TSIA HO AN’NY FANONGANAM-PANJAKANA, ENY HO AN’NY ARA-DALANA

IMG_7412

Tsy mitsahatra ny manazava sy mampita vaovao ho an’ireo mpomba azy eny an-kianjan’ny Magro Behoririka mahakasika ny fizotry ny raharaham-pirenena, ireo mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana.  Naseho ampahibemaso tamin’ireo vahoaka tonga teny amin’ny kianja Magro Behoririka androany,  ny taratasy fanasana avy amin’ny Sadc, ho an’ny filoha Ravalomanana, hanatrika ny fivoriana tanterahina any Maputo ny 16 Aogositra izao. Araka ny fanazavana dia amin’ny anaran’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara azy izany fanasana izany. Tsiahivina fa dinihana mandritra io fivoriana io ny raharaham-pirenena eto amintsika. Hisy ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo amin’ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena. Ankoatra izay dia anisan’ny nandray fitenena teny an-kianja, ny solontena avy any Anjozorobe andriamatoa Basile. Ny faritra Anjozorobe hoy izy dia anisan’ny tsy nivadika tamin’ny filoha Ravalomanana. Mbola vonona ny hitazona izany izahay ankehitriny. Resy lahatra izahay any amin’iny faritra Anjozorobe iny, hoy izy fa mbola tsy ben’ny tanana akory ny filoha Ravalomanana dia efa nitady ny fomba hampandrosoana iny faritra iny. Ny solontenan’Andrefan’Iarivo ramatoa Charline kosa dia nanambara fa tahaka ny tanalahy lava lela ny fat. Milelalela etsy sy eroa hoy izy, kanefa mandainga hatrany. Nanambara i Charline fa ny filoha Ravalomanana no mbola atokisan’ny vahoaka, hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Andriampilamanana Rostand dia nanambara fa nisy ny fandaharana iray tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Nisy hoy izy ny fanontanian’ny olona ilay mpitondra fivavahana, hoe mahazo manao politika ve ny kristiana? Novalian’io mpitondra fivavahana io hoy Rostand fa ny kristiana mihitsy no tokony hanao politika, mba hampazava ny fanaovana politika eto Madagasikara.Ho antsika dia ny 90%n’ny zanak’idada dia kristiana avokoa no manao politika. Nambarany ihany koa fa tamin’ity fitondrana tetezamita ity, no tsy misy fotodrafitrasa, afa tsy ny fitomboan’ny karaoke sy ny fandihizana. Ny politika fijoroana amin’ny marina hoy ity olomboantendry ity, no hijoroantsika, ka na manomboka mafimafy aza dia vonona foana isika. Namafisiny fa tsy miova isika fa rehefa eny dia eny ary rehefa tsia dia tsia. Tsia ho an’ny fanonganam-panjakana ary Eny hoan’ny ara-dalàna.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *