RAVELOSON CONSTANT : TSY TOMPON’NY LAKA INTSONY IREO KIJENERALY 3 IREO

IMG_0224

Dingana vaovao eo amin’ny tolona no iarahantsika hoy ny Ct Raveloson Constant teny amin’ny kianajn’ny Magro Behoririka androany, ka noho izany dia teny ierana ihany no ataontsika. Mahakasika ny raharaha any Manakara izay fifidianana eo anivon’ny Fjkm dia ny azoko tsoahina amin’iny hoy izy dia tohina ary tsy nanombinana manontolo ny fahatokisan’ny Fjkm manontolo ny filoha Ravalomanana. Santatry ny be mbola ho avy iny. Hanairana anareo ve hoy izy ny hiainga amin’izay dingana vita na teto na tany Manakara, hanazava any amin’ny manodidina fa tsy niondrika isika fa nandresy. Tohano hoy Constant ny dingana vitan’ny filoha Ravalomanana ary arahantsika akaiky mihitsy izany. Noho izany hoy izy dia ataovy Manakara daholo ny eto Madagasikara. Momba ireo jeneraly telo kosa dia fanontaniana no nampetrany tamin’ny vahoaka teny an-toerana. Ekenareo ve hoy izy fa ireo kijeneraly telo lahy no  mibaiko an-dRajoelina. Raha hiverenana ny tantara dia tamin’ny taona 2009 tamin’izany ny tenako mbola niafina. Rehefa nandefa lahatsoratra tamin’ny gazety ny tenako dia izao no nambarako. Tsy anjaranareo miaramila no manao izany, satria hoy izy nisy manamboninahitra iray niteny tamin’izany hoe izahay tsy hanaiky ny fifanarahana tany Maputo. Aiza izao ilay niteny izany fa ny tenako hoy Constant no mbola mijoro eto. Ny teny ierana amintsika dia ny hoe ekentsika ve izy 3 lahy ireo no mbola hampijanonana antsika aminy sazy? Avelantsika ao anatin’izany ve ny havantsika ao amin’ny foloalindahy. Izao no fotoana hoy Constant, fanazavan-kevitra, satria tsy tompon’ny laka intsony ireo. Hazavao amin’ny havana sy ny namana rehetra fa ireo no nahatonga ny mpiasam-panjakana tsy handray karama atsy ho atsy. Rehefa teny ierana hoy izy dia samy hanao izay tandrify isika fa tsy izahay irery no hiteny ny momba ireo.  Namaranan’ity olomboantendry ity, ny kabariny dia ny mahakasika ny fiverenan’ireo Ct sy Cst ankolafy Ravalomanana amin’ny fivoriana. Raha fanajana ny filoha Ravalomanana hoy izy dia hiverina izahay. Izahay Ct sy Cst dia hijoro sy hampiasa ny fahefana eo am-pelantananay hanitsy ny rehetra taty aoriana sy alohan’ny tondrozotra. Adidinay amin’ny firenena hoy ny Ct Constant no manao izany, fa tsy tahaka ny akoho kely mody. Raha hiverina izahay dia tsy hanao oui oui monsieur, fa hiverina amin’ny ditranay.

16 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : TSY TOMPON’NY LAKA INTSONY IREO KIJENERALY 3 IREO”

  1. [La famille du Colonel Charles Andrianasoavina aurait perdu la trace de ce dernier depuis l’annonce de sa sortie de l’hôpital de la Réunion.]???!!!

  2. Pour qu’il ne puisse temoigner à quoi que ce soit.
    Alors ou il est zigouillé par la HAT-TGV, ou on le cache pour que personne ne le voie, de peur que l’enquete de la CPI aboutisse sur lui . !

  3. Koa raha tsy tompon’ny laka intsony ireo kijeneraly kijeneraly ireo, inona no andrasana hanaovana hestika goavana , fa mbola mitarazoka ihany ?
    Sa miandry ny fihetsik’iTGV indray e ???

  4. >> kijeneraly>>tsy ny maha olona iasan’ny devoly anao manoratra io akory no valiako fa fanazavana ny teny Malagasy izay mety ho be no tsy mahalala intsony ankehitriny, ny fametrahana ny Ki- eo alohan’ny teny iray dia filazana fa tsy tena izy fa saritsariny fotsiny ihany, ary mitovy amin’ny Tsi- koa indraindray amin’ny kilalao taloha no tena nampiasana azy io ohatra: Ki- vadivady izany hoe tsy tena vady fa milalao fotsiny ny ankizy dia (mody atao hoe) i anona vadin’i anona, ki- varivary = mody atao hoe mahandro vary nefa tsikononkonona fotsiny io ary tsy tena vary aza indraindray no atao, sns , izany hoe ny Ki-Jeneraly eto dia tsy tena Jeneraly ireo fa mody atao Jeneraly raha adika malalaka, mba hamoritra vahoaka sy hanao ny tsy fanao, sns . Mazava angamba izay, de aza maloto fisainana intsony fa mibebaha amin’ Andriamanitra, fa sao teny ratsy kely indray mielatra toa io no andehanana any amin’ny elo mandrakizay sanatriaviko ihany anefa satria tsy tian’i Jesoa ianao ho any dia mibebaha amin’izay, dia raiso ao amin’ny fiainanao Jesoa dia ho voavonjy ianao

  5. >> Tahiry >> Facteur iray haneken’ny iraisam-pirenena hamerenana ny Filoha Ra8manana ny fisian’ny filaminana eto, noho izany ry Tahiry, mampidi-kizo ianao raha toa ka sakoroka no tianao ho lazaina amin’io hetsika goavana io, na ianao Fozaorana mihitsy fa mitarika ny zanak’i dada hanaonao foana ka hiditra anaty vovonareo, fa mody mankahala an dRajoelina eo fotsiny dia i Dada no tsy tafody amin’izay. Efa mailo amin’izany ny zanak’i Dada ka tsy ho azonao amin’izany eo ehhhhh.

  6. Efa voalaza fa ny tanan’i MASINA no hanala an’i domelina eo koa
    aoka isika ahatoky.
    Misaotra @ fahendrenao ry NTATD miombon-kevitra aminao koa aho @’ilay fanazavana resaka eto,dia i Tahiry
    tsy foza fa akama mafana fo kah!!manao be izy io fa aza mieritreritra, efa samy tsindrian-daona daholo eto e!
    efa tė hamarana ity tolona ity ,koa tsy mahagaga raha misy tė hitraotra mafy fa mafy ny ady e!!saiky isam-baravarana
    anie ny fahavoazana aterak’ity kirizy e!!!mandainga izay milaza fa sy manana olana @’izao ka hilaza fa niaina tsara toy
    t@ andron’i dada, na manana na mahantra samy mizaka ny taolam-be tsy mitapaka afitsoky ny foza daholo,na ny vola
    be robain’i domelina isanandro aza tsy mahasambatra azy fa izao mipenipenina sy MANDAINGA lava izao mba hiarovana
    ilay rambo efa ho tapaka atsy ho atsy ARY TSY MISY AFA-BELA eo!!MATATESA VALIN-KITSAKA daholo ry alika a!!
    Tsy afany mihintsy ilay taolam-bean’i dada mitsivalana ao an-tendany ka raha vao misy resaka mipitika dia efa terak’
    daholo izay tsy ho teraka, vao fifidianana FJKM no vita dia efa MIPARARETRA , mbola aiza e!!tsy voavidy vola ilay tahotra.

  7. Mbà menatra ry foza fa jereo itony zaza kely manangana totohondry manohitra anareo
    anie e!!massssmasssss masosostsa kely mihintsy ilay manao akanjo mena mbony io,
    màtànalė!!!mankasitra tompoko isany o!!

  8. Tena nitsonika kely indray ranavalona, nahita an’i « comme ça du mode » an !
    Mahery kely ny zanak’i dada an ! Hoavin’ny Firenena malagasy ireny ê !
    Aiza ity texte lazainao ? Tsy hitako ! Ilay hevitra aloha mety dia mety mihintsy !

  9. Maraina izany!!salut Kintana
    ary @ 12aout ary  » Marius Fransman: mandrebireby ny Gasy » dia jereo eo @
    faraparan’ilay tsikera, i Andriandahifotsy no nandroso io hevitra io,sady sao misy ampiana.
    Maty mihintsy aho!

  10. SADC : Mise en garde contre l’arrestation de Ravalomanana
    Mercredi, 22 Août 2012 00:00

    24 heures après la clôture du Sommet de Maputo, le nouveau président de la SADC, le mozambicain Armando Guabuza, a accordé une interview exclusive au journal sud-africain Pretoria News. Parlant de la crise malgache qui a été discutée pendant le Sommet, le président mozambicain a lancé une ferme mise en garde en affirmant que l’arrestation de Marc Ravalomanana à son retour à Madagascar mettra sérieusement en cause la tenue des élections prévues en 2013. Le président Armando Guebuza a également précisé que le 32è Sommet ordinaire des chefs d’Etat et de gouvernement de la SADC a insisté sur le retour sans condition de l’exilé d’Afrique du Sud « pour prendre part au processus politique de sortie de crise », et non uniquement pour s’occuper de sa famille et de son busines. Une manière pour le nouveau président de la Communauté de développement d’Afrique Australe que l’ancien président peut faire de la politique une fois rentré au pays. A noter que le Mozambique prend désormais la place de l’Angola à la présidence de la SADC. Au niveau de la Troïka, organe pour la Défense, la Politique et la Sécurité du bloc économique régional, c’est la Tanzanie qui succède à l’Afrique du Sud pour un mandat de 12 mois

  11. Mba asio kely woe Rasamy:  » selon MIDI MADAGASIKARA DE MAMY RAKOTOARIVELO ». Ny mapme de mamafy lainga foana io gazety io, de ny marina mitranga rahampitso ihany no manao démenti azy. De tsy mahasahy manohy intsony, fa mi-inventer sujet lainga hafa ndray. Tsy ho tafa na oviana @ lainganareo woa nareo. tsy mahagaga koa moa fa patron be no tena tompon’ny lainga, ka ny légions rehetra ve tsy handainga hitovy aminy daholo? De any SUD AF any mandrakizay dadanareo sy ny laingany, ary raha mody moa de ny laingany ihany, no hamatotra azy any am-ponja. De ho hita eo raha tonga dadanareo Racosta raha hanana culot marina hifanehatra @ireto KIJENERALY araka ny filazanareo azy, fa mbola tsy tonga ny anjaranao tahaka ny nitoton-dry zalahy vodibasy sy nipipizany an’i Kotopôrozinareo samy mafana ekipan-draosy bordely be ireo a! satria mahasahy miantsy ady sy be vava loatra, tairin-dry zalahy, tsy rairiny izao ry CI, manao ranomasom-boay tsisy farany.
    Tsisy dikany an-dry Zalahy ane ny mamango anareo, tahaka an-dRamamy nitoky tena ho lehibena andrimpanjakana ireny, fa rehefa tsy nanaja tena, ka nitarik’olona sy nivazavaza t@ miaramila, de nampinan-dry zalahy bombon lacri, de saika voan’ny AVC, nitrotrongy t@ tany @ le hatoka matavy be iny. Fetsy ane Rakosta, fa ao @ magro ao ihany lery ny mihantsy ady sy mandranitra olona, fa tsy mahasahy mitarika manif ery @ front, lasan-kovavany otran-dRavalo, refa raikitra ny sakoroka, de milefa.
    Efa io fandranitana miaramila io foana no nahavoa ny dadan’ireto, sy nampitsoka azy any hatamin’izao, de mbola manao foana. Raha afaka hamorona milisy tahaka ny t@ 2002 hifanandrina @ miaramila moa ka haninona, saingy dondrona tsy mahalala zay tokony hataony mianakavy, ka ny miaramila foana no tsy hahaiza-miaina. Vokatr’izay hadondronana izay, de mihitsoka sy mitaintain-dava foana raha hody ny dadany, satria matahotra miaramila sy fitsaram-bahoaka ny nandosirana, de matahotra sy mitaintaina hiatrika miaramila sy fitsaram-bahoaka koa raha hiverina. Tena kentrina raitrano marina! ny ataony ihany no mampinana an-drainy. KELY ATEDOHA TSY MAHAY POLITIKA TSY MAHATAKA-JAVATRA ARY TSY MITSINJO NY HO AVINY AMARAY. Raha io volabeanao io ane hoy ny DEBA zay no hitokisanao, rahampitso, tsy hitondra anao any mausolée. Mba manontania ihany Raosy an’i Deba @ zay tokony hatao, fa ireny no efa expert @ asile politique, fa raha ireto zanakao ireto no andrasanao, de any foana nareo e! dadadadada foana no sisa azony lazaina. De ny paikadiny rehetra vao maika mandetika anao any foana. Hitako ary enao, any @ GENA no mitady avocats sy conseillers, satria tsy mahay raha daholo ny zazasarinao, zay ny reniny ihany sisa no hanomezanao fahefa azy ireo hihantso dada anao, chuuuut!!!!! fa zay hevitr’ireto eto, indrindra moa Solo Razafy sy ny laingaraofiny de eeeeeee! any foana ianao ry dada fa tsy hamokatra mihitsy zahay aty. Ha!ha!ha! atao ahoana fa tafaray ny samy dondrona, de miseho @ atao eny daholo ny résultat.

  12. Iza ary izany ô?: ilay torana vao nahare hoe: ho any afrika atsimo?
    Iza ary izany ô?: ilay mahia mandrora mitsilany?

  13. MIFONA TAHIRY AHHHH, AZAFADY FA METY HO TAFAHOATRA ANGAMBA NY TENIKO ; ARY MISAOTRA AN RANAVALONA NANITSY TOA IZAY FA SAIKA ISIKA SAMY ISIKA INDRAY NO NIFANDRAMATRA TETO NEFA HEVITRA KELY FOTSINY IZAY NO TSY NITOVIZANA. ny zanak’i Dada mahay mifona sy mihaiky heloka rehefa diso na manao ny tsy mety, eny fa na dia manana ny marina aza saingy eo anatrehan’ny mpiziriziry @ hevi-dratsy dia mahay mifona (fa tsy mihaiky heloka indray akory raha ny @zay) mba hisian’ny fihavanana raha manaiky hihavana ilay andaniny SATRIA LESONA TSARA NAPETRAK’I DADA IO ALOHAN’NY NIALANY TETO MBA HATAONTSIKA RAHA AZO ATAO.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *