RAZAFIMANANTSOA HANITRA : IZAHAY TSY MATAHOTRA FA EFA VITA VAKISINY

Nisy ny fivorian’ny Sadc tany Maputo hoy ny Me Razafimanantsoa Hanitra teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany, ary dia mitovy amin’ny tany Sandton izany. Nahazo fanasana tamin’izany ny filoha Ravalomanana, ka ny Alakamisy no fotoana nomena azy. Nisy hoy izy ny fihaonana indroa miatoana nihaonan’ny Ravalomanana sy Rajoelina tany Seychelle, ka ny mpitarika dia ny Sadc Troika. Nambarany fa nisy nyzavatra tapaka tamin’izany fa tsy afaka ny hanome ny mahakasika izany ny tenako, fa mbola hisy ny fotoana hilazan’ny filoha Ravalomanana izany. Nantsoina tany Maputo hoy Me Hanitra i Dada noho ny fitakiantsika sy ny vahoaka marobe ny fodiany sy filatsahany. Nisy ihany koa hoy izy ireo miaramila telo izay nentina tany. Variana isika f »angaha any misy olona manao fihetsiketsehana, kanefa tsy mampaninona antsika izany. Momba ny tsy fisian’ny delegasiona ny ankolafy nandeha tany dia nambarany fa miova paikady isika, ary hain’ny dadantsika io. Tsy miovaova teny hatramin’izao hoy izy izany dadantsika izany. Nisy ny fahatongavan’andriamatoa Fransman teto amintsika. Nisy hoy izy ireo miaramila nihaona maharitra taminy. Isika koa manana mpitandro filaminana izay nihaona tamin’i Fransman, afaka manazava  ny zavamisy teto aty nametraka memoradum momba ny foloalindahy aza isika.Namafisin’ity olomboantendry ity, fa zavatra tsara ho antsika ny tany Maputo satria tanteraka ny fangatahantsika. Dikan’izany hoy izy dia mody i dada ary hampadany azy amin’ny fifidianana isika. Ny gadra politika ihany dia tsy miantsy mivoaka ary sokafana ny radio rehetra nakatona. Nanambara ihany koa ity mpanao politika ity, fa voizina etsy sy eroa fa rehefa tonga Ravalomanana dia misy ny korontana. Izy efa nilaza hoy Me Hanitra fa tsy hanao valifaty. Raha misy mieritreritra hanao valifaty sy hamono dia avy any amin’izay hanao izany izay. Izahay hoy izy tsy matahotra fa vita vaksiny. Nanafatra ny vahoaka ny tenany amin’ny fanakorontanana ataon’ny sasany. Aza mety korontana izany isika fa rehefa akaiky vita nytolona dia lazaina fa manao fanonganam-pajakana isika. Rehefa te ho filoha izahay dia milatsaka hofidiana Tsy miova hoy izy ny mpitarika antsika fa mbola ao hatrany. Nohazavaina tamin’ny vahoaka fa amin’ny voambola momba ny lalàna dia ny andininy faha 20 no tsy maintsy manankery fa milatsaka ny andininy faha45.  Matoa hoy Me Hanitra ny tany Maputo niteny fa mody i dada dia tsy maintsy ny andininy faha 20 no tsy maintsy tanterahina.

5 pensées sur “RAZAFIMANANTSOA HANITRA : IZAHAY TSY MATAHOTRA FA EFA VITA VAKISINY”

  1. MPANAO ARY MAHAY LALANA I MAITRE HANITRA ARY MISAOTRA AZY FA IZY NO MAHALALA AKAIKY NY FANDEHAN-JAVATRA REHETRA – MISAOTRA AZY ARY ANDRIAMANITRA HITAHY ANAO RAMATOA SY ISIKA REHETRA LIANA FILAMINANA

  2. mifindra ny aretina!Zuma a son 7 fevrier!il fait jeu egal avec dada !et cerise sur le gatô »Julius Malema, l’enfant terrible de l’ANC demande sa demissio »!oh lala!quis’assemble se ressemble;il peut demander l’asile politique à Dago et dada devient president sud af;aza mba manao ratsy an,i MAdagascar ihany oah!je ne veux pas être à sa place!quelqu’un qu’il protège lui porte la poisse

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *