Tranobe ataon-dRajoelina atsy Maurice

tranoben-dRajoelina

« Fotoana fananganana izao fa tsy fanapotehana intsony »  hoy Rajoelina tetsy Andohatapenaka ny sabotsy lasa teo.Fananganana trano sy fanana manokana toy ity tranoben-dRajoelina atsy Maurice ity…Tsy mila manototra ny faritra iva fa tonga dia manorina amin’ny toerana tsara e !

70 pensées sur “Tranobe ataon-dRajoelina atsy Maurice”

  1. Boaderaozy firy kaontenera sa volamena firy kilao ?

    Dia mba ahoana hoy ry zareo ao amin’ny Commission de l’Océan Indien, ireo vao nilaza hoe Ni Rajoelina Ni Ravalomanana ?

    Premier constat à propos du bâtiment : Architecture « aussi torturée et laide » que l’esprit du pseudo-propriétaire !

  2. KintanaMananDrambo
    Rehefa vita ny mission-any manakana ny candidature-ndRa8 dia hody ao Maurice izy è !
    COI=bras de la françafrique=OIF

  3. Anontanio an’i Solo Razafy ry andriamahanina, fa io journaliste tsy mba mandainga izany ary izy mihintsy no naka sary an’io tany.

  4. « Tovanana foana » isaky ny misy « vola azo » !! Mba diniho tsara anie ê ! Hi hi hi !!
    Moa ve tsy ilay « satôn’i Factera Seval » !!!

  5. Ataovy daholo woa zay fomba entinareo handotoana an’i Andry. Makà sary koa any Las Végas de ataovy koa woe, trano ben-dRajoelina foana. Sary alaina fahatanitany eny no mody aseho eto. Ty  » NI…NI » ty aloha atrehana mafy. Hamela vato fehizoro ho an’ny taranaka Andry, fa Raosy kosa nanototra sy nangorona tanin’olona ho azy. De ny azy ihany no hanajana azy e! aza mba vendrana otran’iny rangahy iny ihany woa!!!!

  6. ho any rabe manokana efa fantatray gtt reunion io ary koa olona mitondra ny vola ary mametraka izany ao banky karana gasy eto saint denis io
    nr compte vendrana ao maurice betsaka ny olona no mafantatra
    miandry ny amohana azy eto la reunion

  7. Tsy manaitra izany na kely aza – ary aza mitsiriritra zavatra ratsy – tsy mahasoa na azonao avokoa aza izao tontolo izao raha very ny fanahinao. Tenin’ny Soratra Masina izany ka tena mampatahotra be.

  8. Inona moa no tsy fantantry ny G asy T ay T ay , na G asy T ena T trotraka, RABEKOTO a! Ny fotsy aminareo azo avadika mainty. Na Rajoelina na Raosy mangalatra, de samy hanao ampamoaka avokoa, ary tsy maintsy hivoaka eo ny marina. Be ane ny mpitondra nanao ratsy t@ io Gasikara mamalala io, fa aiza ny fiafarany ankehitriny, ny sasany aza, tsy enjehin’ny lalàna intsony tsy mahatombotsiraka, tsy mahajanona eo, fa mitsoaka mandositra foana. Nototofana ho an’iza moa ny tanin’Andohatapenaka? Nalaina an-keriny mivantana na an-kolaka ho an’iza moa ny tanimbarin’olona @narivon’ny hektara tany Ambatondrazaka. Novidiana ho an’iza moa ny Air force I,II izay nanomboka nahamailo ny mpamatsy vola, ka efa nanidiany ny robinet t@ 2008 fony mbola nitondra Raosy. Noterena ireo tantsaha tany Antsirabe, nivaroboba ny taniny nanodidina ny orinasa TIKO, hanaovana fanitarana sy terrain d’aviation privée, ary lavabe ny lisitra, tsy ho lany raha tsy hiresaka afa-tsy ireo vola nanjavona tao @n’ny banky foibe @na millons d’euros fotsiny aza. De hoy zahay woe, talentanareo, ny mijery ny maloto eny @n’olona fa ny maloto ao an-tranonareo sy ny dadanareo, tsy ho voafafanareo na oviana na oviana, ary vao maika aza mibaribary sy miseho lany anketriny, toy itony tribonaly any Sud AF itony. Afa-baraka GTT sy ny Zanakidada, ninia nikimpy teo anatrehan’ny hadalan-drainy. De tsy mba misy ve @nareo ireo, mahalala menatra, na mba manoro hevitra tsara ny dadanareo, fa de faly hitsikilo ny any anaty kilaotin’olona fotsiny? Aiza moa ny hisy vokany zay atao. Ny vazana foana no mihidin’ny hatezerana, ka arakaraky ny fandehanan’ny fotoana ity, no vao maika mampihitsoka ny rainy any foana, ary tsy ho réfugié politique intsony no hiafarany, fa ho gadra politika, ny tanindrazana tsy ho diavina intsony, ny tena ho very faty any an-tanin’olona any. Aza maba manao ratsy ihany, sy aza miaro olo-meloka, fa ianao mpiaro azy koa mibaby ny heloka nataony, na de ny aretim-po mijery ny fahavoazan’ny olona tohanany fotsiny aza. De aiza zao le ozona ho faty natao an-dRATSIRAHONANA ry GTT Réunion a? Toa vao maika mirijarija be olona ankehitriny? Ny andriamanitrareo OSIMAINTY int woa, tsy ilay ANDRIAMANITRAY MASINA SY MPITSARA MARINA! bye!bye!bye ndray Rabekoto ô!!!!

  9. e!e! Hita eny hiany ny loha poza sy ny zana-poza.Foronina daholo izao lainga rehetra izao!!!!dia tena tsy mahatsapa tene ve ianao io hoe: hataon’ny sasany « tohatra »!!!?Mbola ao anatin’ny archive ange ilay fivorian’ny akamanareo manao hoe: « NA tsy misy aza, na tsy marina aza, tsy maintsy hatao « accusation »!!!!

  10. misy farany daholo oa nyzavatra rehetra fa eritrereto iany sao d adidn’andriamanitra eh
    ny deviloy zarany ary misy namana an

  11. Efa ilay soa tohavina mihintsy no hadino Raozy a!!
    tsy miasa intsony ilay hoe: aleo very tsikalakalam-bola ………
    na ilay hoe: trano bongo misy ronono ….ary koa hoe: aleo sosoa tsy arahan-dromoromo toy izay
    mitėtė menaka harahana LATSA, efa tsy miasa @ RAMALAGASY intsony izany. MAHONENA !hoy
    ranamana izay.

    Mankasitraka Rabekoto fa mahavelom-bolo ny vao2 toy izao dia mahereza e!

  12. Tsy marina io zavatra io fa efa betsaka ny « influence politique » tiana aparitaka amizao eto amtsika eto.

  13. Hono hoa, aiza no ahitana an’io trano io ao maurice ao? mba fantatrareo moa ny lalàna mibanjina ny fanamboarana trano ao maurice ao? na ny fahazahoana tany fotsiny aza. Ny vahiny rehetra dia tsy mahazo mividy tany na mahazo tany any maurice izany. Amiko aloha io dia lainga be fotsiny fa mahita ny tany tsy milamina eto madagasikara ny nandefa an’io dia manararaotra fotsiny, betsaka aloa ny gasy na ny mpanaraka an’io ho azony e, toy ny fanetsiketsehina rehetra iany io, rehefa mahita vaovao d matimaty d babo d ao.

  14. Tena misy ve io trano io e? Inona ny porofo? Ko na zany na tsy zany aza nge azony atao ny manao trano fa efa nanam-bola izy vao teo @fitondrana. Sady iza moa no mpitondra tsy nangalatra teo?
    Fa isika malagasy mihintsy koa no vendrana manaiky am-pahantraina. Lazaivo fa ny mpanao politika daholo no fototr’izao ratsy rehetra zao. Miandrasà mpanao politika hanadio ny loto manodidina ny tranontsika, miandrasà koa an’i Ravalomanana na Andry Rajoelina vao handavaka lava-pako sy hanary fako any @tokony ho izy, miandrasà mpanao politika vao hanaja lera sy hiasa tsara ny fonksionera, miandrasà an’i Ravalomanana sy Andry Rajoelina koa hanafoana ny risoriso,…
    Ny fahantrana sy ny kirizy handalovantsika @izao ankehitriny zao dia vokatry ny tandrevaka sy fifanjanana nisy hatr@zao. Na tranon’iza io na tranon’iza, avelao ze hanorina any hanorina fa ny eo am-pelantanao sy izay afaka ataon’ny tananao aloha atao tsara sy karakaraina tsara. Samy hadinina @ny zavatra nataony io, ny anao aloha atao tsara sy atao @fahamarinana!

  15. fa manana nationalité maurisiana ngah mo ny président an’ny HAT? Satria raha manana an’izany izy izay vao mety misy fahamarinany io zavatra io.

  16. Aiza mihintsy moa no mba handroso ny malagasy, izay mba endrika fandrosoana efa natomboky ny sasany dia melohin’ny hafa. toetra raikitra amin’ny malagasy mihintsy ve le hoe « ory hava-manana »? raha mavita an’izao izy, betsaka kokoa izany no vitany ho an’i Madagasikara.

  17. Tena marina mihintsy ilay hoe « Ririn-dasa tsy tsarona », na t@ fitondran-dRatsiraka io, na t@ fitondran-dRavalo
    Mora dia mora @tsika mihintsy ny mitsikera ny fitondrana @zao fa tsy mba miverina kely mba mijery izay zava-nisy
    taloha izay, fanontanina : iza mo no nampahantra ity firenena ity sy tena nisian’ny fanangonan-karena ampahabe-maso
    tsy t@ fitondran-dRatsiraka(indrindra indrindra) sy t@ fintondran-dRavalo ve?
    Izaho aloha tena gaga sy talanjona t@ fiverenan-dRatsiraka teto Madagasikara toa ohatrany tsy dia nisy firy ny
    fanankianana sy fampatsiavana ny zavatra mamoa-fady sy ny fampahoriana vitany teto antanana fa mbola izy ndray no
    avo vava sy mandihy eraky ny tanana, ny tany fiaviko no saika efa lasan-dry zareo sinoa fa hoe hotrandrahany hono t@ andron-dRavalo,
    fa isika Malagasy na isika miresaka eto toa minia tsy te hahalala izany rehetra izany, fa dia ny halako bika sy tsy tiako tarehy fotsiny,
    Ary izaho tena ohatriny te hanozona an’ireo goaika antitra tsy maty voalavo an-kibo ireo toa an’ilay Rangahy filoha
    mpanorina ny antoko MFM sy ny maro hafa, fa tena mpampiady angely mihintsy, dia isika valala be mandry dia roboko @fampiadina ataon’ireo,
    ny tiako hahatongavana dia tsy izay trano aorin’ny zaroa na izatsy akory no hahafoana ny alaheloko izay efa nampianjadian’ireo goaka antitra
    ahy ireo izay, ka inona mo no olana rehefa tsy ny taniko, sy ny volam-panjakana no totofana hanaovana izay sitrapony any.

    Ho antsika manam-panahy.

  18. Mapmė be daholo ireto foza!!!voa t@ kely foana daholo angaha ka fanina??
    ataony tohatra hiakarana fotsiny dia TSIPAZANY TAOLANA dia MIFIKA ,variana
    mifika taolana fa ny azy zavatra NGEZA BEU . Izahay efa nampianarin’i dadanay HIARY SY HIAFY @
    HATSEMBOHANAY ka tsy dia maka « L » @’izay fananana feno HALAHELOM-BAHOAKA sy ny TSININY,
    Mbola tsy fay t@’ilay vola notaomy t@ valizy kisokosoko daholo???io indray trano miosin-drà sy FAHORIANA.
    Maty aho foza kely fa voan’i foza beu!!!hi!hi!hi!!!!sady mampionon-tena ihany ny sasany ha!ha!ha!!!tsy marina io e!!

  19. Fa satria ve zany nahavita hopitaly lehibe manerana ny faritany enina dia sy hanome endrika vaovao sy farany izay tsara ny kianjan’antsojobe dia lazaina fa nahavita fanorenana lehibe ho an’ny tenany manokana ny PHAT sady en plus any an-taninolona. Mba misaina ihany hoa fa tsy izay manankarena sy manam-pahefana rehetra izao anie dia azon’ny tazon-karena toy ilay nitondra teo aloha é!

  20. lol!Hi!hi!hi!!!!!fomban’ny foza ny mandainga sy manadio tena fa izay
    no vao maika mandetika ny LOHA BEU any anaty FOTAKA MANDREVO!

  21. Aleo ry zareo mba hatao diniky ny olo-kendry izy ity a! Asio fifanajana ihany na dia feno aza ny fo. Tsy haiko aloha izay foza sy tsy foza eto fa raha samy Malagasy isika dia samy foza zany. Ataovy dinika mampandroso sy fanehoana hevitra malalaka ny eto e, eny na dia misy modérateur aza.
    Hevitra no hampiadiana fa tsy ny ady akory!

  22. NNtsôô!!!!!GVT angaha ranamana izany???rehefa tsy mahay manaja tena dia tsy maintsy
    apetraka @ toerana sahaza azy , rehefa izay dia mahaiza manavaka ny ambohodia sy ny
    ZANAK’ONDRY, ary aza mampiady biby tsy miady.
    DADA dia tsy DEBA tsy DOMELINA tsy IZA fa DADA dia DADA MODELY ary tsy nisy nahavita ny VITANY teto @’
    ny tany sy ny FANJAKANA ampy angamba izay?????ny ankoatra io dia OPA sisa miandry an’izay mandika io ETO.
    Ary mandinia tena fa misy tsy metimety ao aminao, olona lasa lavitra noho i dada no HILAINA RAHA MISY fa tsy olona
    HANDRAVA EFA TOY ITONY DOMELINA ALAKAOSY ITONY ka sy mitondra afa tsy LOZA ho an’ny firenena, mba sokafy
    ny MASO fa aza variana @ lalitra manidina hamahanan’i domelina anareo foza, ( toa ianareo koa no donto noho ilay dontonareo
    k’ity????

  23. ndryyyy ito ranavalona e, nividanan’i DADA bonbon d mitsetsitra mafy ery, t@ andron’i DADA reny tsy hita zay natao fa odiana hadino, izay eo amin’ny fitondrana foana no omentsiny na t@ i TGV na t@ R8.
    reny teny fampilazana momba an’ilay firosoana haingana sy ny 4L isaky ny tokatrano sy frigo isatokrano nga hadino? aiza ireny zao? misy ve?.
    io ange lasa tonga @le fitenenana hoe « fomban’ny alika no mitazana avo » efa ambany le toerana sy fisainana hany ka zay hita rehetra zao hivovoazana daholo. sao dia ianao mitsy aza no tena GVT?

  24. Ho an’i Randrambalona, tena resy lahatra mantsy izaho fa tsy ise ilay mpanjaka vavy fahiny, eny e, mety vehivahy ihany ise fa tsy mpanjaka.
    Ny tsy azoko @nareo mpankafy an-dRavalo izany ity mi-Dada Dada ity e, amiko ny olona ho antsoy toy izany dia olana nahavita zavatra tamiko mivantana azoko tsapain-tanana, sa dia resaka fanatisme fotsiny ilay izy, ny zavatra azoko hatreto aloha mbola noho ny hatsembohako, dikany ny fampandrosoko ny fireneko dia miatomboka @ fampandrosoana ny tenako aloha ny voalohany indrindra, fa tsy Rajoelina na Ravalo no endrasako hampandroso ny tenako, tsy haiko na mazava @ise, Misokatra ny ady hevitra hoy aho fa tsy mbotolo ohatry ny ataon’ise izao. Misaotra tompko

  25. Mahafantatra ny nahavita zavatra taminy ny olona azonao tsara iny ary fantatry ny olona kou ny nanao ratsy taminy!!!! rehefa milaza ny marina dia esoina @ resaka fanatisme misy foza dia tsy mahita ny tenany mintsy fa ny lazainy ndray no tsy fantany akory! fa bontolo!

  26. aoka ré! tsy haiko alony izay antony ifikiran »ny sasany amin’ny lasa fa ny ankehitriny dia tena hita fa tena te hanao izay hampivoatra an »i Madagasikara. Fa saingy ny mpanenjika, ny mpialona moa izany no tena mahalaza azy no tapaka tamin’ny fihinanany izay azony taminy bodongerona dia manely tsaho sy manaparitaka zavatra tsy marina sady tsy misy fototra ijoroany akory. Mahatsiaro sepotra ngah ka manao tsipaky ny miala aina.

  27. Iny indray no tsy hitako ilay hoe: Bontolo!!!bontolo beu!!!
    io mbola ilay toetsaina ihany e!!rehefa tsy nanao zavatra MIVANTANA tamiko ilay
    olona dia tsy nahavita,vao maika loza ity resaka 4 l , MAHONENA!!!!ny fiheveran’ny foza azy io dia
    ho zaraina maimaim-poana toy ny VARY MORA hi!hi!hi!!!!!ny hatsembohan’ny tavanao no hinananao ary noho ilay
    FANDROSOANA efa nisy no nahafahan’ny tsirairay tsara mividy izany 4l izany raha tsy nosoparan’i foza toy izao,
    ary izay maharitra no nahazo izany fa izay tsy naharitra dia avy dia NANDROBA ny FIARA BE an’i dada mba te ho
    hitovy aminy saingy TSY NISY HAPOAKA!!! dia ny tena no menatra!!!!fahafaham-baraka no AZO sy DAKA vody isaky
    ny mba mitady ilay FANKATOAVANA satria BONTOLO ka tsy mahalala menatra intsony.mafy rehefa bontolo a!!

  28. Ary ireto foza-tay ireto tena mody manadino!

    Lazaina fa mpangoron-karena mpanao monopôle, mpihinana ny volam-panjakana sns…, ny Président Ravalomanana!

    Kanefa anie niara nahita, niara niaina, niara nividy niaran-komana samy ninosanosana ny ronono, ny yaourts, ny fromages ny dibera, ny jus etsetra… daholo, raha mbola tsy ben’ny tanàna akory izy!!

    Mporofo mitohaka amin’ny tenda fa; NANANA, MANANA NY ARENY MADIODIO ny Président Ravalomanana!!

    Ary tsy Panneaux publicitaires! Na fampandihizana manao dj toa ny sasany!!!

    Koa aza ampitoviana mihintsy ny olona tena nihary sy ny jiolahy mpialona ny samy malagasy
    Fa mpanompo vahiny!!!

    Hoanareo rehetra ireo izay manohana mpanongam-panjakàna na milaza ho tsy mirahara!Normal ve raha ny malagasy mijaly sy mihamantra? Fa ny pt-nareo mijihina amin’ny arena tsy marina??

    Mahavita manangana trano etsy sy eroa? ary, hatao aza hoe eto Dago no manirina trano ity rajo-hell-nareo, normal ve izany???

    Asakasakareo fa manangona vain’afo an-tampondohanareo ianareo eeee!!!

  29. ny mpanao ihany no tsy mahazaka, ka ny hany sisa azony atao dia ny manao intox amin’ny alalan’ny fampielezana vaovao tsy marina.

  30. Neninoro! Aza misendoatra loatra isika fa izay no tanjona ny mpanongana.Izao fontsiny ataovy an-tsaina fa io trano io dia andoavany hetra no andoavany aro(assurances). Miandry fontsiny ny môrisiana ary amin’izay tsy hipetrahana mandavan-taona.Tsy mipetraka ao ary izy fantatr’olona ny tranony maika fa raha mipetraka ao.Mpamosavy mandeha alina azy hitan’ny olona hoy ny fitenenana.

  31. DGID<– ny sarinao io aza no tena foza kou!! jere le pincette f'efa mena ery! sady lagy ny paozin'izy izany marina. Rehefa misy ny zavatra toy itony vaovao itony dia aradalana matoa misy ny mpanao valiteny eto, asehoy hoe aiza ho aiza marina ao maurice hoe io trano io? ny sary ange afaka tsongaina avy any anatin'ny aterina eto e, ny tranokala betsaka afaka angalana ilay sary, fa raha toa ka tena zavatra maripototra io nalefa io dia teneo eto ary hamarino hoe aiza ho aiza any maurice ilay trano ahafahana mijery azy sy mamakafaka azy.

  32. Tiako be daholo nareo!!dia rarahian’iza inona io na misy na tsy misy ???
    tsy hitondra fahasoavana velively izay fananana azo avy @ FANDROBANA sy ny
    halahelom-bahoaka indrindra avy @’ny ràn’ireo natao SORONA mba ahatongavana @’izao fahavoazana
    mafy mahazo ny firenena izao, mahasoava ny taranaka faramandimbiny izay vola HALATRA sy izao fahoriana
    mianjady @’vahoaka izao no TAKALON’IZANY TRANO IZANY, Na misy io na tsy misy? MISY HAFA ANY, izay
    no tsy nananany , » misy farany ny zavatra rehetra » hoy dada .

  33. aza mampihomehy hoa, raha izany filazanao azy zany no tena marina dia tsy hisy mitsy ny ady hevitra eto amin’ny tranokala satria mijaly miala aina ny vahoaka rehetra hany ka na ny fotaona hidirany any anaty cyber sy ny hampiasany solo saina aza tsy misy. Satria ny mamelona izany dia mila jirama ny jirama mandany vola, ny vola fitady, ny fotaona very sns raha mitady vola hanaovana internet fa tsy hividianana sakafo hoanina. Mandrapa alha dia misy iany ireo milaza hoe dada aho dada, kanefa zao nareo ireto « mijaly » moa izy any antany lavitra any matory ambony fandriana mafana, mihinana tsara, misotro tsara, mieritreritra ny fika manaraka hotenenina anareo dia eo, babo kely eo ndray alou. misaotra aloha mitia e, zay koa zany mihitsy sarotra ny tsy hitia anay eee. 🙂 🙂 🙂

  34. ndriiiiiiiii, dia hoe « victime » ve izany isika malagasy?… dia tiantsika « malagasy » tokoa aloha ity mitaraina sy mampiseho ho ren-tany ren-danitra fa « hiaram-boina » isika eee…

  35. Isika miandry an’i Dada mo izany inona tokoa mo zany no tena antenaina raha toa ary ka tafaverina soa mantsara izy,
    tonga dia hisy miracle vetivety eo izany, hisy màna hilatsaka, ny Malagasy tsy hisy hahantra intsony, samy hitaingina
    fiara daholo, ary tsy hisy intsony ny ho noana …
    Ny eto Madagassikara farany dia lasa resaky ny maona sy ny marenina, faly ny hifanankiana fotsiny fa tsisy mitondra
    vahaolana mihintsy …

  36. MAHONENA ireto foza !!!sa ahoana ry Kintana????
    any @ lohany no mitoetra ny tainy koa tsy mahagaga ireto izy!!!
    Hi,hi!hi!hi!hi!!!!!!!!!!!!BADRAODRA 2 !BADRAODRA 3 ! MAHONENA!!!!!!!!
    mba nahita doma aho fa ireto kosa dia tena LOHANY kah!!!!loza noho ilay LEHIBENY.

  37. izaho beloha de manao fanambarana fa izaho de tsy foza ary tsy ho foza mandrapahafatiko koa izany io beloha iray io de mpisandoka.
    izaho beloha zanak’i Dada fa tsy (be tay BELOHA be kankana) Fozaorana

  38. Zalahy a, tena hitako hitady hivika ianareo izany an, tena malahelo aho, marina e,
    Dia izany foza foza izany no mba hay, misy biby hafa koa raha tsy mahafantatra ianareo eto ambonin’ity
    tany ity, ohatra hoe osy somary vendrana sy dondrona izy ireny ;).
    Fa izany hoe @tenin’i Ragasy hoe tapaka fihinana marina angaha, fa tena efa lasa
    rediredy sisa, hoatrany resaka ny olona tsy nahita solaitra izany fa mba mahay
    manoratra sy mba mahita an’itony hoe INTERNET intony, mmmhhh malahelo anareo aho e,
    Izaho mbola tsy nahita t@ NET hoe Amerikana ka niankohoka t@ OBAMA na BUSH rainy fa hoe
    président tsara sy mamim-bahoaka fa ny fahitako anareo na dia ny an-dRavalo ary no
    am-pihinaniny dia mino aho fa hanaiky ianareo, mmmmmhhhhh tsssss.
    Averina indray mba tsanga-kevitra @izay hoy aho no tohano fa tsy tsangan’olana intsony, dia
    avy eo rehefa kankerina indray ianareo dia ianareo koa no hinainaina voalohany hoe aleo ihany t@’andron’
    ny Ranona e (Ratsiraka ohatra) izay ihany mantsy no mahavoa antsika Malagasy, mba tongavà saina
    @izay hoy aho, rehefa mba voa indray mandeha dia mba mahaiza mamindra @izay, tsssss

  39. Ianareo mihintsy ry loh-bary-an-dasy no tokony ho tonga saina a!

    Matotra sy mandinika ny aty!!

    Ny ela nietezana hono lava volo!!

    Koa tsy « hisavily-vole » aniaraka amin’na: ptit pt péteur prétentiad!

    Ny tombontsoako, tombontsoanay dia: Ny Nandrosoan’ireo malagasy madinika, ny tambanivohitra, ny nihahiana ny mpianatra eny ambanivohitra ka mba nandrosoan’ny farim-piainan’izy ireo.

    Kanefa dia nopotehinareo!!!!

    Izany no tombon-tsoanay!! Tsy tombon-tsoa manokana velively, satria izahay tsy mba ory hava-manana!

  40. Amiko aloha « falicitation » ho an’i Domelina eh! Aleo mba manangana dieny’zao satria toy izay ôtran’ny sasany nitondra dimy taona nefa tsy nahatsangana akory. Sady i domelina efa mazava sy hitany taratra fa tsy ho lany dia manomana toerana ipitsihana satria ho menatra sy hoainina @ tany ama-monina rehefa ho avy eo i Dada. Nefa tsy tokony hipitsika anie i Domelina raha i Dada no mitondra eo fa i Ra8 be famindra-po eh, saingy « ny mpanao ratsy ihany no kôdy mialoha » de izay no hanamboarany fipitsihana dieny’zao!…Tsy ratsy eh!

  41. mba hampianaro tsara ihany ny zaza fa raha toy izao ny mpitondra ny malagasy toa sarotra ihany,no hivarina any ankady ny firenena e! mianara!mianara tsara rankizy malagasy o! vonjeo ny lakilasy, ny taratasy ……………

  42. Mbola betsaka no ho ataon-dRadomelina ho an’i Madagasikara, hoy ny sasany. Sary nalaina tetsy sy teroa io, hoy ny hafa. Aiza ny porofo sa manana nationalité mauricienne koa izy, hoy ny tsy mino.
    Tsy fantatrareo tokoa Rajoelina. Ny compte bancaire-ny any Taiwan ( bois de rose, … sns … ), dia natao amin’ny anaran’ny rainy. Efa fantatra izany. Ny compte ao Suisse dia misy ny vola azo tamin’ny elanelam-bidy amin’ny vary sy menaka. Efa fantatra koa izany.
    Ny conditions-n’ny frantsay nametrahana an-dRadomelina teo ohatra dia ny tsy hanohizany ny fitakiana nataon-dRatsiraka sy Ravalomanana momba ny Nosy Juan de Nova izay misy pétrole. Tambazana vola izy tamin’io ankoatra ny nanonganana an-dRavalomanana. Efa fantatra koa izany.
    Mbola ho betsaka tokoa ny ho ataon-dRajoelina : dia ny hambotry tanteraka an’i Madagasikara ary hitsoahany any Maurice amin’ny manaraka. Tsy ilaina ny fahazoana ny nationalité atsy Maurice raha hividy tany na trano.
    Ny porofo ve? Efa misy toy ny porofo momba ny 07 Février izay ry Rajoelina no nampamono mba hahavoa an-dRavalomanana.
    Misy fotoanany anie ny zava-drehetra e !

  43. Izaho « Tsimila TGV » de manao fanambarana fa tsy hiova FOZA mandrapahafatiko fa tsy « KeliBeraha, be kankana » toa an’i Rabe sy Domelina ary ireo novidiany.

  44. Hita fa olona reraka tery no mba mahazo laka dia miseho ho inona ery,
    frais-na Taxi hiakatra @ ville aza zaraina, hany ka tsy naharitra ny fahantrany dia
    izao mandroba ny fananam-bahoaka izao no hataon’izy mianakavy, olona vazaha reraka tsssssssss

  45. Tsara ry zareo ny manoratra any amin’ireo firenena mambran’ny SADC tsirairay mba hilazana azy ireo fa tonkony alana i Domelina satria tsy manaraka ny FDR.Manaraka izany dia raha tsy alana i Domelina dia tokony asiana referendum na tokony hirotsaka i Ravalomanana na tsia.Ireto avy ny mamnbra ny SADC: Namibie, Sudaf, Tanzanie, Zambie, Lesotho, Botswana, Swaziland,Zimbabwe, Malawi, Congo Démocratique, Mozambique, Seychelles, Maurice sy Angola.Ny praiministra sy ny Filoham-pirenena no asaina amin’io fihaonam-be any Maputo amin’ny 17,18 Aogositra io.

  46. Miteny ho azy ny sary ity marina!!hatao ahoana fa izao no VIDIN’i
    ràn’ny Gasy nalatsany , mahasoava azy sy ny taranaka faraman-dimbiny.
    Tsy azo tsiriritina akory ity hatsarany satria MIOSIN-DRA,vahoaka aman’alina eny @ arabe tsy manana hialofana
    no takalon’io trano io ho an’i domelina 5 MIANAKA dia mizėsta be ny anao lahy???efa tena maty heritreritra!!!!!!

  47. enga anie ka efa tafiditra ao anatin’io tranobe io ny fasany.Tsy mendrika hilevina aty An-Tanindrazana ilay fozalahy iny!

  48. Ny olana de tsy izy rery nahavita, fa maro nefa afaka fotsiny fa oe tsy hilatsaka , sady fetsy iza fa any maurice no ataony de tsy azo dorana ……..

  49. aza mitomany isika malagasy fa izany no vokany rehefa tsy mieritreritra fa olona tsy nandy fianarana ve no hitondra ny tanindrasantsika dia ho lasa lavitra ve isika marina fa hi ravalomanana nanao zavatra kanefa mba tokony no jeren-tsika ny zava-bitany mbola aiza tamin’ny androny ratsiraka ny fahoriana nahazo antsika misaotra ha anareo izay mamaky e

  50. je n’avais pas vu cette photo (aout 2012 : vacances !)

    A METTRE SOUS LES YEUX DE HERY !

    à Placarder sur les murs de Tana et autres grandes villes malgaches……….

    ENRICHISSEMENT SANS CAUSE MANIFESTE !!!!!!!!!!

    Voilà le premier à mettre sous les verrous pour corruptuion : Rajoelina

    Ne le faisant pas

    N’osant pas

    ===> Raja

  51. ==> RajaoXXL ne poursuivant pas Rajoelina pour corruption et pour enrichissement sans cause :

    CONTINUE manifestement à PROTEGER RAJOELINA SON COMPLICE !!!!

  52. rajoelina tss ilana azy, sad panongapanjakana n mbol manabotry vahoaka. refa te hahazo seza d n vahoaka n atao fitaovana, fa ankehitriny efa tonga saina ny vahoaka ka tsy hihaino ze olona ohatr´ireny tsony. nampahantra ny vahoaka fotsiny iny nandritra ny tetezamitatra teo aloha teo

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *