TSY AFAKA HAMARITRA NY HO AVIN’ NY FIRENENA RAJOELINA

IMG_7354

Nanamarika iny herinandro iny, hoy Ralaiseheno Guy Maxime, teny amin’ny Magro Behoririka androany, ny fandraisan’i Fransman ireo vondron’olona, sendika, miaramila ary nisongadina tamin’ireny ireo mpifanandrina dia ny Ankolafy Ravalomanana sy ny Ankolafy Rajoelina. Tsy mahagaga hoy izy raha ny zavanitranga ny maraina. Nihazakazaka ny vaovao fa hoe mitsipaka tanteraka ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ny miaramila.

Tsy nisy tsy nahita hoy Guy Maxime teto fa fanonganam-panjakana no nisy teto tamin’ny 2009. Ny zavanisy anefa hoy ity mpanao politika ity, dia nisy vondron’olon-tsotra Malagasy Mahitsy tia tanindrazana nihaona tamin’I Fransman nandriitra ny andin’ny telo omaly. Nisy fanontaniana dimy hoy izy napetraka tamin’ny mpihaino tamin’izany. Mazava ny resaka hoy ny fanazavana fa manana ny ambarany ingahy Fransman, amin’ny tatitra izay ataony. Namafisiny fa ny Sadc dia ny mampihatra ny sorin-dalana tanteraka, izay no andraikiny. Tsy matahotra ny andininy faha 45  hoy Guy Maxime, ny Ankolafy Ravalomanana. Nanome valinkafatra ho an’ny miaramila ihany koa ny tenany.

Mialà tanteraka amin’ny fanapahan-kevitry ny manao politika ianareo miaramila, ary aoka ho fantatrareo fa misy vondron’olontsotra afaka mifanandrina aminareo eto. Ampahatoniana hoy izy no iandrasantsika ny fanapahan-kevitry ny Sadc. Noho izany dia tongava maro eto an-kianja hanatevin-daharana ny tolona. Rajoelina hoy Guy Maxime dia tsy afaka hamaritra ny ho avin’ny firenena. Hetsika lehibe no tanterahin’ny zanak’idada amin’ny Sabotsy izao.

Tsotra ny resaka hoy kosa Leriva Manahirana fa nozarazaraina antoko politika ny antokon-dRajoelina. Ny marina hoy izy dia Ankolafy Rajoelina izy mianakavy. Noho izany dia aza taitra isika, fa ny movansy Rajoelina dia tsy hamerina ny filoha Ravalomanana eto. Na ny mpitarika ny polisy, na miaramila dia ankolafiny avokoa, ary manao politika daholo ireo. Aza gaga isika hoy Leriva raha izay no fomba fitenin’izy ireo. Ny antsika dia tsotra matoky ny Troika isika ary ny filoha Ravalomanana dia tsy miresaka amin’iza na amin’iza fa amin’ireo floham-pirenena ao amin’ny Troika ihany. Manao lazon’ady Rajoelina hoy Leriva, ka arirarirany ny raharaham-pirenena dia reraka isika. Noho izany dia mila maharitra amin’ny zavatra izay atao isika. Namafisiny fa tsy maial eto an-kianja ny zanak’idada raha tsy mahazo milatsaka sy miverina eto an-tanindrazany ny filoha Ravalomanana.

17 pensées sur “TSY AFAKA HAMARITRA NY HO AVIN’ NY FIRENENA RAJOELINA”

  1. Dia mbola hiaritra ,inona indray ,efa telo taona izay ,dia nampipina atramin’ny novembre ,dia efa atrany à mai 2013 koa .

    Dia inona indray NO CADEAU MIHAOTRA IZANY HOMENAREO ANDRajoelina R’i leaders isany o!

  2. Marina mihintsy io lazainao Ravelonarivo: asa ahoana re no hanairana ny mpitari-tolona sy ny mpanohana ny filoha M.Ravalomanana?
    Toy ny tsy namela taranaka izany ireo nitolona t@ VVS sy MDRM!
    Mba misy ihany firenena lazaina ho malemy paika fa hatrizao kosa tsy misy maharesy ny hakanosany galasamy sahirana mivavaka.
    Mila sehatra afa hifampidinihan angamba isika fa tsy eto mihintsy kosa noho ireo mpitsikilony domelina sa ahoana re e?.

  3. mangataka ny famranana ny magro aingana ny tenanay ,tsy nahomby io atramin izao ka mila faranana ,miteninteny foana ireo mpitarika ao .

  4. Aiza kosa e!!ny mpitarika no tsy mamely fa ny vahoaka kosa aza mba tsy fidiny azy
    ny fiandrasany lava eo.
    Ary aza hadino fa raha io no foanana dia tsy ahamenatra an’i domelina ny HIAZAKAZAKA any @ NU rehetra any fa efa
    tokony homena @’izay ilay FANKATOAVANA fa efa rava ny TOLONA( MPITOKONA), mba hevitra hafa haroso fa aza izany
    fa sao izay vao tena ho FESONA eto isika.
    Eo aza sy msy mba nijoro mba nanohitra an’ity fransmann akory fa efa tsy IZY INTSONY MIHINTSY INY??manome litika !!!!

  5. Mialà ianareo rahefa tsy mahatanty fa aza ny olona no hatsatsoina. Fa anagaha misy misakana anareo hanao hetsika hafa. Inona no mba ataonareo. Izahay tsy hiala.

  6. randry! Lazainao fa sahirana mivavaka ny malagasy.Misy olona anie maniry mafy dia mafy ny hiadiana amin’ny miaramila mitan-basy.Ka azo lazaina hoe mivavaka ao am-po ihany koa ireny olona ireny noho ny faniriany sy ny fanantenany ny mba hisian’izany fifandonana izany.Misy olona mipetraka any ivelan’i Madagasikara, mahay mamporisika ny olona eo amin’ny solosaina ny hifandona amin’ny basy nefa ny tena vehivavy na kilemaina.Tsy manaratsy vehivavy na kilemaina ny tenako satria ohatran’izay ihany koa aho kanefa tsy mety ny manao araho izay teneniko fa aza jerena ny ataoko:fais ce que je dis pas ce que je fais.Ny Galasam anie ry zareo efa nahavita 1991 sy 2002; ny 1972 tsy lazaina intsony ary ny 26 Janvier sy 7 février 2009 dia manginy fotsiny.Ataoko fa tsy rariny intsony ny mitaky hiady amin’ny basy raha tsy hoe angaha mandefa peacekeepers ny Vondrona Afrikanina.Raha ny zavatra mitranga ao Afrika anie no zohina dia misy tany sasany nahitana filoham-pirenena nanjaka nandritry ny 20 taona na 30 taona ary niharetan’ny vahoaka izany ka milaza koa izany fa mitady ny vahaolana ara-diplomatika foana aloha ny olombelona satria mandala ny fahamarinana.Tsy hoe akory dia voavaha ny olana rehefa misy rà mandriaka.Tany Birmanie ireny toa tafavoaka ihany ilay vehivavy Aung SAn SUU KYU nefa tsy nisy ady an-trano.
    Raha aravina izany rehetra izany dia samy mivavaka daholo ny rehetra ao am-po ary samy mitady ny hamahana ny krizy fa amiko aloha dia ny vahaolana ara-diplomatika aloha no katsaina voalohany ary raha ohatra aho mitarika ny olona amin’ny zavatra iray dia izaho aloha no ho tokony hialoha laharana amin’izany.

  7. Ekena fa ilaina anie ny fifampidinihana e! Fa mitaky izany fifanakalozana @ olona na vondrona mifandipatra. Rehefa zohina anefa ny miseho, erantany (fa tsy any M/scar irery ihany) dia mitanila be ny fifandraisana: ny antony dia mitovy foana ihany e!Mila mihaina tsaratsara kokoa ny be sandry tsy ampy « ressources naturelles » intsony dia tsy maintsy mikaroka fika hangalarana izany an-kafà. Ry zareo tsy hiteny hoe  » ho avy hangalatra izahay » fa manomaa drafitra ry zareo, dia lambodamboiny eo izay olona efa notendreny fa ho mpiasany (président indrindra dia manaraka ny ministra), afaka hanondrana mora foana ny ilaindry zareo ( porofo akaiky ny françafrique),fa eo koa ny fomba afa any amerika atsimo sy firenena afa.
    Izany hoe tokony asahy hihenzana ny firenena manana ny harena mba tsy hamarotra ny vokatry ny tany varo-boba loatra ary hitsimbina ny vahoaka: mila mpitondra mahay miaro ny fireneny.Ary eo no tena miditra ny resaka « diplomatie » fa tsy izao tranga miseho any M/sacr izao. »Diplomatie » ndry zareo frantsay no zakaintsika malagasy,tsy afaka miteny afa tsy @ serasera (miodikodina tsy misy vaha-olana), na « comuniqué » tsy hasiany olona sirany. Misy « naiveté » afakely izany toa mitory tsy fahamatorana politika anefa ilaina jerena ny olana any amintsika araky ny tantara niseho hatrizay eran-tany ka hatrizao.
    Tsy dia hoe basy foana no afahana mandamina olana fa efa very hevitra ny maka fanapahan-kevitra toy izany.Mety misy fomba fiarovana afa azo hampanarahana ny « diplomatie »…fa tsy hiandry ho voadona vao hitaraina mila vonjy.
    Vitsy ny firenena ahitana vahoaka masahy irery mirongatra hanaisotra ny mpitondra izay mety tsy tantiny fa voatery hiafiny, ka dia mody atao hoe mikaroka vaha-olana ry zareo. Raha nisy ny marina eto antany dia tsy ho toa izao loatra kosa angamba ny fiainana an!indrindra ara-politika, mbola tsy nahitana olona tena marina tanteraka fa mihezaka manao izay marina araky izay tranga miseho: misy fanavahana tokony atao na ara-teny na ara-kevitra.
    Izany hoe, araky ny fijeriko, isika voa lava izao dia tokony hikaroka fomba fijery sy fisainana ny tokony atao ary tsy hamela ny be sandry hidaboka antsika tsy mitsahatra. Angamba tsy dia hoe ry zareo mpanjanaka no dia tena milay be fa isika koa mavozo mora mangina…ary satria voajanaka,toy ny antany afa koa, dia mamerina ny lesona nampidiriny misionera niaraka @ « colonisation » dia manohy mivavaka foana.
    Tohizo ny vavaka fa ampiana hetsika mba manova ny tranga e!Samy niady tany antsekoly fa samy nikaroka fika mba handresy na tsy ho voadaroka foana sa? Any ilay fijeriko ny tokony tohizana sy atao aingana e!

  8. Tsy ny »fivavahana » anie no ratsy satria io dia fitaovana fotsiny ka arakaraky ny fampiasana azy.Maro ireo missionera no nanokana ny fiainany ho an’ny hafa na kristianina ireo na tsia. Ohatran’ny vola ihany ny « fivavahana », fitaovana ihany fa raha tsy hay ny mametraka amin’ny toerany dia betsaka ny olana mitranga.
    Matoa ny filohan-pirenena iray mivarotra ny tanindrazany dia satria mora lambolamboina araky nolazainao izy (tsy mahay mi »négocier ») satria voalohany:
    tsy ananan’ilay haitao momban’izany ary faharoa tsy mahatsapa ny fony fa tokony ho tian’ny tanindrazany izy.Amiko dia samy ilaina daholo ireo.Iry voalohany, condition nécessaire ary ity faharoa condition suffisante.
    Tsy tsapanao ve ry Randry fa ny Malagasy dia tohina raha ohatra ianao ka manao fahadisoana manoratra amin’ny teny vazaha fa tsy miraharaha kosa izy raha misy diso tsipelina ny soratanao amin’ny teny Gasy.Na dia izay fotsiny aza dia efa vokatry ny fanjanahan-tsaina.Ny Finlandais izay anisan’ny voalohany eran-tany amin’ny fampianarana sy ny fianarana dia na mianatra teny vazaha aza izy dia tsy mivaky loha na misy diso aza ny soratany satria fantany fa tsy azy io.
    Ny fitiavan-tanindrazana dia miainga amin’ny fitiavana ny vahoaka ao aminy (na mahantra aza), miankina ihany koa amin’ny fitiavana ny kolontsainy (hirany, sakafony,lalaony…).Izany dia tsy milaza velively fa mankahala ny an’ny hafa ianao fa ny fisokafan’ny saina hanadrana ny an’ny hafa dia mampifanantona ny kolontsaina samihafa.Izany hoe:tsy ariana ny an’ny tena ary halalinina ny an’ny hafa.Fa raha arianao ny anao ka soloinao ny an’ny hafa dia tsy miraharaha ny anao ianao izay ary mangalatra ny an’ny hafa.
    Ny tiako holazaina dia i Domelina dia sady tsy nomen’ny ray aman-dreniny fanabeazana malagasy no tsy nahazo fampianarana mandala ny fahagasiana alohan’ny kolontsaina vahiny.Izany hoe araky ny nambaranao be sandry ny ankilany rehefa tianao ho be sandry izy fa raha ny saina sy fo(ezaka atao hahafantarana ny zavatra tsapan’ny fo) fa tsy sandry izay resaka ara-batana no hitondrana ny fifandraisana eran-tany dia mandroso kokoa ny fiafandraisana eo amin’ny samy olombelona.Raha tsy nisy sombin-pahamarinana teto an-tany efa ela isika mianakavy no foana teto an-tany.Sa ahoana hoy ianao?Ny fahamarinana zato isan-jato dia tsy ho hitan-draolombelona izay tia kolikoly raha tsy any amin’ny paradisa.Resaka hafa indray iny.

  9. Diso mazava loatra Andriandahifotsy! misaotra anao!!
    sady mihomehy aho @ ilay resaka diso tsipelina @ teny frantsay,
    io dia efa nisyfifamaliana mafy tamiko sy ireo Gasy mipetraka ao frantsa ireo,ny tena mapmė ? tsy hainy
    ny zavatra nosoratako ( ilay fiteny io) dia mbola naitsiny sady narahana taim-bava, MAHAONTSA ilay toetsaina!!
    dia gaga ianao???
    Ilay fivavahana dia tsy mifanome tsiny fa samy manana ny fampiasany ny fivavahana araka ilay fanazavana etsy ambony
    tsy ho ampiako intsony.

  10. Ny tsy fisiany ilay atao hoe « pragmatisme » @ fijery sy fomba fiasany frantsay nanjanaka antsika dia antony koa ahitana ny toe-tsaintsika hatrizay ka hatrizao.
    – Firy no mifehy ny tena tantaram-pirenena sy ny tena fomban-drazana malagasy? Tena malagasy hoy aho,(fa tsy izay tantara notereny frantsay hianarantsika tany ampianarana ary mbola hatrizao koa hanodikodinany ny sainy maro).
    ** Io tantara sy fomban-drazana, efa lasa io anefa no tena fototra afahany tsirairay ahay hitraka ankehitrio ary afahany mibanjina ny ho aviny.
    ** Ary ireo ihany koa no mbola fototry ny fitivan-tanindrazana izay antoky ny fahaizana miaro ny firenena. Rehefa tena liana ny momba azy ny vahoaka dia ho tena tia ny fireneny ary dia mora kokoa ny hiarovany azy.
    Ary fantatry ny mpanjanaka rehetra izany dia nampiasainy ary nandaitra eran-tany fa tsy M/scar irery akory no voa.Nampiasainy espagnol izany tany amerika atsimo, ny anglisy tany Australie, amerika avaratra, ny portugais tany an-kafà.Fa Chine, Japon, Korea atsimo, no any mbola afaka sady mihazona ny fomban-drazany no manaraka ny atao « modernisation à l’occidentale ».Raha tsy nisy ireo fifehezana ny tantaram-pirenena sy fomban-drazana ireo dia efa ela koa ireo firenena asiatika telo ireo no nikorosofahana.Any @ ireo firenena telo ireo, no ahitana izany antsoina hoe « hasina sy haja » na « fierté nationale » izany.
    Ny tena hilaina dia ny fahatsapana izany ary koa fikarohana ny tena vaha-olana mifandraiky.Ny fanarenana ny toe-tsain’ny « colonisés » rehetra dia lavitra ezaka hoy ilay mpandalina izay,satria « génération firy no nisesy sy niharany izany « manipulation » izany.Ny fikarokarohako sy fahitako ny tany @ ireo firenana ireo no vao maika nanamarina izay miseho.
    Nanana ny hasiny tokoa ny razantsika ka toa hoe nahatonga ny fiantsoana azy ireo hoe Manakasina sa Manakasy, fa mba ahandairany « colonisation » hono sady manahirana ny missionera ny fanononana izany dia natao hitsi-dika ho « malgache »! Ny mitonona ho nianatra tantara afaka manome fahazavana kokoa e!
    Izany hoe antsika tsirairay no mikarokaroka hanitsy izay tsy nety mba afahana tokoa hitondra vaha-olana ho any firenena: izay mahafantatra vao2 dia mampita sy mifanakalo @ izay afahana manao izany.Ny any ambanivohitra no voalohany tokony hifanakalozana hevitra satria any no mety mbola misy ray amandreny vitsy afaka mampita ny tantra sy fomban-drazana ho tahirizina.Fa indrindra koa ny any no hiharany tsy fahaizan manorata sy mamaky teny bebe kokoa noho an-tanan-dehibe.Tohizana ny natomboky ny filoha M.Ravalomanana, @ fampitombohana ny farim-pahalalany vahoaka ary raha @ teny anglisy araky ny novinavinany dia ho vao maika tsara indrindra…saingy ny « FRANCOPHONITE » saika lasa « congénitale » hatrizao!.
    Rehefa miroso @ izay « pragmatisme » hananany filoha izany ny mpanohana azy dia izay vao tsy ho irery izy ka tena afaka amin’izay hampivoatra sy hampandroso ny firenena.
    Antenaina fa hisy izany fivoarany fomba fijery sy fomba fiasa izany ka tsy hikatso toa izao intsony ny tolona.

  11. Marina ny anao Randry indrindra raha hanao jery mahabo na lavitra (à moyen terme et à long terme).Tokony hampianarana an’io fomba fijery « pragmatisme » io ny ankizy dia eny any am-pianarana ambaratonga voalohany ( tombon-tsoa sy fatiantoka—–>Thèse, anti-thèse, synthèse).
    Fa raha ny hevitro no hanontaniana dia tokony hanaparitaka afisy na tapakila maneho sarina vilia anankiroa misy vary ka ny haavon’ny vary dia arakaraky ny vokatry ny asan’ny malagasy iray ao anatin’ny herintaona na PNB/habitant.Ka ny vilia voalohany dia ny vokatra azo tamin’ny andron’i Ravalomanana ary ny vilia faharoa dia tamin’ny andron’i Rajoelina ka amparitaka io sary mampitaha ny vilia roa io.Dia hazavaina amin’ny tambanivohitra fa ny vilia misy ny vary avo izay misy ny sarin’ny filoha Ravalomanana eo ambony ary eo ankilany ny vilia misy vary iva eo ambanin’ny sarin’i Rajoelina satria raha ny PNB/habitant no ampitahaina tamin’ireo vanim-potoana ireo dia ny an’i DAda no avo kokoa.
    Ary farany raha tia mandalina ny tantaran’ny razambentsika malagasy isika dia tsy hanisy hasina ny fihaviana intsony satria taranak’i Rafohy sy Rangita isika mianakavy izay anarana miteny ho azy ka ataovy any anaty vata amin’izay ny resaka tanindrana sy tsalo fa io koa no mbola mapikatso ny toe-tsaintsika.Ny vazaha tsy mivaky amin’izany hor Normand na Lorrain na Alsacien izany raha resaka politika ka tokony ohatran’izay koa isika.Sa ahoana hoy ianao?

  12. Fanintsiana kely: ny vazaha dia tsy mivaky loha amin’izany hoe:Normand na Lorrain na Alsacien izany raha resaka politika ka tokony ohatran’izay koa isika .Sa ahoana hoy ianao?

  13. Manamafy hatrany ity aho: tantaram-pirenena sy fomban-drazana fa tsy nanonona hoe Rangita sy Rafohy.Ny frantsay no nampiditra io resaka hoe anivo sy anindrana io mba afahandry zareo mampirafy ny mpiray tanindrazana dia hametrahandry zareo ny politikany hangalatra ny harentany.
    Nampiasa izany ny espagnol na anglisy na allemand sy afa, rehefa maika ahazo tany vao2 ho fangalana « ressources naturelles » ry zareo, indrindra hatr@ WWII, ka hatrizao.
    Izany hoe, araky ny fijeriko, dia isika malagasy no tsy maintsy, mihezaka handrava io politika nampisaratsarka antsika io:
    * tsy dia fiadina be nankaiza ka nahafatesana olona maro anie ny fifanolanana fahiny t@ ireo ampanjaka sy mpanjaka e!Toy ny erantany ihany ny paika e:mandalo fifanambadian ny fandaminana fandriampalemana sy fivoarana ny firenena.
    Ka vitany ireo razana taloha ny nihara-monina tsy misy ady be ka tsy mba ho vitantsika ve e! Marina fa efa taonjato firy izay ary « génération » firy no nisesy fa tsy maintsy aseho ny frantsay fa mba nanana ny tantarany ihany isika ary iray ny malagasy.
    – Jereo ny mbola fampiasany firenena matanjaka io paika mampisaratsaraka io:
    * Olana any Syrie sy ny Alaouites, »chiites#sunites »,ny namolavolana famaritana ny Pakistan sy iny faritra iny, ny nandreseny espagnol tany amerika atsimo ary izao « partition » ny Sahel izao (vinavinany tomponandraikitra ao @ CEDS-Paris).
    – Mety azo atao ny manaparitaka io sary misy fatram-bary io dia ampiana fanazavana ny tohiny asa tokony atao,izay hiarahany rehetra ka inona izay dingana manaraka izay ary hono e?
    * Ny mampalahelo @ toe-tsaina nandomboiny frantsay antsika mantsy dia ilay « assistanat », toa ilaina taritina izany foana ny olona satria nalatsaka ambany loatra ny hambom-pony sy hajany.Ny « francophones » rehetra dia ahitana io toe-tsaina io e!Afa ny fijeriny « colonisés lusophones na anglophones » sy afa koa.
    Fahiny samy niara-niasa ny fokonolona fa tsy niandry izay tsipy kely avy @ vazaha izany.Ny resaka ady @ hanohanana dia voka-dratsiny « colonisation ».Tsy rariny ny nataondry zareo ary isika koa nilefitra foana dia izao, mangataka fanampiana izao foana ary toy ny tsy mahita afa tsy renin-dozatra ihany hiara-miasa…(somary sado-maso izany an)!
    Manorisory ny nihaino ilay « documentaire-FR3 » alatsinainy alina lasa teo.
    Isika samy isika anie afaka mifanampy e: ny any atsimo,tsy manana letchis fa afaka mifanakalo lentilles na trondro maina,ny vomanga sy vary mahasalama bebe kokao toy izany ny mofo « dipaina » ny frantsay , atao @ « farine de blé » miteraka aretina samihafa ka lasa fidirambolany orinasa vahiny mmaraotra fanafody simika…sy ny sisa maro…..
    Mety revy iany fa azo atao rehefa mivonona hanova toe-tsaina ka hifanakalo fahalalana rehetra na avy any Ampanihy na Marojezy na Amborovy, na Nosy-Be.
    Raha tena haintsika ny mampiasa ny firaisankina araky ny faha samihafany faritry M/scar dia tena ho afa ny miseho: samy manana ny vokany sy ilay pistony kely tsirairay fa ansika malagasy ihany.
    Ka aleo tsy taraiky fa raha mijery fotsiny ny UBIFrance-M/scar dia somary tara, efa lasa ny frantsay foan ihany ny harentsika…mangony fostiny ny vahiny afa….

  14. Randry!Ny Alemana sy ny tany skandinavy dia tsy nanana zanantany tany Afrika.Torak’izany koa i Soisa,ôtrisy, Italia (zara raha nanana roa), holandey koa zara raha nisy iray.
    Fa ny tiako ho lazaina dia isika foana no mbola mamoha io resaka fihaviana io hatramin’izao indrindra fa amin’ny resaka politika.Tsara hamafisana indray mandeha fontsiny ho an’ny taranaka fara-mandimby fa taranak’iRafohy sy Rangita izay vazimba.Tsara fantarin’ny vahiny ny tantarantsika satria isika « civilisés avant l’heure ».Nanambady ny tompon-tany ny tatsambo lahy mpiavy rehetra.Mila tsy manavakavaka izany, mila « négociation ihany koa »(adi-varotra)ary izany rehetra izany dia tamin’ny andro taloha.Fandalana ny fihavanana sy Diplomasia daholo izany ka tokony ho vitantsika ankehitriny ny miray hina sy mifandinika mba hanavotana an’i Gasikara.Ny fanamboarana sy ny fanokafana ny lalana misy ao Madagasikara dia manamafy ny fifanakalozana sy ny fivoarana satria mifanankalo hevitra ny olona amin’izay ary koa mifampiditra hatrany ny olona moa mivoaka ny vokatra ary mahazo vola ny taxi-brosy.
    Momba ny dingana manaraka izay atao afisy ngeza kokoa dia mampitahy olona voky nofonofosana fa tsy matavy izay nihinana ny varin’i Ravalomanana(faharafaratsiny indroa isan’andro no misakafo) ary olona somary marofy noho ny hahiany satria indray mandeha isan’andro no mihinana ny varin’i Rajoelina.Atao hoe roa no iray ny baolina ary mety ho lasa telo no ho iray raha mitohy.Dia zaraina sy apetaka eny amin’ny statiô bisy sy ny fijanonana ny taxi-borosy ny afisy raha msy mafana fo amin’izany dia isaorana lehibe mihintsy.Tadidio fa nisy fotoana anie isika nanondrana vary e ka tokony ho heverina ny fomba nahatonga izany taloha satria manafatra isika izao ary io koa angamba mety noho ny culture sur brulis izay manimba ny andon’ny tany sy ny tsirony dia mifindra monina ny tantsaha mitady tany mamokatra dia mandao fianakaviana sy fonenana na miandry taona maro vao mahavoly vary indray ka eo koa no mety ilaina ny village témoin hiarahana miasa amin’ny injeniera agronome sy ny sociologue ruraliste niofana tany madagasikara mahalala ny toe-tsain’ny tantsaha sy ny fombany.
    Raha aravina izany dia izay fifanakalozana amin’ny lafiny rehetra izay amin’ny alalan’ny fanatsarana ny lalana satria samy manana ny hanitra ho azy ny departemanta tsirairay fa avalona any ny resaka fihaviana rehefa miresaka politika satria mampisaraka sady amin’izay voadika vilana ilay izy.
    Mba hampihena ny rapport UBI France/Madagascar dia ny olona aloha no atao tonga saina mamboly ny fitiavan-tanindrazana ary mianatra ny haitao izay hiarahan’ny injeniera agronome sy ny sociologue ruraliste atsangana eran’ny nosy.Tsy taitra tsy maika nefa tsy tara e!Tsy mety ny assistanat maharitra ela be kanefa koa izay hita fa naka ny an’ny hafa dia tokony hamerina ihany izay nalainy.

  15. Ny allemand angamba tsy niditra mazava hanjanaka any Afrika satri efa eo ny Turcs ary toa izany Suisse sy Autriche, fa @ fomba afa no niasan-dry zareo.Italie na kely aza dia nampiasa ny firenen’i Khadafi.
    Ny « rapport de forces » dia misy foana fa lalàny fiainana izany: rehefa osa dia « élimination naturelle » e!Ny biby koa toa izany.Fa ny hihavahantsika olona @ biby hono dia hoe misaina ny olona!!!tsy marina foana anefa io.
    Raha mahay miaraka isika malagasy mitambatra toa nataony razantsika dia mora ny fanoherana ny fahavalo, satria tia hihaina @ taniny.
    Ahoana no hanairana ny fitiavan-tanindrazan rah miainga @ tantara tsy mazava sy fanodinana ny fomba-drazana kay e?
    Rehefa misy zavatra iray tena fantatra sy fehezina tsara ny momba azy dia tena ho tiavina tokoa ary ho harovana lalina araky izay azo atao sa tsy izany no dingana tokony miseho.Dia izay no fototry ny sosokevitro momba ny tantaram-pirenena sy fomban-drazana.Nisy ny vazimba dia avy eo ary ahoana ny fifanakalozandry zareo ka namelany ho antsika ny fomba fandevenana, ny fady sy fialan-tsiny sy Fandroana sy fanandrona.Any ny tantara sy fomba tiako resahina, tsy fantatry ny maro indrindra antanan-dehibe izay nandairany fanjanahana bebe kokoa.
    « Sortie des Reliques » no azo hilazana « cérémonie » azo arahina any Séoul ary mahazendana ny vahiny mizaha tany satria tena mampiseho ny « fierté nationale » io fomban-drazana io.Isika malagasy anefa dia lazainy sasany fa manompo sampy raha miresaka Fitampoha na Fanajana ny doany Andriamisara; izany satria nahindrahindra ny fombany vahiny ka asan’ny maizina rehefa tsy mifanaraka @ kristinisma hono!!!. Fototry ny hazon-damosintsika malagasy anefa ireny ary toa izany no tiako hamafisina @ tantara fa tsy famadiana resaka @ politika nampisaratsaraka antsika dia izao tsy manana ny haja sy hasiny izao ny firenena.Farim-pisainana tsy misy fanaboriborina ny tantara ary tsy misy ahihahy politika no fijeriko e!
    Ilaina ny misafidy sy mandray izay tsara etsy sy eroa fa ilaina mihintsy koa ny mahafantatra sy manaja ny any tena.Raha tsy izay dia « x » na « y » , « peanuts » fotsiny ihany eo @ rafitra sy kajy ataony WFP sy ny Nato sy ny sehatra isankarazany .
    Mino aho fa raha miverina @ rafitra tsotra mifanaraka @ fombany ny vahoaka dia ho mora kokoa ny hampifandray azy ireo @ izay nandranto fianarana mitondra izay afahana manatsara ny eo an-tanany.Ny tsy fisiany fifankalozana mantsy no tsy nampandaitra ny hevitra hoe hampamokatra ny ambanivohitra erany nosy.
    Raha hanao « village témoin » dia ilaina ny hitoviany fijery sy fomba fiasa satria na ny tsy fitovizany toe-tany fotsiny dia efa olana.Ny nahita fianarana somary maika hampiasa izay fantany fa tsy manontany ny tantsaha tompon-tany zaha-draharaha.
    Nisy ny natomboky ny filoha M.Ravalomanana fa ny fomba fiasany toa nampatahotra ny sasany zatra milasilasy dia nolazaina fa « dictateur » izy, ary misy mihintsy aza niara-niasa akaiky azy, tena tsy naharaka azy izay nifandray kokoa @ firenena misaina afa fa tsy toy ny frantsay.
    Rehefa tsy hisy hirika kely hanova ny fomba fijery sy fomba fiasa dia hikatso toa izoa 3 taona izao foana e!
    Handeha hijery sy hianatra ny an-kafa indray aloha dia raha misy fiovana eto , mitserika ihany e!

  16. Randry!Raha ny fitadidiko dia tsy nandeha nanjanaka tany Torkia na ny Alemana na ny ötrsiana na ny Soisa fa niantso an’ireo torka izy Alemanika ireo hiasa any aminy.
    Ny « rapport de force » dia nisy tokoa ary izay aza no nahatonga ady teo amin’ny firenena roa na vondrom-pirenena roa.
    Ary tsy hoe rehefa osa dia « élimination directe » fa rehefa tsy misy eritreritra dia lasa ny herin’ny vatana no ampiadiana ka izay be ihany sandry no mandresy.Tamin’ny ady lehibe faharoa dia « neutre » ny tany sahala amin’i « Suède » sy « Suisse » (protestanta ireo tany anankiroa ireo) ary i « Portugal » sy « Espagne » ary « Irlande » izay katolika.Rehefa vita ny ady lehibe faharoa dia nihavaka ireo tany tsy niady fa nandeha ny ekonomia indrindra fa iretsy tany roa protestanta satria nieritreritra fa tsy osa izy ireo.Firenena kely izy ireo fa sahy nijoro tamin’ny « neutralité » nananany ( Raoul Wallenberg izay suedois nanahirana ny nazi satria niaro sy namonjy ny jiosy kanefa tsy nisy azony ny nazi natao taminy, dia nisy soisa iray natao hoe: Schültz ihany koa nanahirana ny nazi).Misy ny miteny hoe kanosa ireo firenena ireo nefa amiko dia nieritreritra aloha izy ary ny azy no marina taty aoriana satria na natao hoe:kely osa aza ry zareo tamin’izany dia tsy notafihan’ny firenena hafa.
    Asa ny finoana (croyances) raha azo raisina ao anatin’ny kolontsaina(culture)satria na ny fandikana azy ireo amin’ny teny malagasy aza dia ny voalohany dia resaka lafin-panahy ary ny faharoa dia resaka ara-tsaina(kolontsaina).
    Raha arahina ihany ireo lohahevitra roa ireo dia ny voalohany dia resaka fifandraisanao amin’ny (Zanahary, Razana,Masoandro, Jehovah, Boudha, sns) ary ny faharoa dia ny fomba na toetra (fandroana, fandevenana,…) izay fifandraisanao amin’ilay zavatra na olona(ara-batana sy ara-tsaina).Dia manontany ianao hoe:ahoana ny fifanankalozana dia ohatran’ny tranga misy any amerika latina sady katolika no mino ny finoan-drazana ny « Amérindiens » sasany.Ny sikidy anie dia avy ao Gasikara ary ny famadihana dia nentin’ny mpihavy kanefa toa nandritra’ny vanim-potoana naharitra toa nampiasaina dia toa nampiasaina daholo izy roa.Izany hoe tsy maintsy nisy ny fifanarahana izay miaro fandeferana koa nahay niady varotra ny malagasy ary nandala fihavanana (izay hita amin’ny ohabolana toy ny hoe:trano atsimo sy avaratra izay tsy mahalen-kialofana).Tadidio fa efa nisy anie ny « métissage » e!
    Araky ny teninao dia ilaina ny mahafantatra ny tantara an’ny tena ary ny manaja izany.Ny boky mba novakiako dia nosoratana « hollandaise » izay avy amina firenena nandehandeha lavitra tamin’ny andro taloha noho ny mahatatsambo an-dry zareo.Ka raha ny fomba sy kolontsaina malagasy( fandalana ny fihavanana, fiadiana varotra, fandevenana, fandroana) dia manaja ny maha-malagasy aho fa raha miditra finoana izay hifandraisana amin’ny fanahy dia izay tsapako fa marina ao-am-poko ihany no banjiniko.Ka tsy tokony afangaro ny finoana sy ny kolontsaina izay voafoka ny voambolana « fomba » daholo amin’ny tenintsika Malagasy.
    Farany dia marina mihintsy ny teninao momba ny fomba fijery tokony hanana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tantsaha tompon-tany za-draharaha ka izay no ilaina ny mpanelanelana toy ny « sociologue ruraliste » satria nisy fotoana niofana teny Ambanivohitra koa izy ireo.Tiako dia tiako ny drafitra nentin’i Ravalomanana teo amin’ny fitondrana indrindra fa ny fisokafana betsaka kokoa amin’ny teny Anglisy.
    Mahafinaritra ihany koa ny mamaky ny lahatsoratrao satria mitandrina amin’ny tsipelina malagasy ianao.Izay dia efa tena dingana lehibe amin’ny fomba fijery.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *