RAVALOMANANA MARC : VONONA HANASOA NY MPIARABELONA

IMG_0436

Tena faly aho hoy ny filoha Ravalomanana Marc androany raha nitafa tamin’ny vahoaka mpomba azy mivantana tamin’ny antso an-tariby teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany satria niarahantsika nahalala fa namaly ny antsontsika Andriamanitra. Misaotra an’Andriamanitra lehibe hoy izy isika fa n’inon’inona ataontsika dia mahalala ny mpanompony izy. Ampanetrentena lehibe hoy Ravalomanana no ilazako fa sitraka Andriamanitra ny hahafahantsika miaramiasa miaraka, amin’ny talenta fa indrindra ny fiarovana ny mpiara-belona. Faly aho hoy izy satria ieo nanatrika ny synoda lehibe dia nametraka fitokisana ahy ho filoha mpanampy ny Fjkm. Zavadehibe izany, ary tsy haiko ny ilazana anareo ny hafaliana. Zavamahagaga hoy izy eo amin’ny fianainako izany. Vonona tanteraka aho amin’ny sisa andro iainako hiasa hanasoa ny mpiarabelona. Raha misy ny tsy nety nataoko taminareo hoy izy dia hifonako eo anaterahan’Andriamanitra. Mahatsiaro aho hoy ny filoha Ravalomanana, fa mbola misy iraka tian’Andriamanitra ataoko. Matoa aho mbola velona dia hanao voadyhanasoa ny mpiarabelona, ny fiangonana. Tsyhipetra-potsiny aho hoy izy amin’ny fiangonana fa ho an’ny rehetra ihany koa satria isika mahatsapa fa zavadehibe izany.  Ny hevitra no samy manana ny azy fa Andriamanitra iray ihany. Matokia ianareo hoy izy fa tena vonona hampandroso an’i Madagasikara hampiasa ny talentako hanalana ny malagasy amin’ny fahasahiranana. Nambarany ihany koa fa tonga taty Pretoria ny ministry ny raharahambahiny avy amin’ny kaomisiona Eoropeana. Nilaza aho hoy Ravalomanana fa rehefa mandeha tsara ny fanatanterahana ny tondrozotra dia hiala ny sazy satria mijaly ny vahoaka Malagasy. Tsy misy fampandrosoana azo atao raha tsy tony ny vahoaka. Minoa ianareo ahy hoy izy fa hotanteraka ny fifidianana malalaka sy afaka haneho ny safidiny ny Malagasy. Isika hoy mahalala fa tsy misy afa tsy ny safidin’ny malagasy ihany. Tandremo hoy Ravalomanana fa tsy isika samy Malagasy no hifandrafy sy hifankahala.  Diso hevitra isika raha samy isika no hanao izany. Manome toky anareo ny tenako hoy izy fa raha ny firenena taty dia vonona hanampy antsika.Tsy manahirana fa efa miandry antsika izy ireo. Tsy fotoana hifanaratsiana izao hoy izy fa fotoana hijerena ny ho avy. Miantso antsika hanajanona  ny teny fihatsioana sy famoahana fotamandry. Aoka mba ho teny am-pahendrena no ataontsika. Tandremana fotsiny ny fihetsika . Manome toky aho hoy izy fa tsy maintsy tafaverina ny fandriama-pahalemana, tsy maintsya tao izay hiverenan’ny zanantsika mianatra. Nisaotra ireo nifidy sy ny mpitandrina rehetra tany Manakana ny tenany.

13 pensées sur “RAVALOMANANA MARC : VONONA HANASOA NY MPIARABELONA”

  1. Misaotra anao Atoa Filoha!… Vonona izahay amin’ny fitsenana anao, ary mahatokisa ianao fa tsy maintsy hiaro anao izahay rehefa tsy hety hanao izany ireo miaramila sy zandary ireo!
    Tsy ny zanakao akory no hanao korontana fa ireo tsy tonga saina no mamorona an’izany!

  2. Tena olon-kendry sy zanak´Andriamanitra ny filoha Ravalomanana Marc, reraka foan ireo manenjika azy be fialonana, sy te hanapotika azy sy ny taranany,ary te hamono azy mihitsy.

    Tsy Mahgaga ireo fihetsika irei fa efa fataon´ireo olon´ny devoly ,ny manejika ny olon´andriamanitra tahaka ny nahazo an i Jesosy kristy

    Miahiano sy mijery antsika Andriamanitra ary misy hafatra tiany haseho antsika matoa isika misendra izao fiainana mafy izao ,na dia nohony nataon´ny olombitsy tia vola aza.

    Ka minoa fotsiny ihany ary mahereza daholo, mahareta hatramin´ny farany isiska rehetra.

    Andriamanitry ny fiadananana anie homba anao sy hiaro anao sy ny fianakavianao ry Filoha hajaina Ravalomanana Marc.

  3. A TOUS LES MALGACHES CENSES ET SOUCIEUX DE L’AVENIR DU PAYS !

    Après les trois rencontres entre le Président de la République RAVALOMANANA MZRC et la marionette des commanditaires du coup d’état rencontres qui ont été consacrées à l’application de la feuille de route dans son intégralité !

    La SADC a surtout voulu savoir les avis et les opinions des deux protagonistes sur cette feuille de route ,notamment l’organisaton et la préparation des élections dont le calendrier a déjà été fixé par e CENI et les experts des Nations – Unies , le retour du Président RAVALOMANANA MARC au Pays .

    Le 16 août 2012 à MAPUTO le dernier questionnement des deux rotagonistes malgaches par la Troika a porté sur la conviction de chacun sur sa confiance à la capacité et à l’autorité de la feuille de route à résoudre la crise politiqueMadagascar !

    Nous ne disposons pas des minutes de cette dernière rencontre et que de toutes manières le contenu des trois rencontres a serrvi à la Troika pour la présentation du rapport de cette ultime mission du groupe de médiation préparant la décision ultime ,essentielle du Sommet ordinaire de la SADC qui s’est tenu à Maputo concernant la crise malgache !

    Le samedi 18 août 2012 avant son embrquement dans le vol pour Johannesbourg , le Président de la République RAVALOMANANA MARC a informé les Malgaches du contenu de la décision prise par le Sommet de la SADC .Le Président de la République a donné les trois chapitres de cette déciion qui sont ;

    -la validation du calendrier électoral fixé par le Ceni et les eperts onusiens

    cES 2LECTIONS SERONT LIBRES ? OUVERTES 0 CEUX ET 0 CELLES JOUISSANT DE LEUR DROIT CIVIQUE
    -le retour du Président de la République RAVALOMANANA MARC au Pays AVEC SA FAMILLE !

    Ce retour est à la charge de la SADC AINSI QUE LA S2CURITE DU PRESIDENT ET DE SA FAMILLE ?CERTAINEMENT EN TOUS LIEUX , EN TOUS TEMPS ET EN TOUTES CIRCONSTANCES §

    Et la SADC va renforcer le personnel et les myens du bureau local DE LA SADC

    J’ai tenu à  » répéter  » ces bonnes nouvelles et ces ispositions , car il y a des septiques du fait qu’ils n’ont compris ce qu ‘est la SADC et même contestent le rôle tenu par la SADC dans ce problème que doivent résoudre les Malgaches entre eux . Ce septicime est beaucoup nourri par de la mauvaise foi elle-même inspirée par un nationalisme mal venu , mal inspiré : de tel sentment aurait dû animer des contestations , des protestations après les fauteurs de troubles ,les pustchistes dès le début du coup d’état .Mais ce rappel de la décision du Sommet de la SADC du 18 août 2012 à Maputo contrecarre les affabulations de rajoelina et ses soldats présomptuerux ,suffisants et vaniteux qui prétendent empêcher le retour du Président de la République au Pays et qui se vantent d’organiser les élections ? avec quel droit et avec quel financement , avec quelle garantie de liberté , d’indépendance et d’ouverture de participation de tous et de toutes qui jouissent de leur droit civique ,

    Mais qui a dit ou a promis à ces pustchistes qu’ils feront encore partie du gouvernement de la prochaine tradition ?

    VOULOIR MESESTIMER LES EFFORTS DES AUTRES QUI ONT ABOUTI A L’ APPLICATION DE LA FEUILLE DE ROUTE CONSENSUELLE ET INCLUSIVE DE FAçON INTEGRALE RELEVE ET DE LA DEMAGOGIE STERILE DES BEAUX PARLEURS ET DES SURENCHERES DE CEUX QUI ONT PRETE LEURS MAINS AUX AUTEURS DU COUP D’ETAT ET PARTISANS DE LA PERENISATION , DE LA CHRONICISATION DE LA CRISE QUI LEUR PERMET AINSI DE POURSUIVRE LEURS TRAFICS ( EUROS , OR ? DES PIERRES PRECIEUSES , AUTRES PRODUITS COMME LES PPN …).

    NOUS DEVONS REDOUBLER DE VIGILANCE POUR EMPECHER TOUTE MAUVAISE ACTION ANTI- MAGACHE AU NIVEAU DES FOKONTANY , DES DISTRICTS , DES REGIONS !IL FAUDRAIT MATER TOUT ACTVISME , TOUTE ASSOCIATION DE MALFAITEURS QUI SE CACHENT DERRIERE DES FAUX PARTIS POLITIQUES …SANS PROGRAMME …

    LES DIFFERENTES ANNONCES DE RAJOELINA ET DU SOLDAT BARISOA TENTENT DE NOYER LES DECISIONS C DE LA SADC ET RAJOELINA ACTUELLEMENT ET TOTALEMENT DRIVE PAR QUELQUES GENERAUX ILLUMINES QUI CROIENT QU’ILS DETIENNENT LES CLES DE CETTE CRISE QU’ILS ONT GENEREE !

    LEUR BUT EST DE CREER LE DESORDRE POUR LEUR PERMETTRE DE PRENDRE LE POUVOIR !

    CES VA-T-EN GUERRE S’ESTIMENT PLUS INTELLIGENT QUE D’AUTRES CAR ILS SONT GENERAUX ! MAIS LEUR INTELLIGENCE THEORIQUE OU PRATIQUE NE SE QUANTIFIE PAS PAR LEUR GRADE OBTENU PAR FAVEUR ET PAR LE CALCUL DE RAJOELINA QUI A TOUT MISE SUR CES GENERAUX DE PACOTILLE POUR SE MAINTENIR A CE POUVOIR DE FAIT USURPE ? HONTE DE TOUS HOMMES ET FEMMES DES FORCES ARMEES !

    NOUS DEVONS NOUS EN TENIR A L’ESSENTEL : ORGANISER ET BIEN PREPARER LE RETOUR ET L’ACCUEIL DE

    MONSIEUR LE PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE RAVALOMANANA MARC ET DE SA FAMILLE ET D’OUVRIR LES YEUX ET LES OREILLES POUR DEPISTER LES MAUVAIS COUCHEURS…ET DE NOUS SOUMETTRE A LA DISPOSITION DE DIEU QUI NOUS IMPOSE SA VOLONTE ET NOUS GARDE DANS SA MISERICORDE !

  4. CE QUE LES LÉGALISTES DEVRAIENT FAIRE EST D’ANTICIPER SUR LES QUESTIONS SUIVANTES MÊME SI LA SADC LE FAIT DÉJÀ:

    – ÉLIRE STRATÉGIQUEMENT SON (OU SES) LIEU(X) DE RÉSIDENCE JUSQU’À LA FIN DES ÉLECTIONS PRÉSIDENTIELLES.
    – ORGANISER MINUTIEUSEMENT SA PROTECTION (FORCE DE SÉCURITÉ INTERNATIONALE CHOISIE PAR L’UA ET LE CSP.
    – METTRE AU POINT UN PLAN LOGISTIQUE EFFICACE ET RAPIDE.
    – NE PAS OUBLIER UN BAIN DE FOULE RÉGULIER.

  5. Misaotra tompoko Dr Celestin.Mankasitrka tompoko fa mampahery ny mpiray firenena ny fanazavana misimisy toy izao. Dia ra azoko tsara ny tenin iAndrianadahifotsy dia antsika reetra ny mandray anjara sy mandray andraikitra am zay tandrify azy avy.Mahazo mitraka tsara am zay ny loha ry Malagasy namana f efa akaiky ny faran’ireto olom poana(sans qualité) nambotry sy nandroba antsika ireto.Efa nanao zay anjarany ny sadc fa antsika zao no mijoro(le oe malgacho-malgache e)Mila mampahafantatra ny mpiara monina tsy mahara baovao koa zay tena zava misy marina satria betsaka ny olona no tsy mahafantatra n’in’in afatsy le gros titres à la une am gazety ireny.Samia mahery tompko,Samia tahian Atra.

  6. Soapeta, betsaka mihintsy anie no azontsika atao amin’ny maha-olona tia ny marina sy mandala ny ara-dalàna ary mpino antsika e!:

    – Mampatsiahy ireo voalaza ireo any ami’ny SADC, TROIKA, UA, CSP faran’izay haingana indrindra.(Manoratra any amin’ireo izany)
    – Dia araka ny voalazanao dia mandray anjara amin’iray amin’ireo andraikitra ireo:
    Afaka manome soso-kevitra amin’izay toerana mety hahafahan’i Dada monina raha ohatra izy sahirana amin’izany.
    – Manampy amin’ny fiarovana azy raha takiana izany (ka afaka manao izany koa ny tena).
    – Mandray anjara amin’ny famatsiana ara-materialy mba tsy ho sahirana loatra izy amin’ny fandehandehanany ary
    – farany mila olona azo atokisana 100% izy fa tsy olona mivadika palitao izao isaky ny tambazana vola izao.Fantatro fa misy izany fa na amin’ny andron’ny fahasahiranana dia mila olona marina izy.Mazava ho azy fa ny tena mpino ao anatin’izany.

  7. Misaotra antsika rehetra amin’ny fanehoan-kevitra izay matotra dia matotra tokoa.
    Misaotra ny filoha Marc Ravalomanana ihany koa amin’ny teny feno fahendrena nataony.

    Tena marina ny voalaza rehetra fa tokony handray andraikitra tandrify azy ny tsirairay. Isan’andro dia tokony hisy asa iray farafahakeliny atao ho an’ny tolona.
    – Na ny fanehoan-kevitra amin’itony Forum itony dia efa tolona.
    – Ny fanaparitahana ny vaovao marina any Ambanivohitra sy ny havana rehetra any dia efa tolona
    – Ny tsy fividianana afatsy zavatra malagasy dia efa tolona indrindra moa fa ny an’ilay firenena iray tsy tononina fa fantatrareo tsara. Fantaro iza daholo ireo mpivarotra sy orinasa an’io firenena io ary aza mividy zavatra any. Torak’izany koa ireo orinasa miaraka aminy toy ny an’ireo karana ireo.
    – Ny fandehanana eny amin’ny Magro
    – Izay rehetra fantasika fa mety dia azo hato avokoa
    – Ny fanambarana ny tsy mety ataon’ity fitondrana fat(y) ity
    sns

    Omba antsika Andriamanitra

  8. NY FANAHY NO MAHA OLOMBELONA !

    Resaka mafonja , lehibe ary mitondra fampianarana sy anatra ilaintsika amin’izao fotoan-tsarotra diavintsika izao ny teny nentin’ny Filoha-pirenena RAVALOMANA MARC tamintsika farany teo!

    Na eo tokoa moa aza ireo fisehon-javatra mahafen fanantenana sy manome fahasambarana raha ny tolona sy fanatrehana ny fahoriana isan’andro vaky no jerena , dia ny tenin’ny Filoha-pirenena RAVALOMANANA MARC dia mamendrofendro sy mahafaly ary mampahery satria niseho tamin’iny resaka iny ny maha olombe ,feno fanetren-tena ,sy empoky ny fahendrena sy fahavononana ary be finoana an’ANDRIAMANITRA , ary izany manome azy ny hery hanasoa ,hanabe , hanatsara ny fiainan’ny Malagasy ny Filoha RAVALOMANANA MARC !

    Lehilahy ,zanak’ADRIAMANITRA SY MPANKATOA AZY SY MINO MAFY AZY NY FILOHA

    Ary ny finoany dia tsy ampiriminy fa entiny manampy azy amin’ireo asa ataony sy ho tontosainy !

    BE FITIAVANA , BE FINOANA , BE FANETREN-TENA ARY MATSILO SY KINGA SAINA NY FILOHANTSIKA !

    Mampianatra sy manome anatra Antsika izy mba tsy hanao tandrevaka Iska ary hitandrina mba tsy hitrerona na hanaratsy ny sasany tsy mitovy hevitra na hafa fiherehana eo amin’ny saha paolitika !Anatra izany ary fampaherezana satria ny fanadinoana ireo tsy tia na tsy makasitraka ny safidintska dia manafaka Antsika ary tsy manome lanjany ny feon’ireo tsy tia !

    Mampatsiahy koa izy hanaja sy hanaiky ny valin’ny safidi-bahoaka Isika Malagasy Hanaja ny vokatry ny ffidianana izay hezahana ho malalaka sy marina

    Ity anatra sady hafatra ity dia mitondra Antsika hahatsiaro fa ny tsy fanajana ,ny tsy fanenkena , ny fandavan-dRatsiraka sy ny mpnohitra rehetra ny safidim-bahoaka izay nifidy ny candidat RAVALOMANANA MARC avy hatrany tamin’ ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana izay ho Filoha-pirenena tamin’ny16 décembre 2001 dia niteraka korontana « artificiel  » satria tsy nitombona ny fandavana ny valin’ny fifidianana ,izay nentina teo amin’ny françafrique (dakar I sy II) ary teo amin’ny sehatry ny OUA…Handamoka daholo ireo tribonaly kitoatoa ireo !

    Ary ami’ny fijeriko dia io tsy fanajana sy ny fandavana io valim-pidianana ny 15 décembre 2001 io no rangory fototry ny afo izay nirehitra amin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny janvier, février ary mars 2009 !

    Tsy very tadidy na nanadino ny Malahasy niaina sy nahita maso ny fizotran’io fifidianana io ary mafantatra tsara izy ireo no tompon’andraikitra nanitsakitsaka ny safidy malalaky ny Vahoaka !

    Marina fa tsy tokony tsy tokony hiresaka ny lasa Isika , nefa kosa tsy maintsy mitondra fanazavana ny antony nahatonga izao fanapotehana ny Firenena sy ny toe-karen’ny Malagasy izay nijaly noho ireo fihetsika tsy azo ekena nataon’ireo fahavalon’ny Malagay nefa mihambo ho tia tanindrazana ..Mora ho azy ireo ny miafina ao anatin’ny akanjon’ny zanak’ondry ankehitriny !

    Ny amerikanina dia resy lhatra fa ireo nanda ny vokatry ny fifidianana tamin’ny 16 décembre 2001 no rangory fototry ny afo niteraka ny fanonganam-pankana !

    Mba hanohizantsika tsara sy ain’ny fahamailovana maranitra (avec vigilance aiguê ) dia tsy mandry ny eritreritra raha tsy vakiantsika tsara ary dinihina tsara ny lasa ,ny Tantarantsika izay feno anatra sy hafatra manazava ny rahampitso !

    Iny fifidianana tamin’ny 16 décembre iny dia fotoan-tantara tsy maintsy fantarina ,tsy maintsy hazavaina satria

    –iny fifidianna iny no porofo fa manana y hasiny ny Malagasy ary nampiseho tamin’io fifidiana io ny faendreny ,ny fahafahany ny Malagasy ka naneho ny safidiny ka nifidy ny Filoha-pirenena noheveriny fa hampiova ny fiainany

    –itamin’iny fifidianana iny no nivandravandra ny ny kiribiby nampiasaina mba hijanonana eo amin’ny fitondrana na ita mao sy azo tsapain-tanana aza fa tsy nanaiky intsony ny herisetra ny didi-jadona, ny fampiasana ny Tafikasy sy indrindra ny Zandary izay namono vorona ny mpifidy !

    –iny fifidianana iny no nahasahian’ny Malagasy ary nahatsapany fa manana hery manosika ny ratsy sy ny tsy mendrika izy ary koa manan-keri-tsaina sy fahazana mampandroso ny Firenena ,izay nandroso tokoa tao anatin’ny fito taona niarahana tamin’ny Filoha-pirenena RAVALOMANANA MARC teo amin’ny fitantanana , ny fampandrosoana ary ny fanadiovana ireo lesoka matevina niandrona tao anatin’ny 40 taona talohan’ny 2002

    –iny fifdianana iny no sompotry ny kiry , ny fahafahana ary ny fahavononantsika hiatrika ny rahampitso ary hanosehantsika ireo tsy maty voalavo an-kibo izay mikatsaka foana ny haminganana Antsika ;

    Nasehon’ANDRIAMANITRA tamintsika ny famindram-pony , ny fitiavany, ny heriny sy ny sitrapony koa tsy misy manjaryizay sainisainintsika ho tanterahana raha tsy eo ny finoantsika an’ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY.

    Koa hakinintsika AMINY ny tolona ataontsika , ny asa ho tontosaintsika ary IZY anie homba sy hitahy Antsika lalandava !

  9. Tena miombon-kevitra tanteraka aminao aho Dr Célestin.

    Aoka hitana mandrakariva ny finoana an’Ilay NAHARY Ilay AVO indrindra, fa tsy mba miangatra IZY no MASINA indrindra sy MARINA indrindra.

    Avo fipetraka, fa hiva fijery, ary Tsy mba manao tsinontsinona ny manetri-tena sy madio am-pò!

  10. Mahereza daholo ry ireto a! Samia mampiasa ny talentany hanavotantsika ny firenentsika, hitarika ny mpiara-belona rehetra hatoky sy hino an’Andriamanitra @ izay rehetra hatao!
    Ho tahin’ny Tompo daholo e! Mahereza fa izahay tsy hitsahatra ny hivavaka hoantsika! Ampielezo manerana ny vazan-tany ny fahamarinana sy ny Fitiavana marina!
    Elie!

  11. Mirary ny fiadanan’ny Tompo ho animaoNy tiako ambara dia hoe : tsarovy ary hivereno vetivety ny fanekena nataonao tamin’ny nandraisana anao ho isan’ny Mpiray latabatra amin’ny Tompo izay misy hoe : hanaja izay hevitra tapaky ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo Sarotra angamba izany amin’ny maha-olona, kanefa contrat anao tamin’Andriamanitra izany ka mahereza mivavaka sy mangataka ny Fanahy Masina mba hameno anao amin’ny finoana sy ny Fanahy Masina. Faly Aho raha hoy izy ireo tamiko : andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah Tranon’i Jehovah marina io ka aoka isika hitandro izany mihoatra lavitra noho ny tranontsika, satria Masina loatra izany

  12. Hi Frank,Just thought I would give you an uptdae on Aussie and if you don’t mind helping me with another query please?We have been filling 2 litre, 1.5 litre and 600ml bottles with salt water and freezing them. These work well and thaw out less than normal water. We are having to change them quite regularly and put the 2 litre ones in before work or bed to keep it cool. Thanks for all your advice during our hard times and heat waves. Weather has evened out nicely and our little Aussie is doing great. So much personality!!I have found that some of the rocks that we have put in the tank (once Aussie was back to good health)have broken and I am now removing all of them to check for small pieces. I read somewhere that no rocks or pebbles smaller than 2cm is advisable. Do you think that is correct? Thanks for your help, AS

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *