TSY MIANTEHITRA AMIN’NY HAZO BOBOKA ISIKA FA AMIN’NY HAZO MATANJAKA

IMG_7294

Vory lanona teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Toy ny mahazatra dia nisy hatrany ny lahateny nifandimbiasana nataon’ireo mpitarika. Anisan’ny nandray fitenenana teny an-toerana Leriva Manahirana. Niantso ny fikambanana iraisam-pirenena ny tenany, toy ny Sadc, Troika. Aza ampitoviana amin’ny gadra lava izahay, hoy izy. Ny gadra lava no tsy mana-tsafidy fa izahay madio ny cassier judiciaire-nay ary vonona hifidy. Noho izany hoy Leriva dia tsy manaiky ny fitapitaka sy lainga ny amin’ny tsy ampodiana ny filoha Ravalomanana eto. Diso hoy izy ny filazana fa  ny filatsahan’ny Ravalomanana sy Rajoelina dia hiteraka korontana, fa ny mifanohitra amin’izay aza no hisy. Miantso anareo fikambanana iraisam-pirenena izahay hoy Leriva fa vahoaka an-tapitrisa no mitaky ny hilatsahany koa noho izany tsy hanaiky izahay.  Nanafatra ny vahoaka ihany koa ny tenany fa raha misy ny milaza any ambadimbadika any , mieritreritra fa misy olona hasolo ny filoha Ravalomanana dia izahay milaza fa tsy misy afa tsy Ravalomanana no kandida antsika.. Izay mihevitra fa hamitapitaka ato hoy izy dia miala avy hatrany. Tsy miantehitra amin’ny hazo boboka isika hoy Leriva Fa amin’ny hazo matanjaka. Koa asakasakareo fikambanana iraisam-pirenena hoy izy raha tsy hamela anay hifidy. Andriamato Ralaiseheno Guy Maxime kosa dia nampita vaovao tamin’ireo vahoaka tonga teny an-toerana. Ny maraina hoy izy dianisy ny fihaonan’ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra tamin’ny Fransman. Mazava tsara hoy izy ny resaka tao fa fanontaniana no napetra tamin’izy ireo hoe fifidianana ahoana no eritreretinareo. Nazava anaefa hoy Guy Maxime ny valintenin’ny Sadc fa tsy maintsy miverina amin’ny ara-dalàna sy ny hasiny ny malagasy. Raha ny zavatra nitranga tao anatin’ny andro maromaro hoy izy dia mino ahy ianareo fa tsy mila amin’ny tondrozotra ny Sadc. Tsy miova ny lalao hoy ity mpanao politika ity fa Ravalomanana no tompon’ny lalao. Dikan’izany dia miomana isika amin’ny fitsenana ny filoha Ravalomanana, ary miomana amin’ny fampandaniana azy.

3 pensées sur “TSY MIANTEHITRA AMIN’NY HAZO BOBOKA ISIKA FA AMIN’NY HAZO MATANJAKA”

  1. Si TGV veut empecher à tout prix Ravalomanana de revenir alors c’est simple ,il faut organiser une election entre TGV et Ravalo seul ,comme Ravalo avait proposé en mars 2009 de faire un referundum pour son depart ;mais TGV et le CAPSAT ont preferé un coup d’Etat !

  2. Amin’ny 2 volana indray hoe e! Tokony hieritreritra mihintsy i Dada momba ity SADEC SADEC ity. Ity France-man ity no eto no tena mijijy baolina ko. Na ny zazakely aza mi-comprendre fa misy politika maloto avo lenta ataon’ity rangahy afrikanina ity?

  3. Tsy azoko koa???toa hoe efa niala izy teo dia toa mbola ip indray???
    Efa tratry ny VIRUS koa io Fransmann io fa mba mody gisa eo,mody hoe….
    indrisyyyyyy!!!!!eto indray isika no ho raisina e!!!f’angaha misy mahasahy midrikina akory fa MITARAZOKA
    loatra izao dinika tsy mamely io izao???efa fantatra fa fandaniana andro fotsiny ny nanaovana ireny ary
    fantatry ny SADC tsara izany fa natao ihany satria ny frantsay no ambadika manaposy azy ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *