraom-pifandraisan’ny Sadc eto Madagasikara mba hahafahany miasa. Nodinihana tao koa ny momba ny fifandanjan’ny olona ao anaty rafim-panjakana. Mahakasika kosa ny andininy faha 45 dia nambaran’ny filoha Ravalomanana fa tamin’ny fanaovantsonia ny tondrozotra dia nifanazava tsara tamin’’andriamatoa Fransman, ny mpanolontsaina iraisam-pirenena ny tenako manokana. Ny filazana fa tsy feno ny fepetra filatsahany dia nanambara ny filoha Ravalomanana fa matoky ny Sadc ny tenany, satria  efa niova Tanzaniana nanomboka omaly ny hisahana ny raharaha. Tsy manana valeur juridique iraisam-pirenena hoy izy io, ka tsy mahasakana ahy tsy hiverina. Ny momba ny fitoriana nataon’ny AV7  tany Afrika Atsimo kosa dia samy gaga avokoa hoy ny filoha Ravalomanana ny fitsarana taty Afrika Atsimo sy ny mpitsara. Nahoana no nesorina ny fitoriana ny 31 Jolay teo kanefa izahay efa vonona hiatrika izany . Tokony hotohizana hatramin’ny farany io fitsarana io hoy izy, ka ho hita eo hoe iza no nanao azy.Tsy afaka hanaovana didy fampisamborana ny taratasy hanenjehina ny tenako araka ny nambarany fitsarana taty, ary tsy ampy ihany koa ny hilazana fa crime contre humanité ireny. Ny taratasy ihany koa hoy izy dia taratasy avy amin’ny olona vitsivitsy sy olom-pantatra. Ny momba ny miaramila dia nilaza izy fa nisy ny fanotaniana napetraky ny filohan’ny Zambie tamin’ireo jeneraly telotongatany dia ny hoe maninona no misakana olona iray ianareo. Anjaran’ny Sadc ny manazava amin’ireo miaramila ireo Ny miaramila hoy ny filoha Ravalomanana dia tsy tokony hanao politika. Ankoatra izay dia hiverina ao anatin’ny rafitra ny ankolafy Ravalomanana. Manatanteraka ny teniny hatrany hoy izy izahay. Taorian’ny fanapahan-kevitra tanyMaputo teo dia hiverina hamonjy ny filankevitry ny ministra sy governemanta, ny ministry nyankolafy Ravalomanana, ary toy izany nyCT, sy CST, ary mpikambana ao amin’ny CENIT. Notsiahivin’ny filoha Ravalomanana fa matoa niato tao anaty rafitra ny ankolafy tarihiny dia ny fahatsapan’izy ireo fa tsy tanteraka amin’ny antsipiriany, ny fampiharana ny tondrozotra.

Call on the SADC and the AU to provide effective leadership end the political crisis in Madagascar (1)

18 pensées sur “RAVALOMANANA MARC : TSY MAINTSY TANTERAHINA NY TONDROZOTRA INDRINDRA NY ANDININY FAHA 20”

  1. Misaotra Tompokolahy HAJAINA, mbola sambatra ny malagasy manana olona toa anao.
    Tsy haritra izay andro ahantongavanareo mianakavy eto an-tanindrazana tompoko.
    Tena very ilay firenena sendra mpandroba FOZA, tsy mahay mamaky teny politika, tsy mahay mikaoty, tsy mahay manavaka ny madio sy maloto, ny tsara sy ny ratsy,
    ho ela velona anie ianareo Tompoko ô!!!!!!

  2. Misaotra tompoko mazava tsara ny resaka ary tena resaka politika tokoa io mety ho maro no tsy ahàraka fa variana manao bontolo;misy koa ny lalàna izay ho an’izao tontolo izao fa tsy izay tian’ny sasany fotsiny…. farany dia ny mena no tenatra ho an’ireo jeneraly telo lahy nandé tany!

  3. Aoka tsy hanipy taolana ireo alikaNY gasy indray i mère France an

    Tsara ny no-convoquer ireo miaramila ireo hisitaka kely an’i Gasikara
    mba hitsotra araky ny tokony ho izy ilay tanana efa zatra navokona
    amin’ny alalan’ny basy

  4. Zao ange no lazaiko woe:misy farany ny zavatra rehetra.Mihevitra angamba ry dondrona indrindra ireto miaramila mitsolatsolana nandeha tany ao anatiny izany i: I BAOMBA TSARAMASO fa ahazo ny fahamarinana ry zareo, nefa tsy fantany fa ny zavatra ataony ry zareo ihany no mahatonga ny vahoaka hitsako bilina haotrizao sy mahatonga ny firenena ho potika toy izao.Porofinizao: hiomezany Prezidà RAVALOMANANA fotsiny.Dia saika haninona any hono ireto jeneraly fople vatatay tsy misy ilaina anazy ireto; saika haka 19 sa hisambotra an’i PREZIDA RAVALOMANANA.Mahamenatra marina mafy.Zao no alehany rehefa matim-bola sy matimboninahitra. MIARAMILA MILANJA LAINGA SY MILANJA VOLA.

  5. Mba vakio kely ity teniny ny JIOLAHIMBOTO ity.Hita mihitsy fa efa adala tsy misy saina.Misaina aminy fitombenana.FA PREZIDA ANIZA HONO IZY IO

    Le Président Andry Rajoelina conversant avec le Président Armando Guebuza du Mozambique

    Le samedi 18 août 2012, à l’issue du 32è Sommet ordinaire des Chefs d’Etat et de gouvernement de la SADC, le Président de la Transition de Madagascar a bien voulu répondre à quelques questions émanant de membres de la presse internationale présents au Centre de Conférences internationales Joachim Chissano. Résumé.

    Nous sommes venus ici pour trouver une solution à la crise, surtout une solution durable pour instaurer la paix et la stabilité à Madagascar. Concernant le retour de l’ancien président, il a été conclu qu’il ne rentrera pas tout de suite au pays. Il a été décidé qu’il faut que ce retour soit concerté et régularisé avec les autorités compétentes. L’évaluation devrait se passer dans les trente à soixante jours mais les Nations Unies ont évalué que les risques d’affrontement étaient très élevés.

    Concernant la candidature, l’ancien président ne pourra pas se présenter car il ne remplit pas les conditions nécessaires pour être candidat à la prochaine élection présidentielle. Aussi, je lui demande de faire un geste pour son pays. De mon côté, ce qui prime pour moi, c’est l’instauration d’une paix durable à Madagascar. Ainsi, je pourrais ne pas me présenter, moi-même, si c’est pour l’intérêt supérieur de la Nation ».

    Quoi qu’il en soit, le Président de la Transition envisage d’adresser un message télévisé à la Nation malgache, ce dimanche 19 août 2012 dans la soirée. Il est certain qu’il répètera ce qui précède. Mais en malgache.

  6. Efa mazava izao ny resaka, saingy apetraka foana ny zavatra mety hitranga noho ny fahalalana ireto foza ireto, mety matahotra sazy ireto dia mody ho hendry indray, saingy eny ampiandrasana ny fotoana eny dia hiasa indray ny Frantsay, COI, Francophonie, sy ireo fampiasany hamono afo eto amitsika; na mety hanakarama olona hafa indray hanakorontana, dia hoe mbola tsy mety ny hodian’ny filoha fa mety asaina misy manakorontana, na hevitra hafa mbola tsy hay indray hasisik’ireo teo aloha ireo miampy an-dRatsirahonana sy ny mpitanty rà-kena, sns ehhhh…; visavisaina ihany izany mba hahamaiolo antsika fa tsy de dia mampino loatra hoe ireo hanaiky mora ny hiverenan’i Filoha Ravalomanana Marc mora izany; KA RAHA VAO MISY ZAVA-MITRANGA MISEHO ATAON’IREO DIA MILA MANDINIKA SY MISAINA TSARA ALOHA SAO . . . .

  7. Vao avy nihaino ny lohan’ny foza mihitsy aho izao io, lazainy fa tsy mahazo mody ny Filoha Ravalomanana raha tsy efa vita ny fifidianana, dia efa mandefa sahady koa hoe raha soa ho an’ny firenena, tsy azony atao ny tsy milatsaka; ny fahazoako an’izany dia atao izay hanakanana ny Filoha Ravalomanana tsy ho avy alohan’ny fifidianana, nefa raha tsy voasakana dia tsy hirotsaka i Rajoelina, io aloha efa fantatra hatramin’izay, fa matahotra hiatrika ny Filoha Ravalomanana amin’ny fifidianana io ehhhh, tsy sahy izany io raha vao eo Dada, izay no hanakanany azy mafy.

  8. Ny Tokony ho izy ny mpanongam-panjakana tsy mahazo milatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, fa voatampi-maso angaha ny SADEC sy TRIOKA tsy nieritreritra izany????.

    Soa fa misy ny Amerikana mbola mitana ny marina sy ny heviny hatrizaoa. Dikany Election 2013 Andry Radomelna : DEGAGE ,

    Tokony ho tazomina htramin´ny farany fa ny PUTSCHS tsy mahazo milatsaka, fa asaina mamafa kabone nomendrika azy .

  9. Rasamy: ceci
    « …que ce retour soit concerté et régularisé avec les autorités compétentes… »
    signifie sans ambiguité qu’il travaille en sorte pour une future CONVOCATION des ChristineRazanamahasoa etc

    Les nuits à cet insolent garçon d’Andry Rajoelina est sans aucun doute remplies de récitations inculquées par France, comme quoi « à chaque seconde souviens-toi T’ES UN DJ de profession, ton principal rôle est de faire DANSER danser jusqu’à faire tourbillonner la tête aux gens »
    ____

    recueilli sur tnn:
    Andry Rajoelina : « Le retour de Marc Ravalomanana n’est absolument pas à l’ordre du jour »
    19/08/2012
    ___

    On perd du temps avec ce vaurien de DJ,
    qui ne fait que renforcer le MAL
    Faut FORCER la voie contre l’unilatérisme

  10. ary noesorin’i MyDago ny post an’i Ra-Krisy NADIA Misaina bogor
    novaliako an’ito comment eto ambony ito teo an

  11. et voila! »julius malema, le chef des jeunes de l’anc demande la demission de son mentor zuma »et les manifestations deviennent nationales en sudaf pour demander le depart du olobe de la sadec et du gvt qui ne pensent qu’à l’argent venant des mines!même mentalité que mon cher dada

  12. Et voici que l’enfant terrible d’Afrique du Sud (Julius Malema) fait parler de lui:
    Il multiplie les provocations, ne respectant ni la loi ni ses aînés (Desmond Tutu qu’il envoie à la retraite), ni ses adversaires politiques. Malema multiplie aussi les déclarations à connotations raciales. Ainsi il qualifie Helen Zille, chef de l’opposition libérale, de « raciste » et d’avoir une « tête d’espionne de l’apartheid » et les chefs du Congrès du Peuple (Cope) d’être des « traîtres » à la solde des impérialistes7.
    Par ailleurs, il a été mauvais à l’école.Alors à quoi bon de prendre comme référence un gars pareil.

  13. mbola misy mihaino na mamaky ra domelim-poza ihanay ve ?
    inona no andrasanareo amin’io tsy mahay mamaky teny, tsy mahay mikaoty, tsy mahay manisa. Inona no andrasanareo amin’io AMPONDRA io ? ny zavatra lazainy dia tsotra, mainty ny azy raha fotsy ny loko hitan’ny rehetra. Tsy hainy akory ny manazava fa mihizinizina ohatra ny apondra, tête d’âne, rehefa tsy te handroso na karavasina aza ny mitokona eo ihany. Radomelina est un Idiot né, il le reste et mourra IDIOT.

  14. les manifs font tâche d’huile en af du sud suite à l’appel du leader des jeunes anc;il incarne la jeunesse et le courage des opprimés !son appel risque déêtr fatal à Zuma and co

  15. Misaotra anao filoha hajaina RAVALOMANANA
    Izao vao mazava amin’ireo kely saina ny antony nidirana SYSTEME !!!!
    Mazava fa tsy « Hors-La-Loi » ny mouvance otrany an’ny RATSIRAKA.
    Ary amin’ny fotoana mafy no hamatarana ny tena namana atokisana.
    Ireo nanenjika ny ankolafy hoe « niditra Système » dia niditra tamin’ny JEU an’i Domelina.
    Mazava ary misaotra anao filoha RAVALOMANANA
    Paris se déchaîne

  16. R E V E I L L O N S – N O U S : LA HAT FAIT TOUT POUR QUE

    « Marc Ravalomanana ne rentrera qu’après les élections
    tnn du 21/08/2012 »

    2 mois de « travaux d’evaluation » nous ramènent déjà vers le 31 Octobre.

    Le temps de rendre les conclusions, nous serons facilement au 08 Novembre et les carottes seront cuites pour Marc Ravalomanana qui ne pourra plus présenter sa candidature aux élections de Mai 2013.

    ____

    Cette HAT fera tout tout tout tout
    pour faire perdre NOTRE temps

  17. HoAiza, je pense qu’il est grand temps de rappeler le SADC que le bulletin n°3 du casier judiciaire de Dada est vierge et qu’il est donc éligible pour les élections présidentielles qui devraient être crédibles et justes selon leurs propres termes. Ce qui veut dire que n’importe quel citoyen qui n’a pas des antécédents judiciaires ne peut pas être empêché de se présenter aux élections présidentielles dans son pays.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *