TSY MANANA VAHAOLANA RAJOELINA RAHA TSY NY FODIAN’NY FILOHA RAVALOMANANA

IMG_6583

Tsy mitanila hoy Ralaiseheno Guy Maxime, teny amin’ny Magro Behoririka, ny Amerikana raha nanao iny fanambarana iny, satria manaja ny zon’olombelona izy ireo.Rehefa hanadihady ny raharaha hoy izy dia tsy voafeihn-dRajoelina ny firenena satria mitambesatra ny krizy. Raha mitonona fa nanao tondrozotra dia tokony handeha an-kitsipo ary ny tena marina dia tsy nandray andraikitra izy izay milaza fa manapahefana, fa nanao herisetra tamin’ny vehivavy. Aoka hoy Guy Maxime, isika ho fitaovana am-pahafantatra ny hafa ny tranga niseho tamin’ny Zoma teo. Mahakasika ny fifidianana, dia nambarany fa ao anatin’ny vanim-potoana manokana ny tetezamita. Tsy misy hoy izy ny fifanarahana politika nosoniavina mba hiverenantsika amin’ny ara-dalàna ho fanomezan-kasina ny vahoaka. Ny tomponandraikitra avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana hoy Guy Maxime dia nanatrika ny fanomezana ny datim-pifidianana. Tsy misy afa tsy ny fanomezam-pahefana ny vahoaka ihany hoy izy. Raha hanao fifidianana dia tsy misy afa tsy ny fanarahana ny lalàna iraisam-pirenena. Nisy ny daty maro nilazana teto fa hanao fifidianana, fa niandry isika fa tsy tanteraka izany. Raha voafaritra hoy ity mpanao politika ity, ny datim-pifidianana dia mazava ny antsika fa tsy maintsy milatsaka sy mody eto an-tanindrazana, ary tokana ny kandidantsika dia ny filoha Ravalomanana. Tsy manana vahaolana Rajoelina, raha tsy ny fodian’ny filoha Ravalomanana.Mitazona ny fihaonana ihany koa ny Ankolafy Ravalomanana. Tsy mbola tontosa ny tolona hoy Guy Maxime raha tsy tonga eto i Dada.

1 pensée sur “TSY MANANA VAHAOLANA RAJOELINA RAHA TSY NY FODIAN’NY FILOHA RAVALOMANANA”

  1. F’ angaha moa domelina mitady vahaolana fa tsy mety aminy izao????
    Ny rehetra no tokony hitady izay hivoahana @’izao fa domelina izany
    izao no sitrany sy HANIRAHAn’i mpanjanaka ary ny DEVOLINY azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *